Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Mamonjy Anao ny Fahafatesan’i Jesosy

Afaka Mamonjy Anao ny Fahafatesan’i Jesosy

Afaka Mamonjy Anao ny Fahafatesan’i Jesosy

EFA ho 2 000 taona lasa izay, tamin’ny Paska jiosy taona 33, dia maty ny lehilahy iray tsy manan-tsiny mba hahafahan’ny olon-kafa hiaina. Iza io lehilahy io? I Jesosy avy any Nazareta. Iza no afaka mandray soa avy amin’ilay sorona nataony? Ny olona rehetra. Hoy ny andinin-teny iray be mpahalala momba an’io sorona mamonjy aina io: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16.

Maro no mahay an’io andininy io, saingy vitsy no tena mahazo ny dikany. Tsy azony angamba hoe nahoana isika no mila ny soron’i Kristy, ary ahoana no hahafahan’ny fahafatesan’ny olona iray hamonjy ny olon-drehetra amin’ny fahafatesana mandrakizay. Manome valiny mazava sy mahafa-po ny Baiboly.

Nahoana no manjaka ny fahafatesana?

Misy mino fa ny olona dia noforonina mba hiaina vetivety eto an-tany, hiatrika fitsapana, hahita fahasambarana kely, ary avy eo ho faty sy hifindra any amin’ny toerana tsara kokoa. Efa fikasan’Andriamanitra ny hahafaty ny olona, raha marina izany. Asehon’ny Baiboly anefa fa antony hafa no mahatonga ny olona ho faty. Izao no voalaza ao: ‘Avy tamin’ny olona iray no nidiran’ny ota ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Romanina 5:12) Araka izany, dia ny ota no mahatonga ny olona ho faty. Iza anefa ilay “olona iray” namindra ny voka-dratsin’ny ota tamin’ny olona rehetra?

Milaza Ny Rakipahalalan’izao Tontolo Izao (anglisy), fa mino ny ankamaroan’ny mpahay siansa hoe iray fiaviana ny olon-drehetra. Milaza mazava tsara ny Baiboly fa “olona iray” no niavian’izy ireo. Hoy ny Genesisy 1:27: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.” Asehon’ny Baiboly amin’izany fa ny mpivady voalohany no zavaboary niavaka indrindra teto an-tany nataon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.

Mitantara bebe kokoa ny fiainan’ny olona taorian’ny namoronan’i Jehovah Andriamanitra azy ny Genesisy. Marihina fa indray mandeha ihany izy ao no miresaka momba ny fahafatesana, izay lazainy fa vokatry ny tsy fankatoavana. (Genesisy 2:16, 17) Niriny hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany ny olona, ary ho sambatra sy ho salama mandrakizay. Tsy niriny hijaly noho ny fahanterana sy ny fahafatesana izy ireo. Nahoana àry no lasa nanjaka tamin’ny olon-drehetra ny fahafatesana?

Hita ao amin’ny Genesisy toko faha-3 fa ninia tsy nankatò an’ilay Andriamanitra Mpanome Aina ny mpivady voalohany. Noho izany, dia nampihariny tamin’izy ireo ilay sazy efa nampahafantariny azy, ka hoy izy: “Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray.” (Genesisy 3:19) Tanteraka tokoa ny tenin’Andriamanitra, ka maty ilay mpivady tsy nankatò tamin’ny farany.

Tsy i Adama sy Eva ihany anefa no niharan’ny vokatry ny nataony. Noho izy ireo tsy nankatò, dia tsy afaka nanantena fiainana lavorary intsony koa ny taranany. Efa nieritreritra ny taranak’izy ireo mbola tsy teraka i Jehovah, rehefa nilaza taminy hoe: “Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” (Genesisy 1:28) Tokony ho nameno ny tany ny olona rehefa nandeha ny fotoana, ary ho sambatra tanteraka sady tsy ho faty mihitsy. Nivarotra azy ireo ho andevon’ny ota anefa i Adama razambeny, ka tsy afa-miala amin’ny fahafatesana izy ireo. I Adama àry ilay hoe “olona iray.” Hoy ny apostoly Paoly, izay taranak’io lehilahy voalohany io koa: “Izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ny ota.”—Romanina 7:14

Zavaboary mahatalanjona nataon’Andriamanitra ny olombelona. Tena nanimba azy io anefa i Adama rehefa nanota. Niteraka ny zanak’i Adama, nanan-jafikely, ary nifandimby teny ny taranaka. Rehefa nihalehibe ireo, dia niteraka koa, ary maty tamin’ny farany. Nahoana izy ireo no maty? Satria taranak’i Adama daholo. Hoy ny Baiboly: “Ny heloky ny olona iray no nahafaty ny maro.” (Romanina 5:15) Aretina, fahanterana, fanirian-dratsy, ary fahafatesana no vokany, noho i Adama nivadika tamin’ny fianakaviany. Anisan’io fianakaviana io isika rehetra.

Rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina tany Roma ny apostoly Paoly, dia niresaka momba ny toe-javatra mampahonena misy ny olona tsy lavorary, anisan’izany ny tenany. Noresahiny tao koa ny ady mahakivy atao amin’ny vokatry ny ota. Hoy izy: “Olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin’ity vatana izay azon’ny fahafatesana ity?” Fanontaniana lehibe tokoa izany! Iza moa no hanafaka an’i Paoly tsy ho andevon’ny ota sy ny fahafatesana, sy hanafaka an’izay rehetra maniry izany koa? Izy ihany no namaly hoe: “Isaorana anie Andriamanitra [izay manafaka antsika] amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika!” (Romanina 7:14-25) Efa nanao zavatra ny Mpamorona, mba hamonjena antsika amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany.

Ny anjara asan’i Jesosy

Hoy i Jesosy momba ny anjara asany amin’ny famonjena ny olona amin’ny fanandevozan’ny ota, izay miteraka fahafatesana: ‘Tonga mba hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro ny Zanak’olona.’ (Matio 20:28) Ahoana no mahatonga ny ain’i Jesosy ho vidim-panavotana? Inona no soa raisintsika avy amin’ny fahafatesany?

Milaza ny Baiboly fa “tsy nanota” i Jesosy ary “tafasaraka amin’ny mpanota.” Nankatò tanteraka ny Lalàn’Andriamanitra foana izy. (Hebreo 4:15; 7:26) Noho izany, dia tsy vokatry ny fahotana sy ny tsy fankatoavana toy ny tamin’i Adama ny fahafatesany. (Ezekiela 18:4) Izy mihitsy no nanaiky ho faty, na dia tsy mendrika an’izany aza, satria te hanao ny sitrapon’ny Rainy izy, dia ny hanafaka ny olona amin’ny ota sy ny fahafatesana. Hitantsika teo fa an-tsitrapo no ‘nanomezany ny ainy ho vidim-panavotana.’ Ny fitiavana no nahatonga azy hanaiky “ho faty ho an’ny rehetra”, ary mbola tsy nisy naneho fitiavana lehibe toy izany.—Hebreo 2:9.

Nitovy tanteraka tamin’ilay aina nafoin’i Adama tamin’izy nanota, ilay aina nataon’i Jesosy sorona. Inona àry no vokatry ny fahafatesan’i Jesosy? Neken’i Jehovah ho “vidim-panavotana mba ho takalon’ny olona rehetra” io sorona io. (1 Timoty 2:6) Nampiasa azy io Andriamanitra mba hanafahana ny olona tsy ho andevon’ny ota sy ny fahafatesana.

Voaresaka imbetsaka ao amin’ny Baiboly io fanehoam-pitiavana lehibe avy amin’ny Mpamorona io. Nampahatsiahy ny Kristianina, ohatra, i Paoly fa “voavidy” izy ireo. (1 Korintianina 6:20; 7:23) Nilaza koa i Petera fa tsy volamena na volafotsy no nentin’Andriamanitra nanafaka ny Kristianina tamin’ny fomba fiaina mitarika ho amin’ny fahafatesana, fa ny ran’ny Zanany mihitsy. (1 Petera 1:18, 19) Nampiasa ny sorom-panavotan’i Kristy àry i Jehovah, mba hanafahana ny olona amin’ny fahafatesana mandrakizay.

Handray soa avy amin’ny vidim-panavotana ve ianao?

Maro be no afaka mandray soa avy amin’ny vidim-panavotana, araka ny tenin’ny apostoly Jaona hoe: “[I Jesosy Kristy] no sorona fampihavanana noho ny fahotantsika, nefa tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao manontolo koa.” (1 Jaona 2:2) Natao ho an’ny olon-drehetra àry ny vidim-panavotan’i Kristy. Midika ve anefa izany fa na iza na iza dia tsy maintsy handray soa avy amin’io fanomezana sarobidy io? Tsia. Tadidio ilay zava-nitranga tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Marina fa nisy barìka nampidinina tany ambanin’ny tany, mba hamonjena ireo mpitrandraka tafahitsoka tany. Tsy maintsy niditra tao amin’izy io anefa ny tsirairay taminy. Tsy maintsy manao zavatra koa àry ny olona maniry handray soa avy amin’ny sorom-panavotana, fa tsy miandry fotsiny ny fitahian’Andriamanitra.

Inona no takin’Andriamanitra? Hoy ny Jaona 3:36: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.” Takin’Andriamanitra ny hinoantsika ny soron’i Kristy. Tsy izay ihany anefa. “Izao no ahafantarantsika fa efa mahalala [an’i Jesosy] isika, dia ny fitandremantsika hatrany ny didiny.” (1 Jaona 2:3) Mazava àry fa tena ilaina ny mino ny soron’i Kristy sy mankatò ny didiny, mba ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana.

Fomba iray lehibe anehoana finoana ny soron’i Jesosy ny fankasitrahana azy io. Mampiseho izany isika amin’ny fahatsiarovana ny nahafatesany, araka ny didy nomeny. Nilaza toy izao tamin’ireo apostoliny nahatoky izy, rehefa nanorina io fankalazana io: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Tena sarobidy amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fifandraisany amin’ny Zanak’Andriamanitra, ka mankatò io didy io izy ireo. Hatao ny asabotsy 22 Martsa aorian’ny filentehan’ny masoandro ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy amin’ity taona ity. Faly izahay manasa anao hanatrika io fivoriana manokana io, ho fankatoavana ny didin’i Jesosy. Afaka milaza aminao ny fotoana sy ny toerana hanaovana izany ny Vavolombelon’i Jehovah eo amin’ny misy anao. Ho fantatrao amin’io fivoriana io ny zavatra hafa ilainao hatao, mba hahafahan’ny soron’i Kristy hanafaka anao amin’ny fahafatesana vokatry ny fahotan’i Adama.

Vitsy no tena mahalala sy mankasitraka ny sorona lehibe nataon’ny Mpamorona sy ny Zanany, mba hamonjena azy tsy ho ringana. Tena sambatra anefa ny olona mino azy io. Hoy ny apostoly Petera momba ny Kristianina: “Mino [an’i Jesosy] ianareo, sady miravoravo fatratra amin’ny fifaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra, satria azonareo ilay vokatry ny finoanareo, dia ny famonjena anareo.” (1 Petera 1:8, 9) Ho feno fifaliana ny fiainanao ary afaka manantena ny hafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana ianao, raha miezaka ny ho tia an’i Jesosy Kristy sy mino ny sorom-panavotany.

[Sary, pejy 6]

Nanome ny ainy i Jesosy mba hanafoanana ny vokatry ny fahotan’i Adama

[Sary, pejy 7]

Hatao ny asabotsy 22 Martsa 2008, aorian’ny filentehan’ny masoandro ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy