Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hivadika Mihitsy ve Ianao?

Tsy Hivadika Mihitsy ve Ianao?

Tsy Hivadika Mihitsy ve Ianao?

FIRY ny tsintsina maty omaly? Tsy misy mahafantatra, sady vitsy angamba ny olona mba mieritreritra an’izany. Be dia be mantsy ny vorona. Tena mieritreritra azy ireny kosa anefa i Jehovah. Niresaka momba an’ireny vorona toa tsy dia misy vidiny ireny i Jesosy, ka hoy izy tamin’ny mpianany: “Tsy misy na dia iray akory aza amin’ireny ho latsaka amin’ny tany, raha tsy avelan’ny Rainareo.” Hoy koa izy: “Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.”—Matio 10:29, 31.

Tsapan’ireo mpianatra bebe kokoa tatỳ aoriana fa tena sarobidy tamin’i Jehovah izy ireo. Nanoratra toy izao ny apostoly Jaona, iray tamin’izy ireo: “Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany.” (1 Jaona 4:9) Tsy vitan’ny hoe nanome ny avotra i Jehovah fa nanome toky ny tsirairay tamin’ny mpanompony koa izy hoe: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.”—Hebreo 13:5.

Hita àry fa tena tian’i Jehovah foana ny vahoakany. Mipetraka anefa ny fanontaniana hoe: ‘Isika koa ve tena mifikitra mafy amin’i Jehovah ka tsy handao azy mihitsy?’

Mitady hitarika antsika hivadika i Satana

Nilaza tamin’i Satana i Jehovah fa tsy nivadika taminy mihitsy i Joba, ka hoy i Satana hoe: “Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran’i Joba an’Andriamanitra?” (Joba 1:9) Te hiteny izy fa manantena zavatra fotsiny ny olona iray matoa tsy mivadika amin’Andriamanitra. Raha marina izany, dia mety hivadika ny Kristianina iray raha toa ka misy manolotra azy zavatra tsara kokoa.

Momba an’i Joba, dia niteny i Satana tamin’ny voalohany hoe hivadika amin’i Jehovah izy raha namoy ny fananany tena tiany indrindra. (Joba 1:10, 11) Nony hita anefa fa tsy marina izany fanaratsiana izany, dia mody niteny indray i Satana hoe: “Hafoin’ny olona ny zava-drehetra rehefa te ho velona izy.” (Joba 2:4, Dikan-teny Anglisy Ankehitriny) Mety ho marina ny tenin’i Satana raha ny amin’ny olona sasany, fa mifanohitra amin’izany kosa ny amin’i Joba. Porofoin’ny tantara fa tsy nivadika mihitsy izy. (Joba 27:5; 42:10-17) Tsy mivadika toy izany koa ve ianao? Sa avelanao hitarika anao hivadika i Satana? Diniho ny tenanao eo am-pijerentsika fahamarinana sasany mahakasika ny Kristianina tsirairay.

Natoky ny apostoly Paoly fa azon’ny tena Kristianina atao ny tsy hivadika mihitsy. Izao no nosoratany: “Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, . . . na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, . . . na inona na inona amin’izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 8:38, 39) Afaka matoky toy izany koa isika raha tena tia an’i Jehovah ka na ny fahafatesana aza tsy mahalevona izany fitiavana izany.

Raha toy izany ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra, dia tsy hanontany tena mihitsy isika hoe: ‘Mbola ho mpanompon’i Jehovah ihany ve aho rehefa afaka taona vitsivitsy?’ Mety hidika izany fisalasalana izany fa hoe miankina amin’izay zavatra mety hitranga eo amin’ny fiainantsika ny tsy fivadihantsika amin’Andriamanitra. Tsy miankina amin’izany anefa ny tena tsy fivadihana, fa miankina kosa amin’ny toetrantsika anaty. (2 Korintiana 4:16-18) Tsy handiso fanantenana an’i Jehovah mihitsy isika, raha tia azy amin’ny fontsika manontolo.—Matio 22:37; 1 Korintiana 13:8.

Tsy maintsy tadidintsika anefa fa mitady hitarika antsika hivadika hatrany i Satana. Mety hataony izay hahatonga antsika ho resin’ny fanirian’ny nofo sy ny faneren’ireo olona mifandray amintsika, na handao ny fahamarinana noho ny fisedrana isan-karazany. Ity tontolo tafasaraka amin’Andriamanitra ity no tena miara-miasa aminy amin’izany ady izany, ary vao mainka manamora ilay izy ny tsy fahalavorariantsika. (Romana 7:19, 20; 1 Jaona 2:16) Manana tombony maro anefa isika, ka anisan’ny lehibe indrindra amin’izany ny fahafantarantsika ny hafetseny.—2 Korintiana 2:11.

Inona ireo hafetsena ampiasain’i Satana? ‘Fanangolena’ na tetika no nilazan’i Paoly azy ireo tao amin’ny taratasiny ho an’ny Efesiana. (Efesiana 6:11) Mampiasa tetika i Satana mba hitarihana antsika hivadika. Soa ihany fa afaka mahafantatra an’ireo tetika ireo isika, satria voasoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy ireo. Efa nampiasainy tamin’i Jesosy sy Joba ny sasany ka mitovy amin’ireny koa no ampiasainy amintsika.

Tsy nivadika mihitsy i Jesosy

Vao nanomboka ny fanompoany i Jesosy, dia sahin’i Satana ny naka fanahy azy ka nasainy nanova vato ho mofo izy. Tena teti-dratsy mihitsy izany! Efa 40 andro mantsy i Jesosy no tsy nihinan-kanina, ka azo antoka fa noana be izy. (Lioka 4:2, 3) Nampirisika an’i Jesosy i Satana mba hanao izay hahafa-po ny tenany eo no ho eo ihany, na dia mifanohitra amin’ny sitrapon’i Jehovah aza izany. Toy izany koa no ataon’ity tontolo ity ankehitriny. Ampirisihiny ny olona hanao izay hahafa-po ny tenany eo no ho eo ihany, ka tsy hieritreritra firy izay ho vokany. Ny toe-tsaina ampirisihana dia hoe: ‘Izao ianao no mila an’io zavatra io’, na fotsiny hoe: ‘Ataovy aloha e!’

Nety ho voatarik’i Satana hivadika i Jesosy raha namoky tena avy hatrany fa tsy nieritreritra ny ho vokany. Te hampifaly an’i Jehovah anefa i Jesosy ka hentitra ny valin-teniny: “Voasoratra hoe: ‘Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona.’”—Lioka 4:4; Matio 4:4.

Nitady tetika hafa indray àry i Satana. Nandika vilana ny Soratra Masina, izay fampiasan’i Jesosy izy, mba hampirisihana azy hitsambikina avy teny an-tampon’ny tempoly. Hoy izy: ‘Tsy maintsy hisy anjely hiaro anao.’ Tsy nieritreritra ny hangataka fiarovana mahagaga tamin’ny Rainy mihitsy i Jesosy satria fotsiny hoe te hisarika ny saina amin’ny tenany. Hoy izy: “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao.”—Matio 4:5-7; Lioka 4:9-12.

Mivantana kokoa ny tetika farany nampiasain’i Satana. Nitady marimaritra iraisana tamin’i Jesosy izy ka nanolotra azy izao tontolo izao sy ny voninahiny raha nivavaka taminy indray mandeha monja i Jesosy. Efa ho ny zava-drehetra nananany mihitsy no natolotr’i Satana. Ahoana anefa no hivavahan’i Jesosy amin’ilay fahavalon’ny Rainy lehibe indrindra? Tsy tao an-tsainy mihitsy izany! Hoy ny navalin’i Jesosy an’i Satana: “Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.”—Matio 4:8-11; Lioka 4:5-8.

Rehefa tsy nahomby ireo tetika telo ireo, dia ‘nandao an’i Jesosy aloha’ i Satana. (Lioka 4:13) Midika izany fa efa niandry kendry tohina fotsiny izy hitarihana an’i Jesosy hivadika. Tonga tokoa izany, roa taona sy tapany teo ho eo tatỳ aoriana rehefa nampiomana ny mpianany i Jesosy hoe kely sisa izy dia ho faty. Hoy ny apostoly Petera taminy: “Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!”—Matio 16:21, 22.

Koa satria avy tamin’ny iray tamin’ny mpianany io torohevitra io sady vokatry ny fo, moa ve nahasarika an’i Jesosy ilay izy, na dia tsy nety aza? Fantatr’i Jesosy avy hatrany fa i Satana no tao ambadik’izany torohevitra izany fa tsy i Jehovah. Hentitra ny valin-teniny: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko hianao, satria tsy misaina izay an’Andriamanitra hianao, fa izay an’ny olona.”—Matio 16:23.

Tena tia an’i Jehovah i Jesosy ka tsy afaka nitarika azy hivadika mihitsy i Satana. Tsy nivadika tamin’ny Rainy any an-danitra mihitsy i Jesosy na inona na inona natolotr’i Satana na fisedrana mafy nalefany. Ho tapa-kevitra toy izany koa ve isika rehefa sarotra amintsika ny tsy hivadika amin’ny toe-javatra sasany? Hanampy antsika hahatakatra kokoa ny zava-tsarotra mety hatrehintsika ny ohatr’i Joba.

Tsy nivadika na dia voasedra aza

Mety tsy hampoizina ny fisedrana, toy izay nitranga tamin’i Joba. Sambatra ny tokantranony ary nanana zanaka folo izy. Nanana fahazarana tsara ara-panahy koa izy. (Joba 1:5) Tsy fantany akory anefa fa niadian-kevitra tany an-danitra ny tsy fivadihany tamin’Andriamanitra, ary tapa-kevitra ny hanao izay rehetra azony atao i Satana mba hitarihana azy hivadika.

Vetivety teo, dia nafoin’i Joba ny fananany rehetra. (Joba 1:14-17) Tsy nivadika anefa izy na dia teo aza izany fitsapana izany, satria tsy nitoky tamin’ny harena izy. Nahatsiaro ny fotoana naha mpanan-karena azy izy ka niteny hoe: ‘Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, . . . raha tàhiny aho nifaly noho ny haben’ny fananako; . . . dia heloka . . . koa izany; fa ho nihatsaravelatsihy tamin’Andriamanitra Izay any ambony aho.’—Joba 31:24, 25, 28.

Mety hafointsika ao anatin’ny indray mipy maso koa ny ankamaroan’ny fananantsika. Nosolokin’ny olona ny mpandraharaha iray Vavolombelon’i Jehovah, ka very vola be, ary efa saika bankirompitra tanteraka. Nitsotra izy hoe: “Saika voan’ny aretim-po aho ary angamba efa izany mihitsy raha tsy teo ny fifandraisako tamin’Andriamanitra. Nanjary tsapako avy tamin’iny zava-nitranga iny koa fa tsy loha laharana teo amin’ny fiainako ny zavatra ara-panahy. Ny fitadiavam-bola no nibahan-toerana teo amin’ny fiainako.” Nahenan’io Vavolombelona io ho faran’izay kely ny asany, ary manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy tsy tapaka izy, ka mandany 50 ora na mahery isam-bolana amin’ny fanompoana kristianina. Kanefa, mbola misy ratsy kokoa noho ny fahaverezan’ny fananana.

Mbola tsy tonga saina tsara akory i Joba fony izy namoy ny fananany, dia efa nahare sahady indray fa maty ny zanany folo. Mbola hoy ihany anefa izy: “Isaorana anie ny anaran’i Jehovah.” (Joba 1:18-21) Tsy hivadika mihitsy ve isika raha sanatria ka maty tampoka ny mpianakavintsika maromaro? Maty tamin’ny lozam-piarakodia nahatsiravina ny zanak’i Francisco anankiroa, mpiandraikitra kristianina any Espaina. Nahazo fampiononana izy satria nanatona akaiky kokoa an’i Jehovah sady nampitombo ny fanompoany kristianina.

Mbola tsy tapitra ny fahoriana mafy nahazo an’i Joba na dia efa maty aza ny zanany. Nasian’i Satana aretina nahatsiravina sady nampanaintaina izy. Nahazo torohevitra tsy nety avy tamin’ny vadiny izy tamin’izay. Hoy ilay vadiny: “Mahafoiza an’Andriamanitra hianao, dia aoka ho faty.” Tsy nihaino ny toroheviny i Joba ka “tsy nanota tamin’ny molony.” (Joba 2:9, 10) Niankina tamin’ny fifandraisany tamin’i Jehovah ny tsy fivadihany fa tsy ny fampaherezana avy tamin’ny fianakaviany.

Tsapan’i Flora tsara ny fahoriam-po tsy maintsy nahazo an’i Joba. Nandao ny fahamarinana mantsy ny vadiny sy ny zanany lahimatoa, folo taona mahery lasa izay. Niaiky izy hoe: “Mety harary ny fonao rehefa tsy manampy anao eo amin’ny ara-panahy sady tsy mampahery anao intsony ny fianakavianao. Fantatro anefa fa tsy ho sambatra mihitsy aho raha tsy miaraka amin’ny fandaminan’i Jehovah. Niezaka tsy nivadika àry aho, ary i Jehovah foana no nataoko loha laharana. Niezaka ny ho vady sy reny tsara foana koa aho. Nivavaka tsy tapaka aho ka nanatanjaka ahy i Jehovah. Sambatra aho satria nianatra niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah, na dia manohitra mafy aza ny vadiko.”

Ny tetika manaraka nampiasain’i Satana mba hitarihana an’i Joba hivadika dia ireo namany telo lahy. (Joba 2:11-13) Azo antoka fa tena ory i Joba rehefa nanomboka nanome tsiny azy izy telo lahy. Tsy ho natoky an’i Jehovah Andriamanitra intsony izy raha nino ny fanaporofoan-kevitr’izy ireo. Nety ho nahakivy azy ny torohevitra nomen’izy ireo, ka nety ho nivadika izy, ary ho nahomby ny tetik’i Satana.

Tsy nivadika mihitsy anefa i Joba, ka nampiseho izany fa tena “olona marina sy mahitsy izy.” (Joba 2:3) Fantatr’i Joba fa niankina taminy sy tamin’ny fitiavany an’i Jehovah ny tsy fivadihany.

Tetika efa nampiasainy hatramin’izay ihany no mbola ampiasainy

Mbola mampiasa ny torohevitra tsy mety sy ny fanamarihana tsy voahevitra avy amin’ny namana sy ny mpiray finoana ihany i Satana. Tena mora mahakivy kokoa ireny raha oharina amin’ny fanenjehana avy any ivelan’ny fiangonana. Nandeha tany an’ady taloha ny anti-panahy kristianina iray satria miaramila izy tamin’izany. Nilaza izy fa tsy nitovy ny hamafin’ny fanaintainana tsapany tamin’izany sy izay tsapany rehefa manao teny na zavatra tsy voahevitra ny Kristianina hafa. Hoy izy mikasika izany teny na zavatra tsy voahevitra izany: “Ireny no zavatra mafy indrindra niainako.”

Mety halahelo be koa anefa isika noho ny tsy fahalavorarian’ny Kristianina hafa, ka tsy hiresaka amin’izy ireo intsony na hanomboka tsy hivory intsony mihitsy aza. Ny hahasitrana ny ratram-pontsika no tena mety hibahana ao an-tsaintsika. Tena hampalahelo anefa raha tsy mieritreritra ny ho vokatr’izany toe-tsaina izany isika. Ho very mantsy ilay fananantsika sarobidy indrindra, dia ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Ho mora voan’ny iray amin’ireo tetika efa fampiasan’i Satana hatramin’izay isika raha mamela izany hitranga.

Marina aloha fa ataontsika foana izay hisian’ny fitsipika ambony eo anivon’ny fiangonana kristianina. Azo antoka anefa fa ho diso fanantenana isika raha manantena zavatra be loatra avy amin’ny mpiray finoana amintsika, satria mbola mpanota izy ireo. Mifanohitra amin’izany kosa i Jehovah, satria fantany tsara hoe inona no tokony hantenainy avy amin’ny mpanompony. Ho vonona hizaka ny tsy fahalavorarian’ny mpiray finoana amintsika isika, raha manahaka an’i Jehovah. (Efesiana 4:2, 32) Manome izao torohevitra izao ny apostoly Paoly: “Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an’ny devoly.”—Efesiana 4:26, 27.

Mampiasa tetika isan-karazany i Satana, araka ny ampianarin’ny Baiboly, mba hitarihany ny Kristianina hivadika. Mahasarika ny nofo mpanota ny tetika sasany ampiasainy, fa mampahory kosa ny hafa. Hitanao avy tamin’izay noresahina rehetra teo fa mila ny ho mailo hatrany ianao. Koa satria tia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo ianao, dia ampifalio àry ny fony, ary asehoy fa mpandainga ny Devoly. (Ohabolana 27:11; Jaona 8:44) Tadidio fa tsy tokony hivadika mihitsy isika tena kristianina, na inona na inona fisedrana mahazo antsika.