Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Aiza Marina ny Orana?

Avy Aiza Marina ny Orana?

Avy Aiza Marina ny Orana?

INONA tokoa re no hitranga raha tsy misy ny orana e? Marina fa miteraka tondra-drano mahatsiravina izy io rehefa be loatra. Tsy tia orana koa ny olona any amin’ny tany manoran-dava sy mangatsiaka. (Ezra 10:9) An-tapitrisany anefa ny olona zara raha mahita orana. Mahamay sady maina lava ny andro any aminy. Faly erỳ àry izy ireo rehefa mba avy ny orana!

Maina be ny faritra afovoan’i Azia Minora. Efa misionera tany ny apostoly Paoly. Hoy izy tamin’ny Lykaonianina, mponina tany: ‘Tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Andriamanitra, satria nanao soa ka nanome anareo ranonorana avy eny amin’ny lanitra sy taon-jina, ary nahavoky ny fonareo tamin’ny hanina sy ny fifaliana.’ (Asan’ny Apostoly 14:17) Ny orana no nolazainy voalohany, satria tsy ho nisy ny zavamaniry raha tsy teo izy io, ary tsy ho nisy ny “taon-jina.”

Miresaka imbetsaka momba ny orana ny Baiboly. Hita injato mahery ao ny hoe orana. Te hahalala bebe kokoa momba an’io fanomezana sarobidy io ve ianao? Tianao ve ny hino fa marina izay lazain’ny Baiboly rehefa jerena ny siansa?

Inona no lazain’ny Baiboly momba ny orana?

Misy zavatra tena ilaina mba hampisy ny orana. Hoy i Jesosy Kristy: ‘Ny Rainareo mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy, ary mandatsaka ny orana amin’ny marina sy ny tsy marina.’ (Matio 5:45) Voamarikao ve fa ny masoandro aloha no noresahiny vao ny orana? Nahoana? Satria tsy mitombo ny zavamaniry raha tsy mahazo masoandro. Anisan’ny mampisy ny orana koa izy io. Lasa etona mantsy ny ranomasina rehefa azon’ny hainandro ary lasa orana. Io ilay atao hoe tsingerin’ny rano. Ranomasina 400 000 kilaometatra toratelo no lasa etona isan-taona. I Jehovah Andriamanitra no nanao ny masoandro. Izy àry no mampiakatra ny rano ho eny an-danitra mba ho lasa orana.

Hoy ny Baiboly: ‘Ampiakarin’Andriamanitra ireo piti-drano, ary mirotsaka ho orana sy zavona ireny. Koa mitete ny rahona, ka mifafy be dia be amin’ny olombelona.’ (Joba 36:26-28) Efa an’arivony taona ireo teny ireo no nosoratana, ary marina rehefa jerena ny siansa. Niezaka foana ny olona taorian’izay namantatra hoe ahoana no mampisy ny orana. Nilaza anefa ny boky siansa iray tamin’ny 2003, fa ‘mbola misy zavatra tsy tena mazava.’

Marina fa efa fantatry ny mpahay siansa hoe zavatra faran’izay bitika ny orana indray mitete, amin’ny voalohany. Lasa misy piti-drano mandrakotra an’iny zavatra bitika iny. Tsy maintsy mitombo avo iray tapitrisa heny na mahery ilay piti-drano avy eo, vao lasa orana indray mitete. Maharitra ora maromaro izany rehetra izany. Mbola tsy tena fantatry ny mpahay siansa anefa hoe ahoana no itomboan’ilay piti-drano. Milaza ny boky hafa iray fa samy manana ny fanazavany izy ireo, ary mbola mandinika an’izay fanazavana vaovao.

Hoy ilay namorona ny orana tamin’i Joba mpanompony: ‘Manan-dray ve ny orana? Sa iza no niteraka ny ranon’ando? Iza no nanome fahendrena ny rahona? Iza no manam-pahendrena ka mahay tsara ny isan’ny rahona? Ary iza no mahatongilana ny sinin-dranon’ny lanitra?’ (Joba 38:28, 36, 37) Fanontaniana saro-baliana ireo ka mampanetry tena antsika. Mbola mikaroka ny valiny ny mpahay siansa, 3 500 taona eo ho eo atỳ aoriana.

Avy aiza ny orana ary mankaiza?

Nilaza ny filozofa grika hoe tsy avy amin’ny orana ny renirano. Mikoriana any ambanin’ny tany kosa, hono, ny ranomasina ary miakatra any an-tendrombohitra, ka lasa ranomamy. Milaza koa ny boky iray momba ny Baiboly fa izany no dikan’ireto teny nasain’Andriamanitra nolazain’i Solomona ireto: “Mivarina any an-dranomasina ny renirano rehetra, nefa tsy tondraka ny ranomasina. Any amin’izay niavian’ny renirano ihany no iverenany, ary avy any indray izy no mikoriana.” (Mpitoriteny 1:7) Miakatra any an-tendrombohitra tokoa ve ny ranomasina ary mikoriana avy eny, ka lasa renirano? Aleo hojerentsika ny zavatra fantatry ny mpiray tanindrazana tamin’i Solomona, mba hahitana raha marina izany.

Hita tamin’ny tenin’i Elia mpaminanin’Andriamanitra, ohatra, fa fantany hoe avy aiza ny orana. Zato taona latsaka taorian’ny nahafatesan’i Solomona no nitenenany an’ilay izy. Tratran’ny hain-tany mafy ny fireneny, nandritra ny telo taona mahery. (Jakoba 5:17) Sazy avy tamin’i Jehovah Andriamanitra ilay izy, satria lasa nanompo andriamanitra kananita ny vahoakany. I Bala andriamanitry ny orana no nivavahany. Nanampy azy ireo hibebaka anefa i Elia ka nivavaka mba hisian’ny orana. Nasainy ‘nitazana tany an-dranomasina’ ny mpanompony tamin’izy nivavaka. Nahita ‘rahona kely hoatran’ny felatanana niakatra avy teny an-dranomasina’ ilay mpanompo, ka fantatr’i Elia fa voavaly ny vavaka nataony. Tsy ela dia “maintin’ny rahona ny lanitra ary nifofofofo ny rivotra, ka nirotsaka ny oram-be nivatravatra.” (1 Mpanjaka 18:43-45) Fantatr’i Elia àry hoe avy aiza ny orana ary mankaiza. Fantany fa misy rahona miforona aloha eny an-dranomasina. Tsofin’ny rivotra miantsinanana mankany amin’ny fireneny ilay izy avy eo, ary lasa orana. Mbola avy any atsinanana foana ny orana any hatramin’izao.

Zato taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nisy tantsaha iray atao hoe Amosa nilaza zavatra tena lehibe koa momba ny orana. Nirahin’Andriamanitra hananatra ny Israelita izy, satria nampijaly ny mahantra sy nanompo sampy izy ireo. Nasain’i Amosa ‘nitady an’i Jehovah’ àry izy ireo mba “ho velona.” Nohazavainy avy eo fa i Jehovah irery no tokony hivavahana, satria izy no Mpamorona. Izy “Ilay miantso ny ranon’ny ranomasina mba handrarahana azy eto ambonin’ny tany.” (Amosa 5:6, 8) Zava-mahagaga izany nefa tena marina, ary mbola naverin’i Amosa tatỳ aoriana. (Amosa 9:6) Nantitranteriny fa ny ranomasina no tena ahazoana orana.

Noporofoin’ilay mpahay siansa atao hoe Edmond Halley fa marina izany, tamin’ny 1687. Tsy neken’ny olona avy hatrany anefa ny porofo nomeny. Hoy ny Rakipahalalana Britannica (anglisy): ‘Tany am-piandohan’ny taonjato faha-18 vao tsy nino intsony ny olona hoe miakatra any an-tendrombohitra ny ranomasina ka lasa ranomamy, ary miverina any an-dranomasina indray.’ Maro no mahalala ankehitriny hoe avy aiza marina ny orana ary mankaiza. Hoy ihany ilay boky: “Lasa etona eny amin’ny lanitra aloha ny ranomasina. Tratran’ny hatsiaka ilay izy rehefa tonga eny, ka mivadika ho rano, ary milatsaka etỳ an-tany. Mikoriana any amin’ny renirano ilay izy avy eo, ary miverina an-dranomasina.” Io àry no tian’i Solomona holazaina ao amin’ny Mpitoriteny 1:7.

Inona izao no tokony hataonao?

Resahina imbetsaka ao amin’ny Baiboly ny momba ny tsingerin’ny rano, ary tena marina ilay izy. Anisan’ny porofo tsy azo lavina izany fa avy amin’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona antsika ny Baiboly. (2 Timoty 3:16) Marina fa simba ny tany noho ny ataon’ny olona, ka lasa simba koa ny toetrandro. Izany no mampisy tondra-drano sy hain-tany mahatsiravina any amin’ny faritra maro. Efa nampanantena anefa ilay namorona ny orana, fa ‘handringana izay manimba ny tany’ izy.—Apokalypsy 11:18.

Inona àry no azonao atao ho fankasitrahana an’io fanomezan’Andriamanitra io? Mianara Baiboly, ary araho izay voalaza ao. Tsy ho ringana ianao amin’izay, fa hiaina ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenain’i Jehovah Andriamanitra. Hahazo ny fanomezany rehetra ianao, ary hankafy izany mandrakizay. Avy aminy mantsy ny “fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.”—Jakoba 1:17.

[Kisary/Sary, pejy 16, 17]

(Jereo ny gazety)

← ← TRATRAN’NY HATSIAKA

↓ ↑ ↑

ORANA ETONA AVY AMIN’NY ZAVAMANIRY LASA ETONA

RIAKA

LASA ANY AMBANIN’NY TANY

↓ → →

[Sary, pejy 16]

‘Nitazana tany an-dranomasina’ ilay mpanompo, tamin’i Elia nivavaka