Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza no Atao hoe Kristianina?

Iza no Atao hoe Kristianina?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Iza no Atao hoe Kristianina?

“NY OLONA mankany am-piangonana indray mandeha isan-kerinandro no atao hoe Kristianina, any aminay”, hoy i Kingsley, avy any Afrika. Hoy kosa i Raad, avy any Moyen-Orient: “Any aminay dia ny olona manaraka ny fomba amam-panaon’ny Eoropeanina sy Amerikanina no atao hoe Kristianina. Tafiditra amin’izany ny fitafiny, ny fety ataony, ary ny fomba fitondrany ny vehivavy.”

Olona miangona indray mandeha isan-kerinandro sy manaraka fomba amam-panao sasany fotsiny ve anefa no atao hoe Kristianina? Tsy tokony ho hita eo amin’ny fomba fiainany manontolo kosa ve ny maha Kristianina azy? Raha ny tena izy, ny atao hoe “Kristianina” dia olona manaraka ny fampianaran’i Kristy, ka manahaka ny fisainany sy ny toetrany ary ny fitondran-tenany. * Andeha hojerentsika ny tena nampiavaka ny Kristianina voalohany.

Ny fomba fiainan’ny Kristianina voalohany

Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Ianareo no namako raha manao araka ny nandidiako anareo ianareo.” (Jaona 15:14) Mahafaoka ny lafiny rehetra amin’ny fiainana ny fampianaran’i Jesosy. Nantsoin’ireo mpianany hoe “Ny Lalana” àry ny fivavahana naorin’i Kristy, tamin’ny voalohany. (Asan’ny Apostoly 9:2) Tatỳ aoriana vao ‘nantsoina hoe Kristianina izy ireo, noho ny fitondran’Andriamanitra.’ (Asan’ny Apostoly 11:26) Midika io anarana vaovao io fa nino izy ireo hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy, ary izy no nampahafantatra ny sitrapon’ny Rainy tamin’ny olombelona. Nahatonga an’ireo mpianatr’i Jesosy hanana fomba fiaina hafa noho ny an’ny olona nanodidina azy izany zavatra ninoany izany.

Nifady zavatra sasany ny Kristianina, noho ny fampianaran’i Kristy. Milaza ny Baiboly fa anisan’izany ny “fijangajangana, fahalotoana, fitondran-tena mahamenatra, fanompoan-tsampy, fifandraisana amin’ny fanahy ratsy, fifandrafiana, fifamaliana, fialonana, fipoahan’ny fahatezerana, fifandirana, ... fibobohan-toaka, lanonana feno filibana, ary ny toy ireo.” (Galatianina 5:19-21; Efesianina 4:17-24) Nampahatsiahivin’ny apostoly Paoly ny Kristianina tao Korinto, fa efa nanao an’ireo zavatra ireo ny sasany tamin’izy ireo taloha. Hoy anefa izy avy eo: “Saingy efa voasasa madio tsara ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nambara fa marina ianareo tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika.”—1 Korintianina 6:9-11.

Hoy i Ernest Barnes, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fandrosoan’ny Kristianisma (anglisy): “Tena tsara fitondran-tena sy mpankatò lalàna ny Kristianina, rehefa jerena ny soratra fahiny miresaka momba azy ireo. Te ho olom-pirenena vanona sy manaiky ny fitondram-panjakana izy ireo, ary nifady ny fanao sy ny toetra ratsin’ny mpanompo sampy. Niezaka ny hitandro fihavanana sy ho namana azo itokisana ny tsirairay taminy. Nampianarina koa izy ireo mba ho mato-tsaina sy hazoto hiasa ary hanao ny marina. Nanara-dalàna sy nilaza ny marina foana ny Kristianina tsy nivadika, na dia ratsy fitondran-tena sy tsy nankatò lalàna aza ny olona. Nanaraka fitsipi-pitondran-tena ambony izy ireo. Noheveriny ho mendri-kaja ny fanambadiana ary nifanaja ny mpivady.” Ireo rehetra ireo no anisan’ny nampiavaka ny Kristianina voalohany.

Niavaka koa ny Kristianina voalohany, noho izy ireo nazoto nitory ny vaovao tsara. Nandidy ny mpanara-dia azy mantsy i Kristy hoe: “Koa mandehana àry, ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Matio 28:19, 20) Hoy i Jean Bernardi, mpampianatra ao amin’ny Oniversiten’i Sorbonne, any Frantsa: “Tsy maintsy nitety ny faritra rehetra [ny Kristianina], ka nitory tamin’izay olona hitany. Nety ho teny an-dalambe izany na tao an-tanàna, nety ho teny an-kalamanjana na tany an-tranon’olona. Nitory foana izy ireo na nandray ny olona na tsia. Niresahan’izy ireo na ny mahantra na ny manankarena variana tamin’ny fananany. ... Nanao dia an-tanety sy an-dranomasina izy ireo, mba hahatongavana hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra.”

Ireo tena Kristianina ankehitriny

Tokony hiavaka ny fomba fiainan’ny tena Kristianina ankehitriny, toy ny an’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany . Miezaka mafy àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanaraka akaiky ny ohatr’ireo Kristianina voalohany. Mankatò izay ampianarin’ny Baiboly izy ireo amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainany, ary voamariky ny olona izany.

Miaiky, ohatra, ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) fa fantatra ho “anisan’ireo olona tsara fitondran-tena indrindra eran-tany” ny Vavolombelon’i Jehovah. Hoy koa ny Vaovaon’i Deseret (anglisy), gazety mivoaka any amin’ny faritra be Mormons, any Etazonia: “Mampirisika ny fianakaviana hiray saina ny Vavolombelon’i Jehovah ary manampy ny olom-pirenena mba hazoto hiasa sy hanao ny marina.” Manohy toy izao ilay gazety: “Manana lalàna hentitra momba ny fitondran-tena izy ireo, ary manaraka akaiky an’izany. Mino izy ireo fa manimba ny fifandraisana amin’Andriamanitra ny fifohana sigara, fimamoana, fampiasana zava-mahadomelina, filokana, fijangajangana ary ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. Mampianatra ny olona mba hanao ny marina sy hiasa tsara izy ireo.”

Mazoto mitory koa ny Vavolombelona ary zava-dehibe amin’izy ireo io asa io. Hoy ny Rakipahalalana Katolika Vaovao momba izany: ‘Ny fitoriana momba an’i Jehovah sy ilay Fanjakany efa ho tonga, no adidy lehibe indrindran’ny Vavolombelona tsirairay. Ny tena Vavolombelona dia tsy maintsy mitory, ary mitady fomba mandaitra hanatanterahana izany.’

Hitantsika teo àry fa ny tena Kristianina dia tsy hoe mpiangona ao amin’ny fivavahana mitonona ho Kristianina fotsiny. Efa nilaza mantsy i Jesosy fa hihamaro ny Kristianina sandoka. (Matio 7:22, 23) Manasa anao àry ny Vavolombelon’i Jehovah hianatra izay nampianarin’i Jesosy ary hampihatra izany. Izay manao izany no tena Kristianina. Hoy i Jesosy: “Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.”—Jaona 13:17.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Eken’ny maro fa izay mino an’i Jesosy ho Kristy sy manara-dia azy no atao hoe Kristianina.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

◼ Iza no nantsoin’i Jesosy hoe namany?—Jaona 15:14.

◼ Inona avy no fitondran-tena tokony hofadin’ny Kristianina?—Galatianina 5:19-21.

◼ Inona ilay asa tokony hataon’ny Kristianina?—Matio 28:19, 20.

[Sary, pejy 26]

Mazoto mitory ny tena Kristianina ankehitriny, toy ny Kristianina voalohany