Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Ady Ataoko Amin’ny Endometriozy

Ny Ady Ataoko Amin’ny Endometriozy

Ny Ady Ataoko Amin’ny Endometriozy

NOTANTARAIN’I DEBORAH ANDREOPOULOS

EFA lazaiko dieny eto am-piandohana fa tsy mba karazan’irony vehivavy manahy lalandava ny amin’ny fahasalamany irony ny tenako. Tsy mampaninona ahy izay maharary kely tsindraindray. Miezaka aho hanaraka izay onjan’ny fiainana, na tsara io na ratsy.

Fony aho zatovo anefa, dia nanomboka nahatsapa fanaintainana mafy aho. Nandritra ny fotoan-tsarotra tamin’ny fotoan’ny fadimbolako, dia matetika aho no nahatsapa fanaintainana mafy tao amin’ny fihary atodinainako tao, no sady narary andoha, voan’ny aretim-pivalanana, fanina, nisalebolebo, ary narary andilana. Indray nampijaly ahy ny sasantsasany tamin’ireo, indraindray. Voamariko tamin’izay fotoana izay fa nahasoa ahy ny fampiasan-tena sy ny fakana aina, saingy sarotra ny nahita fotoana hanaovana izany.

Tsy azonao iombonana amin’ny hafa ilay fanaintainana. Tsy azonao refesina ilay izy, ary tsy hainao foana ny milazalaza ilay izy amin’ny fomba mampiaiky ny hafa. Indraindray aho dia teo am-pandriana nandritra ny andro maromaro, trotraka noho ireo fisehoan’aretina voalazako tetsy ambony, na indraindray aho nanery tena niarina ka nihetsiketsika kokoa, saingy nihinam-panafody be dia be mampitony fanaintainana. Tsy afa-niasa tsara aho, ary tsy afaka nanana fiainana ara-dalàna. Tena diso fanantenana be aho. Tsapako ho nisy zavatra tsy nety tao anatiko tao. Isaky ny nozahan’ny dokotera anefa aho, dia nampisinda izany eritreritro izany ny toky nomeny.

Nihamafy ireo fisehoan’aretina, rehefa nihoatra ny faha-30 taonako aho. Mbetika aho namaivay tsy ahoan-tsy ahoana teo, mbetika tsy naninona indray. Nanaitra ahy tamin’ny misasakalina ny fanaintainana mafy. Nisy fotoana tsy natoriako afa-tsy ora vitsivitsy monja, nandritra ny herinandro maninjitra. Tsy vitan’izany ihany fa nisy fanaviana kely nandritra ny andro maromaro aho, tsindraindray. Nanjary nihinam-panafody mampitony fanaintainana maro samihafa aho, toy ny pilina ho an’ny tsinaiko nanotika, pilina ho an’ny vavoniko, ary menaka sy pilina ho an’ny lamosiko.

Mpaka tahaka mahay

Azo nolazaina ho fisehoan’aretina fantatra tsara maromaro no nampijalijaly ahy. Toa aretin’andoha mafy, nofo nifampiraikitra tao amin’ny lohavaniana, fadimbolana naharary, tsinay mora narary, aretin’ny tsinaibe, ary aretim-bavony, no nahazo ahy. Noheveriko foana fa naharary ahy ny fadimbolana, kanefa tsy fantatro tamin’izany fotoana izany fa tena hafa tanteraka noho izay nanjo ahy izany hoe fadimbolana maharary izany.

Nilazana aho fa fahita ny fadimbolana maharary sy ny fanaintainana, ary nety ho nahatonga izany ny fandovan-toetra, ny fampiasan-tena tapatapaka, ny fiasana mandritra ny ora maro ao amin’ny birao, ny olana momba ny hormonina, ny havizanana, sy ny fihenjanana, ary koa ny tsy fiterahana rehefa maherin’ny 30 taona ny tena. Nilaza tamiko mihitsy aza ny dokotera iray fa mariky ny fahasalamana tsara ireo soritr’aretina rehetra hita teo amiko!

Ahoana anefa ny amin’ireo soritr’aretina hafa nanahiran-tsaina ahy? Nolazaina fa niasa mafy sy tratran’ny fihenjanana aho matoa trotraka, vizana matoa nisy fanaviana, tratran’ny fihenjanana sy tsy nisakafo tsara matoa narary tsinay sy nikorontam-bavony, ary nisy olana teo amin’ny hazondamosina sy ratsy fipetraka matoa narary lamosina. Koa toa azo nohazavaina avokoa ny zava-drehetra. Na izany aza, dia mbola narary mafy ihany aho.

Ela ny ela ka fantatra marina hoe inona ilay aretina

Notarafina tamin’ny feo tsy re tsaika aho tamin’ny Aprily 1998, kanefa nasehon’ny vokatr’ilay fitarafana fa tsy naninona ireo fihary atodinainako. Vao mainka niharatsy ny fahasalamako, nandritra ireo efa-bolana nanaraka. Nanapa-kevitra ny hanatona dokotera iray aho. Nasainy notarafina indray aho, ary hitany fa nisy zavatra lehibe dia lehibe teo ivelan’ny tranonjazako. Nalefany tany amin’ny mpitsabo aretim-behivavy aho nony avy eo. Nohamafisin’ilay mpitsabo fa, na nisy kista lehibe dia lehibe iray aho, na nisy kista niforona teo akaikin’ny tranonjazako, nirefy 10 santimetatra sy 12 santimetatra — lehibe tokoa ka toy ny hoe bevohoka efa-bolana aho! Ary tamin’izay dia nahiahiny ho ny endometriozy no fototr’ireo olana ara-pahasalamana nanjo ahy.

Very hevitra aho aloha. Kely dia kely ny zavatra fantatro momba ny endometriozy. Maro be ireo fanontaniako. Inona no mahatonga ilay aretina? Inona no ho vokatr’ilay izy eo amin’ny fiainako? Avy eo aho dia nahatsiaro ho maivamaivana. Nahatsiaro tena ho toy ny voafandrika tao anatin’ny lavaky ny fanaintainana aho mantsy, nandritra ny taona maro. Tsy nahazo fitsaboana nampitony fanaintainana na fanazavana nahafa-po aho, isaky ny avy nozahan’ny dokotera, koa nahatsiaro mafy ho tsy afa-nanoatra sy kivy aho. Ary nanjary nanome tsiny ny tenako ho taitaitra tamin’ny zavatra tsy misy dikany aho, satria hoy aho hoe fanaintainana ara-dalàna sy nahazatra no nahazo ahy. Nilaza anakampo aho hoe tao an-tsaiko fotsiny ilay fanaintainana mafy. Izao anefa dia azo nohazavaina ireo soritr’aretina rehetra nanahiran-tsaina.

Antony mahatonga ilay aretina sy fitsaboana azo isafidianana

Nanipy hevitra tamiko ilay dokotera hoe tokony hodidiana aho rehefa afaka andro vitsivitsy, satria nety ho vaky ilay na ireo kista, amin’ny fotoana rehetra. Nanapa-kevitra ny handinika io fanazavana aretina io anefa izahay mivady, alohan’ny hanaovana ilay fandidiana, mba hahafantarana zavatra betsaka araka izay azo natao, momba ilay aretina tsy dia fantatra antsoina hoe endometriozy.

Nanjary fantatray fa araka ny tombana sasany, dia hatramin’ny 30 isan-jaton’ny vehivavy afa-miteraka no mety ho voan’ny endometriozy! Tsy fantatra ny antony mahatonga ilay izy. Izao no teoria iray: Mandritra ny fadimbolana, dia misy amin’ny hoditra malemy mandrakotra ny aty tranonjaza, izay hoditra mivoaka miaraka amin’ny fadimbolana, mitampody mandalo ny lalan’atodinaina, ka mamaka ao amin’ny kibo, ary maniry ao. Milaza ny teoria hafa iray fa miala avy ao amin’ny tranonjaza ny hoditra malemy mandrakotra ny aty tranonjaza, ka mihanaka mankany amin’ny faritra hafa amin’ny vatana, amin’ny alalan’ny ranoky ny rafi-piarovana na ny ra mikoriana. Misy teoria miorina amin’ny fototarazo kosa milaza fa mety ho efa ao anatin’ny fototarazon’ny fianakaviana sasany ny endometriozy, na mety ho efa ao anatin’ny vehivavy sasany ny zavatra mahatonga azy ho mora voan’ilay aretina. Ny hafa kosa milaza fa ny poizina eo amin’ny tontolo iainana maloto no mahatonga ilay izy.

Nilazana izahay fa samy hafa ny fisehoan’ny endometriozy, arakaraka izay vehivavy voany, satria samy hafa ny toerana anirian’ilay izy, ny halaliny eo amin’izay aniriany, sy ny habeny. Nanjary fantatray fa mety haharary ka tsy hahafaha-miasa, na dia ny nofo maniry faran’izay bitika aza, raha toa ka manelingelina hozatra iray eo akaikiny.

Mino ny dokotera sasany fa ny fanesorana ny tranonjaza sy ireo fihary atodinaina, amin’ny alalan’ny fandidiana, no vahaolana farany. Aloha kelin’ny hanaovana izany anefa, dia azo ampiasaina ny hormonina mba hampitsaharana ny famokarana atodinaina, mandritra ny fotoana ela araka izay azo atao. Indraindray izany dia manery ny endometriozy hiato mandritra ilay fitsaboana, ary indraindray hiato mandritra ny volana maro na ny taona maro, aorian’ilay fitsaboana. Toroana hevitra koa ny marary sasany mba hanaiky fandidiana tsy mandratra firy, na fandidiana lehibe ilay izy na amin’ny alalan’ny fitaovana fijerena ny ao amin’ny aty kibo, mba hanesorana na handevonana ireo fivontosana. Afaka mampitony ireo soritr’aretina koa izany fandidiana izany.

Fandidiana sy fiverenan’ilay aretina indray

Toa ity safidy farany no nety indrindra tamiko. Rehefa avy nodidiana aho ka nesorina ireo kista, dia gaga aho nilazan’ny dokoterako fa tsy hamaha ireo olana ara-pahasalamana rehetra tao amiko, ilay fandidiana. Nilaza izy fa nilaiko ny tsy nitsahatra nanantena sy ny nanaiky ny toe-pahasalamako, mba hanohizako hiaina amin’ny fomba feno araka izay azoko atao, na dia hiverina aza ilay aretina any aoriana. Nanome toky ahy izy fa ho vonon-kanampy ahy hatrany, na rahoviana na rahoviana.

Nilaza ilay dokotera fa tokony hotarafina isaky ny telo volana ireo fihary atodinainako, ary tokony ho vonona hihinam-panafody aho indraindray, arakaraka ny toe-pahasalamako. Nanoro hevitra izy ny hanombohako avy hatrany fitsaboana amin’ny alalan’ny hormonina manan-kery eo amin’ny fihary atodinaina. Raha ny marina, dia nampitsahatra ny famokarana hormonina manaitaitra ny fiasan’ny fihary atodinaina izany, ka nanjary toy ny hoe mitsaha-potoana aho. Tsy azo hanina afa-tsy mandritra ny enim-bolana monja anefa io fanafody io, satria mety hampahosa ny taolana na mety hiteraka fiovana hafa mifandray amin’ny fitsaharam-potoana.

Iray volana sy tapany teo ho eo taorian’ny nahavitan’ilay fitsaboana, dia tsaroako ho nisy nanaintaina ahy indray. Efa namaky momba ny fiverenan’ilay aretina aho, ka niezaka nanomana ny tenako hiatrika ny fihetsehany manaraka. Tsy nampoiziko hiverina vetivety kely anefa ilay izy. Nasehon’ny vokatry ny fitarafana fa nisy kista lehibe iray izao teo amin’ny fihary atodinainako havia. Nohaniko avy hatrany ilay fanafody nasain’ny dokotera hohanina mandritra ny herinandro, ka nihatony ilay fanaintainana. Nanjavona ilay kista, rehefa afaka volana vitsivitsy. Nisy kista hafa indray anefa nipoitra, rehefa afaka herintaona. Na ahoana na ahoana, dia tsy maintsy ho mailo sy eo ambany fanaraha-mason’ny dokotera foana aho, mandritra ny andro sisa hiainako.

Koa satria mahakasika ny hormonina sy ny hery fanefitra ilay aretina, dia misy zavatra hafa ankoatra ny fanafody, manampy ny vatako tsy harary be. Tsy maintsy nanao fanitsiana teo amin’ny sakafo haniko aho, ka mihinana legioma vao bebe kokoa sy voankazo ary vitaminina be dia be, sady mampihena ny kafe sotroiko. Manao fampiasan-tena bebe kokoa aho, ary manokana fotoana bebe kokoa hakana aina. Mampihena ireo voka-dratsin’ny fanafody izany rehetra izany, sady manatanjaka kokoa ny vatako.

Ao anatin’izany fahoriana mafy izany, dia ankamamiko ny fanohanan’ny vadiko amim-pangoraham-po sy ny fahatakarany amim-pitiavana izay manjo ahy. Ankoatra izany, dia manohana ahy avokoa ireo mpiara-miasa amiko rehetra — izay samy mpiasa an-tsitrapo ato amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower eto Gresy — ka manafana ny foko izany. Ambonin’ny zava-drehetra, dia anovozako hery ny fifandraisako manokana amin’i Jehovah, ilay ‘manohana ahy eo ambonin’ny farafara itsaboana ahy’. — Salamo 41:3.

[Efajoro/Sary, pejy 10]

Miresaha!

Mety hiteraka fihenjanana eo amin’ny fifandraisana rehetra ny aretina sy ny fanaintainana, nefa koa manolotra fahafahana hanatsara ny toetra. Rehefa toa tsy misy farany ilay aretina, dia mety ho hita fa hafa tokoa ny fihetsik’ilay marary. Misedra an’ireo mpianakaviny, indrindra fa ny vadiny, izany. Tsy tokony ho kivy anefa ny vadiny, fa tokony hiezaka kosa hanatsara sy hampiasa ny fahaizany miresaka, ka tsy ho maika ny hanome tsiny, fa ny hamela heloka.

Tokony hotadidin’ny vehivavy iray voan’ny endometriozy fa tsy mpahazo ny lehilahy velively ny tsingerin’ny fadimbolana manontolo, ary mety ho very hevitra tanteraka izy manoloana ny manjo an-dravehivavy. Raha mandray anjara amin’ny famantarana ilay olana anefa ny vadin-dravehivavy, dia mety hahatakatra tsara kokoa izay mitranga. Indreto misy soso-kevitra vitsivitsy ho an’ny marary:

Tsy afaka mamantatra izay ao an-tsainao ny vadinao, koa lazao azy hoe aiza no maharary anao, ary manao ahoana ny faharariny

Mifidiana dokotera izay hampahafantatra anareo mivady momba ny endometriozy, sady hanokana fotoana bebe kokoa hanaovana izany, raha ilaina

Lazao amin’ny vadinao ireo fiovana tsapanao — anisan’izany ny fiovana tsara!

Asao hamaky fanazavana momba ilay aretina izy

[Efajoro/Kisary, pejy 11]

Inona moa ny Endometriozy?

Ilay hoditra malemy mandrakotra ny aty tranonjaza, antsoina hoe endomètre, no ahazoan’ny endometriozy ny anarany. Hita eo amin’ny faritra maro samihafa ivelan’ny tranonjaza ny takela-nofo mitovy amin’ilay hoditra malemy mandrakotra ny aty tranonjaza, rehefa voan’ny endometriozy ny olona iray. Ilay aretina dia mety ho hita eo amin’ireo taova akaikin’ny tranonjaza, toy ny fihary atodinaina, ny tatavia, ary ny tsinay, ary amin’ny olona sasany, dia mety ho hita manerana ny faritra manodidina ny lohavaniana.

Na dia tsy ara-dalàna aza ilay fivontosana amin’ny endometriozy, dia mazàna no tsy miteraka kansera. Tsy ilay hoditra malemy akory no mahatonga ny endometriozy ho tsy ara-dalàna, fa noho ilay izy any ivelan’ny tranonjaza. Anisan’ny mikarakara ny tsaika mitombo ao an-kibo ny hoditra malemy mandrakotra ny aty tranonjaza, rehefa bevohoka ny vehivavy. Mivoaka miaraka amin’ny fadimbolana kosa izy io, amin’ny vehivavy tsy bevohoka.

Tsy mahita lalana hivoahana avy ao amin’ny vatana anefa ilay hoditra malemy any ivelan’ny tranonjaza. Manjary mandeha ra anaty ilay marary, mihasimba ny ra sy ny hoditra malemy arian’ilay nofo naniry, tera-mena sady mamaivay ireo faritra manodidina azy io, ary misy holatra miforona. Ireto koa misy olana hafa mety hipoitra, arakaraka ny toerana anirian’ilay nofo: mifampiraikitra ny nofo sasany, mandeha ra na tsentsina ny tsinay, voahelingelina ny fiasan’ny tatavia, ary vaky ireo nofo maniry, ka mampiely ilay aretina. Mety hihamafy ireo soritr’aretina rehefa mandeha ny fotoana, na dia fahita amin’ny olona sasany aza ny hoe miato ilay aretina, dia miverina indray, ary dia toy izany hatrany.

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

Lalan’atodinaina

Fihary atodinaina

Tranonjaza

Ilay hoditra malemy mandrakotra ny aty tranonjaza

Isam-bolana, dia vaky ireo nofo maniry ka mandeha ra, saingy tsy tafavoaka any ivelan’ny vatana

Nofo maniry

Nofo miraikitra eo amin’ny fihary atodinaina

Nofo maniry

[Efajoro/Sary, pejy 12, 13]

“ARETIM-BEHIVAVY HAFAHAFA” HOE?

Niresaka tamin’i Mary Lou Ballweg, prezidàn’ny Fikambanana Miady Amin’ny Endometriozy, any Milwaukee, any Wisconsin, ny Mifohaza!, mba hahafantarana misimisy kokoa momba ny vokatry ny endometriozy eo amin’ny saina sy ny fihetseham-po. Indro manaraka eto ny ampahany tamin’ilay fanadinadinana.

F: Inona avy no vokatr’ilay aretina eo amin’ny fihetseham-pon’ny vehivavy?

V: Miankina be dia be amin’izay ataon’ilay aretina aminy ao anatin’ny fotoana iray izany. Rehefa zatovo no voa, dia tena kivy izaitsizy izy ireo. Tsy tena mahatakatra izay manjo azy ny ankizivavy, ary ny mahatonga izany indrindra dia satria mazàna no tsy fantatry ny dokotera hoe inona no manjo azy, amin’io fotoana io. Tena sarotsarotiny be koa izy ireo momba io resaka io. Tsy irin’izy ireo ny hiresaka ilay izy amin’ny ray aman-dreniny na amin’ny olon-kafa na iza na iza. Koa mety hanjary hihevitra ireny ankizivavy ireny fa tsy matanjaka na mavitrika toy ny hafa izy ireny. Matetika izy ireny no tsy maharaka ny lesona atao any am-pianarana, ary manjary misy fiantraikany eo amin’ny fifandraisany amin’ny hafa izany. Mahafantatra ankizivavy maro niala tamin’ny fianarana izahay. Isan-kerinandro izahay dia mahare fa misy ankizivavy iray, fara fahakeliny, tsy maharaka ny fianarany, satria marary mafy noho ny endometriozy.

F: Ahoana ny amin’ny vehivavy manambady sy ny efa zokiny kokoa?

V: Mety handrava fanambadiana ilay fanaintainana, indrindra raha tsy fantatry ny dokotera hoe inona no aretin’ilay vehivavy. Rehefa fantatra anefa ilay aretina, dia afaka miara-miasa ny mpivady, satria fantany hoe inona no mitranga. Antenaina fa ho afaka hiara-mahita fomba hanoherana ny voka-dratsin’ilay aretina izy mivady, rehefa avy eo. Rehefa tsy fantatra marina anefa hoe inona no aretin’ilay vehivavy, dia tena manimba zavatra maro izany. Nilazan’ny dokoterany ny vehivavy iray miasa ato aminay, ary teo anatrehan’ny vadiny indrindra, fa noforonin’ny sainy fotsiny ireo soritr’aretina. Nino ny tenin’ilay dokotera ilay vadiny, ka nisaraka izy ireo ankehitriny. Tena olana lehibe io tsy fahatakarana ny manjo ny vehivavy marary io. Raha tonga ao an-trano ianao ka milaza amin’ny mpianakavinao hoe manana aretina mitaiza ianao, toy ny fahavoazan’ny rafi-pitatitra, ohatra, dia azo inoana fa hiara-miory aminao sy hanohana anao izy ireo. Fa raha milaza aminy kosa ianao fa voan’ny endometriozy, dia hanontany izy ireo hoe: Inona izany? Amin’izy ireo, dia aretim-behivavy hafahafa izay tsy tian’iza na iza horesahina akory izany. Mety tsy hahazo fanohanana mihitsy ianao.

F: Ho an’ny vehivavy iray voan’ny endometriozy, inona no fanohanana heverinao fa azon’ny vadiny, ny zanany, sy ny ray aman-dreniny omena azy?

V: Voalohany indrindra, dia heveriko fa ilain’izy ireo ny mino ny tenin-dravehivavy sy izay manjo azy. Tokony hiezaka izy ireo hanolotra ilay fanohanana izay ho nomeny, raha olana ara-pahasalamana hafa no nahazo an-dravehivavy. Tapany lehibe amin’izany ny fiezahana hahafantatra izay rehetra azon’izy ireo fantarina momba ilay aretina. Rehefa mahafanta-javatra misimisy kokoa momba ilay aretina ianao, dia afaka mahatakatra ny vokany, ary koa ireo voka-dratsin’ny fanafody sasany. Ankoatra izany, dia heveriko fa namorona fady ny ankamaroan’ny fiaraha-monina maneran-tany, satria menatra izy ireo ny hiresaka momba ny toe-batan’ny vehivavy. Tena mampalahelo izany. Koa heveriko fa angamba ny fanovana ny toe-tsain’ny olona momba ny vehivavy, no zava-tsarotra lehibe indrindra atrehintsika maneran-tany.

[Sary]

Mary Lou Ballweg