Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA JOLAY 2013

Ny Fivavahana sy ny Resaka Fitondran-tena

Ny Fivavahana sy ny Resaka Fitondran-tena

Hoy i Rondro, izay miasa amin’ny toerana fitaizana be antitra: “Niseho ho mpivavaka be ny mpiara-mianatra tamiko tany amin’ny oniversite. Nifraody anefa izy ireo rehefa fanadinana, ary nifoka zava-mahadomelina. Tsy nisy vokany teo amin’ny fiainany ny fivavahany.”

Hoy i Ndrema: “Mandainga ny mpiara-miasa amiko. Miera izy mba tsy hiasa fa marary, nefa tsy marary akory. Toy ny fanaka aderadera fotsiny ny fivavahana aminy, fa tsy mahasoa azy akory.”

Tsy mahatonga ny ankamaroan’ny olona ho tsara fitondran-tena ny fivavahana. Maro no “jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.” (2 Timoty 3:5) Sady tsy manome ohatra tsara ny mpitondra fivavahana no tsy mampirisika ny mpiangona ho tsara fitondran-tena, araka ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy mahagaga raha maro no mihevitra fa tsy miraharaha ny fomba fiainany Andriamanitra.

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY?

Asehon’ny Baiboly fa manana fihetseham-po Andriamanitra ary misy vokany be aminy ny fitondran-tenantsika. “Nanao izay nampalahelo azy”, ohatra, ny Israelita fahiny rehefa nikomy. (Salamo 78:40) ‘Misy fifaliana’ lehibe kosa any an-danitra rehefa misy olona miova ka lasa tsara fitondran-tena. (Lioka 15:7) Vao mainka ho tia an’ilay Raintsika any an-danitra isika rehefa mankasitraka ny toetrany, ka lasa tia izay tiany sy mankahala izay halany.—Amosa 5:15.

AHOANA NY AMIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH?

Milaza ny gazety Vaovaon’i Deseret any Salt Lake City, Etazonia, fa “mampirisika ny olona ho tia ny ankohonany sy hanampy ny hafa ary hanao ny marina” ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy koa io gazety io: “Tena manaraka ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fitondran-tena ny Vavolombelona. Mino izy ireo fa manimba ny fifandraisany amin’Andriamanitra ny fifohana sigara, fibobohan-toaka, fampiasana zava-mahadomelina, filokana, fijangajangana, ary ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy.”

Mampirisika ny mpiangona ho tsara fitondran-tena ve ny mpitondra fivavahana?

Mianatra momba ny toetran’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah ary misy vokany aminy izany. Hoy i Rondro, ilay voaresaka tany aloha: “Manjaka ny tsolotra any amin’ny trano fitaizana be antitra, ka mora ny manara-drian-drano. Fantatro anefa hoe tsy tian’i Jehovah * izany, ka miezaka manao ny marina foana aho. Faly aho sady milamin-tsaina.” Resy lahatra i Rondro fa mihatsara ny fiainany rehefa mampihatra ny zavatra inoany izy.

^ feh. 9 Jehovah no anaran’Andriamanitra, araka ny Baiboly.