Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA | TENA MISY VE I SATANA?

Aza Matahotra An’i Satana

Aza Matahotra An’i Satana

Toy ny gazy mampidi-doza nefa tsy hita maso i Satana

Misy gazy iray mampidi-doza nefa saro-pantarina satria tsy misy lokony sady tsy misy fofony. Io gazy io angamba no mahafaty ny antsasa-manilan’ireo matin’ny poizina. Soa ihany fa betsaka ny fomba azo amantarana an’io gazy io, ary azo atao ny miaro tena aminy. Olona any amin’ny tany maro no mampiasa fitaovana manokana famantarana an’ilay gazy, ary mivoaka ny trano haingana izy ireo rehefa maneno ilay izy.

Tsy hita maso koa i Satana sady tena mampidi-doza, toa an’io gazy io, ka sarotra amin’ny olona ny mamantatra azy. Tsy misy atahorantsika anefa satria misy zavatra omen’Andriamanitra ireto mba hanampiana antsika:

Nataony mahay misafidy isika: Hoy ny Jakoba 4:7: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’ Marina fa mahery i Satana, nefa tsy afaka manery anao hanao zavatra tsy tianao izy. Afaka misafidy ianao! Hoy ny 1 Petera 5:9: ‘Tohero izy [ny Devoly] ka manàna finoana matanjaka.’ Tadidio fa niala i Satana rehefa nanda an’ireo fakam-panahy telo i Jesosy. (Matio 4:11) Afaka mifidy ny hanohitra an’i Satana koa ianao.

Asain’Andriamanitra minamana aminy isika: Mampirisika antsika ‘hanatona an’Andriamanitra’ ny Jakoba 4:8. I Jehovah mihitsy no manasa antsika ho lasa namany akaiky. Ahoana anefa no hahatonga anao ho namany? Tsara raha mianatra Baiboly aloha ianao mba hahalalanao azy bebe kokoa. (Jaona 17:3) Ho tia azy ianao amin’izay, ary hahatonga anao hanao ny sitrapony izany. (1 Jaona 5:3) Inona kosa no hataon’ilay Rainao any an-danitra, rehefa manatona azy ianao? Hoy ihany i Jakoba: “Hanatona anareo izy.”

Miaro antsika amin’ny fomba isan-karazany i Jehovah

Mampanantena izy fa hiaro antsika: Hoy ny Ohabolana 18:10: “Ny anaran’i Jehovah dia tilikambo mafy, ary mihazakazaka ho ao ny marina ka voaro.” Tsy midika izany hoe karazana ody fiaro ny anaran’Andriamanitra. Midika kosa izany hoe afaka miantso vonjy aminy foana izay tena manaja ny anarany.

Tantara ao amin’ny Baiboly: Hoy ny Asan’ny Apostoly 19:19 momba an’ireo olona lasa Kristianina tany Efesosy: “Maro tamin’ireo zatra nampiasa herin’ny maizina no nanangona ny bokiny ka nandoro izany teo anatrehan’ny rehetra. Dia natambatr’izy ireo ny tokom-bidin’izany ka  hitany fa farantsa volafotsy dimy alina.” * Nopotehin’ireo Kristianina ireo daholo izay zavatra nisy ifandraisany tamin’ny herin’ny maizina, na ohatrinona na ohatrinona. Tena mahasoa antsika io tantara io. Manjaka mantsy izao ny asan’ny maizina. Na dia ny zavatra sy fombafomba hoatran’ny tsy mampaninona aza dia mety hisarika demonia, raha misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. Halaviro àry ireny, na dia mety hamoizanao zavatra be aza.—Deoteronomia 18:10-12.

Tsy nino i Rogelio, ilay voaresaka tany aloha, hoe misy ny Devoly raha tsy tamin’izy 50 taona. Nisy zavatra nampisaintsaina azy mantsy. Hoy izy: “Izay aho vao nahazo Baiboly hatramin’izay. Ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly no nandresy lahatra ahy hoe misy ny Devoly. Miaro ahy tsy ho voatariny koa izany.”

“Ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly no nandresy lahatra ahy hoe misy ny Devoly. Miaro ahy tsy ho voatariny koa izany”

Tianao ve raha tsy eo intsony i Satana? Tena hitranga izany. Efa nilaza ny Soratra Masina hoe ‘hatsipy mafy ao amin’ny farihy afo sy solifara’ ny Devoly, ilay mamitaka olona maro. (Apokalypsy 20:10) Mazava ho azy fa tsy afaka mandoro anjely tsy hita maso ny afo sy solifara. Ilay farihy afo àry dia tsy inona fa fandringanana mandrakizay. Ho faly erỳ ireo tia an’Andriamanitra rehefa tsy ho eo intsony i Satana!

Mandra-pahatongan’izany, dia ianaro izay azonao ianarana momba an’i Jehovah sy ny toetrany. * Alao sary an-tsaina ny fiainanao rehefa ho afaka hiteny ianao hoe: “Tsy misy intsony i Satana!”

^ feh. 8 Raha denaria romanina ny farantsa volafotsy resahiny eo, dia tena vola be ilay izy, satria karaman’ny mpiasa iray antonontonony ao anatin’ny 50 000 andro.

^ feh. 11 Manazava bebe kokoa momba an’i Satana sy ny fiheveran’Andriamanitra ny fifandraisana amin’ny herin’ny maizina ny toko 10 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Angataho amin’ny Vavolombelon’i Jehovah io boky io.