Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Zava-nisongadina Tamin’ny Taon-dasa

Niavaka tamin’ireo zava-niseho nampientanentana tamin’ny taon-dasa ireo Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”. Nanome porofo azo tsapain-tanana izy ireny fa ny mpivavaka amin’i Jehovah dia tena nanjary “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”, izay omanin’i Jehovah ho amin’ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaony. (Apok. 7:9, 10). Rehefa avy nanatrika ny iray tamin’ireny fivoriambe ireny ny Vavolombelona iray avy any Goadelopy, dia nilaza fa sambany izy izao vao tena ‘nahatakatra tao am-pony’ fa zava-misy tokoa izany fanangonana izany.

Mbola tsy nisy mihitsy olona maro be toy izany nanao dia lavitra mba hanatrehana fivoriambe iraisam-pirenena. Solontena an’aliny maro no nanao dia lavitra nankany an-tany hafa, eny nankany amin’ny kontinanta hafa mihitsy aza, mba hanatrehana fivoriambe. Ary tamin’ny nanaovany izany no nahitana porofo be dia be ny amin’ny hoe tena anisan’ny fianakaviana iraisam-pirenena tokoa izy ireo.

Natao tany amin’ny tanàna samihafa any Etazonia sy Kanada ary Grande-Bretagne, ary tany Alemaina sy Gresy nony avy eo, ireo Fivoriambe Iraisam-pirenena “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”, nanomboka tamin’ny faran’ny volana May ka hatramin’ny Aogositra. Nisy anisan’ny Fitambara-mpitantana nandaha-teny tany amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tsirairay, ka matetika no nampiasa mpandika teny izy ireo. Nisy fivoriamben’ny distrika an-jatony maro niara-natao nanerana an’i Amerika Avaratra sy i Eoropa.

Rehefa nanomboka ny fivoriambe iraisam-pirenena voalohany tany San Diego, Kalifornia, tamin’ny 22 May, dia faly ireo mpanatrika fivoriambe fa nisy misionera 45 avy any amin’ny tany 14 tonga teo. Nivory tao amin’io kianja io ihany koa ireo Vavolombelona miteny espaniola, tapa-bolana tatỳ aoriana. Nisy 25 181 ny mpanatrika tamin’io fivoriambe io, ka maherin’ny 3 100 tamin’izy ireo no solontena avy any ivelany. Rehefa nifandimby nandray anjara tamin’ilay fandaharana ireo mpandahateny avy any Arzantina, Costa Rica, Espaina, Meksika, Orogoay, Peroa, Salvador, ary Silia, dia tsy maintsy nizatra tamin’ireo fanononana samy hafa mampiavaka ny tany tsirairay ny mpanatrika. Falifaly sy nafana fo erỳ ireo mpanatrika!

Ny herinandro nanaraka, dia nitombo ny isan’ny mpanatrika ny fivoriambe tany Pontiac, Michigan, ka nahatratra 42 763, ary nitombo be ny isan’ireo tany nanana solontena, ka nahatratra 44, fara fahakeliny. Nanana solontena maherin’ny 300 avy i Afrika Atsimo sy i Grande-Bretagne ary ny Repoblika Tseky. Ireo mpanatrika fivoriambe dia avy any amin’ny tany 14 any Eoropa, 8 any Afrika, 20 any amin’ireo tanin’i Amerika, ary 2 any Azia. Tamin’ny toe-javatra sasany, dia nisy fianakaviana manontolo, na kôngregasiôna manontolo mihitsy aza, nanampy ara-bola mba hahafahan’ny anankiray tamin’izy ireo, fara faharatsiny, hanatrika fivoriambe. Toa nampientanentana be ny mpanatrika ny fahatongavan’ny solontena maro aoka izany avy any an-tany hafa. Ary nanohina lalina ny fony ny lahateny nataon’ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana, dia ny Rahalahy Schroeder sy ny Rahalahy Barr ary ny Rahalahy Sydlik. Izay nitranga, hoy ny Vavolombelona iray, dia ‘zavatra hotantarainy amin’ny taranaka ho avy, ary angamba amin’ny taranaka teo aloha koa, rehefa hatsangana amin’ny maty izy ireny’! — Ampitahao amin’ny Salamo 48:1, 12-14.

Raha mbola nizotra ny fivoriambe tany Pontiac, dia nisy efatra hafa koa natao tany Montréal, Québec, any Kanada. Natao tamin’ny teny frantsay, portogey, grika, sy arabo izy ireo. Nihetsi-po lalina ireo rahalahy noho ny ezaka nataon’ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana, izay efa be taona tokoa ny sasany, mba handrosoana sakafo ara-panahy ho azy rehetra. Nahatratra 33 242 ny mpanatrika, ka solontena avy any an-tany hafa ny 4 071. Maro be no tonga avy any Frantsa sy Brezila; maro koa no avy any Belzika sy Goadelopy ary Martinika. Tany 13 any Afrika no nanana solontena tao. Anisan’ireo solontena koa ny anabavy mpisava lalana iray efa hatramin’ny ela avy any Mali, any Afrika Andrefana. Afaka nanatrika ilay fivoriambe izy noho ny fanampian’ny vehivavy mpandraharaha iray fanaterany gazety tsy tapaka. Hoy ny mpivady brezilianina iray, izay nivarotra ny fiarakodiany mba hahazoany vola hanaovana ilay diany: “Izany no fampiasam-bola tsara indrindra nataonay hatramin’izay.”

Nisy fivoriambe roa hafa koa natao tany Vancouver, any amin’ny morontsiraka andrefan’i Kanada, tamin’ireo faran’ny herinandro roa nanaraka izany, tamin’ny volana Jona. Nisy 22 273 ny mpanatrika tamin’ny fitambarany, ka maro be ny solontena avy lavitra, toa an’i Azia Atsimoatsinanana sy i Eoropa Avaratra. Nisy fivoriambe hafa koa natao tany Toronto, Ontario, niaraka tamin’ilay fivoriambe farany tany Vancouver. Ankoatra ny Kanadianina, dia nisy solontena avy any Alemaina, Polonina, Failandy, Aotrisy, ary avy any amin’ny tany maro hafa koa any Eoropa sy Afrika. Nahatratra 41 381 ny mpanatrika. Tamin’ny fitambarany, tany amin’ireo fivoriambe tany Kanada, dia nisy solontenan’ny tany 52. Tena vahoaka be iraisam-pirenena tokoa izany!

Tany Etazonia, nanomboka ny 3 ka hatramin’ny 5 Jolay, dia nisy fivoriambe fito niara-natao tany akaikin’ny moron’i Pasifika any Long Beach, Kalifornia. Natao tamin’ny teny anglisy, italianina, japoney, koreanina, sinoa (kantôney sy mandarin), tagalog, sy vietnamianina izy ireny, ary natao tao amin’ny efitrano samihafa ao amin’ny Foiben’ny Fivoriambe ao Long Beach, izay malalaka be. Nisy 552 ny mpanatrika vitsy indrindra, izay tao amin’ny fiteny vietnamianina, ary 12 659 ny betsaka indrindra, izay tao amin’ny teny anglisy. Nankafy ny fiarahana tamin’ny solontena avy any amin’ireo tanin’i Amerika sy avy any Eoropa Atsinanana ary Afrika ireo solontena maro be avy any Orient sy Italia. Nanao ezaka be ny sasany tamin’izy ireo mba hahatongavana tany. Teny anelanelan’ireo fotoam-pivoriana, dia nahitana solontena nanao fitafiana nentim-paharazana, nitety ireo antoko-mpanatrika tamin’ny fiteny samy hafa, ka nifandray tanana sy nifamihina ary nifanakalo adiresy taminy, ary koa naka sary. Nanoratra toy izao ny rahalahy iray nandray anjara tamin’ny fandaminana fivoriambe tany: “Mahafinaritra daholo ireo fivoriambe; misy vokany izay tsapa mandritra ny volana maro atỳ aoriana izy rehetra. Nisy itoviana kokoa tamin’ny tsunami [onjan-dranomasina goavana] ity fivoriambe ity. Nahery izy io, ary nisy vokany goavana tao am-pon’ireo solontena.”

Taorian’ilay faran’ny herinandro nanaovana fivoriambe nisampana maro tany Long Beach, dia nisy iray hafa koa natao tamin’ny teny espaniola tany Houston, Texas. Nisy 34 257 ny mpanatrika, anisan’izany ireo solontena 2 820 avy any amin’ny tany 14 izay nomena filasiana tao amin’ny tokantrano 1 217. Naneho fahaiza-mandray vahiny sy fandraisana avy amin’ny fo tamin’ireny mpitsidika ireny ireo Vavolombelona teo an-toerana nanome filasiana.

Nafana ny fandraisana ireo solontena: naneho fitiavan-drahalahy be dia be taminy ireo Kristianina mbola tsy nihaona taminy mihitsy teo aloha. Izany dia anisan’ny nampihetsi-po lalina indrindra an’ireo solontena. Efa namaky momba ny firahalahiana iraisam-pirenena izy ireo. Fantatr’izy ireo fa mampianatra ny vahoakany haneho izany fitiavana izany i Jehovah. (Heb. 13:1, 2; 3 Jaona 5-8). Ny tenan’izy ireo mihitsy anefa izao no niaina izany tamin’ny fomba mbola tsy hitany mihitsy teo aloha. Tany amin’ny seranam-piaramanidina, dia nisy rahalahy sy anabavy, antitra sy tanora, tonga nitsena tamin-kafanam-po an’ireo solontena. Nisy fandaharana koa natao mba hampiantranoana solontena avy any an-tany hafa ho ao an-tranon’ny Vavolombelona. Hita ho fitahiana tokoa izany!

Tany Texas, dia solontena avy any ivelany an-jatony maro izay nandeha aotobisy, no nentina nankany amin’ny Efitrano Fivoriambe Rosenberg mba hihaona tamin’ny mpampiantrano azy. Nisy Vavolombelona sesehena niisa 500 teo ho eo tao, nihoby sy nitehaka an’ireo solontena vao tonga. Tany Belleville, Michigan, dia nisy Vavolombelona an-jatony maro, na andro na alina, nitsena ireo solontena nandeha aotobisy izay sasatry ny dia. Notsenain’ny Vavolombelona maro tamin’ireo hira hoe “Rahalahy An’aliny Maro” sy hoe “Vavolombelon’i Jehovah Isika!”, ireo solontena, teo am-pidirany ny Efitrano Fivoriambe. Tany amin’ny Efitrano Fivoriambe Mira Loma, any Kalifornia, dia maro no nahay fiteny roa, koa nifandimbiasany nohiraina tamin’ny teny anglisy sy espaniola ireo andininy amin’ilay hoe “Misaotra, Jehovah ô!” Nahafinaritra erỳ ny nahita izany, ary tsy tana ny ranomasom-pifaliana!

Tany Michigan, dia avo roa heny noho izay nilaina ny filasiana natolotr’ireo Vavolombelona. Maro no niantso an-telefaonina, niangavy mba homena tombontsoa hikarakara ny rahalahy mpitsidika sasany. Nanampy tamin’ny fanomezana sakafo sy fitaterana ireo izay tsy afaka nampiantrano solontena. Hitan’ny solontena sasany, fa tsy vitan’ny hoe nandray azy ireo an-tanan-droa tao an-tranony ireo mpampiantrano azy, fa nanome azy ireo ny fandrianany koa, ka natory teo ambany. Tamin’ireo takariva sy taorian’ny fivoriambe, dia nisy fianakaviana Vavolombelona maromaro, na kôngregasiôna manontolo mihitsy aza, niara-nisakafo na niara-nanao pique-nique tamin’ireo solontena. Nihira izy ireo, nandray anjara tamin’ny dihin-drazana, ary nifampitantara ny zavatra hitany. Tena lanonana tokoa izany! Na dia tsy nahay ny fitenin’ny fianakaviana nampiantrano azy aza ny solontena maro, na tsy nahay afa-tsy teny vitsivitsy monja, raha be indrindra, dia nahita fomba hifampiresahana izy ireo. Rehefa tonga ny fotoana hisarahany, dia tsy ny tsy fitoviam-piteny fotsiny no nanasarotra ny fifampiresahana. Kendakenda izy ireo noho ny fihetseham-po. Voaorina ny fototra ho an’ny fisakaizana maharitra.

Tsy ireo solontena mpitsidika ihany no nandray soa avy tamin’ilay fandaharana fampiantranoam-bahiny. Nanoratra toy izao ny mpivady iray izay nanokatra ny tranony tamin’ireo solontena: “Nanontany tena daholo izahay hoe hanao ahoana izany hiara-mipetraka amin’ny olona mbola tsy fantatray akory izany, mandritra ny herinandro maninjitra. Hitanay fa tsy ampy ilay herinandro!” Nanoratra toy izao ny reny iray mitaiza irery ny zanany: “Nanana tombontsoa lehibe aho nampiantrano mpivady iray avy any Frantsa, ary tena nitondra soa be indrindra ho ahy sy ho an’ireo zanako izany. Ny hany azoko lazaina dia hoe faran’izay tsara sy nahafinaritra be ary tsy hay hadinoina izany.” Nanoratra toy izao ny fianakaviana hafa iray, izay nanam-bahiny avy any Togo: “Tsy hitanay izay teny hilazalazana ny fifaliana sy ny fitiavana niarahanay nahatsapa. (...) Harena sarobidy re izany! Nanome anay izay rehetra nirinay i Jehovah.”

Anisan’ny notsidihin’ireo solontena avy any amin’ny tany 87 koa ny foibe maneran-tanin’ny fandaminan’i Jehovah hita maso, ka ny tapany lehibe aminy dia ao amin’ny Fanjakan’i New York any Brooklyn sy any Wallkill (144 kilaometatra avy eo Brooklyn) ary any Patterson (112 kilaometatra avy eo Brooklyn). Tonga izy ireo nanomboka tamin’ny 28 May ka hatramin’ny 20 Jolay, ary nisy maherin’ny 14 500, tamin’ny fitambarany! “Faniriana tanteraka” ilay izy, araka ny nolazain’ny maro be taminy. Naneho ny fihetseham-pony ny antoko-mpitsidika iray tonga tao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower any Patterson. Nifandamina tao amin’ny efitra fisakafoana, taorian’ny sakafo antoandro, izy ireo, ary nihira ny hira faha-42 hoe “Ity no Làlana”, tamin’ny feo efatra kanto nirindra tsara erỳ. Nihetsi-po lalina noho izay hitany sy noho ny fitiavana ary ny fahaiza-mandray vahiny naseho taminy ny maro, ka nanganohano ny ranomasony teo am-pisaorany an’ireo rahalahiny sy anabaviny nitarika ilay fitsidihana. Tsy ireo mpitsidika ihany anefa no nihetsi-po. Nilaza koa ireo mpianakavin’ny Betela fa tsy hohadinoiny na oviana na oviana ireny andro ireny!

Nihetsi-po toy izany koa ireo vahoaka betsaka nanatrika ireo fivoriambe iraisam-pirenena tany Eoropa. Nisy solontena nanomboka tonga tany Grande-Bretagne, nandritra ny volana Jolay. Nanomboka ny 24 ka hatramin’ny 26 Jolay, dia nisy fivoriambe niara-natao tany amin’ny tanàna sivy. Nitovy avokoa ny fandaharana rehetra, na tamin’ny teny anglisy izany, na tamin’ny teny frantsay, espaniola, na pendjabi. Nampifandraisina an-telefaonina ireo toerana nanaovana fivoriambe, nandritra ny lahatenin’ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana. Nisy solontena avy any amin’ny tany maherin’ny 60 niara-nirohotra nankany.

Zava-nisongadina tamin’ilay fandaharana ny fanadinadinana misionera sy mpanompo iraisam-pirenena. Avy any amin’ny tany 45 izy ireo. Nitantara tamin’ny mpanatrika ireo fifaliana sy zava-tsarotra entin’ny fanompoana ivelan’ny taniny izy ireo. Niaiky toy izao i Susan Snaith, avy any Afrika Andrefana: “Mety ho tena manina mafy ny any aminao ianao, indrindra fa mandritra ireo volana vitsivitsy voalohany nifindranao nankany amin’ny faritany vaovao nanendrena anao. Koa tena manampy anao hijanona any amin’izay nanendrena anao ny fahafantaranao fa manohana anao sady mampirisika anao ny ray aman-dreninao.” Hoy i Doreen Kilgour, misionera efa hatramin’ny ela any Afrika Atsimo: “Izao no tena zava-dehibe: tsy maintsy tia ny olona ianao. Ary raha tena tia ny olona ianao ka manampy azy ireny ho tia an’i Jehovah sy handeha amin’ny lalany koa, dia izany no manampy anao hijanona any amin’izay nanendrena anao.” Nanampy teny toy izao i Myrna Simms, avy any Ekoatera: “Aza mifantoka amin’ireo zavatra nilaozanao, fa mifantoha kosa amin’ilay asa eo anoloanao. Aza mijery ny lafy ratsin-javatra, fa mijere ny any ambadik’izany, ary tadidio fa manana asa tokony hatao isika!” Ary hoy i Anne Crudass, avy any Liberia rotidrotiky ny ady: “Izahay misionera no tokony hampahery ireo anadahy sy rahavavy eo an-toerana, kanefa raha ny marina, dia izahay no nahazo fampaherezana be dia be avy tamin’izy ireo. Hitanay ny zotom-pon’izy ireo sy ny finoany ary ny herim-pony nandritra ny ady: nifampiahy izy ireo, ary vonona hamoy ny ainy ho an’izy samy izy. (...) Hitanay mivady ny fitiavana sy ny fiahian’ireo anadahy anay manokana. Efa inefatra izao izahay no nafindra niala tamin’ny tany nanendrena anay, (...) ary rehefa tonga mpialokaloka izahay, dia niahy fatratra ny fihetseham-ponay sy ny fahasalamanay ara-panahy ireo anadahinay, hany ka nanoratra taratasy nahafinaritra sy nampahery ho anay. (...) Nanamora ny fiverenanay tany Liberia izany fitahiana rehetra izany, na dia tsy nilamina tsara aza ny toe-draharaha tany.”

Afaka andro vitsivitsy taorian’ny nifaranan’ireo fivoriambe tany Grande-Bretagne, dia nanomboka ny tany Alemaina. Nanasa ny besinimaro koa ny Vavolombelona tany amin’ireo tanàna nanaovana ireo fivoriambe. Izany dia nahafahana nanazava tamin’ny olona fa lafin-javatra misongadina amin’ny fandaharam-pampianarana Baiboly ataontsika maneran-tany ireo fivoriambe iraisam-pirenena, ka ny dimy amin’izany no nomanina ho an’i Alemaina. Natao tamin’ny fiteny 13 ny fandaharana manontolo. Nampifandraisina ireo tanàna dimy nanaovana ireo fivoriambe (Berlin, Nuremberg, Munich, Dortmund, sy Stuttgart), nandritra ireo tapany fototra tamin’ilay fandaharana. Niavaka ny tampon’isan’ny mpanatrika fa nisy 217 472, ka ny 45 000 teo ho eo tamin’izy ireo dia solontena avy any ivelany. Maro no avy any Eoropa Atsinanana. Nisy 150, fara fahakeliny, ireo misionera sy mpanompo iraisam-pirenena ary Betelita manompo ivelan’ny taniny, nanatrika tany koa.

Nisy fivoriambe iraisam-pirenena nanan-tantara hafa iray koa natao tany Atena, any Gresy, nanomboka ny 21 ka hatramin’ny 23 Aogositra, talohan’ny hifaranan’ny taom-panompoana. Na dia nanohitra tamin-katezerana azy io aza ny mpitondra fivavahana ao amin’ny Eglizy Ôrtôdôksa Grika, dia nisy 39 324 ny mpanatrika avy any amin’ny tany 21. Na taiza na taiza nalehan’ireo solontena, na tany Atena izany na tany an-toeran-kafa nanerana ilay tany, dia nisy fanambarana faran’izay tsara nomeny: tamin’ny fitondran-tenany, tamin’ny fitafiany sy ny fisehoany ankapobe, ary koa tamin’ny fitoriany sy ny zavatra vita an-tsoratra voapetrany. Nampihetsi-po aoka izany ny fahaiza-mandray vahiny nasehon’ireo Vavolombelona grika, hany ka na dia zatra nanehoana fitiavana kristianina aza ny vahoakan’i Jehovah, dia maro no kendakenda noho ny fihetseham-po, ka tsy nahatana ny ranomasom-pifaliana. Ary tamin’izany no nahitana Grika sy Tiorka izay sady nanganohano no nifamihina sy nifanoroka, ary koa nanolotra sy nanaiky fampiantranoam-bahiny. Izany ka fahagagana izay tsy vitan’iza na iza afa-tsy i Jehovah irery ihany!

Ao anatin’ny taom-panompoana vaovao isika izao, ary misy fivoriambe iraisam-pirenena hafa koa atao any Afrika sy Amerika Latina sy Korea ary Aostralia.

Fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana

Mazava ho azy fa ny fanompoantsika eny amin’ny saha no asantsika lehibe indrindra. Asa nanendren’i Jehovah antsika tamin’ny alalan’ny Zanany izy io. Ary tena ilain’ny olona mafy dia mafy ilay hafatra ambarantsika. (Isaia 43:10-12; Matio 24:14). Nandritra ny taon-dasa, dia nisy 5 888 650 nandray anjara tamin’io asa io, ka nanokana 1 186 666 708 ora tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Antontam-panambarana tsara dia tsara re izany! Lafiny iray nampientanentana tamin’io fanompoana nandritra ny taom-panompoana lasa io, ny fizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35, izay nanasongadina ilay fanontaniana hoe “Hifankatia ve ny Olona Rehetra Indray Andro Any?” Manana faniriana hotiavina ny olona, dia faniriana napetrak’Andriamanitra tao am-pony. Tena nety tsara àry raha izany faniriany izany no nanintonana ny sain’ny olona! Nahery ilay hafatra, ary olona tso-po maro no nandray tsara azy io.

Efa ho 400 000 000 no natao pirinty tamin’io taratasy mivalona io, tamin’ny fiteny 166. Tamin’ireo fiteny ireo, dia 27 no nozaraina tany Rosia, ka ny 10 tamin’ny fiteny mbola tsy nananantsika zavatra vita an-tsoratra mihitsy teo aloha. Fantatry ny sampana maro fa nisy karazam-poko maro samihafa tao amin’ny faritaniny. Koa nanao fandaharana izy ireo mba hizarana ilay taratasy mivalona tamin’ny fiteny 10, 20, na 30 mihitsy aza.

Raha ilay nizara ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana isaky ny toeram-pambolena iny ny Vavolombelona iray any Ghana, dia tojo mpivady iray nifanditra mafy. Nasehon’ilay Vavolombelona haingana azy mivady ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35, nitondra ilay lohateniny manintona hoe “Hifankatia ve ny Olona Rehetra Indray Andro Any?” Nitony avy hatrany ilay mpivady. Naka fotoana niaraha-nandinika ilay taratasy mivalona tamin’izy mivady ilay anabavintsika, ka nampiasa Baiboly mba hampisehoana taminy ireo antony mahatonga ny fifandirana, sy izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Hoy ilay rangahy, teo am-pifaranan’ilay fiaraha-nidinika: “Azo antoka fa Andriamanitra no naniraka anao hankatỳ aminay miaraka amin’ity bokikely ity.” Nanaiky tamim-pahadodonana ny hianatra Baiboly izy mivady. Nisy olona 1 850 hafa nandefa paositra ny fangatahany fampianarana Baiboly maimaim-poana, tany amin’ny sampan’i Ghana. Tany Malawi, dia 1 900 tamin’izany fangatahan’ny mpamaky izany no voaray; 2 717 ny tany Zimbabwe; 1 346 ny tany Polonina; ary 2 525 ny tany Etazonia. Tany Rosia, dia nisy 7 100 nanoratra tany amin’ny sampana mba hangataka ny handefasana olona hampianatra Baiboly azy.

Ny fonony manintona sy ny lohateniny mampisaintsaina ary ny fanazavana manafana ny fo ao amin’ilay taratasy mivalona, dia tena araka izay nilana azy indrindra any Sri Lanka, izay rotidrotiky ny ady. Nisy tapakila an-jatony maro nalefa tany amin’ny sampana, ho fangatahana bokikely, ary ny ankamaroany nisy fangatahana fampianarana Baiboly koa. Maro tamin’ireo nangataka fampianarana no mpitory ny vaovao tsara ankehitriny, ary efa vita batisa mihitsy aza ny sasany.

Nanofa aotobisy ny mpitory 30 tany Cameroun mba hizarana ireo taratasy mivalona tany amin’ny faritany iray tokony ho 70 kilaometatra avy eo amin’ny Efitrano Fanjakanany, any Garoua. Nandritra ny maraina izy ireo dia namita ilay faritany tamin’ny fizarana taratasy mivalona, ary ny tolakandro dia nampiseho ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana, tamin’ny mpijery 182. Olona maro no nangataka zavatra vita an-tsoratra hafa, rehefa vita ilay fampisehoana. Nisy fampianarana Baiboly maro natomboka, ary nandefa mpisava lalana iray hikarakara ny fahalianana, ilay kôngregasiôna.

Rehefa nozaraina tany amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35, dia olona maro no nandray azy io tamim-pahadodonana; ny hafa kosa donton’ny adim-piainana, ka nandray azy io tsy fidiny. Rehefa niverina nitsidika ny iray tamin’ireto farany ireo mpitory, dia nahita fa narary mafy ilay ramatoa, ary tsy nanam-bola hividianana ny fanafody nilainy. Nataon’ireo mpitory izay hahazoana ilay fanafodiny. Nanohina ny fon’ilay ramatoa izany ka nitarika ho amin’ny fampianarana ny tenany sy ireo zanany efatra. Indray mandeha koa, ny tovolahy iray izay nahazo ilay taratasy mivalona dia nihevitra fa nidera tena ny Vavolombelona. Tatỳ aoriana, dia tao anatin’ny aotobisy iray notafihin’ny jiolahy izy. Tratra alina, tsy nanam-bola, tao amin’ny faritra iray tsy nahafantarany na iza na iza ilay tovolahy, ka niaraka tamin’ny Vavolombelona iray izay voaroba tao anatin’ilay aotobisy koa. Nahita ny tranon’ny Vavolombelona iray izy mirahalahy, ka noraisina an-tanan-droa, nampiantranoina tamin’iny alina iny, ary nomena fanampiana mba hanohizany ny lalany ny ampitso maraina. Rehefa tonga tany an-tranony ilay tovolahy, dia nitantara izay nitranga tamin’ireo namany, ka hoy izy: “Tsy mba mirehaka izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Miasa eo anivon’izy ireo ny tena fitiavana, ary tia ny mpiara-belona aminy izy ireo.” Androtr’iny ihany, dia natomboka ny fampianarana Baiboly azy.

Nampirisika ny mpitory mba hanolotra ilay taratasy mivalona amin’ny olona rehetra hatraiza hatraiza, ny kôngregasiôna iray any avaratr’i Silia. Nitsidika ny radio teo an-toerana ny mpitory iray. Nampiaiky volana aoka izany an’ilay mpiteny ao amin’ny radio ilay hafatra, ka najanony ny fandaharana ny maraina, ary novakiny tamin’ny mpihaino radio ilay hafatra manontolo raketin’ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 35.

Tany Italia, dia nametrahana Vaovao Momba Ilay Fanjakana ny masera iray niandry aotobisy. Nitarika ho amin’ny fampianarana Baiboly isan’andro, naharitra 10 ka hatramin’ny 15 minitra, teo amin’ny fijanonan’ny aotobisy, izany. Rehefa afaka iray volana sy tapany, dia nanosika an’ilay masera handao ny couvent ny fankasitrahany ny fahamarinana ara-baiboly. Velom-pankasitrahana izy nahafantatra fa amin’ny alalan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny tany dia ho tonga toerana tena hifankatiavan’ny olona rehetra, izay tsy ho voasakantsakan’ny firazanana na ny fiteny intsony. Niverina nankany Goatemalà, any an-tanindrazany, izy, ary nanohy ny fianarany niaraka tamin’ny rahavaviny, izay efa Vavolombelon’i Jehovah.

Foibem-pampianaran’ny Watchtower

Mandray anjara lehibe eo amin’ny asa fitoriana maneran-tany momba ny Fanjakan’Andriamanitra, ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower any Patterson, New York.

Efa nandroso tsara ny asa fanorenana tany Patterson tamin’ny 1994, hany ka azon’ny Fikambanana natao ny nanomboka namindra ny sampan-draharaha lehibe sasany nankany amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower. Nandritra ny volana maromaro, dia nafindra ny ampahany amin’ny Sampan-draharahan’ny Fitantanana Ara-teknika, ny Sampan-draharahan’ny Fanompoana, ny sampana famaliana taratasy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fanoratana, ny Sampan’asan’ny Fandikan-teny (izay miara-miasa amin’ny ekipan’ny fandikan-teny any amin’ny tany 116 ankehitriny), ny Sampan-draharaha Momba ny Lalàna (izay mikarakara ireo zavatra ilaina araka ny lalàna ho fanohanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany), ary ny Sampan-draharahan’ny Fanaovana Sary (izay mikarakara ireo tsipiriany amin’ny endrika isehoan’ireo boky sy gazety sy bokikely ary ny toy izany), niaraka tamin’ireo sampan’asa mpanohana rehetra tena nilaina.

Nafindra avy tany Wallkill nankao amin’ireo trano vaovao any Patterson ny Sekolin’i Gileada, tamin’ny Martsa 1995. Hatramin’izay, dia nalefa nankany amin’ny tany 51 — any Amerika Afovoany sy Atsimo, Afrika, Eoropa Atsinanana, Orient, ary ireo nosin-dranomasina — ireo nahazo diplaoman’ny Sekolin’i Gileada. Ankoatra izany, dia nisy ny sekoly ho an’ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana izay nanome fampiofanana manokana. Rahalahy 336, avy any amin’ireo sampan’ny Fikambanana any amin’ny tany 106, no nahazo izany fampiofanana izany, ary niverina nankany amin’ireo sampana niaviany ihany izy ireo.

Vita ankehitriny ny trano vaovao iray misy fitaovana famokarana cassettes sy vidéos, ao amin’ny Foibem-pampianaran’ny Watchtower any Patterson. Nanomboka tamin’ny 20 Aprily 1998 ny famindrana ireo birao sy fitaovana nankao amin’io trano vaovao tsara dia tsara io. Hanampy antsika hampiasa amin’ny fomba mandaitra kokoa ny sehatry ny haino aman-jery ireo toerana voaomana ireo.

Mazava ho azy fa tsy vao fanombohan’ny asan’ny Fikambanana eo amin’io sehatra io akory ny fisokafan’io trano io. Ankoatra ny efa atao any amin’ny foibe maneran-tany, dia sampana 30 eo ho eo no efa mandray feo amin’ny cassettes. Mety ho anisan’ireo zavatra raisina feo ireo ny Baiboly, na gazety sy bokikely ary fampisehoana tantara amin’ny fivoriambe, amin’ny fiteny eo an-toerana. Misy amin’ny fiteny 61 ankehitriny ny cassettes samihafa. Misy cassettes amin’ny fiteny vitsivitsy, aely maneran-tany. Anisan’ny vokarina koa ny disques compacts (CD), izay mirakitra ireo feon-kiran’ilay Fanjakana amin’ny endriny samihafa. Ary misy amin’ny fiteny sivy ny CD mirakitra zavatra vita an-tsoratra fanaovana fikarohana (Watchtower Library).

Vokarina amin’ny fiteny 41 ireo vidéos. Any amin’ny foibe maneran-tany no amoronana ireo lahatsoratra ho an’ny vidéos, ary misy vidéocassettes maherin’ny 2 100 nangonina, izay azo anovozana feo sy sary. Tsy any Patterson ihany no anaovana ny tena fandraisana feo sy sary amin’ny vidéos, fa any amin’ny faritra maro hafa maneran-tany koa. Ao amin’ny trano vaovaon’ny Fikambanana amokarana cassettes sy vidéos any Patterson izao no anomanana ny vidéocassettes hanaovana kopia sy ny vidéos amin’ny teny anglisy. Any amin’ny studio-n’ny Fikambanana any Holandy no anomanana ireo vidéos tsy amin’ny teny anglisy, mba hanaovana kopia. Raisina feo amin’ny cassettes any amin’ny sampana maromaro ny fitantarana, ary alefa any Holandy izany rehefa avy eo, mba hatambatra amin’ny mozika sy ny feo fandravahana ary, raha ilaina, dia ampiana ny soratra hovakina eo amin’ny écran. Amin’izany fomba izany no amitana ny vidéo modely hanaovana kopia ho an’ny fiteny tsirairay. Manao izany asa izany ho an’i Orient i Japon.

Nitombo haingana koa ny fampiasana vidéocassettes amin’ny fiteny baiko moana. Anisan’ny nahatonga izany ny fahatakarana fa fiteny manokana ny baiko moana, fa tsy hoe fampisehoana amin’ny alalan’ny fihetsika fotsiny ny fiteny tenenina. Rehefa nanomboka nahazo vidéos amin’ny fiteny baiko moana ny marenina sasany, dia nihevitra an’ireny vidéos ireny ho porofon’ny tsy nanadinoan’i Jehovah azy ireo sy ny fiahiany ny marenina koa. Mamokatra vidéos efa misy sary sy feo, izay ampiana fanazavana amin’ny fiteny baiko moana, ny Fikambanana. Misy koa ireo vidéos izay manome fandikana tanteraka amin’ny fiteny baiko moana an’ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower efa vita pirinty. Amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia ampiasaina mba hitarihana fampianarana Baiboly any an-tokantrano amin’ny olona marenina ireny vidéos ireny, ka noho izany, dia misy fanontaniana amin’ny fianarana mba hahafahana handray anjara. Ankoatra izany, dia nalaina vidéo tamin’ny fiteny baiko moana koa ny fihirana ireo hirantsika, ary ampiasaina mba hitarihana mpanatrika haneho fihetseham-po amin’ny hira izany vidéo izany. Ny Fikambanana dia hanohana ny tetik’asa fandraisana fiteny baiko moana amin’ny vidéos any amin’ireo tranon’ny sampana any Etazonia, Meksika, Brezila, Japon, Danemark, sy Holandy. Hatao koa any amin’ny ankamaroan’ireo sampana ireo ny fanomanana ireo vidéos amin’ny fiteny baiko moana.

Nitombo be ny fitoriana amin’ny fiteny baiko moana, tato anatin’ireo taona faramparany. Misy 17 ny kôngregasiôna amin’ny fiteny baiko moana any Korea, ary efa nanehoana fiheverana manokana hatramin’ny taona maro izany tany. Misy 19 ny kôngregasiôna toy izany any Etazonia. Manana kôngregasiôna iray sy antoko-mpitory kely kokoa 43 i Rosia. Misy toerana hafa koa mampiseho fankasitrahana ny fanehoam-piheverana ny zavatra manokana ilain’ny marenina. Misy tokony ho 80 ny kôngregasiôna toy izany maneran-tany, ary misy maro kokoa noho izany ny antoko-mpitory kely kokoa. Tsy misy hafa amin’ireo mpanompon’i Jehovah mahay fiteny ren’ny sofina, ireo rahalahiny sy anabaviny marenina dia miandrandra amim-pahadodonana ny fotoana tsy hisian’ny sakana eo amin’ny fifampiresahana malalaka intsony, dia ny sakana vokatry ny fahasamihafan’ny fiteny, na ren’ny sofina izany na jeren’ny maso. Na mampiasa fiteny maro aza anefa isika ankehitriny, dia samy miteny ny “fiteny madio” avokoa, ka manana tombontsoa miray saina mampahafantatra ny hatsaram-pon’i Jehovah. — Zef. 3:9, New World Translation.

Fahitana ny asa tsara dia tsara ataontsika

Mampifaly ny fon’i Jehovah ny zotom-pon’ny mpanompony eo am-pizarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny hafa. Etsy an-danin’izany, dia matetika no tsy voamariky ny hafa ny fitondran-tenany fakan-tahaka sy ny asa tsara dia tsara ataony, ary mampalahelo fa raisin’ny olona ho zavatra hafa aza izany indraindray. Moa ve misy fomba mandaitra mba hampahafantarana sy hanazavana momba izany amin’ny olona misaina, saingy nomena filazana tsy marina? — 1 Pet. 2:12.

Miezaka hampisinda ny filazana tsy marina momba ny mpanompon’Andriamanitra ny Birao Mifandray Amin’ny eny Ivelany, eo ambany fitarihan’ny Komitin’ny Fanoratana, mba handraisan’ny olona tsara kokoa ny hafatra momba ilay Fanjakana. Mba hanatratrarana izany zava-kendrena izany, dia miezaka hanampy ny besinimaro hahatakatra tsara kokoa ny toeran’ny Vavolombelon’i Jehovah io birao io. Manao izany ezaka izany izy io amin’ny fanomezana fanazavana mijery ny lafy tsaran-javatra, izay azo alefa any amin’ny fampitam-baovao sy ireo mpanabe ary matihanina hafa.

Olana goavana ho an’izao tontolo izao ny herisetra mahery vaika ifanaovan’ireo foko sy sekta. Mba hanampiana ny tanora hanilika ny fitsarana an-tendrony sy ny herisetra, dia mitady fomba hampianarana ny mpianany fari-pitsipika tsara ireo mpanabe. Inona no azon’ny Vavolombelon’i Jehovah zaraina amin’izy ireny? Nandefa ilay vidéo hoe Fermeté des Témoins de Jéhovah face à la persécution nazie, tany amin’ny manam-pahefana ambony iray, ny Vavolombelona iray any Soeda. Ho vokany, dia nisy solontenam-panjakana nanasa ny Vavolombelona handray anjara amin’ny tetik’asa antsoina hoe Tantara Velona, izay natao hanazavana nanerana ilay firenena ny amin’ny Fandripahana Tambabe. Nirin’izy ireo ny hanazavan’ny rahalahintsika amin’ny ankizy mpianatra sy ny olona amin’ny ankapobeny, momba ny nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny andron’ny Nazia. Taorian’izany, dia nampirisihina ireo mpampianatra mba hanasa ny Vavolombelon’i Jehovah hanao famelabelaran-kevitra tao an-dakilasy momba ny fitsipika arahina sy ny fari-pitondran-tena, miorina amin’ny zavatra nodiavin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny Fandripahana Tambabe.

Tany an-toeran-kafa, dia hita ho nandaitra ny fampiasana ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Rehefa avy naseho tao amin’ny televizionam-pirenena izy io tany Côte d’Ivoire, dia olona maro no nanjary nankasitraka bebe kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fandaminany.

Niezaka hampiasa ny hevi-diso momba ny fampiasana ra eo amin’ny fitsaboana ny mpanohitra sasany, mba hameperana ny asantsika any Rosia. (Asa. 15:28, 29). Mahita olana avy amin’ny tahirin-drany ny rafitra momba ny fahasalamana any Rosia, ka handray soa raha mahazo fanazavana momba ny fomba fitsaboana hafa tsy ampiasana ra. Dokotera maro, izay vonona hitsabo marary nefa tsy hampiasa ra, no maniry hahazo fanazavana sy fampiofanana bebe kokoa eo amin’io sehatra io. Noho ny fifikiran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fari-pitsipiky ny Baiboly momba ny aina sy ny ra, dia afaka nanome fanazavana teo amin’ny sehatry ny siansa sy ny fitsaboana ary ny zon’ny marary izy ireo. Sarobidy ho an’ny mpitsabo sy ny sarambaben’ny olona, izany fanazavana nomeny izany.

Nanao fandaharana ny Birao Mifandray Amin’ny eny Ivelany sy ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly, mba hanolotra fanazavana fohy mifampitohitohy, any amin’ireo hopitalin’i Saint-Pétersbourg sy i Moscou. Nasaina hanao famelabelarana tamin’ireo fivoriana lehibe ireo tamin’ny lohataonan’ny 1998 (tany amin’ny Ila Bolan-tany Avaratra), ireo dokotera fanta-daza avy any Etazonia sy Eoropa izay miara-miasa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tapa-kevitra ny tsy hampiasa ra. Izao no fanazavan’ny lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Haifanatoranana sy ny Fitsaboana ny Marary Mafy ao amin’ny hopitaly amerikanina iray, izay misy foibe manolotra fitsaboana tsy ampiasana ra: “Asehon’ny traikefa anananay fa sady mampihena ny fandaniana amin’ny fikarakarana ara-pahasalamana ny fandidiana tsy ampiasana ra, no manatsara ny fikarakarana ny marary.” Izao no nolazainy tamin’ny dokotera rosianina 400: “Noheverina ho mamonjy aina ny fampidiran-dra, kanefa mihahitanay hatrany eo amin’ny marary, ny sasany amin’ireo vokany manimba indrindra.” Natao tsara laza tao amin’ny fampahalalam-baovao ny naha zava-dehibe ireo fivoriana ireo. Nisy manam-pahaizana manokana rosianina fanta-daza, ary koa solontenan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana sy ny komitin’ny fahasalamana, tonga nanatrika izany. Fotoana fohy taorian’izany, ireo tatitra nataon’ny fampitam-baovao dia nanonona ireo tenin’ny olo-manan-kaja ao amin’ny fitsaboana, momba ny loza mifandray amin’ny fampiasana ra, sy ny nanekeny fa tsy tokony hoheverina ho hadalana ny fandavana ny fampidiran-dra.

Ankoatra izany, nandritra ny taon-dasa, dia nisy ezaka nifarimbonana tany amin’ny firenena voafantina maromaro mba hifandraisana tamin’ny olona sy fikambanana manahy indrindra momba ny faharavan’ny fianakaviana. Notolorana ny boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana izy ireo. Nanao ahoana ny fandraisan’izy ireo azy io?

Nanafatra boky Fahasambaram-pianakaviana 90 ny talen’ny sekoly katolika iray manana mpianatra ambony saranga any Madrid, Espaina, mba homeny ny mpampianatra tsirairay ao amin’ilay sekoly. Ny talen’ny trano fitaizana zaza maditra any Rotterdam, Holandy, dia nangataka boky ho an’ny mpitarika tsirairay ao amin’ilay trano. Araka ny fiheverany, dia afaka mampiasa ny fanazavana ao anatin’ilay boky izy ireo mba hanampiana ireo zaza maditra. Nanao tatitra ny ezaka manokana nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanatanjahana fianakaviana, ny gazety sy ny radio ary ny televiziona any Ukraine. Nanasa ny Vavolombelona hanao famelabelaran-kevitra amin’ireo mpiasany momba ny fanatanjahana fianakaviana, ireo talen’ny fikambanana 256. (Efes. 5:22–6:4). Ho vokatr’ilay ezaka manokana, dia nisy mpampianatra nanomboka nanatrika fivorian’ny kôngregasiôna.

Raharaha iadian-kevitra iray hafa nifantohana tamin’ny taon-dasa koa ny anjara asan’ny vehivavy. Nanasongadina ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Vehivavy — Inona no Tahirizin’ny Hoavy ho Azy Ireo?” ny Mifohaza! tamin’ny 8 Aprily 1998. Namelabelatra momba ny fanavakavahana atrehin’ny vehivavy sy ny hasarobidin’ny asany eo amin’ny fiaraha-monina ary ny fomba fijery tsara raketin’ny Baiboly momba azy ireo, izy io. (Ohab. 31:10-31; 1 Tim. 5:1, 2). Nisy ezaka manokana natao mba hampielezana io fanazavana io tamin’ny antokon’olona sy fikambanana miahy ny amin’ireo raharaha mahakasika ny vehivavy. Iza, ankoatra ny vahoakan’i Jehovah, no afaka manome fanazavana toy izany, ary any amin’ny tany maherin’ny 230 mihitsy aza?

Nandefa taratasy fanazavana sy filazana an-tsoratra ho an’ny fampahalalam-baovao ary Mifohaza! tany amin’ny fikambanam-behivavy maherin’ny 3 000, ireo rahalahy ao amin’ny sampan’i Japon. Tany Porto Rico, dia nisy olona liana, anisan’izany ny mpanao asa sosialy vitsivitsy sy ny mpampianatra iray any amin’ny oniversite, niantso an-telefaonina ny sampana ka nangataka ilay nomerao manokana amin’ny Mifohaza! Nisy mpikambana iray ao amin’ny Antenimiera famolavolan-dalàna, namaky ilay gazety. Nampiaiky volana azy aoka izany ny fandaharam-pampianarana maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fiahian’izy ireo amim-pahatsorana ny fiaraha-monina, hany ka nasainy ho any amin’ny biraony ny Vavolombelona. Liana aoka izany tamin’ilay lahatsoratra ny lefitry ny ben’ny tanàna iray, hany ka nangataka Mifohaza! 100 ho an’ny sampan-draharaha dimy ao amin’ny fitondrana ny tanàna.

Tsy afaka manova ny fiheverana ratsy ananan’ny olona maro eo amin’izao tontolo izao momba antsika isika. Inoantsika anefa fa hanohy hitahy ireo asa izay manamasina ny anarany lehibe i Jehovah. Ho vokatry ny fahitana ny asa tsara dia tsara ataontsika, ireo ‘mirona araka ny mety ho amin’ny fiainana mandrakizay’ dia mahita fa manana antony maro tokony hiarahany amin’ireo manome voninahitra an’Andriamanitra izy ireo. — Asa. 13:48, NW.

‘Fanalavana ny kofehin’ny lay’

Nilaza izao faminaniana izao momba ny fandaminany i Jehovah, fahiny ela be: “Halalaho ny itoeran’ny lainao, (...) ka aza avela hisy hiketrona; halavao ny kofehinao, ary aoreno mafy ny tsima-dainao”. (Isaia 54:2). Ankehitriny, ho fahatanterahan’ny Apokalypsy 7:9, dia olona an-tapitrisany maro, izay miandrandra amim-pahadodonana ny hiaina eto an-tany eo ambany fitondran’ny Fanjakana Mesianika, no miaraka amin’ny fandaminana teôkratika. Mila toerana koa izy ireny.

Mba hanomezana toerana sahaza ho an’ny fampianarana Baiboly, dia laharam-pahamehana any amin’ny tany maro ny fanorenana Efitrano Fanjakana. Nasehon’ny fanadihadiana iray tany Ghana, fa misy Efitrano Fanjakana 237 any ankehitriny, ary 275 fanampiny no eo an-dalam-panorenana. Manao tatitra i Ukraine fa Efitrano Fanjakana 84 no efa vita, ary misy 61 hafa aorina. Any Afrika Atsimo, dia manampy ny rahalahy eo an-toerana hametraka ny fototra ho an’ny Efitrano Fanjakana ireo rahalahy miara-miasa amin’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana, ary manome azy milina fanamboarana biriky poakaty nony avy eo. Manao ireo biriky poakaty ary mampifanongoa azy ho maina ireo Vavolombelona eo an-toerana, izay anabavy ny ankamaroany. Rehefa vonona ireo biriky, dia miverina ireo mpiasa an-tsitrapo miara-miasa amin’ny Komitim-paritra Momba ny Fanorenana, ka manangana haingana ny efitrano. Manampy azy ireo hanorina efitrano mafy, izay andaniam-bola faran’izay kely, io fomba fiasa io.

Manampy amin’ny fanafainganana ny asa fanangonana, ny fananana Efitrano Fanjakana sahaza. Nisy Efitrano Fanjakana iray naorina ho an’ny kôngregasiôna roa any Madagasikara. Tao anatin’ny volana vitsivitsy, dia nisy kôngregasiôna roa fanampiny niforona tao amin’ilay faritra, ary antenaina fa mbola hisy iray hafa koa. Tsy manana afa-tsy Efitrano Fanjakana iray monja isaky ny kôngregasiôna 10 anefa ny tany iray any Afrika izay manao tatitra mpitory maherin’ny 28 000; ny tany iray hafa misy mpitory maherin’ny 38 000 dia tsy manana afa-tsy Efitrano Fanjakana iray monja isaky ny kôngregasiôna 26. Milaza ny biraon’ny sampana iray any Eoropa Atsinanana izay manao tatitra mpitory maherin’ny 100 000, fa tsy manana afa-tsy Efitrano Fanjakana iray monja isaky ny kôngregasiôna 13 izy ireo. Ny tany sasany dia tsy ampy Efitrano Fanjakana maherin’ny 1 000, eny 2 500, mihitsy aza. Koa teo am-pifaranan’ny taom-panompoana, dia nisy fandaharana natao mba hahafahan’ny mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena hanampy amin’ny fananganana Efitrano Fanjakana 8 000 na mahery hafa, izay tena ilaina maika dia maika. Izy ireo dia hanampy any amin’ny tany voafaritra tsara sasany, izay tsy ananan’ny rahalahy eo an-toerana ny fahaizana ampy sy ny akora hoenti-manorina toeram-pivoriana ho an’ny olona maro mirohotra mankao amin’ny fandaminan’i Jehovah.

Arakaraka ny itomboan’ny isan’ny mpitory no ilana tranon’ny sampana fanampiny koa, sady 316 092 koa moa no natao batisa tamin’ny taon-dasa. Ankehitriny, dia misy 17 781 ny ao amin’ny fianakavian’ny Betela maneran-tany izay manompo amin’ny maha mpikambana ao amin’ny Laharan’ireo Mpanompo Manontolo Andro Manokana.

KENYA: Notokanana tany Kenya ny tranon’ny sampana vaovao tamin’ny 25 Oktobra 1997. Tonga tany i Milton Henschel, avy ao amin’ny Fitambara-mpitantana; tonga tany koa ireo hafa izay nandray anjara tamin’ny asa tany Kenya tany am-boalohany. Tonga avy any amin’ny faritra samihafa any Afrika Atsinanana ireo Vavolombelona nentanin-kafanam-po, ary ny sasany aza nandeha an-tongotra, mba hanatrika ilay fandaharana manokana nalamina tamin’io faran’ny herinandro io.

Miandraikitra ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra ao amin’ny faritra iray any Afrika Atsinanana, izay misy mpitory marisika maherin’ny 29 000, amin’ny fitambarany, io sampana io. Nisy mpisava lalana be herim-po avy tany Afrika Atsimo nanomboka nitory voalohany tany Kenya, teo am-piandohan’ireo taona 1930. Efa tamin’ny 1949 anefa vao nitohy tsy an-kijanona ny fitoriana, fony tonga avy tany Angletera i Mary Whittington, izay vita batisa vao haingana. I William sy i Muriel Nisbet no misionera nahazo fampiofanana tany Gileada tonga voalohany tamin’ny 1956. Anisan’ireo mpisava lalana tany am-boalohany, izay nitory tany Kenya tamin’ireo taona 1930, i Robert sy i George, izay samy rahalahin’i Nisbet. Nandray anjara lehibe koa tamin’ny fitaran’ny asa tany Kenya ny misionera sy ny mpisava lalana manokana maro hafa avy tany Zambia sy Tanzania, ary koa ny rahalahy hafa nanompo tany amin’izay nilana fanampiana kokoa. Efa afaka 41 taona vao tratra ny isan’ny mpitory 1 000 tany Kenya. Ankehitriny anefa, dia maherin’ny 1 000 no atao batisa isan-taona!

FRANTSA: Nitokana ireo tranon’ny sampana vaovao any Louviers, 100 kilaometatra any andrefan’i Paris, ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa, tamin’ny faran’ny herinandron’ny 15-16 Novambra 1997. Nisy rahalahy sy anabavy avy any amin’ny sampana 42 tonga nanatrika ilay fandaharam-pitokanana, izay nanasongadina ny lahateny nataon’i Lloyd Barry sy i Daniel Sydlik, avy ao amin’ny Fitambara-mpitantana. Ary nampientanentana toy inona moa ny nahita vahoaka niisa 95 888 tamin’ilay fandaharana manokana natao tao amin’ny Foibe Fampirantiana ao Villepinte, any avaratr’i Paris, ny ampitson’iny! Izany no fivoriana nahavory Vavolombelon’i Jehovah maro indrindra tany Frantsa hatramin’izay.

Nanjary nilaina maika dia maika ny fanitarana ny Betela, noho ny fitomboana 50 isan-jato teo amin’ny isan’ny mpitory, nandritra ireo taona 1980. Afaka folo taona anefa vao vita ilay tetik’asa. Tojo fanoherana mafy ny fanandramana voalohany hanorina teo akaikin’ireo tranontsika efa teo. Manohy manakantsakana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Frantsa ireo mpanohitra. Na izany aza, dia tsy mampihena ny fitoriany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra ireo Vavolombelona 121 000 any Frantsa. Matoky izy ireo fa mbola hisy maro kokoa amin’ireo olona 100 tapitrisa miteny frantsay maneran-tany, hanaiky amim-pankasitrahana ilay fanasana “hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina”. — Apok. 22:17.

ESPAINA: Ao amin’io tany io koa, dia olona tso-po maro no mandray tsara ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Taorian’ny nitokanana ilay tranon’ny sampana eo ivelan’i Madrid tamin’ny 1983, dia nitombo ho maherin’ny 103 000 ny isan’ny Vavolombelona 53 000 tany Espaina. Nitombo haingana koa ny fanontana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ho an’i Espaina sy i Portogaly: avy tamin’ny 6 500 000 isan-taona ka tafakatra efa ho 23 000 000. “Misy mpiasa 150 ato amin’ny Betela mipetraka kilaometatra maromaro avy eto, ka tena tsy ampy filasiana mihitsy izahay”, hoy ny fanazavan’i John Heidelberg, mpiandraikitra ny Trano Betela, “ary ilainay maika dia maika koa ny toerana sahaza ho an’ny fitahirizana zavatra vita an-tsoratra sy ny fandefasana entana.”

Nifarana ireo dimy taona niasana mafy, fony notokanana ny 28 Martsa 1998, ireo tranon’ny sampana nitarina. Mpiasa an-tsitrapo maherin’ny 25 000, izay avy ao Espaina ny ankamaroany, ary ny sasany avy any ivelany, no nifarimbona tamin’io asa mafy io. Nandray anjara tamin’ilay fandaharam-pitokanana i William Malenfant sy i Gerrit Lösch, izay samy miasa any amin’ny foibe any Brooklyn. Na dia voafetra aza ny afaka nanatrika io fandaharana io, dia 65 775 no tafavory tany Madrid sy Barcelone ny ampitson’iny, mba hankafy fandaharana hafa iray tsara dia tsara.

ROMANIA: Efa 80 taona mahery izao no anohizan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanompoany ampahibemaso any Romania. Nisy mpitory tokony ho 19 000 tamin’ny 1990, fony nesorina ilay fandrarana ny asan’izy ireo nandritra ny 43 taona. Misy mpitory maherin’ny 37 000 any ankehitriny, ary nisy maherin’ny 82 000 nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1998. Nilana biraon’ny sampana sahaza tany Romania. Noho izany, dia iray tamin’ireo zava-nisongadina tamin’ilay taona ny fitokanana ny sampany vaovao ny 2 May 1998. Nisy rahalahy avy any amin’ny tany 19 tonga nanatrika tany mba hiaraka tamin’izy ireo tamin’io fotoana nahafaly io. Tonga tany koa i Gerrit Lösch, anisan’ny Fitambara-mpitantana.

Teo am-pifaranan’ny taom-panompoana 1998, dia nisy mpanompo iraisam-pirenena za-draharaha 397 sy mpiasa an-tsitrapo iraisam-pirenena 150, niara-niasa tamin’ny Vavolombelona teo amin’ireo toerana nanaovana tetik’asa fanorenana maro samihafa. Anisan’ireo tetik’asa ireo ny fanorenana lehibe tany amin’ny tany 38 sy ny tetik’asa kely kokoa tany amin’ny tany 23 hafa. Hisy Efitrano Fanjakana an’arivony maro izao hampidirina ao amin’ny lisitry ny fanorenana hataon’ireo mpiasa ireo. Eny tokoa, be dia be ny zavatra atao amin’ny fomba maro mba ‘hanalalahana’ ny lay ara-panoharana sy mba ‘hanalavana ny kofehiny’.

[Sary, pejy 6]

Nandaha-teny tany amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena tsirairay ireo anisan’ny Fitambara-mpitantana

[Sary, pejy 11]

Zava-nisongadina ny tatitra nataon’ireo misionera

[Sary, pejy 12-14]

Naneho fitiavana sy fifaliana niavaka ireo mpanatrika fivoriambe

[Sary, pejy 21]

Toerana famokarana cassettes sy vidéos any Patterson

[Sary, pejy 29]

Tranon’ny sampana notokanana: 1) Espaina, 2) Kenya, 3) Frantsa