Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hampizotra Tsara ny Fijanonako any Andafy?

Ahoana no Hampizotra Tsara ny Fijanonako any Andafy?

Manontany Ny Tanora Hoe . . .

Ahoana no Hampizotra Tsara ny Fijanonako any Andafy?

“Tsy nitady afa-tsy ny hody aho, rehefa tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina!. . . Very daholo ny hetahetako hisetra zavatra manaitaitra sy ny fifaliako hahita zava-baovao. Raha tsorina dia mbola tsy manina ny tany aminay ohatra izany aho.” — Uta.

MAMPAHATAHOTRA ny irery any an-tany hafa. Mifidy ny hipetraka vetivety any andafy anefa ny tanora maro, araka ny nasehon’ny lahatsoratra teo aloha tamin’ity fitohitohizan-dahatsoratra ity. Mandeha mba handranto fianarana na hanaraka fampiofanana manokana ny sasany. Te hianatra fiteny iray ny sasany. Te hitady vola fotsiny ny sasany. Nifindra monina kosa anefa ny hafa mba hanompo any an-tany hafa, izay mila mpitory ilay Fanjakana.

Aoka hatao hoe misy antony tsara hijanonanao any andafy — antony mihevitra ireo zavatra ilainao sy ireo tanjonao ara-panahy * — inona àry no azonao atao mba hahazoana antoka fa hizotra tsara ny fijanonanao any?

Aoka ianao ho tapa-kevitra ny hizatra

Voalohany, dia tokony ho vonona ny hizatra ianao. Tsy midika ho fialana amin’ny foto-pitsipika kristianina na amin’ny fahazaranao ara-panahy izany. Mety hidika ho fianarana ho tia sakafo vaovao, na fianarana fitsipi-pahalalam-pomba vaovao, na fanandramana fomba vaovao fanaovan-javatra, kosa izany. Mety ho tena samy hafa amin’ny fomba fanaovanao zavatra tany an-taninao ireny fombafomba vaovao ireny. Azo atao tsara indrindra anefa eto ny mampihatra ilay didin’i Jesosy manao hoe “aza mitsara”. (Matio 7:1). Tsy misy firenena na kolontsaina manana zo hilaza tena ho ambony noho ny hafa, raha ny marina. (Asan’ny Apostoly 17:26). Tsy misy hafa amin’ny zokiolona izay tokony hanalavitra ny fampitahana ny tanora tamin’ny lasa amin’ny tanora ankehitriny ka hanakiana azy, ny tanora any andafy koa dia tokony hanalavitra ny fampitahana ny tany hafa amin’ny taniny ka hanakiana azy. (Mpitoriteny 7:10). Mifantoha amin’ny zavatra tsara atolotr’io tany io sy io kolontsaina vaovao io. Afa-tsy izany koa, dia arakaraka ny maha haingana ny fianaranao ny fitenin’io tany io no hahazoanao aina haingana kokoa.

Nahomby tamin’ny fizarany tamin’ny kolontsaina samy hafa ny apostoly Paoly teo amin’ny asa misionera nataony, satria vonona ny ho tonga ‘zavatra rehetra amin’ny olona rehetra’ izy. (1 Korintianina 9: 22). Hanampy anao hizatra ny toe-tsaina toy izany. Au pair mipetraka any Alemaina i Adrianne ary manao asa an-trano ho an’ny fianakaviana iray, ho takalon’ny efitra atoriana sy ny sakafo. Manazava toy izao izy: “Tsy maintsy tena mahay mifanaraka amin’ny toe-javatra aho, satria tsy afaka manantena ny hafa hizatra amiko.”

‘Manina ny any aminay aho!’

Ara-dalàna ny manina sy malahelo ny any amin’ny tena, mandritra ireo herinandro vitsivitsy voalohany. Mampiseho ny Baiboly fa ‘manina ny tranon’ny rainy indrindra’ i Jakoba, na dia efa nipetraka tany an-tany hafa nandritra ny 20 taona mahery aza izy! (Genesisy 31:30). Koa aza gaga àry raha toa ka mandalo fotoana tena mampitomany be anao ianao indraindray. Mazava ho azy fa hampitombo ny alahelonao ianao, raha tsy mitsahatra mifantoka amin’ny zavatra nilaozanao. (Nomery 11:4, 5). Fomba tsara indrindra handresena ny fahaketrahana ny fiezahana hizatra amin’ny fahazarana sy ny toe-piainana vaovao. Na tsara aza ny mifandray amin’ny fianakavianao amin’ny alalan’ny taratasy sy ny antso an-telefaonina, dia mety hisakana ny fizaranao amin’ny toe-piainanao vaovao ny miantso any an-tranonao matetika loatra.

Tanora kristianina maro no mahita fa fomba tsara indrindra hisorohana ny fahatsapana ho manirery ny fiverenana amin’ny fahazarany ara-panahy. (Filipianina 3:16). Nahatsiaro ireo herinandro voalohany nijanonany tany andafy i Amber ka nilaza hoe: “Ny hariva no sarotra tamiko, rehefa tsy nisy na inona na inona natao iny; koa niezaka nanao fianarana fanampiny àry aho na namaky boky.” Milaza toy izao, avy amin’ny zavatra niainany manokana, i Rachel, tanora britanika au pair any Alemaina: “Miaraha avy hatrany amin’ny kongregasiona. Tonga dia manatreha fivoriana.” Mety hila fanampiana ianao, amin’ny voalohany, mba hamonjena fivoriana. Kanefa afaka ny hahazo namana mahasoa, izay mety ho toy ny “rahalahy sy anabavy sy reny” ianao ao amin’ny kongregasiona kristianina. — Marka 10:29, 30.

Ampahany lehibe amin’ny fahazarana ara-panahy tsara koa ny mandray anjara amin’ny asa kristianina, dia ny fitoriana ny filazantsara. Tsy hitondra soa ho anao eo amin’ny lafiny ara-panahy fotsiny ny fitoriana, fa hanampy anao koa hizatra amin’ilay kolontsaina sy ilay fiteny vaovao.

Farany, dia ataovy fahazarana hatrany ny mivavaka sy ny mianatra manokana. Zava-dehibe izany mba hitoeranao ho salama ara-panahy hatrany. (Romana 12:12; 1 Timoty 4:15). Noho izany antony izany, dia tsy nanadino nitondra zavatra vita an-tsoratra tamin’ny fitenin-drazany i Adrianne, voalaza tetsy aloha.

Fiaraha-mipetraka amin’ny fianakaviana mampiantrano

Efa nanomana mialoha ny hiara-mipetraka amin’ny fianakaviana mpino ny Kristianina tanora sasany, mandritra ny fotoana hipetrahany any andafy. Na tsy hiandraikitra ny fitaizana ataon’ny ray aman-dreny aza ny fianakaviana mpampiantrano, dia mety ho fiarahana mahasoa sy loharanom-pampaherezana ara-panahy kosa izy ireo. — Ohabolana 27:17.

Na izany aza, dia tena ilaina ny mifampiresaka amim-pahatsorana amin’ilay fianakaviana mampiantrano, mba hihazonana fifandraisana tsara. (Ohabolana 15:22; 20:5; 25:11). Manamarika i Amber hoe: “Tokony hanana fandaharana ankapobe momba izay hataonao ianao. Mila mahafantatra ny zavatra andrasan’ny mpampiantrano anao aminao ianao. Ary tokony hahafantatra ny zavatra andrasanao aminy koa izy ireo.” Fantaro ireo fitsipika ao an-trano arahin’ilay fianakaviana sy hoe hatraiza no tokony handraisanao anjara amin’ny raharaha ao an-trano. Tokony horesahina amin’ny an-tsipiriany ny raharaha toy izany.

Ho sarotra indrindra ny toe-javatra hisy anao, ohatra, raha miasa ho an’ny fianakaviana tsy mitovy finoana aminao ianao. Koa satria mety tsy hahatakatra ny fijoroanao amin’ireo foto-pitsipika ara-baiboly ilay fianakaviana, dia mety ho tafiditra ao anatin’ny toe-javatra mety hanaratsy laza anao ianao. (Ohabolana 13:20). Mety hifanohitra amin’ny adidy ara-panahy, toy ny fanatrehana ireo fivoriana kristianina, ny takin’ny fanatontosana ireo raharaha ao an-trano. Koa misy fepetra maromaro tokony horaisina àry, raha tsy maintsy mijanona miaraka amin’ny fianakaviana iray tsy mitovy finoana aminao ianao, noho ny toe-javatra tsy azo ialana.

Izao no torohevitr’i Rachel: “Ataovy izay hahazoana antoka fa fantany hoe Kristianina ianao. Ny tsara indrindra dia ny mitsotra aminy avy hatrany.” Afaka miaro anao ny fanazavana ny fari-pitsipikao ara-pivavahana sy ara-pitondran-tena. Afa-tsy izany koa, dia tokony hataonao mazava tsara amin’ny mpampiasa anao fa sarobidy aminao ireo fivoriana kristianina sy ny fitoriana. Farany, dia fahendrena ny tsy manadino manao an-tsoratra ny raharaha lehibe toy ny ora hiasana sy andro tsy hiasana ary ny karama, alohan’ny hanombohanao. Ahafahana misoroka ny fahadisoam-panantenana izany any aoriana.

Fandaminana ireo zava-manahirana

Mbola mety hipoitra ny zava-manahirana, na miezaka araka izay fara herinao aza ianao. Inona, ohatra, no hataonao raha mangataka anao hiala ao an-tranony ilay fianakaviana mampiantrano anao? Mety hanakivy tanteraka izany. Raha misy karazana tsy fahazoan-kevitra mitranga, dia azonao atao ny manandrana mifanazava amin’ny fomba milamina sy tony amin’ilay mpampiantrano anao. (Ohabolana 15:1). Aoka ianao ho vonona hiaiky izay fahadisoana mety ho nataonao. Angamba hiova hevitra izy ireo. Raha tsy izany, dia tsy maintsy hitady toerana hafa iray hipetrahana ianao.

Mety ho voatery hangataka fanampiana ianao mba handaminana zava-manahirana hafa. Mety hanan-java-manahirana ara-bola ianao, ohatra, na harary. Mety hisalasala ianao hampahafantatra ny ray aman-dreninao ny zava-mitranga, satria manahy ianao sao halain’izy ireo hody. Ankoatra izany, dia lavitra be ny misy azy ireo ka mety tsy ho fantany ny fomba hiatrehana ilay toe-javatra mitranga any an-tany hafa. Mety ho za-draharaha amin’ny fiatrehana zava-manahirana toy izany anefa ny loholon’ny kongregasiona eo an-toerana, ary mety ho afaka hanome torohevitra sasany azo ampiharina. Angamba ho afaka hanampy anao koa izy ireo hanapa-kevitra raha tokony hampahafantarina ny ray aman-dreninao ilay raharaha na tsia.

Fiverenana mody

Na mitondra zava-tsarotra sy fahasahiranana aza ny fipetrahana vetivety any andafy, dia afaka ny ho fanandraman-javatra mahafa-po, indrindra raha antony ara-panahy no nandehananao tany. Mazava ho azy fa mety ho avy ny fotoana tsy maintsy hodianao. Milaza toy izao i Andreas: “Noho ireo fahatsiarovana nahafinaritra maro be — vetivety dia hadino ireo nahasosotra — dia sarotra be tamiko ny nandao an’i Etazonia.” Na izany aza, dia aza manantena ny namanao sy ny fianakavianao any an-taninao hanova tampoka ny fomba fanaovany zavatra, satria ianao nitondra nody ireo fomba fihevitra vaovao nianaranao tany andafy. Ankoatra izany, dia aza manorisory azy amin’ny fampahatsiahivana azy ireo tsy an-kijanona ny fomba fanaovan-javatra any an-toeran-kafa. Ara-dalàna raha ho tianao hotantaraina amin’ny olon-drehetra ny zavatra niainanao; aza kivy anefa raha tsy mientam-po toa anao ny rehetra.

Mazava fa fanapahan-kevitra tokony hatao amim-pitandremana ny hoe hipetraka vetivety any an-tany hafa. Raha manapa-kevitra ianao fa misy antony marim-pototra tokony hifindra-monina, rehefa avy niara-nandinika izany tamin’ny ray aman-dreninao, dia miomàna hiatrika ireo zava-tsarotra. Toy ny amin’ny fanapahan-kevitra lehibe rehetra hatao eo amin’ny fiainana, dia fahendrena ny manombana ny vidiny aloha. — Lioka 14:28-30.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Jereo ny lahatsoratra “Manontany ny Tanora Hoe . . . Tokony Hipetraka any Andafy ve Aho?”, ao amin’ny nomeraon’ny 8 Jolay 2000.

[Efajoro/Sary, pejy 27]

Torohevitra Fiarovana

● Hazòny amin’ny toerana azo antoka ny pasipaoronao sy ny volanao ary ny billet-nao miverina.

● Manaova fôtôkôpian’ny pasipaoronao ary koa ny taratasy fahazoan-dalana miditra sy/na ny visa-nao ary ny billet-nao miverina sy ny taratasy sarobidy hafa. Manàna fôtôkôpian’ireo ho anao ary andefaso koa ny ray aman-dreninao na ny namanao any an-taninao.

● Aza misaraka amin’ny nomeraon’ny telefaonin’ny ray aman-dreninao na ny namanao any an-taninao sy ny an’ny fianakaviana mampiantrano anao.

● Mihazòna fitondran-tena madio hatrany, rehefa miaraka amin’ny olona tsy lahy na tsy vavy toa anao, na any amin’ny fianakaviana mampiantrano anao izany, na any am-pianarana, na any am-piasana, na any amin’ny toerana hafa.

● Mianara, fara fahakeliny, ireo teny sy ireo fomba fiteny fototra ao amin’ilay tany ivahinianao.

● Manaova fizaham-pahasalamana, alohan’ny hiaingana. Aza hadinoina ny mitondra tahirim-panafody ampy tsara amin’izay ilainao.

[Sary, pejy 26]

Raha misy tsy fahazoan-kevitra amin’ilay fianakaviana mampiantrano anao, dia resaho amin’ny fomba milamina izany