Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) DESAMBRA 2012

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Te hahazo zaza izahay mivady tamin’ny mbola tsy nahalala ny fahamarinana, ka nampiasa fomba manokana natao mba hampiteraka. Natambatra tany amin’ny laboratoara ny tsirilahy sy ny tsirivavinay, ary nahazoana fanjary tsaika maromaro (tsaika vao hiforona ho lasa zazakely). Tsy ny fanjary tsaika rehetra anefa no nampiasaina, fa notehirizina ny sasany. Azo ariana ve izy ireny, sa mbola tokony hotehirizina?

Anisan’ny fanapahan-kevitra lehibe mila dinihin’ny mpivady izany, raha mifidy ny hahazo zaza amin’ny alalan’io fomba io izy ireo. Tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah momba izay hataony ny mpivady tsirairay. Mety hanampy azy ireo anefa ny mahalala an’io fomba fahazoan-janaka io.

Vehivavy iray any Angletera no nampiasa azy io voalohany, tamin’ny 1978. Tsy afaka niteraka izy satria tsentsina ny lalana falehan’ny tsirinainy, ka tsy afaka nihaona ny tsirivavy avy aminy sy ny tsirilahy avy amin’ny vadiny. Naka tsirivavy iray tao aminy àry ny mpandidy, ary naka tsirilahy tao amin’ny vadiny, ka nanambatra izany tao anaty karazana tavoahangy kely iray. Nisy fanjary tsaika niforona taorian’izay, ary navela hitombo tao anaty ranoka manokana ilay izy, vao nampidirina tao an-kibon’ilay vehivavy. Nipetraka soa aman-tsara ny zaza, ary niteraka vavikely izy. Antsoina hoe fécondation in vitro na FIV io fomba io sy ny fomba hafa mitovitovy aminy.

Miovaova arakaraka ny firenena ny FIV, fa ireto no fomba anaovana azy amin’ny ankapobeny: Omena fanafody mahery ilay vehivavy mba hahatonga azy hamorona tsirivavy be dia be. Asaina mamoaka tsirilahy amin’ny alalan’ny fikasikasihana filahiana kosa ilay lehilahy vadiny. Atambatra any amin’ny laboratoara avy eo ireo tsirivavin’ilay vehivavy sy ny tsirilahy efa nodiovina. Mety ho lonaka ny tsirivavy maromaro avy eo, ka ho lasa fanjary tsaika maromaro. Iray andro eo ho eo atỳ aoriana, dia zahana tsara ireo fanjary tsaika ireo, mba hahitana hoe iza no misy simba, ary iza no salama tsara sy azo inoana hoe hipetraka ao an-kibo sy hitombo tsara. Ampidirina ao an-kibon’ilay vehivavy ny fanjary tsaika roa na telo tsara indrindra, amin’ny andro fahatelo. Azo antoka kokoa amin’izay fa ho bevohoka ilay vehivavy. Raha mipetraka ao an-kibon’ilay vehivavy ny iray na maromaro amin’ireo fanjary tsaika, dia bevohoka izy ary hiteraka.

 Ahoana kosa ny amin’ireo fanjary tsaika tsy nampiasaina, anisan’izany ireo hita hoe tsy dia salama na nisy simba? Vetivety dia tsy ho velona intsony izy ireo raha avela amin’izao. Mba tsy hitrangan’izany, dia tehirizina ilay izy, ka ampangatsiahina ao anaty ranoka azota mba hivaingana. Amin’izay, raha tsy nisy zaza nipetraka tamin’ilay andrana voalohany, dia mbola azo ampiasaina ireo fanjary tsaika ambiny, ka ampidirina ao an-kibon’ilay vehivavy. Ho mora kokoa ny vola aloa amin’izay. Miteraka olana eo amin’ny feon’ny fieritreretana anefa izany. Toy ilay mpivady nametraka fanontaniana etsy ambony, dia maro no sahiran-tsaina ny amin’izay tokony hataony amin’ireo fanjary tsaika notehirizina. Mety ho tsy te hiteraka intsony mantsy izy ireo. Mety tsy ho afaka hanao FIV hafa intsony koa izy ireo, satria mihantitra na tsy maharaka ny volany. Matahotra koa angamba izy ireo hoe sao ho kambana maromaro ny zanany. * Mety ho sarotra koa ny toe-javatra, raha maty na manambady olon-kafa indray ny iray na izy mivady. Maro ny zavatra mila dinihina, ka misy mpivady mandoa vola an-taonany maro mba hitehirizana an’ireo fanjary tsaika.

Sahiran-tsaina ny mpivady maro hoe hatao ahoana ireo fanjary tsaika ambiny. Izany no nolazain’ny manam-pahaizana iray, tao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy), tamin’ny 2008. Hoy koa ilay gazety: “Fanjary tsaika 400 000, fara fahakeliny, no tehirizina any amin’ny hopitaly eto Etazonia, ary miampy foana izany isan’andro ... Mety ho velona folo taona na mihoatra ireo fanjary tsaika, raha voatahiry tsara, kanefa tsy izy rehetra no ho velona rehefa avoaka ao amin’ny fitehirizana azy.” (Izahay no manao sora-mandry.) Mety hieritreritra tsara momba an’io fehezanteny farany io ny Kristianina sasany. Nahoana?

Misy toe-javatra iray azon’ny mpivady kristianina dinihina ity, raha manana olana momba ny FIV izy ireo. Eritrereto hoe manana havana marary efa tsy azo avotana intsony ny Kristianina iray. Fitaovana manokana sisa no mihazona ny ainy, ohatra hoe milina  manampy azy hifoka rivotra. Tsy maintsy manapa-kevitra àry ilay Kristianina hoe hataony ahoana ilay havany. Tsy manao tsirambina ny fitsaboana ny tena Kristianina. Sarobidy ny aina amin’izy ireo, araka ny Eksodosy 20:13 sy ny Salamo 36:9. Hoy ny Mifohaza! (frantsay) 8 Jolay 1978: “Manaja ny fomba fihevitr’Andriamanitra momba ny fahamasinan’ny aina ny olona manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Te hanana feon’ny fieritreretana madio izy ireo, sady manaja ny lalàn’ny fanjakana, ka tsy ekeny ny hamonoana marary tsy azo avotana.” Indraindray anefa dia fitaovana sisa no mihazona ny ain’ilay olona. Anjaran’ilay fianakaviana àry ny manapa-kevitra raha hotohizina ny fampiasana an’ilay fitaovana fitazonana aina na tsia.

Marina fa tsy tena mitovy amin’izany ny olana atrehin’ny mpivady nanao FIV taloha, ka mbola manana fanjary tsaika voatahiry. Mety ho azon’izy ireo atao anefa ny manala an’ireo fanjary tsaika ao amin’ilay fitehirizana azy, ka mamela azy ireo hitsonika. Ilay fitaovana fitehirizana mantsy no mitazona ny ain’ireo fanjary tsaika, ka tsy ho velona intsony izy ireo rehefa esorina ao. Anjaran’ilay mpivady ny manapa-kevitra raha hanaiky an’izany izy ireo.—Gal. 6:7.

Mety hisafidy ilay mpivady hoe mbola hitahiry an’ireo fanjary tsaika, na hampiasa an’ireo fanjary tsaika indray rehefa hiteraka any aoriana any. Ny mpivady hafa indray mety hisafidy ny tsy hitahiry ny fanjary tsaika intsony, satria mihevitra hoe fitaovana ihany sisa no manampy azy ireny mba ho velona. Tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah amin’izay fanapahan-kevitra raisiny ny Kristianina, ary tokony hampiasa ny feon’ny fieritreretany mifanaraka amin’ny Baiboly. Te hanana feon’ny fieritreretana madio izy ireo, sady tsy te hanimba ny feon’ny fieritreretan’ny hafa.—1 Tim. 1:19.

Tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah amin’izay fanapahan-kevitra raisiny ny mpivady kristianina, ary tokony hampiasa ny feon’ny fieritreretany mifanaraka amin’ny Baiboly

Hoy ny dokotera iray, manam-pahaizana momba ny fiterahana: ‘Hitako hoe mpivady maro no sahiran-tsaina nefa koa manahy be momba izay tokony hataony amin’ny fanjary tsaika notehirizina. Na inona na inona fanapahan-kevitra horaisiny, dia tsy misy tena hoe mahafa-po.’

Raha mieritreritra ny hanao FIV àry ny Kristianina, dia mila mandinika tsara hoe inona daholo no tafiditra amin’ilay izy. Hoy ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.”—Ohab. 22:3.

Misy olon-droa te hisoratra, satria te hatao batisa. Tsy ara-dalàna anefa ny taratasy ahafahan’ilay lehilahy mipetraka ao amin’ilay tany, ka tsy avelan’ny fanjakana hivady izy ireo. Azon’izy ireo atao ve ny manao sonia an’ilay taratasy hoe Voadin’ny Tsy Fivadihana, ary hatao batisa avy eo?

Hoatran’ny hoe mamaha olana izany, kanefa tsy vahaolana araka ny Soratra Masina. Nahoana? Mba hamaliana izany, dia andeha hojerentsika hoe inona no antony nanaovana an’ilay taratasy hoe Voadin’ny Tsy Fivadihana, ary rahoviana izy io no ampiasaina.

Io taratasy io dia natao ho an’ny olona maniry hivady, nefa tsy afaka manao izany noho ny antony voalaza etsy ambany. Manao sonia azy io izy roa, eo anatrehan’ny vavolombelona. Voalaza ao amin’io taratasy io fa tsy hivadika mihitsy izy roa, ary hivady ara-dalàna raha vao afaka manao izany. Azon’ny fiangonana atao ny mihevitra azy ireo ho toy ny mpivady ara-dalàna, rehefa vita io taratasy io.

I Jehovah no namorona ny fanambadiana, ka tena zava-dehibe aminy izy io. Hoy ny Zanany: ‘Aoka izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.’ (Mat. 19:5, 6; Gen. 2:22-24) Hoy koa izy: “Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho  ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.” (Mat. 19:9) Ny “fijangajangana” ihany àry, izany hoe ny fitondran-tena maloto, no antony araka ny Soratra Masina azo angatahana fisaraham-panambadiana. Raha nanao firaisana tamin’olona tsy vadiny, ohatra, ny lehilahy iray, dia afaka manapa-kevitra ny hisaraka ilay vady tsy manan-tsiny, raha tiany. Afaka manambady indray ilay vehivavy aorian’izay.

Tsy neken’ny fivavahana lehibe tany amin’ny tany sasany anefa izany toro lalan’ny Baiboly izany taloha. Nilaza izy ireny fa tsy azo atao mihitsy ny misaraka, na inona na inona antony. To teny be ny mpitondra fivavahana, ka lasa nisy vokany tamin’ny lalàn’ilay tany izany. Tsy mamela ny mpivady hisara-panambadiana àry ny fanjakana any amin’ireny tany ireny, na dia noho ilay antony noresahin’i Jesosy aza. Ny tany sasany indray mamela ny mpivady hisaraka, saingy tena manahirana be ny mikarakara an’ilay izy, ary mety ho an-taonany maromaro mihitsy vao ho vita. Toy ny hoe ‘sakanan’ny’ fivavahana na ny fanjakana ny zavatra eken’Andriamanitra.—Asa. 11:17.

Natao ho an’ny Kristianina any amin’ny tany toy ireny ilay taratasy hoe Voadin’ny Tsy Fivadihana. Raha efa nanao izay azony natao ny olona iray mba hahazoana fisaraham-panambadiana, kanefa tsy nahazo an’izany mihitsy, dia afaka manao sonia an’ilay taratasy izy sy ilay olona kasainy ho vady, raha afaka mivady izy ireo araka ny Soratra Masina. Tsy azo atao kosa izany any amin’ireo tany ahafahana misara-panambadiana, na dia be pitsiny aza ny fikarakarana an’ilay fisaraham-panambadiana ary mandany vola.

Tsy mahazo tsara ny antony ampiasana an’io taratasy io ny olona sasany, ka nangataka hanao sonia azy io, nefa azo atao tsara ny misara-panambadiana any amin’ny taniny. Tsy tian’izy ireo mantsy ny hahita olana amin’ny fikarakarana ny fisarahana.

Ahoana indray ny amin’ilay olon-droa voaresaka ao amin’ilay fanontaniana etsy ambony? Samy mbola tsy manambady izy ireo, ary afaka manambady araka ny Soratra Masina. Tsy ara-dalàna anefa ny taratasy ahafahan’ilay lehilahy mipetraka ao amin’ilay tany, ka tsy avelan’ny fanjakana hivady izy ireo. (Mahazo mivady ny olona any amin’ny tany sasany, na dia tsy ara-dalàna aza ny taratasin’ny iray amin’izy ireo na izy roa mihitsy.) Mahazo misara-panambadiana ny olona ao amin’ilay tany misy azy roa ireo. Noho izany, dia tsy afaka manao sonia an’ilay taratasy hoe Voadin’ny Tsy Fivadihana izy ireo. Mariho fa tsy hoe te hisara-panambadiana izy ireo ary sakanan’ny lalàna tsy hisaraka. Afaka mivady tsara koa izy ireo. Inona àry no tokony hataon’izy ireo? Mila mandeha any amin’ny tany hafa manaiky ny fanambadiany izy ireo. Na, afaka mivady ao amin’ilay tany ihany izy ireo, raha miezaka ny hahazo taratasy ara-dalàna ilay lehilahy.

Azon’izy ireo atao tsara ny manao fanovana mba hankatoavana ny lalàn’i Jehovah sy ny lalàn’i Kaisara. (Mar. 12:17; Rom. 13:1) Antenaina fa hanao izany izy roa. Azo atao batisa izy ireo aorian’izay.—Heb. 13:4.

^ feh. 6 Ahoana raha misy tsy mety amin’ilay tsaika mipetraka ao an-kibon’ilay vehivavy, na maromaro ny fanjary tsaika indray mipetraka? Fanalana zaza ny fampijanonana an’ilay fitondrana vohoka. Mateti-pitranga ny kambana maromaro miforona (kambana roa, na telo, na mihoatra), rehefa manao FIV. Mety ho teraka tsy tonga volana koa ilay zaza, na ho very ra be ny reniny, sy ny toy izany. Mety hampirisihina hifidy izay tsaika tiany hotazonina ilay vehivavy, ka hovonoina ny iray na maromaro amin’izy ireo. Fanalana zaza izany, ary tsy misy hafa amin’ny famonoana olona.—Eks. 21:22, 23; Sal. 139:16.