Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly

Afaka hiaina mandrakizay ve isika?

Ahoana no hanafahana antsika amin’ny fahafatesana?

Niaina an-jatony taona i Adama. Nihantitra anefa izy ary maty tamin’ny farany. Tsy te ho antitra ny olona, nefa mbola tsy nahita fomba hisorohana ny fahanterana sy ny fahafatesana. Nahoana? Tsy nankatò an’Andriamanitra i Adama fa nanota, ka nihantitra sy maty. Mihantitra koa isika satria nandova ota avy tamin’i Adama, ary fahafatesana no sazy avy amin’ny ota.Vakio ny Genesisy 5:5; Romanina 5:12.

Tsy maintsy misy mandoa vidim-panavotana ho antsika, vao ho afaka hiaina mandrakizay isika. (Joba 33:24, 25) Vola aloa mba hanafahana olona iray no atao hoe vidim-panavotana. Raha ny amintsika, dia mila afahana amin’ny fahafatesana isika. (Eksodosy 21:29, 30) Nandoa azy io i Jesosy rehefa namoy ny ainy ho antsika.—Vakio ny Jaona 3:16.

Ahoana no hahazoantsika fiainana mandrakizay?

Tsy ny rehetra no hafahana amin’ny aretina sy ny fahanterana. Tsy hahazo fiainana mandrakizay mantsy ny olona tsy mankatò an’Andriamanitra, toa an’i Adama. Ireo voavela heloka ihany no hahazo an’izany.—Vakio ny Isaia 33:24; 35:3-6.

Misy zavatra tsy maintsy ataontsika raha te ho voavela heloka isika. Mila mianatra Baiboly isika, mba hahalalana an’Andriamanitra sy hananana fiainana tsara kokoa ary hahazoana sitraka amin’Andriamanitra sy fiainana mandrakizay.—Vakio ny Jaona 17:3; Asan’ny Apostoly 3:19.