Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve ireo Tilikambo Fiambenana faramparany? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Inona no azontsika atao mba tsy hahatonga antsika hanao teny tsy voafehy?

Mila mandinika ny fontsika isika. Tsy tokony hiahiahy an’ireo mpiara-manompo amintsika isika. Mila mandinika kosa isika hoe nahoana isika no manakiana azy ireo. Kianintsika ve izy ireo mba hahatonga ny olona hieritreritra fa isika no tsara kokoa? Tadidio koa fa vao mainka manasaro-javatra ny fanakianana.—15/8, pejy 21.

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny vehivavy, raha ny Lalàn’i Mosesy no jerena?

Be dia be ny zavatra azon’ny vehivavy israelita natao, ary afaka nianatra izy ireo. Nohajaina izy ireo, ary nanan-jo harovana.—1/9, pejy 5-7.

Inona avy no zavatra hitranga tsy ho ela mifandray amin’ny andron’i Jehovah?

Hilaza ny mpitondra fanjakana hoe: “Fandriampahalemana sy filaminana!” Hanafika sy handringana an’i Babylona Lehibe ireo firenena. Hotafihina ny vahoakan’Andriamanitra. Hipoaka ny ady Hara-magedona, ary hatsipy ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka i Satana sy ny demoniany aorian’izay.—15/9, pejy 4.

Inona no soa raisintsika noho isika tsy mahalala ny fotoana hahatongavan’ny farany?

Mahasoa antsika izany, satria afaka mampiseho izay tena ao am-pontsika isika. Afaka mampifaly ny fon’i Jehovah koa isika. Mandrisika antsika koa izany mba hahafoy tena sy hiantehitra bebe kokoa amin’i Jehovah sy ny Teniny. Lasa miana-javatra avy amin’ny fitsapana mahazo antsika koa isika.—15/9, pejy 24-25.

Ahoana no azo ampiasana ny Genesisy 3:19 mba hampisaintsainana ny olona mino ny afobe?

Milaza io andininy io hoe hiverina amin’ny vovoka i Adama rehefa maty, fa tsy hoe ho any amin’ny afobe.—1/10, pejy 13.

Iza ireo “kintana fito” eny an-tanana havanan’i Jesosy, ao amin’ny Apokalypsy 1:16, 20?

Ireo anti-panahy voahosotra no tiana holazaina amin’ny hoe “kintana”, kanefa mihatra amin’ireo anti-panahy rehetra ny zavatra voalaza momba ireo kintana ireo.—15/10, pejy 14.

Inona no azon’ny fianakaviana atao raha tsy mety afa-trosa izy ireo?

Tokony ho tony sy tsy hiolakolaka ny mpivady rehefa miresaka trosa. Ilaina ny mamantatra ny vola eo am-pelatanana sy mieritreritra hoe: Azo ampitomboina ve ny vola miditra, sa mila ahena ny vola mivoaka? Diniho koa hoe inona no trosa tokony haloa voalohany. Mety hilaina ny mifampiraharaha amin’ny tompon-trosa. Ankoatra izany, dia tokony hotadidina fa misy toe-javatra tsy azo anoarana, ary tsy tsara ny mifantoka be loatra amin’ilay trosa. (1 Tim. 6:8)—1/11, pejy 19-21.

Inona no mampiseho fa nanetry tena araka ny voalazan’ny Isaia 50:4, 5 i Jesosy?

Milaza io faminaniana io fa ‘tsy hivily lalana’ i Jesosy, satria manana ny “lelan’ny efa nampianarina.” Nanetry tena tokoa i Jesosy, ka tena nazoto nianatra izy rehefa nampianarin’i Jehovah, ary nihaino tsara. Nandinika tsara izy, rehefa nanetry tena i Jehovah ka namindra fo tamin’ny olombelona mpanota.—15/11, pejy 11.

Inona no nasehon’ny hajia fahatsiarovana iray tany Estonia momba ny tsy fivadihan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Namoaka hajia iray mampiseho ny fandripahana an’ireo Estonianina teo ambany fitondran’i Staline ny paositra any Estonia, tamin’ny 2007. Nisy tarehimarika hoe 382 teo amin’izy io. Io no isan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny zanany, natao sesitany tany amin’ny toby fiasana an-terivozona tany Rosia, tamin’ny 1951.—1/12, pejy 27-28.