Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Hifidy fiteny Malagasy

Inona no Atao hoe Torah?

Inona no Atao hoe Torah?

Valiny ara-baiboly

Avy amin’ny teny hebreo hoe tôhrah, izay azo adika hoe fampianarana na lalàna, ny hoe Torah. * Ahoana avy no nampiasana an’io teny hebreo io ao amin’ny Baiboly? Diniho ireto:

  • Matetika no ilazana an’ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly ny hoe tôhrah, dia ny Genesisy, Eksodosy, Levitikosy, Nomery, ary ny Deoteronomia. Antsoina koa hoe Pentateoka ireo boky ireo. Avy amin’ny teny grika midika hoe “boky dimy” ny hoe Pentateoka. Nosoratan’i Mosesy ny Torah, ka antsoina koa hoe “ny boky misy ny lalàn’i Mosesy.” (Josoa 8:31; Nehemia 8:1) Boky iray ihany izy ireo tamin’ny voalohany, fa nozarazaraina tatỳ aoriana mba ho mora ampiasaina kokoa.

  • Ilazana ny lalàna nomena ny Israely momba ny zavatra iray koa ny hoe tôhrah, ohatra hoe ny “lalàna [tôhrah] momba ny fanatitra noho ny ota”, ny “lalàna momba ny habokana”, ary ny “lalàna momba ny Nazirita.”—Levitikosy 6:25; 14:57; Nomery 6:13.

  • Ilazana toromarika na fampianarana indraindray ny hoe tôhrah, ary mety ho avy amin’ny ray aman-dreny na olon-kendry na Andriamanitra ilay izy.—Ohabolana 1:8; 3:1; 13:14; Isaia 2:3.

Inona no hita ao amin’ny Torah, na Boky Dimy Voalohany?

  • Ny tantaran’ny famoronana ka hatramin’ny nahafatesan’i Mosesy, ary ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny olombelona nandritra izany fotoana izany.—Genesisy 1:27, 28; Deoteronomia 34:5.

  • Ireo didy ao amin’ny Lalàn’i Mosesy. (Eksodosy 24:3) Misy lalàna 600 mahery ao amin’izy io. Anisan’ny tena lehibe amin’izany ny Shema, na ny fanekem-pinoan’ny Jiosy. Hoy ny ampahany amin’ny Shema: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Deoteronomia 6:4-9) Nolazain’i Jesosy fa izany no “didy lehibe indrindra sady voalohany.”—Matio 22:36-38.

  • Ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah izay miseho im-1 800 eo ho eo. Tsy mandrara ny fampiasana ny anaran’Andriamanitra ny Torah. Ny didy sasany ao kosa aza mitaky ny hanononan’ny vahoakan’Andriamanitra an’ilay anarana.—Nomery 6:22-27; Deoteronomia 6:13; 10:8; 21:5.

Hevi-diso momba ny Torah

Hevi-diso: Natao haharitra mandrakizay ny lalàna ao amin’ny Torah.

Ny tena marina: Misy Baiboly milaza fa lalàna “mandrakizay” ny lalàna sasany ao amin’ny Torah, anisan’izany ny momba ny Sabata, sy ny fisoronana, ary ny Andro Fandrakofam-pahotana. (Eksodosy 31:16; 40:15; Levitikosy 16:33, 34, Fandikan-teny Protestanta) Ilay teny hebreo ampiasaina ao amin’ireo andinin-teny ireo anefa dia mety hidika koa hoe maharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra, fa tsy voatery hoe maharitra mandrakizay. * Rehefa nanan-kery nandritra ny 900 taona teo ho eo ny fifaneken’ny Lalàn’i Mosesy, dia nilaza Andriamanitra hoe hosoloana “fifanekena vaovao” ilay izy. (Jeremia 31:31-33) ‘Nambarany ho efa lany andro ilay taloha rehefa niteny izy hoe “fifanekena vaovao.”’ (Hebreo 8:7-13) Nosoloana ilay fifaneken’ny Lalàn’i Mosesy, 2 000 taona teo ho eo lasa izay, rehefa maty i Jesosy Kristy.—Efesianina 2:15.

Hevi-diso: Mitovy amin’ny Torah ihany ny lovantsofina jiosy sy ny Talmoda.

Ny tena marina: Tsy milaza ny Soratra Masina hoe nanome lalàna am-bava ho an’i Mosesy i Jehovah, ho fanampin’ny Torah. Hoy kosa ny Baiboly: “Hoy koa i Jehovah tamin’i Mosesy: ‘Soraty ireo teny ireo.’” (Eksodosy 34:27) Lovantsofina jiosy avy tamin’ny Fariseo ny lalàna am-bava. Natao an-tsoratra ireny lovantsofina ireny tatỳ aoriana, ary lasa fantatra hoe Mishnah. Mbola nampiana izy ireny ka lasa Talmoda. Matetika anefa no tsy nitovy tamin’ny zavatra lazain’ny Torah ireny lovantsofina ireny. Hoy àry i Jesosy tamin’ny Fariseo: “Ataonareo tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo.”—Matio 15:1-9.

Hevi-diso: Tsy tokony hampianarina ny Torah ny vehivavy.

Ny tena marina: Misy didy ao amin’ny Lalàn’i Mosesy milaza hoe ny Lalàna manontolo dia tokony hovakina amin’ny vahoakan’Israely, anisan’izany ny zaza amam-behivavy. Fa nahoana? ‘Mba hihainoany sy hianarany, satria tokony hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny izy, ary tokony hitandrina mba hanaraka an’izay rehetra voalazan’ny lalàna.’—Deoteronomia 31:10-12. *

Hevi-diso: Misy hafatra miafina ao amin’ny Torah.

Ny tena marina: I Mosesy no nanoratra ny Torah, ary nilaza izy fa mazava sy mora azon’ny rehetra ny voalaza ao, fa tsy hoe saro-takarina. (Deoteronomia 30:11-14) Ny Kabbalah, na ny fampianarana jiosy mifono zava-miafina, no milaza fa misy hafatra miafina ao amin’ny Torah. Io fampianarana jiosy io anefa, raha ny marina, no mampiasa fomba “noforonina tamin-kafetsena” rehefa manazava ny Soratra Masina. *2 Petera 1:16.

^ feh. 3 Jereo ny laharana 8451, ao amin’ilay fizarana hoe “Diksionera Hebreo sy Aramianina-Fanondroana ho An’ny Testamenta Taloha”, ao amin’ny Fizahan-teny Lehibe Indrindra ao Amin’ny Baiboly (anglisy) navoakan’i Strong, izay fanontana nohavaozina.

^ feh. 13 Jereo ny Rakibolana Teolojikan’ny Testamenta Taloha (anglisy), Boky Faha-2, pejy 672-673.

^ feh. 17 Mifanohitra amin’izay ampianarin’ny Torah ny lovantsofina jiosy, satria tsy navelany hianatra ny Torah ny vehivavy. Milaza ny Mishnah fa niteny toy izao, hono, ny Raby Eliezer ben Hyrcanus: “Izay mampianatra Torah ny zanany vavy, dia toy ny mampianatra azy zavatra tsy fampiseho masoandro.” (Sôta 3:4) Hoy koa ny Talmodan’i Jerosalema: “Aleo hodorana tanteraka ny Torah toy izay hampianarina ny vehivavy.”—Sôta 3:19a.

^ feh. 19 Milaza ny Rakipahalalana Judaica (anglisy) hoe toy izao no fiheveran’ny mpandala ny Kabbalah momba ny Torah: “Tsy misy zavatra tena voafaritra tsara ao amin’ny Torah, ary manana heviny maro samihafa ny voalaza ao ka azo hazavaina amin’ny fomba samihafa.”—Fanontana faharoa, Boky 11, pejy 659.