Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Famoahana Ny Tilikambo Fiambenana

Famoahana Ny Tilikambo Fiambenana

Famoahana Ny Tilikambo Fiambenana

Nantsoina hoe Ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona Sady Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy izy io, rehefa nivoaka voalohany, tamin’ny Jolay 1879. Sakafo ara-panahin’ny mpianakavin’ny finoana io gazety mpiaro ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy io. Novana hoe Ny Tilikambo Fiambenana Mpanambara ny Fanatrehan’i Kristy ny lohateniny, ny 1 Janoary 1909, mba hifantohana kokoa amin’ny tanjon’ilay gazety. Nantitranterina kosa, nanomboka ny 1 Janoary 1939 fa efa manjaka any an-danitra i Kristy, ka novana hoe Ny Tilikambo Fiambenana Mpanambara ny Fanjakan’i Kristy ny anarany. Novana hoe Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah kosa izy io, nanomboka ny 1 Martsa 1939, mba hanasongadinana kokoa an’i Jehovah, ilay Tompon’izao Rehetra Izao, izay nanome fahefana ny Zanany.

Nisy pejy valo ilay gazety tamin’ny voalohany, ary navoaka isam-bolana. Lasa 16 pejy izy io, tamin’ny 1891, ary navoaka indroa isam-bolana kosa, nanomboka tamin’ny 1892. Natao 32 pejy ilay gazety, nanomboka tamin’ny 1950, tamin’ny fiteny maro.

Nandeha moramora ny fandikana Ny Tilikambo Fiambenana ho amin’ny fiteny hafa. Nisy modelin’ilay gazety nadika tamin’ny teny soedoà tamin’ny 1883, ary nozaraina toy ny trakta. Nisy Ny Tilikambo Fiambenana kely natao pirinty tamin’ny teny alemà tamin’ny 1886-1889. Tamin’ny 1897 indray anefa vao navoaka tsy tapaka tamin’ny teny alemà ilay gazety. Navoaka tamin’ny fiteny fito izy io, tamin’ny 1916: alemà, anglisy, danoà-norvezianina, failandey, frantsay, poloney, ary soedoà. Lasa 16 ireo teny namoahana an’ilay gazety, tamin’ny 1922, rehefa nitatra ny fitoriana ny vaovao tsara. Navoaka tamin’ny fiteny 112 kosa izy io, tamin’ny 1993, dia ireo fiteny ampiasain’ny ankamaroan’ny olona eran-tany. Anisan’izany ny anglisy sy espaniola ary japoney, anaovana pirinty an-tapitrisany, nefa tsy hadino koa ny palau sy tuvalu, izay tsy anaovana pirinty afa-tsy an-jatony.

Noheverina ho gazetin’ny “ondry vitsy” kristianina nanolo-tena Ny Tilikambo Fiambenana, nandritra ny taona maro. Voafetra ihany ny navoaka taminy, satria 45 000 monja, tamin’ny 1916. Nampirisihina foana anefa nanomboka tamin’ny 1935 ny “Jonadaba”, na ny “vahoaka be”, mba haka sy hamaky tsy tapaka Ny Tilikambo Fiambenana. Nanomboka nanantitrantitra an’ilay Fanjakana ny fonon’ilay gazety tamin’ny 1939, ka nisy famandrihana azy io natolotra ny olona nandritra ilay ezaka manokana efa-bolana eran-tany. Lasa 120 000 àry ny mpanao famandrihana tamin’izy io. Nanomboka natolotra tsy tapaka teny an-dalana Ny Tilikambo Fiambenana, ny taona nanaraka an’io. Nihamaro no natao pirinty. Nisy 16 400 000 isaky ny nomerao ny tontalin’ny natao pirinty, tamin’ny fiandohan’ny 1993.