Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA | TENA MISY VE I SATANA?

Toetra Ratsy Fotsiny ve i Satana?

Toetra Ratsy Fotsiny ve i Satana?

Mety hanizingizina ny olona sasany hoe ilay Devoly na Satana resahin’ny Baiboly dia ny zava-dratsy rehetra fotsiny. Izany tokoa ve anefa no ampianarina ao? Raha marina izany, nahoana ny Baiboly no milaza fa niresaka tamin’i Jesosy Kristy sy tamin’Andriamanitra i Satana? Diniho ireto ohatra roa ireto:

NIRESAKA TAMIN’I JESOSY I SATANA

Naka fanahy an’i Jesosy intelo i Satana, tamin’i Jesosy nanomboka ny fanompoany. Voalohany, niezaka mafy i Satana nanery azy hampiasa ny hery nomen’Andriamanitra azy mba hahazoana sakafo. Nampirisihiny hisetra loza tsy amin’antony i Jesosy avy eo, mba ho gaga aminy ny olona. Farany, nolazainy tamin’i Jesosy hoe homeny azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao, raha miankohoka indray mandeha eo anatrehany izy. Nanda foana anefa i Jesosy sady nanonona andinin-teny avy tao amin’ny Soratra Masina.—Matio 4:1-11; Lioka 4:1-13.

Iza no niresaka tamin’i Jesosy? Ny toetra ratsy tao anatiny ve? Milaza ny Soratra Masina fa “efa notsapaina tamin’ny lafiny rehetra toa antsika” i Jesosy “nefa tsy nanota.” (Hebreo 4:15) Voalaza ao koa hoe: “Tsy nanota izy, ary tsy nahitana fitaka teo am-bavany.” (1 Petera 2:22) Lavorary foana i Jesosy ary tsy nivadika mihitsy. Tsy navelany hisy toetra ratsy mihitsy tao aminy. Mazava àry fa anjely tena nisy ilay nifampiresaka tamin’i Jesosy fa tsy hoe toetra ratsy tao anatiny.

Hita avy amin’ilay resaka nifanaovan’izy ireo koa hoe tena misy i Satana.

  • Tadidio fa natolony an’i Jesosy ny fanjakana maneran-tany raha niankohoka indray mandeha teo anatrehany izy. (Matio 4:8, 9) Tsy ho nisy dikany izany raha tsy tena misy i Satana. Tsy nanda koa i Jesosy hoe nanana an’izany fahefana be izany i Satana.

  • Taorian’ny nandavan’i Jesosy an’ireo fakam-panahy, dia “nandao azy” ny Devoly “mandra-pahatongan’ny fotoana hafa mety indray.” (Lioka 4:13) Toetra ratsy fotsiny ve i Satana eo, sa fahavalo tena be kiry?

  • Mariho fa “nisy anjely tonga nikarakara” an’i Jesosy. (Matio 4:11) Tena nisy ve ireo anjely nampahery sy nanampy an’i Jesosy ireo? Mazava ho azy. Nahoana àry isika no hieritreritra hoe tsy anjely tena misy koa i Satana fa zavatra hafa?

 NIRESAKA TAMIN’ANDRIAMANITRA I SATANA

Hitantsika ao amin’ny tantaran’i Joba, mpanompon’Andriamanitra, koa fa nifampiresaka Andriamanitra sy ny Devoly. Indroa izy ireo no nifampiresaka ary nidera an’i Joba foana Andriamanitra noho izy tsy nivadika. Niseho ho nahalala kokoa an’i Joba ny Devoly. Nolazainy fa manao havana raha misy patsa i Joba. Tsy tena te hanompo an’Andriamanitra, hono, izy fa notambazany fotsiny dia manaiky. Nomen’i Jehovah alalana àry i Satana handroba ny fananan’i Joba sy hamono ny zanany ary hanisy aretina aminy. * Voaporofo, tatỳ aoriana, hoe mpandainga i Satana ary marina ny tenin’i Jehovah momba an’i Joba. Notahin’Andriamanitra i Joba satria tsy nivadika.—Joba 1:6-12; 2:1-7.

Niresaka tamin’ny toetra ratsy tao anatiny ve i Jehovah Andriamanitra tamin’ireo fotoana ireo? Hoy ny Baiboly: “Tonga lafatra ny lalan’ilay tena Andriamanitra.” (2 Samoela 22:31) Voalaza ao koa hoe: “Masina, masina, masina i Jehovah Andriamanitra, ilay Mahery Indrindra.” (Apokalypsy 4:8) Madio sy tsy misy ota ny hoe masina. Lavorary sy tsy misy tsiny i Jehovah ka tsy hisy toetra ratsy mihitsy ao aminy.

Tena nisy loza nitranga tamin’i Joba, taorian’ilay resak’i Satana tamin’Andriamanitra

Mety hisy hilaza anefa hoe tsy tena nisy i Joba, ka tsy tena nisy koa ilay resaka nifanaovan’Andriamanitra sy ny Devoly. Marina ve izany? Resahin’ny andinin-teny hafa ao amin’ny Baiboly fa olona tena nisy i Joba. Miresaka momba azy, ohatra, ny Jakoba 5:7-11 mba handrisihana ny Kristianina hiaritra fahoriana, sy hampahatsiahivana azy ireo hoe mamaly soa an’izay miaritra i Jehovah. Tsy ho nisy dikany izany raha tsy tena nisy i Joba sy ny zavatra nataon’i Satana taminy. Mitanisa olo-marina telo koa ny Ezekiela 14:14, 20, dia i Noa sy Daniela ary Joba. Tena nisy toa an’i Noa sy Daniela i Joba ary nanana finoana matanjaka. Raha tena nisy i Joba, tsy ho tena nisy koa ve i Satana, ilay nanisy ratsy azy?

Hita mazava ao amin’ny Baiboly àry hoe anjely tena misy i Satana. Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Mbola mety hampidi-doza ahy sy ny vady aman-janako ve i Satana ankehitriny?’

AHOANA NY AMIN’IZAO ANDRO IZAO?

Aoka hatao hoe lasa misy andian-jiolahy tampoka ao an-tanànanareo. Mazava ho azy fa tsy hilamina ny tany sady ho be ny heloka bevava. Tsy misy hafa amin’izany ny zava-misy ankehitriny. Nalefa tampoka tetỳ an-tany i Satana sy ireo demoniany, izany hoe ireo anjely nikomy tamin’Andriamanitra toa an’i Satana. Inona no vokany? Diniho ny vaovao any aminareo sy maneran-tany.

  • Tsy voamarikao ve hoe mitombo ny herisetra sy ny habibiana, na dia ezahina sakanana aza izany maneran-tany?

  • Tsy hitanao ve hoe lasa be dia be izao ny fialam-boly misy herin’ny maizina, na dia tsy tian’ny ray aman-dreny maro aza izany?

  • Tsy hitanao koa ve hoe mihasimba foana ny tontolo iainana, na dia eo aza ny ezaka atao mba hiarovana azy?

  • Tsy tsapanao ve hoe misy zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny mihitsy eo amin’ny fiaraha-monina, ka hoatran’ny hoe misy hery manosika ny olona ho any an-kady?

Mariho hoe iza no lazain’ny Baiboly fa fototry ny korontana misy ankehitriny: “Natsipy mafy ilay dragona lehibe, ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, izay mamitaka ny tany rehetra misy mponina. Natsipy mafy tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niara-natsipy taminy. ... Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina, fa nidina any aminareo ny Devoly sady tezitra mafy, satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.” (Apokalypsy 12:9, 12) Rehefa mandinika ny zava-misy ny olona maro dia miaiky hoe anjely mampidi-doza i Satana, ary mitaona ny olona hanao ratsy foana izy.

Mety hieritreritra àry ianao hoe ahoana no hiarovan-tena amin’ny Devoly. Ara-dalàna izany. Misy soso-kevitra hanampy anao ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

^ feh. 12 Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.