Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Fa Inona moa ny Farihy Afo? Mitovy Amin’ny Afobe na Gehena ve Izy Io?

Fa Inona moa ny Farihy Afo? Mitovy Amin’ny Afobe na Gehena ve Izy Io?

Valiny ara-baiboly

Teny entina ilazana ny fandringanana mandrakizay ny farihy afo. Mitovy amin’ny Gehena izy io, saingy tsy mitovy amin’ny afobe (na helo). Ny fasana misy ny maty rehetra mantsy no atao hoe afobe.

Tsy farihy ara-bakiteny

Andinin-teny dimy no ahitana ny teny hoe “farihy afo” ao amin’ny Baiboly. Asehon’izy ireo anefa fa tsy farihy ara-bakiteny izy io, fa an’ohatra fotsiny. (Apokalypsy 19:20; 20:10, 14, 15; 21:8) Ireto avy no hatsipy ao amin’ny farihy afo:

Ilazana ny fandringanana mandrakizay

Hoy ny Baiboly: “Tsy inona ny farihy afo fa ny fahafatesana faharoa.” (Apokalypsy 20:14; 21:8) Ilay fahafatesana vokatry ny fahotan’i Adama no lazain’ny Baiboly hoe fahafatesana voalohany. Azo avotana amin’ny alalan’ny fananganana amin’ny maty ny olona iharan’izy io. Hofoanan’Andriamanitra koa izy io amin’ny hoavy.—1 Korintianina 15:21, 22, 26.

Tsy hatsangana amin’ny maty intsony izay lasa any amin’ny farihy afo

Hafa mihitsy anefa ny fahafatesana faharoa, izay oharina amin’ny farihy afo. Marina fa tsy afaka manao na inona na inona koa izay olona lasa any. Tsy milaza mihitsy anefa ny Baiboly hoe mbola hatsangana amin’ny maty izy ireny. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa “manana ny lakilen’ny afobe sy ny fahafatesana” i Jesosy. (Apokalypsy 1:18; 20:13; Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, anglisy) Midika izany fa vitany ny manafaka ny olona maty vokatry ny fahotan’i Adama. Tsy misy na iza na iza anefa manana ny lakilen’ny farihy afo, eny fa na i Jesosy aza. Midika ho fandringanana mandrakizay izy io, ary izany no sazin’izay halefa any.—2 Tesalonianina 1:9.

Mitovy amin’ny Gehena, na ny Lohasahan’i Hinoma

Miseho in-12 ao amin’ny Baiboly ny teny hoe Gehena (geenna amin’ny teny grika). Midika hoe fandringanana mandrakizay koa izy io, toy ny farihy afo ihany. Na dia mandika azy io hoe “afobe” na “helo” aza ny Baiboly sasany, dia tsy mitovy mihitsy ny Gehena sy ny afobe (sheôl amin’ny teny hebreo ary haides amin’ny teny grika).

Ny Lohasahan’i Hinoma

Ny hoe Gehena dia midika ara-bakiteny hoe “Lohasahan’i Hinoma.” Lohasaha teo ivelan’ny tanànan’i Jerosalema izy io ary toerana fanariam-pako. Nasiana afo nirehitra foana tao mba handevona an’ireo fako, ary ny olitra no nihinana an’izay tsy tratran’ny afo.

Nampiasa ny teny hoe Gehena i Jesosy rehefa niresaka fandringanana mandrakizay. (Matio 23:33) Nilaza izy fa “tsy maty ny olitra” any amin’ny Gehena ary “tsy mety maty ny afo.” (Marka 9:47, 48) Niresaka ny zava-nitranga tao amin’ny Lohasahan’i Hinoma izy teo, nefa koa naka teny tao amin’ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 66:24 hoe: “Hivoaka izy ireo ka hitazana ny fatin’ireo olona nandika ny lalàko. Fa tsy ho faty ny olitra eny amin’ireny, ary tsy hovonoina ny afony.” Tsy fampijaliana no tian’i Jesosy horesahina eo, fa fandringanana tanteraka. Fatin’olona mantsy no nohanin’ny olitra sy nolevonin’ny afo tamin’izany, fa tsy olona mbola velona.

Tsy miresaka olona hatsangana avy any amin’ny Gehena mihitsy ny Baiboly. Samy midika hoe fandringanana mandrakizay àry na ny “farihy afo” na ny “Gehena mirehitra.”—Apokalypsy 20:14, 15; 21:8; Matio 18:9.

Inona no dikan’ilay hoe “hampijalina andro aman’alina mandrakizay mandrakizay”?

Raha midika ho fandringanana àry ny hoe farihy afo, nahoana ny Baiboly no milaza fa “hampijalina andro aman’alina mandrakizay mandrakizay” ao ny Devoly sy ilay bibidia ary ilay mpaminany sandoka? (Apokalypsy 20:10) Andeha aloha isika hijery antony efatra manaporofo fa tsy fampijaliana ara-bakiteny izy io:

  1. Tsy maintsy havela ho velona mandrakizay ny Devoly, raha tiana hijalijaly mandrakizay. Milaza anefa ny Baiboly fa hofoanana izy, izany hoe hatao tsy misy intsony.—Hebreo 2:14.

  2. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay fa tsy sazy.—Romanina 6:23.

  3. Tsy ho afaka handre fanaintainana ilay bibidia sy ilay mpaminany sandoka, satria tsy ara-bakiteny.

  4. Hita amin’ny fanazavana omen’ny Baiboly fa fandringanana mandrakizay no tiana holazaina amin’ilay hoe fampijaliana ny Devoly.

Mety hidika hoe tsy afaka manao na inona na inona koa ny teny hoe ‘fijaliana’ ao amin’ny Baiboly. Ilay teny grika nadika hoe “mpiambina ny fonja” ao amin’ny Matio 18:34, ohatra, dia nadika hoe “mpampijaly” ao amin’ny Baiboly sasany. Hita avy amin’izany fa mifandray ny hoe ‘mijaly’ sy ny hoe tsy afaka manao na inona na inona. Ireo fitantarana ao amin’ny Matio 8:29 sy ny Lioka 8:30, 31 koa dia mampifandray ny teny hoe ‘fampijaliana’ sy ny hoe “lavaka mangitsokitsoka”, izay midika hoe fahafatesana na toerana an’ohatra tsy ahafahana manao na inona na inona. (Romanina 10:7; Apokalypsy 20:1, 3) Imbetsaka ny bokin’ny Apokalypsy no mampiasa ny teny hoe ‘fampijaliana’ amin’ny heviny an’ohatra.—Apokalypsy 9:5; 11:10; 18:7, 10.

Fanampim-panazavana

Lasa Aiza Ireny Olona Maty Ireny?

Jereo ato hoe lasa aiza ireny olona maty ireny, araka ny lazain’ny Baiboly, ary nahoana ny olona no maty.

Inona Ilay Bibidia Manana Loha Fito ao Amin’ny Apokalypsy Toko Faha-13?

Manana hery sy fahefana ary seza fiandrianana ilay bibidia. Inona koa no resahin’ilay faminanian’ny Apokalypsy?

Hevi-diso Enina Tsy Tokony Hinoan’ny Kristianina

Mifanaraka amin’ny Baiboly ve ny zavatra nampianarin’ny Kristianina sasany fahiny, izay nalainy avy tamin’ny filozofia grika?