Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Alahelo Mafy Sady Maharitra

Alahelo Mafy Sady Maharitra

Alahelo Mafy Sady Maharitra

NISY fanadihadiana natao, vao haingana, mba hahitana raha misinda ny alahelon’ireo namoy havan-tiana, rehefa mandeha ny fotoana. Ray aman-dreny vitsivitsy efa maty zanaka no nandefasana fanontaniana. Tsy namaly ny sasany tamin’izy ireo, na dia efa an-taonany maro aza no nahafatesan-janany. Mbola sarotra amin’i Victor, ohatra, ny miresaka momba ny zanany lahy, na dia efa dimy taona aza izay no nahafatesany. *

Ray aman-dreny maro no mbola malahelo, na dia efa ela aza no nahafatesan-janany. Folo taona lasa izay no maty an-drano ny zanakalahin’i William, vao 18 taona. Hoy i William: “Mbola malahelo ny zanako aho, ary halahelo azy foana aho raha mbola velona koa.” Matin’aretina tampoka ny zanakalahin’i Lisy, dimy taona lasa izay. Hoy i Lisy: “Tsy nino aho, tamin’ny voalohany, hoe maty ny zanako. Noheveriko ho nofy ratsy ilay izy ka tsy ho ela dia ho tapitra. Tsapako anefa, rehefa nandeha ny fotoana, fa maty tokoa izy ary tsy hody intsony. Dimy taona izay no nahafatesany, kanefa mbola mitomany aho, indraindray, rehefa irery.”

Hitantsika teo fa malahelo be ireo ray aman-dreny namoy zanaka ary tsy misinda vetivety izany. Nahoana? Andeha isika hijery antony vitsivitsy.

Nahoana izy ireo no malahelo be?

Hafa mihitsy ny fihetseham-pon’ny ray aman-dreny, raha vao teraka ny sombin’ny ainy. Sambatra sy afa-po erỳ izy ireo mitrotro ny zanany kely, mijery azy matory, na mahita azy mitsiky. Tena tia ny zanany ny ray aman-dreny be fitiavana. Ampianariny hitondra tena tsara izy ireo. (1 Tesalonianina 2:7, 11) Mirehareha sy be fanantenana erỳ ny ray aman-dreny rehefa manaraka izay lazainy ny zanany.

Miasa mafy ny ray aman-dreny be fitiavana, mba hikarakarana ny zanany. Mety hanokana vola na zavatra hafa izy ireo, mba hanampiana ny zanany rehefa hanorin-tokantrano. (2 Korintianina 12:14) Tsy mitsitsy tena mihitsy ny ray aman-dreny rehefa mikarakara ny zanany. Atokany amin’izany daholo ny fitiavany, ny heriny, ny fotoanany, ary ny volany. Asehon’izany fa tiany ho velona ny zanany fa tsy ho faty. Tapaka antenatenany izany fitaizana izany rehefa maty ilay zaza, ary rava tanteraka ny fanantenan’ireo nahitany masoandro. Tsy tody any amin’ny zanany intsony ilay fitiavana miboiboika avy ao am-pon’izy ireo. Banga ilay toerana natokany ho an-janany tao am-pony. Malahelo mafy izy ireo ary tsy mora misinda izany alahelo izany.

Marina tokoa izany raha ny Baiboly no jerena. Resahina ao, ohatra, ny fihetsik’i Jakoba, rehefa reny fa nisy namono i Josefa zanany. Hoy ny Baiboly: “Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin’ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro. Dia avy ny zanani-lahy rehetra sy ny zanani-vavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy: Tsia, fa hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fiainan-tsi-hita [na fasana] aho.” Mbola nalahelo an’io zanany io ihany i Jakoba, taona maro tatỳ aoriana. (Genesisy 37:34, 35; 42:36-38) Miresaka momba an’i Naomy koa ny Baiboly. Vehivavy nahatoky izy, ary namoy ny zanany roa lahy. Nalahelo be izy, ka niriny hovana hoe Mara, izay midika hoe “Mangidy”, ilay anarany hoe Naomy, izay midika hoe “Mahafinaritra.”—Rota 1:3-5, 20, 21, fanamarihana ambany pejy.

Milaza ny alahelo tsapan’ireo ray aman-dreny mamoy zanaka ny Baiboly. Resahiny koa ny fomba ampaherezan’i Jehovah azy ireo. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny sasany amin’izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.