Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fandokoana Lamba Fahiny sy Ankehitriny

Fandokoana Lamba Fahiny sy Ankehitriny

Fandokoana Lamba Fahiny sy Ankehitriny

AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY GRANDE-BRETAGNE

EFA mba voamarikao ve fa misy fiantraikany eo amin’ny fihetseham-pontsika ny loko? Tsy mahagaga àry raha efa fanaon’ny olona hatramin’izay ny mandoko lamba.

Tsy tiantsika hiofo na hihavasoka ny lokon’ny akanjo na ny lamba famonosana fanaka vidintsika. Nahaliana anay ny hoe ahoana no atao mba hampahateza ny lokon’ny lamba. Tianay ho fantatra koa ny tantaran’ny fivoaran’ny fandokoan-damba. Nitsidika ny Tranombakoky ny Lokon’ny SDC àry izahay. * Any Bradford, any avaratr’i Angletera, no misy azy io. Hitanay tao ny akora hafakely sasany nampiasaina hatramin’izay, mba handokoana lamba.

Loko nampiasaina fahiny

Akora voajanahary daholo no nampiasaina hatramin’ny taona 1850 tany ho any. Anisan’izany ny zavamaniry sy ny bibikely ary ny akorandriaka. Nanome loko manga (1), ohatra, ny zavamaniry atao hoe pastel, ny rezeda nanome loko mavo (2), ary ny garansy nanome loko mena. Nahazoana loko mainty koa ny hazo kampesy, ary loko volomparasy ny volonkazo atao hoe orseille. Nanome loko lafo vidy atao hoe volomparasin’i Tyro na volomparasin’ny mpanjaka (3) ny akorandriaka murex. Io no nandokoana ny akanjon’ny mpanjaka romanina fahiny.

Efa ela talohan’ny nisian’ireo mpanjaka ireo anefa no nanao akanjo nolokoana tamin’ny akora voajanahary ny olona ambony sy mpanankarena. (Estera 8:15) Avy tamin’ny haon-javamaniry (4), ohatra, no nahazoana loko mena. Toa io bibikely io no nahazoana ilay loko mena midorehitra nandokoana ny fanaka tao amin’ny tranolay sy ny akanjon’ny mpisoronabe, teo amin’ny Israely fahiny.—Eksodosy 28:5; 36:8.

Fomba fandokoana

Hita ao amin’ilay fampirantiana ao amin’ny Tranombakoky ny Loko, fa mazàna no be pitsiny ny fandokoana, fa tsy vitan’ny hoe mandroboka kofehy na lamba ao anaty loko fotsiny. Matetika no ilaina ny mampiasa zavatra mampiraikitra ilay loko amin’ny kofehy, ka lasa tsy mety levon’ny rano ilay loko. Zavatra simika maro no ampiasaina amin’izany, ary mampidi-doza ny sasany aminy.

Miteraka fofona mahery ny fomba fandokoana sasany. Anisan’izany ny fandokoana lamba mba ho mena tiorka. Ela be sady be pitsiny izany. Nampiasaina tamin’ny lamba coton io fomba fandokoana io, ka lasa mena marevaka ilay lamba ary tsy vasoky ny hainandro sy ny rano ary ny ranon-javely. Nisy fotoana aza, nizara ho dingana 38 mihitsy io fandokoana io, ka efa-bolana vao vita! Nolokoana tamin’ny loko mena tiorka (5) ny sasany amin’ireo lamba tsara indrindra ao amin’ilay tranombakoka.

Loko sentetika

I William Perkin no voalaza fa namorona ny loko sentetika voalohany, izany hoe tsy avy tamin’ny akora voajanahary, tamin’ny 1856. Hazavaina ao amin’ilay fampirantiana ny fomba nahitany ny loko volomparasy manopy mavokely antitra. Maro ny loko sentetika mangirangirana namboarina, nanomboka tamin’ny faran’ny taonjato faha-19. Misy loko sentetika 8 000 mahery ankehitriny (6). Ny hazo kampesy sy ny haon-javamaniry sisa no akora voajanahary mbola fampiasa hatramin’izao.

Hazavaina ao amin’ny trano heva momba ny loko sy ny lamba ireo teknika hafakely ampiasaina ankehitriny, mba handokoana ny lamba sentetika toy ny rayonne. Ilay karazany atao hoe visikozy izao no tena be mpitia, ary tamin’ny 1905 izy io no nanomboka namidy. Mitovitovy amin’ny lamba coton izy io, ka nety tsara taminy ny ankamaroan’ny loko nisy tamin’izany. Tsy maintsy nanamboarana loko vaovao hafa anefa ny karazan-damba sentetika natao tatỳ aoriana, toy ny poliestera sy nylon ary akrilika.

Sarotra ny mampiraikitra ny loko

Tiantsika hitana tsara ny loko amin’ny akanjo na ravin-damba vidintsika. Maro anefa no mihavasoka rehefa azon’ny hainandro na sasana matetika, ary indrindra rehefa diovina amin’ny zavatra simika. Mety hiova koa ny lokon’ny akanjo indraindray, noho ny hatsembohana na ny fanasana azy miaraka amin’ny akanjo hafa. Raha miraikitra tsara amin’ilay kofehy ny loko, dia tsy mihamatsatso ny lokon’ilay lamba rehefa sasana. Mahatonga ny loko hiendaka amin’ny kofehy anefa ny fanasana ilay lamba matetika sy ny fampiasana zavatra simika fanalana tasy. Izay no mahatonga ilay izy hihavasoka. Manao andrana ny mpandoko lamba, mba hijerena raha tsy miova loatra ny lokon’ilay izy, rehefa azon’ny hainandro, sasana, asiana zavatra simika, ary tratran’ny hatsembohana.

Niana-javatra tokoa izahay tamin’iny fitsidihana iny. Lasa tianay ho fantatra hoe vita amin’ny karazan-damba inona ny akanjonay. Tsy izay fotsiny anefa fa hitanay koa ny fahaizan’ny mpandoko miaro ny lokon-damba tsy ho vasoka, na dia averimberina sasana aza ilay izy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Mampiroborobo ny teknika momba ny loko ny SDC na fikambanan’ny mpandoko lamba.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Sary 1-4: Courtesy of the Colour Museum, Bradford (www.colour-experience.org)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Sary 5: Courtesy of the Colour Museum, Bradford (www.colour-experience.org); Sary 6: Clariant International Ltd., Switzerland