Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Tokony Hitandrina ny Sabata ve ny Kristianina?

Tokony Hitandrina ny Sabata ve ny Kristianina?

Valiny ara-baiboly

Tsy asaina mitandrina ny sabata isan-kerinandro ny Kristianina. Eo ambanin’ny “lalàn’i Kristy” izy ireo, ary tsy mandidy ny hitandremana ny Sabata izy io. (Galatianina 6:2; Kolosianina 2:16, 17) Nahoana isika no mahazo antoka ny amin’izany? Andao aloha hojerentsika ny niandohan’ny Sabata.

Inona ny Sabata?

Avy amin’ny teny hebreo midika hoe “mitsahatra, miala sasatra, maka aina” ny “sabata.” Ao amin’ny didy nomena ny firenen’Israely fahiny no ahitana an’io teny io voalohany ao amin’ny Baiboly. (Eksodosy 16:23) Izao ny didy fahefatra amin’ny Didy Folo: “Aoka hotsarovana ny andro sabata mba hanamasinana azy io, ka enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa ny andro fahafito kosa sabata ho an’i Jehovah Andriamanitrao. Aza manao asa na inona na inona ianao.” (Eksodosy 20:8-10) Manomboka ny zoma amin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehan’ny masoandro ny asabotsy ny andro Sabata. Tsy mahazo mivoaka ny tanànany, mandrehitra afo, maka kitay, na mibata entana mavesatra ny Israelita amin’io andro io. (Eksodosy 16:29; 35:3; Nomery 15:32-36; Jeremia 17:21) Novonoina ho faty izay tsy nitandrina ny Sabata.—Eksodosy 31:15.

Nantsoina hoe sabata koa ny andro sasany amin’ny kalandrie jiosy sy ny taona faha-7 sy faha-50. Rehefa taona sabata dia tsy azo ambolena ny tany ary tsy azo terena handoa trosa ny Israelita.—Levitikosy 16:29-31; 23:6, 7, 32; 25:4, 11-14; Deoteronomia 15:1-3.

Lasa tsy manan-kery intsony ny lalàna momba ny Sabata noho ny soron’i Jesosy

Nahoana no tsy mihatra amin’ny Kristianina ny lalàna momba ny Sabata?

Ny vahoaka teo ambanin’ny Lalàna nomena tamin’ny alalan’i Mosesy ihany no nasaina nitandrina ny Sabata. (Deoteronomia 5:2, 3; Ezekiela 20:10-12) Tsy nisy vahoaka hafa nasain’Andriamanitra nitandrina an’izany mihitsy. Ny Jiosy koa aza “afaka amin’ny [Lalàn’i Mosesy]”, anisan’izany ny Didy Folo, noho i Jesosy Kristy natao sorona. (Romanina 7:6, 7; 10:4; Galatianina 3:24, 25; Efesianina 2:15) Tsy manaraka ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina, fa manaraka ny lalàn’ny fitiavana.—Romanina 13:9, 10; Hebreo 8:13.

Hevi-diso momba ny Sabata

Hevi-diso: Andriamanitra no nitandrina ny Sabata voalohany rehefa nitsahatra izy tamin’ny andro fahafito.

Ny tena marina: Hoy ny Baiboly: “Ary nitahy ny andro fahafito Andriamanitra ka nanamasina azy io, satria tamin’izay no nitsaharany tamin’ny asa famoronana rehetra nataony.” (Genesisy 2:3) Milaza ny zavatra nataon’Andriamanitra tamin’ny andro fahafito fotsiny io andininy io fa tsy didy nomena ho an’ny olona akory. Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nisy olona nitandrina ny sabata fitsaharana talohan’ny andron’i Mosesy.

Hevi-diso: Efa nitandrina ny Sabata ny Israelita talohan’ny nahazoan’izy ireo ny Lalàn’i Mosesy.

Ny tena marina: Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: “Nanao fifanekena tamintsika i Jehovah Andriamanitsika, tany Horeba” izany hoe ny faritra manodidina ny Tendrombohitra Sinay. Tafiditra tao amin’ilay fifanekena ny lalàna momba ny Sabata. (Deoteronomia 5:2, 12) Tena vaovao tamin’ny Israelita ilay izy, ary manaporofo an’izany ny zavatra niainan’izy ireo. Raha efa nitandrina ny Sabata ny Israelita tamin’izy ireo tany Ejipta, nahoana ny Sabata no nolazain’Andriamanitra fa hampahatsiahy azy ireo ny fanafahana avy any Ejipta? (Deoteronomia 5:15) Nahoana izy ireo no tsy maintsy nodidiana mba tsy haka mana tamin’ny andro fahafito? (Eksodosy 16:25-30) Nahoana no tsy hain’izy ireo izay tokony hatao rehefa nisy olona nandika ny lalàna momba ny Sabata?—Nomery 15:32-36.

Hevi-diso: Fifanekena mandrakizay ny Sabata ka tokony hotandremana foana.

Ny tena marina: Misy fandikan-teny sasany milaza hoe “fanekena mandrakizay” ny Sabata. (Eksodosy 31:16, Fandikan-teny Protestanta) Ilay teny hebreo nadika hoe “mandrakizay” anefa, dia mety hidika koa hoe “mandritra ny fotoana tsy voafetra” fa tsy voatery ho mandrakizay. Io teny io koa, ohatra, no ampiasaina ao amin’ny Baiboly mba hilazana hoe hisy mpisorona eo amin’ny Israely. Efa 2 000 taona teo ho eo anefa izay no tsy nasian’Andriamanitra mpisorona intsony teo amin’izy ireo.—Eksodosy 40:15; Hebreo 7:11, 12.

Hevi-diso: Nitandrina ny Sabata i Jesosy ka tokony hitandrina ny Sabata koa ny Kristianina.

Ny tena marina: Nitandrina ny Sabata i Jesosy satria Jiosy izy, ka voatery nankatò ny Lalàn’i Mosesy hatramin’ny nahaterahany. (Galatianina 4:4) Tsy nanan-kery intsony ny fifaneken’ny Lalàna, anisan’izany ny Sabata, rehefa maty i Jesosy.—Kolosianina 2:13, 14.

Hevi-diso: Kristianina ny apostoly Paoly nefa nitandrina ny Sabata.

Ny tena marina: Tsy ny hiaraka amin’ny Jiosy mba hitandrina ny Sabata no antony nandehanan’i Paoly tany amin’ny synagoga tamin’ny andro sabata. (Asan’ny Apostoly 13:14; 17:1-3; 18:4) Nanaraka ny fanao tamin’izany fotoana izany kosa izy, ka nitory ny vaovao tsara tany amin’ny synagoga rehefa nasaina niteny teo anatrehan’ny mpanatrika ny mpandahateny mpitsidika. (Asan’ny Apostoly 13:15, 32) Nitory “isan’andro” i Paoly fa tsy hoe tamin’ny Sabata ihany.—Asan’ny Apostoly 17:17.

Hevi-diso: Alahady ny Sabata ho an’ny Kristianina.

Ny tena marina: Tsy mandidy ny Kristianina mihitsy ny Baiboly hoe natokana mba hialana sasatra sy hivavahana ny alahady. Toy ny andro fiasana rehetra ihany izy io tamin’ireo Kristianina voalohany. Hoy ny The International Standard Bible Encyclopedia: “Tamin’ny taonjato fahefatra vao noheverina ho toy ny sabata ny alahady, rehefa namoaka didy ny mpanjaka Constantin [mpanjaka romanina mpanompo sampy] hoe misy asa sasany tsy tokony hatao amin’io andro io.” *

Dia ahoana ny amin’ireo andinin-teny toa miteny hoe andro manokana ny alahady? Milaza, ohatra, ny Baiboly hoe niara-nisakafo tamin’ny mpiray finoana taminy ny apostoly Paoly tamin’ny “andro voalohan’ny herinandro”, izany hoe ny alahady. Ara-dalàna anefa izany satria handeha izy ny ampitson’iny. (Asan’ny Apostoly 20:7) Nasaina nanokana vola mba hanampiana ny sahirana koa ny fiangonana sasany “isaky ny andro voalohany amin’ny herinandro”, izany hoe ny alahady. Soso-kevitra mba handaminan’ny tsirairay ny teti-bolany fotsiny anefa izany. Najanona tany an-trano ilay fanomezana fa tsy nentina tany amin’ny toeram-pivoriana.—1 Korintianina 16:1, 2.

Hevi-diso: Tsy mety ny manokana andro iray isan-kerinandro mba hialana sasatra sy hivavahana.

Ny tena marina: Ny Kristianina tsirairay no avelan’ny Baiboly hanapa-kevitra momba an’izany.—Romanina 14:5.

^ feh. 21 Jereo koa ny New Catholic Encyclopedia, Fanontana Faharoa, Boky Faha-13, pejy 608.