Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA JOLAY 2013

 MANATÒNA AN’ANDRIAMANITRA

‘Mahavoky ny Fontsika Izy’

‘Mahavoky ny Fontsika Izy’

Tena mitady izay hahasoa ny olona eto an-tany ve Andriamanitra, sa tsy miraharaha ny fahorian’izy ireo? Mampahery antsika izay lazain’ny Baiboly momba izany. Tena mitady izay hahasoa antsika Andriamanitra, ary tiany hifaly amin’ny fiainana isika. Tsara fanahy izy ka manao soa amin’ny olona isan’andro, na dia amin’ny olona tsy mahay mankasitraka indrindra aza. Diniho izay nolazain’ny apostoly Paoly.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 14:16, 17.

Hoy i Paoly tamin’ireo olona tao Lystra, izay tsy nivavaka tamin’Andriamanitra: “Taloha dia [navelan’Andriamanitra] handeha tamin’izay lalana tiany haleha avy ny firenena rehetra, kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona izy, satria nanao soa ka nanome anareo ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareo tamin’ny hanina sy ny fifaliana.” Inona no vokatr’izany tenin’i Paoly izany tamin’ireo olona nihaino azy?

Azon’ny mponin’i Lystra avy hatrany ny tenin’i Paoly. Mpamboly mantsy izy ireo ary lonaka sy azon-drano tsara ny toerana nisy azy. Nampahatsiahivin’i Paoly azy ireo anefa hoe avy amin’Andriamanitra ny orana sy ny taon-jina. Nandray soa avy tamin’ny hatsaram-panahin’Andriamanitra àry izy ireo, isaky ny nijinja vokatra be dia be sy nihinana sakafo matsiro.

Mampianatra antsika lesona lehibe momba an’i Jehovah Andriamanitra ny tenin’i Paoly tamin’ny mponin’i Lystra.

Avelan’i Jehovah hisafidy isika. Mariho fa navelan’i Jehovah “handeha tamin’izay lalana tiany haleha” ny firenena rehetra. Misy boky ho an’ny mpandika Baiboly milaza fa midika hoe “manao izay tiany” na “manao izay hitany fa mety” ireo teny ireo. Tsy teren’i Jehovah hanompo azy ny olona. Noforoniny hanan-tsafidy isika, ka isika no mifidy izay tiantsika hitondrana ny fiainantsika.—Deoteronomia 30:19.

Tian’i Jehovah hahafantatra azy isika. Hoy i Paoly: “Tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona izy.” Midika izany fa “naharihariny tamin’ny olona hoe Andriamanitra manao ahoana izy”, araka an’ilay boky voalaza tetsy aloha. Miharihary amin’ny zavatra noforoniny ny “toetrany tsy hita maso”, toy ny hatsaram-panahy, fahendrena, hery, ary fitiavana. (Romanina 1:20) Mbola miresaka zavatra maro momba ny tenany i Jehovah ao amin’ny Baiboly. (2 Timoty 3:16, 17) Tsy hita avy amin’izany ve fa tiany hahafantatra azy isika?

Tsara fanahy Andriamanitra ka manao soa amin’ny olona isan’andro, na dia amin’ny olona tsy mahay mankasitraka indrindra aza

Tian’i Jehovah ho sambatra isika. Nilaza i Paoly fa ‘mahavoky ny fontsika amin’ny hanina sy ny fifaliana izy.’ Na ny mpanota izay tsy tia an’i Jehovah aza afaka ny ho sambatra ihany, ary misakafo sy afa-po. Tian’i Jehovah ho sambatra mandrakizay anefa isika. Tsy ho tanteraka izany, raha tsy mahalala ny marina momba azy isika ary manao ny sitrapony.—Salamo 144:15; Matio 5:3.

Mandray soa avy amin’ny hatsaram-panahin’i Jehovah isika isan’andro, satria ‘mahavoky ny fontsika amin’ny hanina sy ny fifaliana’ izy. Nahoana àry raha fantarinao hoe ahoana no hahafahanao mankasitraka azy bebe kokoa?

Famakiana Baiboly Amin’ny Jolay

Asan’ny Apostoly 11-28