Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Niditra Amin’ny Fitsaharan’Andriamanitra ve Ianao?

Efa Niditra Amin’ny Fitsaharan’Andriamanitra ve Ianao?

Efa Niditra Amin’ny Fitsaharan’Andriamanitra ve Ianao?

“Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.”—HEB. 4:12.

1. Inona no tokony hataontsika mba hidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra? Nahoana no mety ho sarotra izany indraindray?

HITANTSIKA teo aloha fa ho tafiditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra isika, raha manao zavatra mifanaraka amin’ny fikasany, ka mankatò Azy sy ny fandaminany. Tsy mora anefa indraindray ny mankatò. Mety ho tsy te hankatò, ohatra, isika rehefa misy zavatra mahafinaritra antsika nefa tsy tian’i Jehovah hataontsika. Mila miezaka mba ho “vonona hankatò” àry isika. (Jak. 3:17) Handinika toe-javatra vitsivitsy isika ato amin’ity lahatsoratra ity, mba hanampiana antsika hahita raha vonona hankatò foana isika na tsia.

2, 3. Inona no ezaka tokony hotohizintsika, raha te ho sarobidy amin’i Jehovah foana isika?

2 Vonona hankatò foana an’ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly ve ianao? Milaza ny Baiboly fa tian’i Jehovah hangonina ho ao amin’ny fandaminany ireo “zava-tsarobidin’ny firenena rehetra.” (Hg 2:7 Hag. 2:7) Ny olona manao ny tsara no sarobidy amin’Andriamanitra. Mbola tsy toy izany ny ankamaroantsika tamin’ny vao nianatra Baiboly. Nanova ny toetrantsika sy ny fahazarantsika anefa isika tatỳ aoriana, satria tia an’Andriamanitra sy ny Zanany, sady te hampifaly Azy. Nivavaka mba hahazo fanampiana koa isika, sady niezaka mafy mba hiova, ka afaka natao batisa.—Vakio ny Kolosianina 1:9, 10.

3 Mbola tsy lavorary anefa isika, na dia aorian’ny batisa aza. Mila miezaka mafy foana isika mba hiova ka hanao ny tsara. Hanampy antsika anefa i Jehovah, raha miady mafy foana isika, ary raha tena tiantsika ny ho sarobidy aminy.

Manaiky torohevitra ve ianao?

4. Milazà fomba telo ampiasain’i Jehovah mba hanomezana torohevitra antsika.

4 Tsy ho afaka hiova isika, raha tsy fantatsika hoe inona no toetrantsika na fomba fisainantsika mila ahitsy. Ahoana àry no hahafantarantsika izay tokony hahitsy? Mety hisy lahateny mampisaintsaina, na lahatsoratra ao amin’ny boky sy gazetintsika hiresaka momba an’ilay izy. Mety tsy hisy hahatonga saina antsika anefa ireo, ka mety hampiasa rahalahy na anabavy i Jehovah mba hanoro antsika izay mila ahitsy.—Vakio ny Galatianina 6:1.

5. Inona indraindray no ataontsika rehefa misy manome torohevitra? Nahoana ny anti-panahy no miezaka hanitsy antsika foana?

5 Tsy mora ny manaiky torohevitra avy amin’ny olona tsy lavorary, na dia miezaka ho tsara fanahy sy hahay handanjalanja aza ilay olona rehefa miteny. Mahagaga fa miaiky isika hoe mpanota, rehefa mivavaka. Hafa mihitsy anefa indraindray ny fihetsitsika, rehefa misy anti-panahy milaza amintsika hoe nanao fahadisoana isika. Mitady fialan-tsiny isika, na manamaivana an’ilay fahadisoana. Mety hilaza koa isika hoe tsy tia antsika izy, na koa hoe tsy mety ny fomba anomezany torohevitra. (2 Mpanj. 5:11) Ahoana indray raha milaza ny anti-panahy fa halan’i Jehovah ny fialam-boly ankafizintsika, na hoe nanao ratsy ny mpianakavintsika, na tsy mety ny fomba fitafintsika, na mila miezaka hadio kokoa ara-batana isika? Mety ho tezitra isika ka hilaza zavatra mety hanenenantsika, ary hampalahelo an’ilay olona mananatra antsika. Matetika anefa no tonga saina isika rehefa tony, ka miaiky hoe tsara ilay torohevitra. Marina fa tsy mora ny hoe ahitsy, nefa tsy maintsy mananatra antsika ny anti-panahy. Mandidy azy ireo mantsy i Jehovah mba “hiezaka” hanitsy antsika “amim-pahalemem-panahy.” (Gal. 6:1) Ho sarobidy kokoa amin’i Jehovah isika, raha manaiky ahitsin’izy ireo.

6. Nahoana no azo lazaina hoe mampiharihary “ny eritreritry ny fo sy ny fikasany” ny tenin’Andriamanitra?

6 Milaza ny andinin-teny fototra amin’ity lahatsoratra ity hoe “mahery ny tenin’Andriamanitra.” Manana hery hanovana olona tokoa ny tenin’Andriamanitra. Nanampy antsika hiova izy io talohan’ny batisa, ary mbola manampy antsika hiova aorian’ny batisa. Nilaza koa anefa i Paoly hoe “mahavita manavaka ny miseho ivelany sy ny any am-po” ny tenin’Andriamanitra, sady “mahay mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” (Heb. 4:12) Izay ataontsika no miseho etỳ “ivelany”, ka hitan’ny olona. Ny ‘ao am-pontsika’ kosa tsy misy mahita. Te hilaza àry i Paoly hoe rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, dia ho hita eo na hampihatra isika na tsia. Izany no mampiharihary izay tena ao am-pontsika. Ilaina àry ny mieritreritra hoe: ‘Mifanohitra ve indraindray ny zavatra ataoko sy izay tena ao am-poko?’ (Vakio ny Matio 23:27, 28.) Saintsaino izay mety hataonao amin’ireto toe-javatra manaraka ireto.

Miaraha mandroso amin’ny fandaminana

7, 8. a) Nahoana ny Kristianina jiosy sasany no mbola nanaraka ny zavatra sasany voalazan’ny Lalàn’i Mosesy? b) Nahoana no lazaina hoe nanao zavatra mifanohitra amin’ny fikasan’i Jehovah izy ireo?

7 Maro amintsika no mahay tsianjery ny Ohabolana 4:18, manao hoe: ‘Ny lalan’ny marina dia tahaka ny hazavan’ny maraina izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ny andro.’ Midika izany hoe mihatsara ny fitondran-tenantsika sy ny fahatakarantsika ny fikasanʼi Jehovah, rehefa mandeha ny fotoana.

8 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, fa maro ny Kristianina jiosy mbola nanaraka ny Lalàn’i Mosesy, na dia taorian’ny nahafatesan’i Jesosy aza. (Asa. 21:20) Nohazavain’i Paoly tamin’izy ireo fa tsy izany intsony no takin’i Jehovah, nefa mbola tsy nanaiky ihany ny sasany. (Kol. 2:13-15) Nieritreritra angamba izy ireo hoe raha manaraka ny zavatra sasany voalazan’ny Lalàna izy, dia tsy hanenjika azy ny olona ao amin’ny fivavahana jiosy. Nilaza mazava tsara anefa i Paoly fa tsy afaka miditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra ny Kristianina hebreo, raha mbola manao zavatra mifanohitra amin’ny fikasany toy izany. * (Heb. 4:1, 2, 6; vakio ny Hebreo 4:11.) Raha te hahazo sitraka amin’i Jehovah izy ireo, dia tsy maintsy manaiky hoe zavatra hafa indray no takin’i Jehovah amin’ny mpanompony.

9. Ahoana no tokony ho toe-tsaintsika rehefa ahitsin’ny mpanompo mendri-pitokisana ny fahazoantsika hevitra sasany?

9 Manitsy ny fahazoantsika ny fampianarana ao amin’ny Baiboly ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina indraindray. Tsy tokony hanahiran-tsaina antsika anefa izany. Vao mainka aza izany tokony hahatonga antsika hatoky an’io mpanompo io. Tsy misalasala manao fanitsiana mantsy ny Filan-kevi-pitantanana, izay solontenan’ny mpanompo mendri-pitokisana, rehefa hitany hoe mila atao mazava kokoa, na mila ahitsy, ny fahazoantsika hevitra sasany. Fantatr’izy ireo fa tsy maintsy hisy ny mpanakiana. Tsy mifantoka amin’izany anefa izy ireo, fa tapa-kevitra ny hanao zavatra mifanaraka amin’ny fikasan’Andriamanitra. Ahoana àry ny fandraisanao ny fanitsiana toy ireny? Tsy tokony hanahaka ny Fariseo isika. Tian’izy ireo kokoa ny zavatra “efa niotrika ela” na ny fampianarana tranainy, toy izay ny zavatra “vaovao”, izany hoe ny fampianarana mamelombelona avy amin’i Jesosy.—Vakio ny Lioka 5:39.

10, 11. Inona no nataon’ny rahalahy sasany rehefa nasaina nampiasa fomba fitory vaovao? Inona no ianarantsika avy amin’izany?

10 Handinika ohatra hafa isika. Nihevitra ny rahalahy sasany, zato taona lasa izay, hoe ny lahateny no fomba tsara indrindra itoriana amin’ny olona. Tena nahay nandaha-teny izy ireo, ary tia nanao lahateny. Nahafinaritra be azy ireo koa ny teny fiderana nataon’ny mpihaino. Hita anefa tatỳ aoriana fa tian’i Jehovah hampiasa fomba fitory isan-karazany ny vahoakany, anisan’izany ny fitoriana isan-trano. Tsy nety nanao izany anefa ny sasany tamin’izy ireo. Tena tia an’i Jehovah sy mahafoy tena izy ireo, raha jerena ivelany. Tsy nankatò anefa izy ireo, rehefa nanjary fantany hoe inona no tian’i Jehovah hataon’ny vahoakany momba ny asa fitoriana. Hita tamin’izany ny tena tao am-pony, ary tsy nankasitrahan’i Jehovah izy ireo. Niala tamin’ny fandaminany izy ireny tatỳ aoriana.—Mat. 10:1-6; Asa. 5:42; 20:20.

11 Sarotra tamin’ny ankamaroan’ireo Kristianina tamin’izany fotoana izany ny nitory isan-trano tamin’ny voalohany. Na izany aza, dia nankatò izy ireo. Tsy natahotra nitory isan-trano intsony izy ireo tatỳ aoriana, ary tena notahin’i Jehovah. Ary ianao? Ahoana no ataonao rehefa ampirisihina hanandrana fomba fitory vaovao isika? Mankatò ve ianao na dia mety ho sarotra aminao aza ilay izy?

Ahoana raha miala amin’i Jehovah ny mpianakavinao?

12, 13. a) Nahoana no asain’i Jehovah roahina ny mpanota tsy mibebaka? b) Inona no zava-tsarotra atrehin’ny ray aman-dreny sasany, ary nahoana ilay izy no tena mafy?

12 Ekentsika rehetra fa tsy maintsy madio ara-batana sy ara-pitondran-tena ary ara-panahy isika, raha te hampifaly an’i Jehovah. (Vakio ny Titosy 2:14.) Izany no mahatonga an’i Jehovah handidy hoe mila roahina ny mpanota tsy mibebaka. Ahoana anefa raha ny mpianakavintsika no voaroaka? Mbola hankatò ve isika? Eritrereto hoe miala amin’ny fahamarinana ny zanaka lahitokan’ny mpivady iray. Aleon’izy io ‘mifaly vetivety amin’ny fahotana’, toy izay hifandray tsara amin’i Jehovah sy ny ray aman-dreniny. Noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana io tovolahy io vokatr’izany.—Heb. 11:25.

13 Malahelo be ny ray aman-dreniny! Fantatr’izy ireo hoe inona no lazain’ny Baiboly momba ny voaroaka. Voalaza ao hoe tsy mety ny ‘mifanerasera amin’izay antsoina hoe rahalahy nefa mpijangajanga, na manana faniriana tsy mety afa-po, na mpanompo sampy, na mpanevateva, na mpimamo, na mpanao an-keriny’, ary tsy mety na dia ny ‘miara-mihinana amin’izy ireny’ aza. (1 Kor. 5:11, 13) Diniho ilay teny hoe ‘izay’ eo amin’ilay teny natao sora-mandry. Ilay teny hoe ‘izay’ dia midika hoe “na iza na iza.” Mihatra amin’izay olona rehetra voaroaka àry io fitsipika voalaza eo io, anisan’izany ny mpianakavy voaroaka tsy miray trano amintsika. Tena tian’ilay ray aman-dreny anefa ny zanany, ka mety hieritreritra izy ireo hoe: ‘Ahoana moa no azontsika anampiana ny zanatsika hiverina amin’i Jehovah, raha zara raha mifandray aminy isika? Tsy hanampy azy kokoa ve isika, raha mifandray aminy matetika?’ *

14, 15. Inona no tokony hotadidin’ireo ray aman-dreny manana zanaka voaroaka?

14 Tena mampalahelo ireo ray aman-dreny ireo. Afaka nifidy ny hiova mantsy ilay zanany, nefa aleony manao ratsy, toy izay hanao ny tsara ka hifandray foana amin’ny ray aman-dreniny sy ny mpiara-manompo. Izy ireo koa moa tsy afaka nanery ny zanany hiova. Tena mahatsiaro ho tsy afa-manoatra izy ireo.

15 Inona àry no hataon’ireo ray aman-dreny ireo? Hankatò ny toromarika mazava nomen’i Jehovah ve izy ireo, sa hifandray matetika amin’ilay zanany ihany, ka mody hataony hoe raharaham-pianakaviana tsy maintsy iarahana ilay izy? Tokony hotadidin’izy ireo hoe ahoana no fomba fihevitr’i Jehovah momba izay fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo. Tian’i Jehovah hadio foana ny fandaminany, ary tiany ho tonga saina ny mpanao ratsy. Raha manana zanaka voaroaka ianao, ahoana no ampisehoanao fa zava-dehibe aminao koa izany?

16, 17. Inona no ianarantsika avy amin’izay nitranga tamin’i Arona?

16 Niatrika toe-javatra sarotra i Arona, rahalahin’i Mosesy, noho ny nataon’i Nadaba sy Abiho, zanany roa lahy. Nanolotra afo tsy ara-dalàna teo anatrehan’i Jehovah izy roa lahy, ka novonoin’i Jehovah. Tsy afaka niresaka tamin’ny zanany intsony àry i Arona. Azo antoka fa nalahelo mafy izy, kanefa koa mbola tsy navelan’i Jehovah hisaona an’i Nadaba sy Abiho ihany izy sy ireo zanany lahy tsy nivadika. Hoy i Jehovah: “Aza avela hisavoritaka ny volonareo, ary aza rovitina ny akanjonareo, mba tsy ho faty ianareo, ary mba tsy ho tezitra amin’ny vahoaka manontolo [aho].” (Lev. 10:1-6) Hitantsika avy amin’izany àry fa i Jehovah no tokony ho tiantsika kokoa noho ireo mpianakavintsika mivadika.

17 Tsy avy hatrany dia vonoin’i Jehovah ny olona mandika ny lalàny ankehitriny. Be fitiavana izy, ka avelany hibebaka izy ireo. Ahoana anefa no ho tsapan’i Jehovah, raha misy ray aman-dreny tsy miraharaha ny fitsipiny momba ny voaroaka, ka mifandray matetika amin’ny zanany voaroaka noho ny antony tsy dia manao ahoana loatra?

18, 19. Inona no valisoa mety ho azon’ny fianakaviana, raha mankatò ny toromarik’i Jehovah momba ny voaroaka izy ireo?

18 Maro amin’ireo olona efa voaroaka no milaza hoe nanampy azy ho tonga saina ny fihetsiky ny namany sy ny fianakaviany, noho izy ireo tsy nivadika ka tsy nety nifanerasera taminy. Nilaza tamin’ny anti-panahy, ohatra, ny anabavy iray efa voaroaka fa anisan’ny nahatonga azy hiova ny fihetsiky ny anadahiny. Nilaza izy fa “nanaja ny toromariky ny Soratra Masina mahakasika ny voaroaka ilay anadahiny, ka izay no nahatonga azy haniry hiverina.”

19 Inona no ianarantsika avy amin’izany, raha manana mpianakavy voaroaka isika? Mila miady mafy isika mba tsy ho voataonan’ny fontsika tsy lavorary, ka tsy hankatò ny torohevitry ny Baiboly. Mila mino tanteraka isika hoe izay lazain’i Jehovah foana no tena mahasoa antsika.

‘Velona ny tenin’Andriamanitra’

20. Inona ny hevitra roa azontsika tsoahana avy amin’ny Hebreo 4:12? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

20 Tsy dia tena hoe ny Baiboly ilay “tenin’Andriamanitra” tian’i Paoly horesahina ao amin’ny Hebreo 4:12. * Hita amin’ireo andinin-teny hafa ao amin’io toko io hoe ny fampanantenan’Andriamanitra no tiany horesahina. Rehefa nilaza àry izy hoe ‘velona ny tenin’Andriamanitra’, dia midika izany hoe tsy hadinon’i Jehovah ny fampanantenany ary manatanteraka azy ireny izy. Nanamafy izany i Jehovah, rehefa nilaza tamin’i Isaia hoe: ‘Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teniko, fa hahomby amin’izay andefasako azy.’ (Isaia 55:11) Mila manam-paharetana àry isika, raha tsy tanteraka amin’ny fotoana tiantsika ny fampanantenany. Tadidio fa “tsy mitsahatra miasa” i Jehovah mba hanatanterahana an-tsakany sy an-davany ny fikasany.—Jaona 5:17.

21. Nahoana ny Hebreo 4:12 no mampahery an’ireo Kristianina be taona anisan’ny “vahoaka be”?

21 Maro amin’ireo olona anisan’ny “vahoaka be” no nanompo an’i Jehovah nandritra ny am-polony taona maro. (Apok. 7:9) Tsy nieritreritra ny ho antitra eto amin’ity tontolo ratsy ity izy ireo. Tsy kivy anefa izy ireo, na izany aza. (Sal. 92:14) Fantany fa “velona” ny tenin’Andriamanitra’, izany hoe ny fampanantenany. (Heb. 4:12) Miasa foana i Jehovah mba hanatanterahana azy ireny. Zava-dehibe amin’i Jehovah ny fikasany, ka faly Izy rehefa hitany hoe zava-dehibe amintsika koa izy io. Matoky i Jehovah fa ho tanteraka ny fikasany amin’izao andro fitsaharany izao, ary hanao zavatra mifanaraka amin’izany ny vahoakany. Manao zavatra mifanaraka amin’ny fikasan’i Jehovah koa ve ianao? Efa niditra amin’ny fitsaharany ve ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Maro ny mpitondra fivavahana jiosy nankatò an-tsakany sy an-davany ny Lalàn’i Mosesy. Rehefa tonga anefa i Jesosy, dia tsy nety nino izy ireo hoe i Jesosy no Mesia. Nanao zavatra mifanohitra amin’ny fikasan’i Jehovah izy ireo tamin’izany.

^ feh. 20 Manana heviny hafa koa anefa ny Hebreo 4:12. Miteny amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly Andriamanitra ankehitriny, ary manana hery hanovana ny fiainantsika izy io. Azo lazaina hoe ny Baiboly koa àry ilay hoe “tenin’Andriamanitra” ao amin’io andininy io.

Tadidinao Ve?

• Inona no tokony hataontsika mba hidirana amin’ny fitsaharan’Andriamanitra?

• Rehefa fantatrao ny zavatra takin’Andriamanitra, ahoana no ampisehoanao fa te hampifaly azy ianao?

• Rahoviana no mety ho sarotra ny manaraka ny toromariky ny Baiboly? Nahoana anefa no tena ilaina ny mankatò?

• Inona ny hevitra roa azontsika tsoahana avy amin’ny Hebreo 4:12?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 31]

Tena malahelo ny ray aman-dreny rehefa mivadika ny zanany