Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

NY TILIKAMBO FIAMBENANA SEPTAMBRA 2012

Mitsinjo ny Vehivavy Tokoa ve Andriamanitra?

Mitsinjo ny Vehivavy Tokoa ve Andriamanitra?

“Vehivavy iray no niandohan’ny fahotana: ka izy no anton’ny hahafatesantsika rehetra.”—EKLESIASTIKA 25:23, FANDIKAN-TENY KATOLIKA.

“Ianao no nampiditra ny devoly ho amin’izao tontolo izao. Ianao mantsy no nahita ilay hazo voarara. Ianao no nandika voalohany ny lalàn’Andriamanitra ... Ianao no nanimba ny lehilahy izay endrik’Andriamanitra, ary mora kely taminao ny nanao izany.”—TERTULLIEN, NY HAINGON’NY VEHIVAVY, TAONJATO FAHAROA.

AVY tao amin’ny boky tsy anisan’ny Baiboly ireo teny ireo. Efa hatramin’ny ela izy ireo no nentina nanamarinana fa mety ny manavakavaka vehivavy. Mbola misy olona maka teny ao amin’ny bokim-pivavahana ihany hatramin’izao mba hampisehoana fa mety izany. Milaza izy ireo fa ny vehivavy no mahatonga ny olana mahazo ny olombelona. Nataon’Andriamanitra mba hambanin’ny lehilahy sy hohararaotiny àry ve ny vehivavy? Inona no lazain’ny Baiboly?

Voaozon’Andriamanitra ve ny vehivavy?

Tsia. “Ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly” no ‘voaozon’Andriamanitra.’ (Apokalypsy 12:9; Genesisy 3:14) Inona àry no tian’Andriamanitra holazaina tamin’ny hoe “hanjaka” amin’ny vadiny i Adama? (Genesisy 3:16) Tsy te hilaza akory izy fa mahazo manjakazaka amin’ny vehivavy ny lehilahy. Te hilaza ny voka-dratsin’ny fahotan’i Adama sy Eva fotsiny izy.

Mpanota ny olombelona ka izany no mahatonga azy hampijaly vehivavy, fa tsy hoe tian’Andriamanitra hanao izany akory izy ireo. Tsy milaza mihitsy àry ny Baiboly hoe tokony hanjakazaka amin’ny vehivavy ny lehilahy mba hanonerana ny fahotana tany am-boalohany.—Romanina 5:12.

Noforonin’Andriamanitra ho ambany noho ny lehilahy ve ny vehivavy?

Tsia. Hoy ny Genesisy 1:27: ‘Namorona ny olona araka ny endriny Andriamanitra. Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.’ Samy afaka manahaka ny toetran’Andriamanitra àry ny lehilahy sy vehivavy. Izany no namoronana azy ireo hatramin’ny voalohany. Marina fa tsy nitovy ny fihetseham-po sy ny vatan’i Adama sy Eva. Nitovy anefa ny toromarika nomena azy ireo ary nitovy zo izy ireo tamin’ilay Mpamorona azy.—Genesisy 1:28-31.

Hoy Andriamanitra talohan’ny namoronany an’i Eva: “Hanao mpanampy ho [an’i Adama] aho, ho famenony.” (Genesisy 2:18) Inona no dikan’ilay hoe ‘fameno’? Tsy midika akory izy io hoe ambany noho ny lehilahy ny vehivavy.  Rehefa misy fandidiana, ohatra, dia ilaina ny dokotera mpandidy sy mpanao fanatoranana. Tsy maintsy miara-miasa izy ireo raha tsy izany tsy ho tafavoaka. Marina fa ny mpandidy no tena handidy. Tsy midika anefa izany hoe ilaina kokoa noho ilay mpanao fanatoranana izy. Nataon’Andriamanitra hiara-miasa akaiky koa ny lehilahy sy vehivavy, fa tsy hifaninana.—Genesisy 2:24.

Inona no porofo fa mitsinjo ny vehivavy Andriamanitra?

Efa tsinjon’Andriamanitra izay hataon’ny lehilahy mpanota, ka mialoha be izy dia efa nanome lalàna mba hiarovana ny vehivavy. Niresaka momba ny Lalàn’i Mosesy, izay nomena tamin’ny taona 1500 Talohan’i Kristy (T.K.) tany ho any, ohatra, i Laure Aynard mpanoratra. Hoy izy: “Rehefa miresaka momba ny vehivavy ny Lalàna, dia natao hiarovana azy ireo izany amin’ny ankapobeny.”

Milaza, ohatra, ilay Lalàna fa samy tsy maintsy hajaina na ny ray na ny reny. (Eksodosy 20:12; 21:15, 17) Aseho ao koa fa tokony hokenakenaina ny vehivavy bevohoka. (Eksodosy 21:22) Na ankehitriny aza, dia mbola miavaka be ireo lalàn’Andriamanitra ireo raha oharina amin’ny lalàn’olombelona. Tsy mba omena ny zo tokony ho azy mantsy ny vehivavy any amin’ny tany maro. Tsy ireo lalàna ireo ihany anefa no mampiseho fa mitsinjo ny vehivavy Andriamanitra.

Lalàna mampiseho fa mitsinjo ny vehivavy Andriamanitra

Tena nahasoa ny lehilahy sy vehivavy israelita ilay Lalàna. Nanampy azy ireo ho salama tsara sy hadio fitondran-tena ary hifandray tsara amin’i Jehovah foana izany. Ho lasa “ambony noho ny firenena rehetra” teto an-tany izy ireo raha nankatò an’izany. (Deoteronomia 28:1, 2) Inona avy ny zon’ny vehivavy raha ilay Lalàna no jerena?

1. Nanana fahalalahana. Tsy toy ny vehivavy hafa firenena ny vehivavy israelita, fa be dia be ny zavatra azon’izy ireo natao. Marina fa ny  lehilahy no loham-pianakaviana. Afaka ‘nividy saha’ samirery sy ‘nanao tanimboaloboka’ anefa ilay vehivavy, ary natokisan’ny vadiny tsara izy tamin’izany. Raha nahay nanao kofehy sy nanenona koa izy, dia afaka nanokatra tsenam-barotra ho azy manokana. (Ohabolana 31:11, 16-19) Nanana ny zony manokana àry ny vehivavy raha ilay Lalàn’i Mosesy no jerena, fa tsy hoe famenon’ny lehilahy fotsiny akory.

Afaka nifandray samirery tamin’Andriamanitra koa ny vehivavy fahiny. Nivavaka momba ny olana nahazo azy manokana, ohatra, i Hana ary nanao voady samirery tamin’i Jehovah. (1 Samoela 1:11, 24-28) Naka torohevitra tany amin’i Elisa mpaminany koa ny vehivavy iray tany Sonema, isaky ny Sabata. (2 Mpanjaka 4:22-25) Nasain’Andriamanitra hisolo tena azy mihitsy aza ny vehivavy sasany, toa an-dry Debora sy Holda. Nisy mpisorona sy lehilahy ambony nangataka torohevitra tamin’izy ireo.—Mpitsara 4:4-8; 2 Mpanjaka 22:14-16, 20.

2. Afaka nianatra. Tafiditra tao amin’ny fifaneken’ny Lalàna ny vehivavy ka nasaina nihaino ny famakiana ny Lalàna. Afaka nianatra àry izy ireo tamin’izany. (Deoteronomia 31:12; Nehemia 8:2, 8) Navela hiofana koa izy ireo mba ho afaka handray anjara amin’ny fanompoana sasany. Nisy, ohatra, nanao “fanompoana voalamina” tao amin’ny tranolay masina ary ny sasany nihira.—Eksodosy 38:8; 1 Tantara 25:5, 6.

Nanao raharaham-barotra ny vehivavy israelita fahiny

Tsy maintsy ho nahita fianarana koa ny vehivavy israelita fahiny matoa nahay nampandeha raharaham-barotra. (Ohabolana 31:24) Anisan’ny nampianatra ny zanany lahy mandra-pahalehibeny koa ny reny, fa tsy toy ny fanaon’ny firenena hafa. Ny ray ihany mantsy tamin’izy ireo no nahazo nampianatra ny zanakalahy.—Ohabolana 31:1.

3. Nohajaina. Anisan’ny Didy Folo ny hoe: “Hajao ny rainao sy ny reninao.” (Eksodosy 20:12) Hoy koa i Solomona Mpanjaka: “Henoy, anaka, ny anatry ny rainao, ary aza atao  tsinontsinona ny lalàn-dreninao.”—Ohabolana 1:8.

Misy didy amin’ny an-tsipiriany tokony harahin’ny tsy mpivady ao amin’ny Lalàna. Asehon’izy ireny fa tokony hohajaina ny vehivavy. (Levitikosy 18:6, 9; Deoteronomia 22:25, 26) Tsy maintsy neken’ny lehilahy manambady fa voafetra ihany ny zavatra vitan’ny vehivavy noho ny toe-batany.—Levitikosy 18:19.

4. Nanan-jo harovana. Milaza i Jehovah fa “Ray ho an’ny kamboty ray” izy ary “mpitsara ho an’ny mpitondratena.” Izy àry no Mpiaro ny zon’izay tsy manana ray na vady hiaro azy. (Salamo 68:5; Deoteronomia 10:17, 18) Izany no nataony tamin’ny vehivavy iray maty vady. Nananan’olona trosa izy io ka nampiharan’ilay tompon-trosa ny tsy rariny. Nanao fahagagana àry i Jehovah mba hamonjena azy sy hitandrovana ny hajany.—2 Mpanjaka 4:1-7.

Niaro ny zon’ny vehivavy koa i Jehovah talohan’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Maty ilay lehilahy atao hoe Zelofada tamin’izay, nefa tsy nisy lahy ny zanany fa dimy vavy. Nangataka “lova” tamin’i Mosesy àry ireo zanany ireo. Mihoatra noho ny nangatahin’izy ireo anefa no nasain’i Jehovah nomena azy. Hoy izy tamin’i Mosesy: “Tokony homenao lova eo amin’ny rahalahin-drainy tokoa izy ireo. Koa afindrao aminy ny lovan-drainy.” Navela handova ny rainy ny zanakavavy nanomboka tamin’izay ary afaka nandova azy koa ny zanany.—Nomery 27:1-8.

Nadika vilana ny fomba fisainan’Andriamanitra

Nomem-boninahitra ny vehivavy teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, ary nohajaina ny zony. Nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra T.K. anefa, dia lasa nanao toy ny Grika ny Jiosy ka nanambany vehivavy.—Jereo ny efajoro hoe “Hita ao Amin’ny Asa Soratra Fahiny fa Navakavahana ny Vehivavy.”

Nilaza, ohatra, ilay poety grika atao hoe Hésiode (taonjato fahavalo T.K.) fa ny vehivavy no mahatonga ny olana rehetra mahazo ny olombelona. Lasa niely be teo amin’ny Fivavahana Jiosy izany tamin’ny taonjato faharoa T.K. Nampitandrina ny lehilahy toy izao ny Talmoda, boky masina jiosy nosoratana tamin’ny taonjato faharoa: “Aza miresaka be loatra amin’ny vehivavy, fa hahatonga anao haloto fitondran-tena izany.”

Nanjary niova be àry ny fiheverana ny vehivavy teo amin’ny Jiosy. Efa tamin’ny andron’i Jesosy, ohatra, izy ireo no tsy navela handeha afa-tsy tao amin’ny Tokotanin’ny Vehivavy, rehefa nankany amin’ny tempoly. Ny lehilahy ihany no nahazo nianatra momba ny fivavahana, ary tsy navela hiaraka tamin’ny lehilahy ny vehivavy tao amin’ny synagoga fa nosarahina.  Nisy mpitondra fivavahana jiosy nilaza toy izao tao amin’ny Talmoda: “Izay mampianatra Torah [Lalàna] ny zanany vavy, dia toy ny mampianatra azy zavatra tsy fampiseho masoandro.” Nandika vilana ny fomba fisainan’Andriamanitra ny mpitondra fivavahana jiosy, hany ka maro ny lehilahy tsy nanaja vehivavy intsony.

Hitan’i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany, fa lasa fanaon’ny olona ny manambany vehivavy. (Matio 15:6, 9; 26:7-11) Nisy vokany teo amin’ny fomba nifaneraserany tamin’ny vehivavy ve izany? Inona no azontsika ianarana avy amin’izay nataony? Manaja vehivavy ve ny tena Kristianina? Hohazavaina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

 

Fanampim-panazavana

Manaja ny Vehivavy Andriamanitra

Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nifandray tamin’ny vehivavy, ary ahoana no azon’ny Kristianina anahafana azy?

Rahoviana no Tsy Hisy Intsony ny Fanavakavahana?

Vakio ato fa dieny izao ny Baiboly dia efa manampy ny olona tsy hanavakavaka. Rahoviana no ho fongotra ny fanavakavahana?