Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) OKTOBRA 2012

Manao Ahoana ny Toe-tsainao?

Manao Ahoana ny Toe-tsainao?

“Ho amin’ny toe-tsaina asehonareo anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Kristy Tompo!”—FILEM. 25.

1. Inona no fanirian’i Paoly, noresahiny matetika tao amin’ny taratasiny?

TIAN’NY apostoly Paoly hanana toe-tsaina tsara ny fiangonana, ka hahazo sitraka amin’i Jehovah sy Jesosy Kristy. Imbetsaka izy no nilaza izany, rehefa nanoratra ho an’ireo mpiray finoana taminy. Nilaza toy izao tamin’ireo Galatianina, ohatra, izy: “Ho amin’ny toe-tsaina asehonareo anie, ry rahalahy, ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jesosy Kristy Tompontsika! Amena.” (Gal. 6:18) Inona no tiany holazaina tamin’ilay hoe ny “toe-tsaina asehonareo”?

2, 3. a) Inona no tian’i Paoly holazaina tamin’ilay teny hoe “toe-tsaina”? b) Inona no fanontaniana mila eritreretintsika?

2 Ilay teny hoe “toe-tsaina” lazain’i Paoly eo, dia midika koa hoe fomba fisaina. Izy io no mahatonga antsika hilaza na hanao zavatra iray. Izy io, ohatra, no mahatonga antsika ho tsara fanahy, be fiahiana, malemy fanahy, malala-tanana, na mamela heloka. Izy io koa no mahatonga antsika ho ‘tony sy halemy paika’, izay toetra tsara hananana. (1 Pet. 3:4; Ohab. 17:27) Ny toe-tsaina koa anefa no mahatonga ny olona iray ho tia maneso, ho tia harena, mora tezitra, na tsy tia toroana hevitra. Mbola ratsy kokoa aza ny toe-tsain’ny olona sasany, ka mahatonga azy haloto saina, tsy hankatò, na hikomy mihitsy.

3 Rehefa nilaza àry i Paoly hoe “ho amin’ny toe-tsaina asehonao anie ny Tompo”, dia nampirisika ny Kristianina izy mba hanahaka an’i Kristy sy hanana toe-tsaina mampifaly an’Andriamanitra. (2 Tim. 4:22; vakio ny Kolosianina 3:9-12.) Tsara àry ny hieritreretantsika hoe: ‘Manao ahoana ny toe-tsaiko? Ahoana no hanatsarako ny toe-tsaiko mba hahatonga azy io hampifaly an’i Jehovah? Inona no azoko atao mba hanatsarana ny toe-tsain’ny fiangonana?’ Mahafinaritra, ohatra, ny mijery toerana feno tanamasoandro.  Ny lokon’ny tanamasoandro tsirairay anefa no mahatonga an’ilay toerana ho tsara tarehy. Toy ny tanamasoandro iray àry ve ianao, ka miezaka mba hahatonga ny fiangonana manontolo ho tsara tarehy? Tena tokony hanao izany ezaka izany isika. Hodinihintsika àry hoe inona no azontsika atao mba hananana toe-tsaina mampifaly an’Andriamanitra.

HALAVIRO NY TOE-TSAIN’IZAO TONTOLO IZAO

4. Inona no atao hoe “fanahin’izao tontolo izao”?

4 Hoy ny Baiboly: “Isika tsy nandray ny fanahin’izao tontolo izao, fa ny fanahy avy amin’Andriamanitra.” (1 Kor. 2:12) Inona ny “fanahin’izao tontolo izao”? Izy io dia ilay toe-tsaina resahin’ny Efesianina 2:2. Izao no voalaza ao: ‘Tao amin’izany no nandehananareo taloha, araka an’ity tontolo ity sy araka an’ilay mpitondra ny fahefan’ny rivotra, dia ny toe-tsaina izay miasa ankehitriny ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.’ Ilay “rivotra” na toe-tsaina resahina eo, dia ny toe-tsain’izao tontolo izao, na ny fomba fisainany. Hita hatraiza hatraiza izy io, satria mihanaka manodidina antsika toy ny rivotra ara-bakiteny. Maro, ohatra, ny olona tsy tia tenenina ny amin’izay tokony hataony, na tia mitaky ny zony, eto amin’ity tontolon’i Satana ity. Hita hoe “zanaky ny tsy fankatoavana” tokoa izy ireny.

5. Inona no toe-tsaina ratsy nasehon’ny Israelita sasany?

5 Tsy vaovao akory io toe-tsaina io. Efa nitranga izany tamin’ny andron’i Mosesy. Nanohitra an’ireo olona nanana andraikitra i Kora, indrindra fa tamin’i Arona sy ny zanany, izay nanao ny asan’ny mpisorona. Hitany angamba ny kileman’izy ireo. Na angamba nihevitra izy hoe manao kiantranoantrano i Mosesy, ka ny havany ihany no omeny tombontsoa. Na ahoana na ahoana, dia lasa nanana fomba fijerin’olombelona i Kora, ka lasa tsy nanaja an’ireo voatendrin’i Jehovah. Hoy izy tamin’izy ireo: “Efa tofoka aminareo izahay ... Nahoana ianareo no manandra-tena ho ambony noho ny fiangonan’i Jehovah?” (Nom. 16:3) Nimenomenona momba an’i Mosesy koa i Datana sy Abirama, ka nilaza fa ‘mitady hanjakazaka toy ny andriana’ i Mosesy. Rehefa nampanantsoin’i Mosesy izy ireo, dia namaly tamin’ny teny an’avona hoe: “Tsy hiakatra any izahay!” (Nom. 16:12-14) Tena tsy nahafaly an’i Jehovah izany toe-tsaina izany, ka novonoiny daholo ireo mpikomy ireo.—Nom. 16:28-35.

6. Inona no mampiseho fa tsy nanana toe-tsaina tsara ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, ary inona no mety ho anton’izany?

6 Nanakiana an’ireo nitarika teo anivon’ny fiangonana koa ny Kristianina sasany tamin’ny taonjato voalohany, ka ‘tsy niraharaha an’ireo manana fahefana.’ (Joda 8) Tsy afa-po tamin’ny tombontsoany angamba izy ireo, ka niezaka nitaona ny hafa mba hikomy tamin’ireo lehilahy voatendry, izay nanao tsara ny andraikitra nomen’Andriamanitra azy.—Vakio ny 3 Jaona 9, 10.

7. Inona no toe-tsaina tsy tokony hananantsika?

7 Mazava fa tsy tokony hisy an’izany toe-tsaina izany eo anivon’ny fiangonana. Mila mitandrina àry isika. Tsy lavorary ireo anti-panahy, toy ny tamin’ny andron’i Mosesy sy ny apostoly Jaona ihany. Mety hanao fahadisoana misy vokany amintsika izy ireo. Na izany aza, dia tsy tokony hanahaka ny toe-tsain’ity tontolo ity isika, ka hitaky mafy ny hampiharana ny rariny, na hilaza hoe tokony hesorina tsy ho anti-panahy ilay rahalahy. Tokony hotadidintsika fa azon’i Jehovah atao ny tsy mijery ny fahadisoana madinika ataon’ireo anti-panahy. Tsy afaka manao toy izany koa ve isika? Tsy mety mihaona amin’ireo anti-panahy voatendry hanampy azy ny olona sasany nanao fahotana lehibe, satria misy zavatra tsy tiany amin’ireo anti-panahy. Raha manao izany isika, dia toy ny olona marary tsy manaiky ny fitsaboana hanasitranana antsika, satria hoe misy zavatra tsy tiantsika amin’ilay dokotera.

8. Inona no andinin-teny manampy antsika hanaja an’ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana?

 8 Inona no hanampy antsika tsy hanana toe-tsaina ratsy toy izany? Mila tadidintsika ilay tenin’ny Baiboly hoe ‘misy kintana fito eny an-tanana havanan’i Jesosy.’ Ireo anti-panahy voahosotra no tiana holazaina amin’ny hoe “kintana” eo, kanefa mihatra amin’ireo anti-panahy rehetra ny zavatra voalaza momba azy ireo. Afaka mitarika an’ireo “kintana” ireo araka izay itiavany azy i Jesosy. (Apok. 1:16, 20) Lohan’ny fiangonana izy, ka manana fahefana feno amin’ireo anti-panahy. Manana ‘maso tahaka ny lelafo’ koa izy, ka mahafantatra tsara momba ny anti-panahy. Raha hitany hoe mila fanitsiana ny anti-panahy iray, dia hanitsy azy izy amin’ny fotoana mety sy araka izay fomba hitany hoe mety. (Apok. 1:14) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia mila manaja foana an’ilay anti-panahy voatendrin’ny fanahy masina isika, satria nilaza i Paoly hoe: “Aoka ianareo hankatò sy hanaiky an’ireo mitarika eo aminareo, fa izy ireny miaro anareo hatrany toy ny olona mbola hatao ampamoaka, mba hanaovany izany amim-pifaliana fa tsy amim-pisentoana, fa tsy hahasoa anareo izany.”—Heb. 13:17.

Raha misaintsaina ny fahefan’i Jesosy eo anivon’ny fiangonana ianao, ahoana no tokony hataonao rehefa manome torohevitra anao ny anti-panahy?

9. a) Inona no fitsapana mety hahazo ny Kristianina iray rehefa ahitsy na omena famaizana? b) Inona no zavatra tsara indrindra tokony hataontsika rehefa omena torohevitra isika na anarina?

9 Ahoana no ataonao raha manitsy anao ny anti-panahy na manala ny andraikitra tananao eo anivon’ny fiangonana? Izay ataonao no ahitana hoe manao ahoana ny toe-tsainao. Tsara fanahy, ohatra, ny anti-panahy rehefa nananatra ny rahalahy tanora iray, noho izy nanao lalao video misy herisetra. Mampalahelo fa tsy noraisiny  tsara ilay torohevitra, ka nesorina tsy ho mpanampy amin’ny fanompoana izy, satria tsy nahafeno fepetra intsony. (Sal. 11:5; 1 Tim. 3:8-10) Naelin’ilay rahalahy tamin’ny olona anefa hoe tsy nekeny ilay fepetra noraisina. Nanoratra imbetsaka tany amin’ny biraon’ny sampana koa izy mba hanakianana an’ireo anti-panahy. Nasainy nanao toy izany mihitsy aza ny sasany teo anivon’ny fiangonana. Ratsy anefa izany. Manimba ny firaisan-tsain’ny fiangonana isika raha manamarin-tena, ary tsy mahasoa na iza na iza izany. Tsara kosa ny manaiky ny torohevitra omena antsika, ka mihevitra azy ireny ho fanampiana antsika hahita ny fahalementsika, izay mety tsy ho tsikaritsika akory.—Vakio ny Fitomaniana 3:28, 29.

10. a) Inona ny toe-tsaina tsara tokony hananantsika, ary inona ny toe-tsaina ratsy tokony hohalavirintsika, araka ny Jakoba 3:16-18? b) Inona no vokany raha miezaka manao zavatra mifanaraka amin’ny “fahendrena avy any ambony” isika?

10 Miresaka momba ny toe-tsaina tokony hananana sy tsy tokony hananana ny Jakoba 3:16-18. Izao no voalaza ao: “Eo amin’izay mialona sy tia mifanditra, dia misy korontana mbamin’ny zava-dratsy rehetra koa. Ny fahendrena avy any ambony kosa dia madio aloha, ary avy eo tia fihavanana, mahay mandanjalanja, vonona hankatò, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy manavakavaka na miangatra, ary tsy mihatsaravelatsihy. Ambonin’izany, dia afafin’ny mpampihavana ny voan’ny fahamarinana, ary ao anatin’ny toe-tsaina tia fihavanana no anaovany izany.” Hanahaka ny toetran’Andriamanitra isika, sady hampisy toe-tsaina tsara eo anivon’ny fiangonana, raha miezaka manao zavatra mifanaraka amin’ny “fahendrena avy any ambony.”

NY TOE-TSAINA TSARA EO ANIVON’NY FIANGONANA

11. a) Inona no tsy hataontsika mihitsy, raha manana toe-tsaina tsara isika? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Davida?

11 Tokony hotadidintsika fa notendren’i Jehovah mba ‘hiandry ny fiangonana’ ny anti-panahy. (Asa. 20:28; 1 Pet. 5:2) Tokony hanaja an’izany fandaharan’i Jehovah izany isika, na anti-panahy isika na tsia. Raha manana toe-tsaina tsara isika, dia tsy tokony ho sarotiny loatra amin’ny resaka tombontsoam-panompoana na ny andraikitra tanana eo anivon’ny fiangonana. Rehefa nanomboka nieritreritra, ohatra, i Saoly Mpanjaka hoe mandrahona ny fahefany i Davida, dia ‘hita tamin’ny fijeriny fa niahiahy an’i Davida foana izy.’ (1 Sam. 18:9) Lasa nanana toe-tsaina ratsy i Saoly, ary nitady hamono an’i Davida mihitsy. Tsy tokony hanahy be momba ny toerana tanantsika, toy ny nataon’i Saoly, isika, fa tokony hanahaka an’i Davida. Be dia be ny tsy rariny nihatra taminy, kanefa nohajainy foana ny olona nomen’i Jehovah fahefana.—Vakio ny 1 Samoela 26:23.

12. Inona no hampiray saina ny fiangonana?

12 Mety hiteraka fahasorenana ny tsy fitovian-kevitra, eny fa na dia eo amin’ny samy anti-panahy aza. Afaka manampy antsika anefa ny torohevitry ny Baiboly hoe: “Aoka ianareo ho loha laharana raha ny amin’ny fifanomezam-boninahitra.” Eo koa ilay hoe: “Aoka ianareo tsy hihevi-tena ho hendry.” (Rom. 12:10, 16) Tsy tokony hanizingizina àry isika hoe ny hevitsika no tsara, fa tokony hiaiky isika hoe mety ho maromaro ny hevitra tsara, indraindray. Hiray saina ny fiangonana raha miezaka mandinika ny hevitry ny hafa isika.—Fil. 4:5.

13. Inona no tokony hataontsika rehefa avy naneho ny hevitsika isika, ary inona no ohatra ao amin’ny Baiboly momba an’izany?

13 Midika ve izany fa tsy tokony hilaza ny hevitsika isika, raha misy zavatra hitantsika hoe mila ahitsy eo anivon’ny fiangonana? Tsia. Nisy olana iray nahatonga adihevitra be, ohatra, tamin’ny taonjato voalohany. Notendren’ireo rahalahy àry ‘i Paoly sy Barnabasy mbamin’ny sasany taminy, mba hiakatra ho any amin’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema, hitondra ilay adihevitra.’ (Asa. 15:2) Azo antoka fa  samy nanana ny heviny momba an’ilay olana, sy ny fomba handaminana azy io ireo rahalahy rehetra ireo. Rehefa samy nilaza ny heviny anefa izy ireo, ary nisy fanapahan-kevitra noraisina taorian’izay teo ambany fitarihan’ny fanahy masina, dia tsy nisy nanizingizina ny heviny izy ireo. Rehefa voarain’ny fiangonana koa ilay taratasy nisy fanapahan-kevitra, dia ‘faly ny fiangonana noho ilay fampaherezana’ ary ‘nihanatanjaka ny finoany.’ (Asa. 15:31; 16:4, 5) Toy izany koa fa rehefa mahita zavatra mila ahitsy isika, ka efa niresaka an’ilay izy tamin’ny anti-panahy, dia tokony havelantsika any ilay izy sady matoky isika fa handinika an’ilay izy ny anti-panahy.

NY TOE-TSAINA TSARA REHEFA MIFANDRAY AMIN’NY HAFA

14. Inona no azontsika atao mba hampisehoana fa manana toe-tsaina tsara isika?

14 Maro ny fomba azontsika tsirairay ampisehoana hoe manana toe-tsaina tsara isika. Hisy vokany tsara, ohatra, raha mora mamela heloka isika, rehefa nisy olona nanafintohina antsika. Hoy ny Baiboly: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.” (Kol. 3:13) Ilay teny hoe “raha misy manana antony hitarainana”, dia midika fa mety hisy antony ara-drariny hahatonga antsika ho tezitra amin’ny hafa. Na izany aza, dia tokony hiezaka isika hanahaka an’i Jehovah ka hamela heloka tanteraka, fa tsy ho sarotiny be amin’ny fahazaran’ilay olona, na ny toetoetrany madinidinika, ka hanimba ny firaisan-tsain’ny fiangonana. Raha mamela heloka koa isika, dia hanompo an’i Jehovah miaraka amin’ilay mpiara-manompo foana.

15. a) Inona no ianarantsika momba ny famelan-keloka avy amin’ny tantaran’i Joba? b) Nahoana no manampy antsika hanana toe-tsaina tsara ny vavaka?

15 Manampy antsika hianatra momba ny famelan-keloka ny tantaran’i Joba. Nilaza zavatra maro nanafintohina an’i Joba ireo namany telo tokony ho nampionona azy. Namela ny helok’izy ireo anefa i Joba. Inona no nanampy azy hanao izany? “Nivavaka ho an’ireo namany izy.” (Joba 16:2; 42:10) Mety hanova ny fiheverantsika ny hafa koa àry ny fivavahana ho azy ireo. Manampy antsika hanana ny toe-tsain’i Kristy koa ny mivavaka ho an’ny mpiara-manompo rehetra. (Jaona 13:34, 35) Mila mivavaka koa isika mba hahazo fanahy masina. (Lioka 11:13) Hanampy antsika hanana toetra tsara mantsy ny fanahin’Andriamanitra rehefa mifandray amin’ny hafa isika.—Vakio ny Galatianina 5:22, 23.

MIEZAHA HANANA TOE-TSAINA TSARA MBA HAHASOA NY FIANGONANA

16, 17. “Toe-tsaina” manao ahoana no tianao haseho?

16 Ho tsara tokoa ny vokany raha miezaka hanatsara ny toe-tsain’ny fiangonana isika tsirairay. Nanampy anao angamba ity lahatsoratra ity mba hanapa-kevitra hoe hiezaka hanatsara ny toe-tsainao ianao. Avelao àry ny Tenin’Andriamanitra hampiseho aminao hoe inona no mila ahitsinao. (Heb. 4:12) Tsara ny manahaka an’i Paoly. Niezaka mafy izy hanao ny tsara, kanefa nilaza izy hoe: “Tsy hitako izay tsiniko, nefa tsy mahatonga ahy ho marina izany, fa i Jehovah no mandinika ny momba ahy.”—1 Kor. 4:4.

17 Hampisy toe-tsaina tsara eo anivon’ny fiangonana isika, raha miezaka manao zavatra mifanaraka amin’ny fahendrena avy any ambony, fa tsy manizingizina ny hevitsika, na sarotiny loatra amin’ny resaka tombontsoam-panompoana. Hifandray tsara amin’ny hafa koa isika, raha tia mamela heloka sy manana fomba fihevitra tsara momba ny hafa. (Fil. 4:8) Raha manao an’ireo isika, dia afaka matoky fa hahafaly an’i Jehovah sy Jesosy ny ‘toe-tsaina asehontsika.’—Filem. 25.