Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana—Fianarana  |  Desambra 2012

Ahoana no Ahitana Fahombiazana eo Amin’ny Fiainana?

Ahoana no Ahitana Fahombiazana eo Amin’ny Fiainana?

“Hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.”—JOS. 1:8.

1, 2. a) Inona no atao hoe mahomby na tafita, amin’ny olona maro? b) Inona no azonao atao mba hamantarana ny fiheveranao ny hoe mahomby?

INONA no atao hoe mahomby na tafita eo amin’ny fiainana? Maro no mihevitra hoe tafita ianao raha be vola, na manana asa mahafa-po, na nahita fianarana be. Misy koa milaza hoe tena mahita fahombiazana ny olona iray, raha tsara fifandraisana amin’ny mpianakaviny sy ny namany ary ny mpiara-miasa aminy. Ny mpanompon’i Jehovah indray mety hieritreritra hoe mahomby izy, raha manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana, na mahita vokatra tsara amin’ny fanompoana.

2 Ary olona manao ahoana no atao hoe mahomby aminao? Mba hanampiana anao hamaly izany, dia soraty ny anaran’ny olona vitsivitsy eritreretinao hoe mahomby na tafita, izay tianao sy hajainao. Inona no zavatra iombonan’izy ireo? Manan-karena ve izy, sa malaza, sa manana toerana ambony? Ny valin’ireo no ahitana ny fiheveranao ny atao hoe mahomby na tafita. Izany koa no ahitana izay ao am-ponao. Zava-dehibe ny hahafantarana izany, satria tena misy vokany eo amin’ny safidinao sy ny tanjonao izay ao am-ponao.—Lioka 6:45.

3. a) Inona no tsy maintsy nataon’i Josoa, raha te hahomby izy? b) Inona no hodinihintsika izao?

3 Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe mahomby ve isika araka ny fomba fihevitr’i Jehovah. Tsy hahazo ny fiainana mantsy isika, raha tsy mahazo sitraka aminy. Rehefa nasain’i Jehovah hitarika ny Israelita ho any amin’ny Tany Nampanantenaina i Josoa, dia nasainy namaky ny Lalàn’i Mosesy “andro aman’alina” ary hankatò azy io. Nilaza i Jehovah fa raha manao izany izy, dia ‘hahomby izay hataony ary hanao zavatra amim-pahendrena izy.’ (Jos. 1:7, 8) Fantatsika fa nahomby tokoa i Josoa. Ahoana àry no hahafantarantsika raha manana fomba fihevitra toa an’i Jehovah isika momba ny hoe  mahomby? Handinika ny fiainan’ny lehilahy roa voaresaka ao amin’ny Baiboly isika, mba hahafantarana ny valin’izany.

NAHOMBY VE I SOLOMONA?

4. Nahoana no lazaina hoe nahomby i Solomona?

4 Tena nahomby i Solomona teo amin’ny lafiny maro. Nahoana? Satria natahotra an’i Jehovah sy nankatò azy izy, nandritra ny taona maro, ka nomen’i Jehovah fitahiana be dia be. Tadidinao angamba hoe nangataka fahendrena mba hitondrana ny vahoaka i Solomona, rehefa nasain’i Jehovah nangataka izay tiany. Sady nomen’i Jehovah fahendrena izy vokatr’izany, no nomeny harena. (Vakio ny 1 Mpanjaka 3:10-14.) “Nihoatra noho ny fahendren’ny Tatsinanana rehetra sy ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina” ny fahendren’i Solomona. Ary nalaza “tany amin’ny firenena rehetra nanodidina” izy. (1 Mpanj. 4:30, 31) Nanan-karem-be koa izy. Ny volamena azony isan-taona fotsiny no 25 taonina teo ho eo! (2 Tan. 9:13) Nanorina trano sy zavatra hafa maro tsara tarehy izy, ary nifandray tsara tamin’ny firenen-kafa. Nandeha tsara koa ny raharaham-barotra nataony. Nahomby foana izy, tamin’izy tsy nivadika tamin’Andriamanitra.—2 Tan. 9:22-24.

5. Inona no atao hoe mahomby tamin’i Solomona?

5 Tsy nieritreritra i Solomona hoe ny mpanankarena sy ny olona ambony ihany no afaka mahavita zavatra tsara sy mahita fifaliana. Mampiseho izany ny zavatra nosoratany ao amin’ny bokin’ny Mpitoriteny. Hoy izy: “Fantatro ankehitriny fa tsy misy mahasoa azy ireo mihoatra noho ny mifaly sy manao izay tsara mandritra ny androm-piainany. Ary fantatro koa fa tokony hihinana sy hisotro ary hifaly noho ny asa mafy nisasarany ny olona rehetra. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izany.” (Mpito. 3:12, 13) Takatr’i Solomona koa fa tsy tena afaka mankafy an’ireo zava-tsoa ireo ny olona iray, raha tsy mifandray tsara amin’Andriamanitra sy mahazo sitraka aminy. Izany no nahatonga azy hiteny hoe: “Izao no famaranan-teny rehefa re izany rehetra izany: Matahora an’Andriamanitra ka tandremo ny didiny, fa izany no adidy tokony hataon’ny olombelona.”—Mpito. 12:13.

6. Nahoana ny fiainan’i Solomona no manampy antsika hamantatra ny atao hoe tena fahombiazana?

6 Natahotra an’Andriamanitra i Solomona nandritra ny taona maro. Milaza ny Baiboly hoe “tia an’i Jehovah i Solomona, ka nandeha araka ny lalàna napetrak’i Davida rainy.” (1 Mpanj. 3:3) Tena nahomby izy vokatr’izany. Nahazo tari-dalana tamin’i Jehovah izy, ka nahavita nanorina tempoly tsara tarehy hanompoana azy, ary nanoratra boky telo ao amin’ny Baiboly. Marina fa tsy hahavita ny vitan’i Solomona isika. Manampy antsika hahafantatra ny atao hoe tena fahombiazana anefa ny ohatra navelany tamin’izy tsy nivadika, ary manampy antsika hahalala hoe inona no tokony hataontsika raha te hahomby koa isika. Fantatsika, ohatra, fa maro ny olona mihevitra hoe mahomby ny olona iray raha manan-karena, manam-pahalalana be, malaza, ary mitana toerana ambony. Nilaza anefa i Solomona fa zava-poana izany, ary tsy misy dikany fa toy ny hoe “misambo-drivotra fotsiny.” Tsy voamarikao ve hoe tsy mety afa-po ny olona tia harena fa mbola mitady foana? Matahotra koa izy sao ho very ny fananany. Tsy vitan’izay fa ho lasan’olon-kafa ny harem-beny indray andro any.—Vakio ny Mpitoriteny 2:8-11, 17; 5:10-12.

7, 8.  Inona no nahatonga an’i Solomona hivadika tamin’i Jehovah, ary inona no vokatr’izany?

7 Tsy nankatò an’i Jehovah intsony i Solomona tatỳ aoriana, fa nivadika. Hoy ny Baiboly: ‘Rehefa antitra i Solomona, dia voatarik’ireny vadiny ireny hanaraka andriamani-kafa ny fony. Tsy nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah Andriamaniny ny fony, tsy mba hoatran’ny fon’i Davida rainy. Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy.’—1 Mpanj. 11:4-6.

8 Tsy faly tamin’i Solomona i Jehovah, ka niteny hoe: “Satria ... tsy nohajainao ny fifanekena nataoko sady tsy notandremanao ny lalàko  izay nandidiako anao, dia hesoriko aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.” (1 Mpanj. 11:11) Nampalahelo tokoa ny vokany! Nahomby teo amin’ny lafiny maro i Solomona, nefa lasa nandiso fanantenana an’i Jehovah. Nanjary tsy nahomby intsony izy, satria nivadika tamin’i Jehovah. Ny tsy fivadihana anefa no zava-dehibe indrindra. Mila misaintsaina àry isika tsirairay hoe handray lesona avy amin’i Solomona ve isika, mba hahitantsika fahombiazana.

INONA NO ATAO HOE TENA MAHOMBY EO AMIN’NY FIAINANA?

9. Nahita fahombiazana ve i Paoly, raha ny fijerin’izao tontolo izao azy? Hazavao.

9 Tsy mba niadana toa an’i Solomona ny apostoly Paoly. Tsy nanana lapa mirenty izy, na nihinana hanim-pito loha niaraka tamin’ny mpanjaka. Nijaly izy indraindray noho ny hanoanana, ny hetaheta, ny hatsiaka, ary noho izy tsy dia nanana akanjo. (2 Kor. 11:24-27) Tsy nohajain’ireo olona tao amin’ny Fivavahana Jiosy intsony izy, rehefa nanaiky an’i Jesosy ho Mesia. Nankahala azy mihitsy aza ny mpitondra fivavahana jiosy. Nogadraina izy, nokaravasina, nokapohina tamin’ny hazo, ary notoraham-bato. Nilaza i Paoly fa notevatevaina sy nenjehina ary nalam-baraka izy sy ny Kristianina hafa. Hoy izy: “Nanjary toy ny fakon’izao tontolo izao sy faikan’ny zava-drehetra izahay mandraka ankehitriny.”—1 Kor. 4:11-13.

Raha ny fahitan’ny olona an’i Saoly, dia tena ho tafita izy

10. Nahoana ny olona no mety ho nieritreritra hoe tokony ho tafita i Paoly fa tsy nahay nanararaotra?

10 Raha ny fahitan’ny olona an’i Paoly tamin’izy tovolahy, dia tena ho tafita izy. Saoly moa no nahafantaran’ny olona azy tamin’izany. Toa nanana toerana ambony ny fianakaviany. I Gamaliela, mpampianatra nohajain’ny maro, koa no nampianatra azy. Hoy izy tatỳ aoriana: ‘Nandroso tamin’ny Fivavahan’ny Jiosy mihoatra noho ny ankamaroan’ireo nitovy taona tamiko aho.’ (Gal. 1:14) Nahay niteny Hebreo sy Grika i Paoly, sady nanana ny zom-pirenena romanina, ka nahazo tombontsoa manokana notsiriritin’ny olona. Mety ho lasa mpanankarena kokoa na nahazo toerana ambony izy, raha niezaka ny ho tafita amin’ny fomba fijerin’ity tontolo ity. Fomba fiaina hafa mihitsy anefa no nofidiny, ary nihevitra an’izany ho hadalana ny olona, anisan’izany angamba ny havany. Nahoana?

11. Inona no tena sarobidy tamin’i Paoly, ary inona no tanjony? Nahoana izy no nihevitra toy izany?

11 Tena tia an’i Jehovah i Paoly. Zava-dehibe kokoa taminy ny hoe mahazo sitraka amin’i Jehovah, toy izay hanan-karena sy hahazo toerana ambony. Rehefa nahalala ny fahamarinana izy, dia takany hoe tena sarobidy ny zavatra sasany tsy raharahain’ity tontolo ity. Anisan’izany ny vidim-panavotana sy ny fanompoana ary ny fanantenana fiainana any an-danitra. Fantatr’i Paoly  fa nilaza i Satana hoe vitany ny mitaona ny olona hivadika amin’Andriamanitra. Fantatr’i Paoly koa hoe afaka manao zavatra izy mba hanaporofoana fa lainga izany. (Joba 1:9-11; 2:3-5) Izany no nahatonga azy ho tapa-kevitra fa tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy, na inona na inona fitsapana hahazo azy. Tsy toy izany mihitsy ny tanjon’ny olona te hahomby eto amin’ity tontolo ity.

Nahita ny tena fahombiazana i Paoly

12. Nahoana ianao no nifidy hoe hatoky an’Andriamanitra?

12 Tapa-kevitra ny tsy hivadika toa an’i Paoly ve ianao? Marina fa tsy mora izany indraindray. Tahin’i Jehovah sy ankasitrahany anefa izay tsy mivadika, ary izany no tena atao hoe fahombiazana. (Ohab. 10:22) Mandray soa dieny izao isika raha tsy mivadika, ary afaka manantena hahazo fitahiana koa amin’ny hoavy. (Vakio ny Marka 10:29, 30.) Tsy tokony hametraka ny fanantenantsika amin’ny “harena tsy azo antoka” àry isika, fa tokony hatoky an’Andriamanitra, “izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika.” Raha manao izany isika, dia ‘hanana harena tsara tahiry, izany hoe fototra tsara ho amin’ny hoavy’, ka ho afaka “hifikitra mafy amin’ny tena fiainana.” (1 Tim. 6:17-19) Ho afa-po be isika rehefa afaka zato taona na arivo taona any, ka ho afaka hilaza hoe: “Nety tsara ny safidy nataoko ka nahita ny tena fahombiazana aho!”

AIZA NO MISY NY HARENANAO?

13. Inona no torohevitra nomen’i Jesosy momba ny fanangonana harena?

13 Hoy i Jesosy: “Aza manangona harena ho anareo intsony etỳ an-tany, izay misy bibikely sy harafesina manimba, ary misy mpangalatra mamaky trano sy mangalatra. Manangòna kosa harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy bibikely na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra mamaky trano na mangalatra. Fa any amin’izay misy ny harenanao, dia ho any koa ny fonao.”—Mat. 6:19-21.

14. Nahoana isika no tsy hendry raha mikatsaka harena etỳ an-tany?

14 Tsy ny vola ihany no azo lazaina hoe harena angonin’ny olona etỳ an-tany. Mety ho tafiditra amin’izany koa ireo zavatra noresahin’i Solomona izay sarobidy amin’ny olona. Anisan’izany ny laza sy ny voninahitra ary ny toerana ambony. Tsy misy hafa amin’i Solomona, dia nilaza i Jesosy fa tsy maharitra ny harena etỳ an-tany. Voamarikao angamba hoe mety simba sy mora very izy ireny. Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Dale Bruner: ‘Iaraha-mahalala fa mora lefy ny laza. Mety halaza ny olona iray androany, nefa hadino sahady izy rahampitso. Mety ho mpanefohefo koa ny olona iray amin’ity taona ity, nefa ho very ny fananany amin’ny herintaona. Tia antsika olombelona i Jesosy, ka nampitandrina antsika mba tsy hikatsaka voninahitra, satria mora lefy izany ka mandiso fanantenana. Tsy tiany ho diso fanantenana ny mpanara-dia azy. Maro ny olona diso fanantenana isan’andro satria ny vola na ny voninahitra no itokisany.’ Manaiky an’ireo teny ireo ny ankamaroan’ny olona, kanefa firy no manova ny fiainany hifanaraka amin’izany? Ahoana ny aminao?

15. Inona no tokony hokatsahintsika?

 15 Misy mpitondra fivavahana milaza hoe tsy mety mihitsy ny miezaka mba hahomby na ho tafita. Tsy nampianatra an’izany anefa i Jesosy. Nilaza tamin’ny mpianany izy hoe ilaina ny miezaka mba hahita ny tena fahombiazana, kanefa tsy tokony hanangona harena etỳ an-tany izy ireo, fa hanangona ‘harena any an-danitra’, izay tsy mety simba. Tokony hiezaka àry isika mba hikatsaka ny tena fahombiazana, izay araka ny fomba fijerin’i Jehovah. Izany no zavatra tokony hirintsika hatao indrindra. Nampahatsiahivin’i Jesosy tamin’ireo teny ireo fa isika no mifidy hoe inona no hokatsahintsika. Azo antoka anefa fa izay zavatra irin’ny fontsika sy sarobidy amintsika no hokatsahintsika eo amin’ny fiainana.

16. Inona no azontsika antoka?

16 Raha ny hampifaly an’i Jehovah no irin’ny fontsika, dia afaka matoky isika fa hahazo izay ilaintsika isika, satria homen’i Jehovah antsika izany. Mety havelany hiaritra hanoanana sy hetaheta toa an’i Paoly isika, indraindray. (1 Kor. 4:11) Tokony hatoky an’ity tenin’i Jesosy ity anefa isika: “Aza manahy mihitsy ianareo hoe: ‘Inona no hohaninay?’, na ‘Inona no hosotroinay?’, na ‘Inona no hotafinay?’ Izany rehetra izany mantsy no katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra. Fa fantatry ny Rainareo any an-danitra fa ilainareo izany rehetra izany. Katsaho foana àry aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia homena anareo koa izany rehetra izany.”—Mat. 6:31-33.

MIEZAHA HAHOMBY ARAKA NY FOMBA FIJERIN’I JEHOVAH

17, 18. a) Miankina amin’ny inona ny tena fahombiazana? b) Tsy miankina amin’ny inona ny fahombiazana?

17 Tena ilaina ny mitadidy hoe tsy miankina amin’ny zava-bitantsika, na ny toerantsika eto amin’ity tontolo ity ny tena fahombiazana. Tsy hoe raha manana andraikitra eo anivon’ny fiangonana koa isika dia tena mahomby. Mahazo andraikitra kosa isika, satria mankatò ary tsy mivadika amin’i Jehovah. Ary miankina amin’ny fankatoavana sy ny tsy fivadihana ny tena fahombiazana. Hoy i Jehovah: ‘Takina amin’ny mpanompo ny ho olona mendri-pitokisana’, izany hoe tsy mivadika. (1 Kor. 4:2) Tsy tokony hivadika mihitsy àry isika, fa hiaritra. Hoy i Jesosy: “Izay miaritra hatramin’ny farany no hovonjena.” (Mat. 10:22) Ary tsy ekenao ve hoe tena mahomby ny olona iray, raha voavonjy?

18 Hitantsika teo àry fa ny olona tsy mivadika amin’Andriamanitra no azo lazaina hoe tena mahomby. Ary afaka ny tsy hivadika daholo isika, na inona na inona toe-javatra misy antsika. Tsy miankina amin’ny toerana tanantsika izany, na ny fianarana vitantsika, na ny vola ananantsika, na ny saranga misy antsika, na ny fahaizantsika. Nanan-karena ny mpanompon’i Jehovah sasany tamin’ny taonjato voalohany, nefa nisy koa nahantra. Nampirisika an’ireo manankarena i Paoly mba ‘hanao soa, hanan-karena amin’ny asa tsara, ho tia manome, ary ho vonon-kizara.’ Nilaza izy fa samy afaka ‘mifikitra amin’ny tena fiainana’ na ny manankarena, na ny mahantra. (1 Tim. 6:17-19) Mbola marina izany ankehitriny. Mitovy ny zavatra takina amintsika rehetra sy ny fitahiana mety ho azontsika: Samy mila miezaka isika mba tsy hivadika sy “hanan-karena amin’ny asa tsara.” Raha manao izany isika, dia hahita ny tena fahombiazana araka ny fomba fijerin’ilay Mpamorona antsika, ary ho faly satria mampifaly azy.—Ohab. 27:11.

19. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao, mba hahitanao fahombiazana?

19 Tsy afaka manova tanteraka ny fiainantsika isika, kanefa afaka manova ny fiheverantsika ny toe-javatra misy antsika. Miezaha àry mba tsy hivadika, na inona na inona toe-javatra misy anao. Tsy ho very maina izany ezaka izany. Matokia fa raha manao izany ianao dia hotahin’i Jehovah, dieny izao sy ho mandrakizay. Aza hadinoina mihitsy ireto tenin’i Jesosy ho an’ny Kristianina voahosotra ireto: “Aoka ianao tsy hivadika mandra-pahafatinao, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana.” (Apok. 2:10) Izany no atao hoe tena fahombiazana!