Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana avy Amin’ilay “Andriamanitra Manome Fiaretana sy Fampiononana”

Fanampiana avy Amin’ilay “Andriamanitra Manome Fiaretana sy Fampiononana”

Fanampiana avy Amin’ilay “Andriamanitra Manome Fiaretana sy Fampiononana”

TOKONY ho 2 000 taona lasa izay no nilazan’i Paoly, mpanoratra Baiboly, fa “Andriamanitra manome fiaretana sy fampiononana” i Jehovah. (Romanina 15:5) Manome toky antsika ny Baiboly fa tsy miova mihitsy izy. (Jakoba 1:17) Afaka matoky àry isika fa mbola mampionona ny mpanompony izy ankehitriny. Ahariharin’ny Baiboly mihitsy aza, fa maro ny fomba ampiononan’i Jehovah an’ireo nidonam-pahoriana. Inona ny sasany amin’izany? Omen’Andriamanitra hery ireo mangataka fanampiana aminy amin’ny alalan’ny vavaka. Andriamanitra koa no mandrisika ny tena Kristianina mba hampionona ny mpiray finoana aminy. Misy fitantarana tena mampahery an’ireo namoy zanaka koa ao amin’ny Baiboly. Andeha isika handinika an’ireo fomba telo ireo.

“Nihaino Jehovah”

Izao no nosoratan’i Davida Mpanjaka, momba an’i Jehovah, Mpamorona antsika: “Matokia Azy mandrakariva hianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika.” (Salamo 62:8) Nahoana i Davida no natoky an’i Jehovah toy izany? Hoy izy: “Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra.” (Salamo 34:6) Nangataka fanampiana tamin’Andriamanitra foana i Davida nandritra ireo fotoan-tsarotra nodiaviny, ary nanampy azy hatrany i Jehovah. Hitany fa nanohana azy foana Andriamanitra sady nanampy azy hiaritra.

Tokony ho fantatr’ireo ray aman-dreny namoy zanaka, fa hanohana azy ireo koa i Jehovah rehefa ory dia ory izy ireo. Afaka manatona an’ilay tena “Mpihaino vavaka” izy ireo, sady matoky fa hanampy azy ireo izy. (Salamo 65:2) Hoy i William, ilay voaresaka teo aloha: “Imbetsaka aho no nieritreritra hoe aleoko maty toy izay tsy ho eo anilan-janako. Nitady fampiononana tamin’i Jehovah aho ka nampahery ahy izy, ary nanana herim-po hiatrehana ny fiainana aho.” Hanohana anao koa ilay Andriamanitra any an-danitra, raha mivavaka aminy amim-pinoana ianao. Izao mantsy no ampanantenain’i Jehovah Andriamanitra an’ireo milofo manompo azy: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana ny tànanao ankavanana, dia Ilay manao aminao hoe: Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.”—Isaia 41:13.

Fanampian’ireo tena namana

Matetika ireo namoy zanaka no mila fotoana mba hamoahany ny alahelony, ary elaela vao mionona ny fony. Tsy fahendrena anefa ny mitokantokana foana. Resahin’ny Ohabolana 18:1 fa mety hanimba tena “izay mitokana ho azy.” Tokony hitandrina àry ireo namoy zanaka, mba tsy hihatakataka amin’ny olona. 

Tena afaka manampy an’ireo nidonam-pahoriana, ireo namana matahotra an’Andriamanitra. Hoy ny Ohabolana 17:17: “Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin’ny andro rehetra, sady miseho ho rahalahy hamonjy amin’ny fahoriana.” Nahazo fampaherezana avy amin’ireo tena namany i Lisy, ilay voalaza teo aloha, tamin’izy namoy ny zanany lahy. Hoy izy momba an’ireo namany teo anivon’ny fiangonana: “Tena nampahery anay ny fitsidihan’izy ireo, na dia tsy niteny firy aza ry zareo indraindray. Nitsidika ahy foana ny namako iray, rehefa izaho irery no tao an-trano. Fantany fa hitomany irery ao aho, ka tonga mitsidika ahy izy ary miara-mitomany amiko. Misy namako hafa koa miantso an-telefaonina isan’andro, mba hampahery ahy. Ny hafa indray manasa anay hisakafo any an-tranony, ary mbola manao izany izy ireo hatramin’izao.”

Marina aloha fa tsy misinda vetivety ny alahelo mafy vokatry ny famoizan-janaka. Tena hampionona an’ireo nidonam-pahoriana anefa ny vavaka sy ny fiarahana amin’ireo namana kristianina. Maro amin’ireo Kristianina namoy zanaka no mahatsapa fa manampy azy ireo i Jehovah. ‘Mahasitrana ny torotoro fo sy mamehy ny feriny’ tokoa i Jehovah.—Salamo 147:3.

Tantara ara-baiboly manome fampiononana

Mampahery an’ireo nidonam-pahoriana koa ny Tenin’Andriamanitra, ankoatra ny vavaka sy ny fiarahana amin’ny mpiray finoana. Tena maniry hampionona an’ireo ray aman-dreny maty zanaka i Jesosy sady afaka manao izany. Tantarain’ny Baiboly mantsy fa nanangana ny maty izy. Tena mampionona an’ireo nidonam-pahoriana ny fitantarana toy ireny. Andeha isika handinika roa amin’izany.

Nifanena tamin’ny mpandevina i Jesosy, tao Naina, ary mitantara ny zava-nitranga ny Lioka toko faha-7. Handeha handevina ny zanaka lahitokan’ny mpitondratena iray ireo olona ireo, tamin’izay. Hoy ny andininy faha-13: “Raha vao nahita [an’ilay mpitondratena] ny Tompo, dia nangoraka azy ka nanao taminy hoe: ‘Aza mitomany intsony.’ ”

Vitsy no sahy hilaza amin’ny reny iray handeha handevina ny zanany hoe: “Aza mitomany intsony.” Sahy nilaza izany anefa i Jesosy, satria fantany fa hisinda tsy hoe ela ny alahelon’ilay reny. Hoy ilay fitantarana: “Nanatona [i Jesosy] ka nikasika an’ilay filanjana faty ary nijanona ny mpilanja. Koa hoy izy: ‘Ry tovolahy, hoy aho aminao: Miarena!’ Dia niarina ny maty ary nanomboka niteny, ka natolotr’i Jesosy an-dreniny.” (Lioka 7:14, 15) Tsy maintsy ho nirotsa-dranomaso ny renin’ilay tovolahy, tamin’io fotoana io, saingy ranomasom-pifaliana izany.

Nanatona an’i Jesosy ny lehilahy iray nantsoina hoe Jairo, indray mandeha. Niangavy azy izy mba hanasitrana ny zanany vavy 12 taona, satria narary mafy izy io. Nilazana anefa izy, tsy ela taorian’izay, fa maty ilay zaza. Nahavaky fo an’i Jairo izany vaovao izany, kanefa hoy i Jesosy taminy: “Aza matahotra fa minoa fotsiny.” Nanatona ny vatana mangatsiakan’ilay zazavavy i Jesosy, rehefa tonga tao an-tranon-dry Jairo. Noraisiny ny tanany, sady hoy izy: “Ry zazavavy, hoy aho aminao: Mitsangàna!” Inona no nitranga? “Niarina avy hatrany razazavavy ka nanomboka nandeha.” Nanao ahoana ny fihetseham-pon’ireo ray aman-dreniny? “Faly tsy nisy ohatra izany” izy ireo. Dibo-kafaliana tokoa i Jairo sy ny vadiny rehefa namihina ny zanany. Toy ny nanonofy izy ireo.—Marka 5:22-24, 35-43.

Asehon’ireo fitantarana ireo, fa afaka manantena ny hahita ny zanany indray, ireo ray aman-dreny namoy zanaka. Hoy i Jesosy: “Ho avy ny fotoana handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feony, dia hivoaka izy ireo.” (Jaona 5:28, 29) Hampiasa ny Zanany i Jehovah mba hanatanteraka ny fikasany hanangana ny maty. ‘Handre’ ny feon’i Jesosy ireo ankizy an-tapitrisany efa nodimandry, rehefa hilaza izy hoe: “Hoy aho aminao: Mitsangàna!” Ho afaka handeha sy hiresaka indray izy ireo amin’izay. Ho ‘faly tsy misy ohatra izany’, toa an’i Jairo mivady, koa ny ray aman-drenin’izy ireo.

Raha efa namoy zanaka ianao, dia matokia fa afaka manova ny alahelonao ho fifaliana i Jehovah, rehefa hanangana ny maty. Raha te handray soa avy amin’izany fampanantenana kanto izany ianao, dia tokony hanaraka an’izao fampirisihan’ny mpanao salamo izao: “Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny; katsaho mandrakariva ny tavany. Tsarovy ny asa mahagaga nataony.” (Salamo 105:4, 5) Manompoa an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ary mivavaha aminy araka ny sitrapony.

Inona no soa horaisinao dieny izao, raha ‘mitady an’i Jehovah’ ianao? Hahazo hery ianao rehefa mivavaka aminy. Hampionona anao ny fiahiana feno fitiavana asehon’ireo namana kristianina. Hanatanjaka anao ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra. Tsy ho ela koa dia ho hitanao “ny asa mahagaga” hataon’i Jehovah. Handray soa mandrakizay avy amin’izany ianao sy ny zanakao efa nodimandry.

[Efajoro, pejy 5]

‘Asaivo Mankatỳ hoe Ilay Ramatoa Maty Zanaka Roa Iny’

Namoy ny zanany roa tamin’ny lozam-piarakodia i Kehinde sy Bintu, mpivady nizerianina Vavolombelon’i Jehovah. Mbola mampahory azy ireo foana izany. Mampahery azy ireo anefa ny fitokisany amin’i Jehovah. Tsy mitsahatra mitory ny hafatra mahabe fanantenana avy ao amin’ny Baiboly koa izy ireo.

Hitan’ny olona fa tony sy be herim-po i Kehinde sy Bintu. Hoy àry ny vehivavy iray atao hoe Ukoli tamin’ny naman’i Bintu: “Mba asaivo mankatỳ hoe ilay ramatoa iny. Efa niara-maty ny zanany roa, nefa mbola mitory ny hafatra ara-baiboly foana izy. Tiako ho fantatra hoe inona no manampy azy hizaka ny fahoriany.” Izao no nolazain’i Ukoli rehefa tonga tao an-tranony i Bintu: “Tiako ho fantatra hoe nahoana ianao no mbola mitory momba an’ilay Andriamanitra namono ny zanakao. Naka ny zanako vavitokana Andriamanitra, ka tsy niraharaha azy intsony aho nanomboka tamin’izay.” Nampiasa Baiboly i Bintu mba hanazavana ny antony mahatonga ny olona ho faty. Noresahiny koa ny antony atokisantsika fa mbola hitsangana ny maty.—Asan’ny Apostoly 24:15; Romanina 5:12.

Hoy i Ukoli, taorian’izay: “Nino foana aho hatramin’izay fa Andriamanitra no mahatonga ny fahafatesana. Fantatro izao ny marina.” Nanapa-kevitra ny hianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, mba hahafantarana bebe kokoa momba ny fampanantenan’Andriamanitra.

[Efajoro, pejy 6]

‘Te Hanampy Aho fa Tsy Hitako Izay Hatao’

Rehefa misy ankizy nodimandry, dia malahelo mafy ny ray aman-dreniny sy ny iray tam-po aminy. Te hampahery azy ireo ny namany, kanefa tsy fantany izay tokony hatao. Manahy izy ireo sao hanampy trotraka ny fahorian’ilay fianakaviana ny zavatra holazainy na hataony. Ireto misy torohevitra vitsivitsy ho an’ireo te hanampy nefa tsy mahita ny tokony hatao.

❖ Aza mandositra an’ireo mana-manjo, satria fotsiny hoe tsy hitanao izay holazaina na hatao. Mampahery azy ireo na dia ny maha eo anao aza. Tsy hitanao ve izay holazaina? Ho tsapany fa miahy azy ianao, raha mamihina azy sy milaza amim-pahatsorana fa malahelo koa ianao. Matahotra ve ianao sao hanampy trotraka ny fahoriany raha mitomany? Hoy ny Baiboly: “Miaraha mitomany amin’izay mitomany.” (Romanina 12:15) Ho hitany, amin’izay, fa miombon’alahelo aminy ianao, ka hampahery azy izany.

❖ Manaova zavatra avy hatrany. Afaka mikarakara sakafo maivana ho an’ilay fianakaviana ve ianao? Azonao sasana ve ny vilia maloto? Afaka miantsena na mikarakara zavatra hafa ho azy ireo ve ianao? Aza milaza hoe: “Ilazao aho rehefa misy ilainao.” Na dia amim-pahatsorana aza mantsy no ilazanao izany, dia mety hihevitra ny ray aman-dreny maty zanaka, fa mbola sahirana ianao ka tsy afaka manampy azy ireo. Anontanio kosa izy hoe: “Inona no azoko anampiana anao izao?”, ary ataovy izay asainy ataonao. Aza mitsofotsofoka any amin’ny efitranony manokana anefa, na miditriditra loatra amin’ny fiainany.

❖ Aza miteny hoe: “Tsapako ny manjo anao.” Tsy mitovy ny fihetseham-pon’ny olona, rehefa misy havan-tiana maty. Tsy ho fantatrao izay tena tsapan’izy ireo, na dia efa maty anaka koa aza ianao.

❖ Ela vao hiverina amin’ny laoniny ny fiainan’izy ireo. Ampio foana izy ireo raha mbola azonao atao. Mirohotra mankany amin’ireo mana-manjo ny olona, mandritra ireo andro vitsivitsy voalohany. Tsy ampy anefa izany. Mila mikarakara izay ilain’izy ireo ianao, mandritra ny herinandro na volana maromaro atỳ aoriana. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 29 Misy fanazavana fanampiny ao amin’ilay bokikely navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, eo amin’ilay toko hoe “Ahoana no Azon’ny Olona Anampiana?”, pejy 20-24.

[Sary, pejy 7]

Asehon’ireo fitantarana ao amin’ny Baiboly, fa afaka manangana ny ankizy amin’ny maty i Jesosy, sady maniry hanao izany