Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Izany no Hahafantaran’ny Rehetra fa Mpianatro Ianareo’

‘Izany no Hahafantaran’ny Rehetra fa Mpianatro Ianareo’

Toko 32

‘Izany no Hahafantaran’ny Rehetra fa Mpianatro Ianareo’

NY 14 NISANA taona 33 no alina farany niainan’i Jesosy teto an-tany. Fantany fa kely sisa dia ho faty izy. Tsy nieritreritra ny tenany anefa izy, fa nohararaotiny kosa izany hampaherezana ny mpianany.

Fantatr’i Jesosy mantsy fa ho mafy ny hanjo azy ireo rehefa lasa izy. “Ho halan’ny firenena rehetra” izy ireo noho ny anarany. (Matio 24:9) Hitady hampisaratsaraka sy hanimba ny finoan’izy ireo i Satana. (Lioka 22:31) Hisy fivadiham-pinoana hamokatra Kristianina sandoka. (Matio 13:24-30, 36-43) Ary “hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro, noho ny fitomboan’ny fandikan-dalàna.” (Matio 24:12) Inona no hampiray ny mpianany, na eo aza izany? Ho fatorana hampiray azy ireo ny fitiavany an’i Jehovah. (Matio 22:37, 38) Mila mifankatia koa anefa izy ireo, ary fifankatiavana tokony hampiavaka azy ireo amin’ny hafa rehetra ilay izy. (Kol. 3:14; 1 Jaona 4:20) Karazam-pitiavana inona no nolazain’i Jesosy fa hamantarana ny tena mpianany?

Hoy izy tamin’iny hariva farany iny: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba ifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia.” (Jaona 13:34, 35) In-20 mahery izy no niresaka momba ny fitiavana tamin’izay. Ary intelo izy no nandidy ‘ny mba hifankatiavan’izy ireo.’ (Jaona 15:12, 17) Tsy ireo apostoly 11 teo anilany tamin’izay ihany no noeritreretiny, fa izay rehetra hanaraka ny Kristianisma marina koa. (Ampitahao amin’ny Jaona 17:20, 21.) Hampiray an’ireo tena Kristianina “mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity” ilay didy hifankatia.—Matio 28:20.

Te hilaza ve i Jesosy hoe raha misy olona iray (na aiza na aiza eto amin’ity tontolo ity) tsara fanahy sy tia olona, dia ho fantatra ho tena mpianany ilay olona?

‘Mifankatiava ianareo’

Niresaka be momba ny firaisan-tsaina koa i Jesosy tamin’iny hariva iny. “Aoka ianareo ho tafaray foana amiko”, hoy izy. (Jaona 15:4) Nivavaka izy “mba ho iray” ireo mpanara-dia azy. Hoy koa izy: “Tahaka anao Ray izay tafaray amiko, ary izaho tafaray aminao, mba ho tafaray amintsika koa izy ireo.” (Jaona 17:21) Ary tamin’izay izy no nilaza hoe: ‘Mifankatiava ianareo.’ (Jaona 13:35) Koa tsy namana akaiky vitsivitsy, na eo anivon’ny fiangonana iray ihany, àry no hanehoan’izy ireo fitiavana. Hoy koa i Petera: “Tiavo ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.” (1 Pet. 2:17; ampitahao amin’ny 1 Petera 5:9.) Koa ho mpirahalahy maneran-tany mifamatotra akaiky àry izy ireo. Ho tiana manokana ny rehetra anisan’ny mpianakavin’ny finoana maneran-tany, satria ho rahalahy sy anabavy.

Ahoana no isehoan’izany fitiavana izany? Inona no dia hampiavaka ny fifankatiavan’izy ireo ka ho hitan’ny olona ho porofon’ny Kristianisma marina?

“Toy ny nitiavako anareo”

“Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”, hoy ny Lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely, maherin’ny 1 500 taona talohan’i Jesosy. (Lev. 19:18) Tsy izay anefa ilay fitiavana hampiavaka ny mpanara-dia an’i Jesosy. Mihoatra lavitra noho ny fitiavana ny namana tahaka ny tena no noeritreretin’i Jesosy.

“Didy vaovao” ilay didy mba hifankatia, araka ny nolazainy. Tsy noho izy taorian’ny Lalàn’i Mosesy no maha vaovao azy, fa noho izy fitiavana lasa lavitra. Mifankatiava “toy ny nitiavako anareo”, hoy ny fanazavany. (Jaona 13:34) Fitiavana mahery sy tsy miovaova no nitiavany ny mpianany, ary fitiavana feno fahafoizan-tena. Tsy nianina tamin’ny asa soa vitsivitsy ho azy ireo ny fitiavan’i Jesosy. Nofahanany teo amin’ny ara-panahy izy ireo, ary nomeny izay nilain’ny vatany. (Matio 15:32-38; Marka 6:30-34) Ary porofo ambony indrindran’ny fitiavany ny nanomezany ny ainy ho azy ireo.—Jaona 15:13.

Izany ilay karazam-pitiavana takin’ny “didy vaovao”, dia ilay fifankatiavan’ny tena mpanara-dia an’i Jesosy. (1 Jaona 3:16) Iza ankehitriny no hita porofo fa mankatò an’io “didy vaovao” io? Fikambanana kristianina iray ihany no asehon’ny porofo voalaza ao amin’ireo toko any aloha amin’ity boky ity.

Tsy akanjo manokana na fanao miavaka no ahafantarana azy ireo, fa ny fifanehoany firaiketam-po mafy. Malaza ho manana fitiavana mandresy tsy fitoviana ara-poko sy ara-pirenena izy ireo. Fantatra ho tsy miady izy ireo na dia manao izany aza ny taniny. Gaga ny olona mahita ny fifanampian’izy ireo rehefa misy loza, toy ny loza araka ny natiora, na rehefa misy enjehina ny rahalahiny. Vonona hiaritra ny mafy sy hisetra loza izy ireo mba hanampiana ny rahalahy sy anabaviny izay namoizan’i Kristy ny ainy. Ary vonona ny ho faty ho an’ny rahalahiny tokoa izy ireo. Hafakely izany fifankatiavana izany eto amin’ity tontolo mihatia tena ity. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo. a

Ohatra iray mampiseho izany fitiavana izany ny nitranga rehefa namely ny morontsirak’i Floride, eto Etazonia, ny Rivo-doza Andrew, ny alatsinainy 24 Aogositra 1992, vao maraina. Olona sahabo ho 250 000 no tra-boina, ka Vavolombelon’i Jehovah ny arivo mahery. Nanangana komitin’ny vonjy rano vaky avy hatrany ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, sady nampiasa ny tahirim-bola. Nifandray tamin’ny Vavolombelona ny anti-panahy tany amin’ilay faritra tra-doza, hahitana izay nilain’izy ireo, ary nanampy azy ireo. Ny androtr’iny ihany, io alatsinainy maraina io, dia nandefa kamiao nitondra milina manome herinaratra, sy tsofa elektrika ary rano fisotro ny Vavolombelona tany Caroline Atsimo, an-jatony kilaometatra avy teo. Ary ny ampitso dia tonga ny fanampiana hafa, sy Vavolombelona an-jatony avy teny amin’ny manodidina, hanampy an’ireo rahalahy hanamboatra Efitrano Fanjakana sy trano fonenana. Hoy ny vehivavy iray, tsy Vavolombelona, nonina teo akaikin’ny Efitrano Fanjakana: “Tena izao mihitsy ilay fitiavana kristianina resahin’ny Baiboly.”

Mora levona ve izany fitiavana izany? Olona mitovy foko na firenena ihany ve no mifaneho azy? Tsy izany mihitsy! Nisy korontana politika tany Zaïre, sady niovaova be ny toe-karena nandritra ny 1992, ka Vavolombelona maherin’ny 1 200 no namoy ny tranony sy izay rehetra nananany. Nanampy azy ireo haingana ny Vavolombelona hafa tany Zaïre. Mba sahirana mafy koa izy ireo, nefa nizara izay nananany tamin’ireo mpitsoa-ponenana avy tany Soudan. Vetivety dia tonga ny fanampiana avy tany Afrika Atsimo sy Frantsa: Vovo-katsaka, trondro masira, fanafody ary zavatra hafa azon’izy ireo nampiasaina. Tonga foana ny fanampiana, arakaraka izay nilaina. Nisy toy izany koa tany amin’ny tany maro hafa.

Mifankatia toy izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy afa-po amin’izany anefa izy ireo. Takany fa mpanara-dia an’i Jesosy Kristy izy, ka mila miambina hatrany koa.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo ny Toko 19 hoe “Miara-mitombo ao Amin’ny Fitiavana.”

[Teny notsongaina, pejy 710]

Karazam-pitiavana inona no nolazain’i Jesosy fa hamantarana ny tena mpianany?

[Teny notsongaina, pejy 711]

Ho mpirahalahy maneran-tany mifamatotra akaiky izy ireo

[Efajoro, pejy 712]

“Mikarakara ny Azy sy ny Olon-kafa ny Vavolombelona”

Io no lohateny nomen’ny gazety “The Miami Herald” ny fitantarany ny fanampiana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Floride Atsimo, taorian’ny Rivo-doza Andrew (Aogositra 1992). Hoy ilay lahatsoratra: “Tsy nisy nanakarapoka varavarana tamin’ny Vavolombelona ny mponina tany Homestead tamin’ity herinandro ity, na dia ireo mbola nanana varavarana aza. Vavolombelona 3 000 teo ho eo mantsy no nirohotra an-tsitrapo teo amin’ny faritra tra-doza, mba hanampy ny azy aloha, ary ny olon-kafa koa. ... Sakafo sy fanampiana 150 taonina teo ho eo no natoby tao amin’ny Efitrano Fivoriambe tany andrefan’ny faritanin’i Broward, ary nalefa tany amin’ny Efitrano Fanjakana roa tany Homestead. Ary avy tao amin’ilay Efitrano ny mpiasa no niparitaka, isa-maraina, mba hanamboatra ny simba tamin’ny tranon’ny Vavolombelona. ... Nisy lakozia an-kalamanjana nandrahoana sakafon’olona nahatratra 1 500, intelo isan’andro. Ary tsy mofo tsotsotra fotsiny no nomena an’ireo mpiasa an-tsitrapo, fa mofo avy tao anaty lafaoro, paty, salady mifangaro, laoka hena sy legioma ary mofomamy nendasina—fanomezana daholo.”—31 Aogositra 1992, pejy 15A.