Inona Marina ny Hara-magedona?

Inona Marina ny Hara-magedona?

Inona Marina ny Hara-magedona?

‘Mankany amin’ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina ny demonia, mba hanangonana azy ireo ho amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona.’—APOKALYPSY 16:14, 16.

ANARANA toerana tsy tena nisy ilay hoe “Hara-magedona.”

Inona àry no tena dikany? Nahoana no ampiasaina matetika izy io mba hilazana ady na loza hafa?

Hangonina ho amin’ilay toerana atao hoe Hara-magedona

Midika hoe “Tendrombohitr’i Megido” ny teny hebreo tany am-boalohany nadika hoe Hara-magedona. Tsy tena misy io tendrombohitra io, saingy tena misy kosa ilay toerana hoe Megido. Any avaratrandrefan’ny toerana nipetrahan’ny Israelita fahiny no misy azy io. Nisy lalambe roa nihaona tany ka nety tsara hanaovana ady. Betsaka ny ady nitranga teny akaikin’i Megido, ka izany no nahatonga azy io natao anarana ady. *

Tsy ny ady tao Megido anefa no tena mahaliana antsika, fa ny antony nisian’ireny ady ireny. Tao Megido i Jehovah no niaro ny Israelita. Anisan’ny tany nampanantenain’i Jehovah homena azy ireo mantsy i Megido. (Eksodosy 33:1; Josoa 12:7, 21) Nanome toky izy fa hiaro azy ireo amin’ny fahavalony. (Deoteronomia 6:18, 19) Tao Megido, ohatra, i Jehovah, no niaro azy ireo rehefa notafihin’ny tafik’i Jabina, mpanjaka kananita, sy Sisera izy ireo.—Mpitsara 4:14-16.

Ady hifanaovan’ny tafika matanjaka roa àry ilay hoe “Hara-magedona.”

Milaza ny Apokalypsy fa tsy ho ela i Satana sy ny demoniany, dia hampirisika ny fanjakan’olombelona hanangona ny tafiny ho amin’ilay Hara-magedona. Hihantsy ady amin’ny vahoakan’Andriamanitra izy ireo, ary hanakantsakana ny asany. Ho resin’Andriamanitra anefa ireo mpanafika ireo ka be dia be no ho faty.—Apokalypsy 19:11-18.

Andriamanitra ve anefa dia handripaka olona be dia be toy izany, nefa izy ‘mamindra fo sy tsy mora tezitra ary be hatsaram-panahy feno fitiavana’? (Nehemia 9:17) Hanampy antsika hahatakatra ny anton’izany ny valin’ireto: 1) Iza no hila ady voalohany? 2) Nahoana Andriamanitra no ho tafiditra amin’ilay izy? 3) Hanao ahoana ny tany sy ny olombelona?

1. IZA NO HILA ADY VOALOHANY?

Tsy Andriamanitra no hanafika voalohany amin’ny Hara-magedona. Hiaro ny olona tsara fanahy amin’ireo miady aminy kosa izy amin’io. “Ireo mpanjakan’ny tany rehetra misy mponina”, izany hoe ireo mpitondra eto amin’izao tontolo izao, no hanafika voalohany. Hampirisika azy ireo sy ny tafiny mantsy i Satana, mba hanao izay fara heriny hanafihana an’izay manompo an’i Jehovah.—Apokalypsy 16:13, 14; 19:17, 18.

Toa tsy mampino izany. Hindrahindraina be mantsy any amin’ny tany sasany ny hoe mahazo maneho hevitra sy misafidy izay fivavahana tiany ny olona. Efa niezaka nanafoana ny fivavahana sasany anefa ny fitondrana tamin’ny taonjato faha-20. Mbola mitohy aza izany hatramin’izao, * saingy ho hafa mihitsy ilay fanafihana amin’ny Hara-magedona. Haneran-tany mantsy ilay izy. Ho mafy be koa ny zavatra hataon’i Jehovah ho setrin’ilay fanafihana, fa tsy hitovy amin’izay nataony taloha. (Jeremia 25:32, 33) “Adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” no ilazan’ny Baiboly azy io.

2. NAHOANA ANDRIAMANITRA NO HO TAFIDITRA AMIN’ILAY IZY?

Mandidy ny mpivavaka aminy i Jehovah mba ho tia fihavanana sy ho tia ny fahavalony. (Mika 4:1-3; Matio 5:43, 44; 26:52) Rehefa hisy hanafika àry izy ireo amin’io, dia tsy hampiasa fitaovam-piadiana mba hiarovan-tena. Ho ripaka tanteraka anefa izy ireo raha tsy mamonjy azy i Jehovah. Ho lasa ratsy laza koa Andriamanitra, raha vitan’ireo mpanafika ny mandripaka ny vahoakany. Ratsy fanahy sy tsy manao ny rariny izy raha izany no mitranga, ary toy ny hoe tsy mahavita na inona na inona. Tsy hisy mihitsy anefa izany!—Salamo 37:28, 29.

Tsy tian’Andriamanitra hisy ho ringana ny olona, ka mampitandrina mialoha izay hataony izy. (2 Petera 3:9) Nasainy nosoratana mba ho fampitandremana ny olona ireo tantara maro be ao amin’ny Baiboly. Hita amin’ireny fa namaly an’izay nanafika ny vahoakany i Jehovah. (2 Mpanjaka 19:35) Rehefa hanafika ny vahoakany koa i Satana sy ny fitondrana ary ny tafiny, dia hiditra an-tsehatra indray i Jehovah ary hampiasa ny heriny. Efa ela be mihitsy aza ny Tenin’Andriamanitra no nilaza fa horinganiny ny ratsy fanahy. (Ohabolana 2:21, 22; 2 Tesalonianina 1:6-9) Ho tonga saina ireo mpanafika amin’izay hoe miady amin’ilay Mahery Indrindra izy ireo.—Ezekiela 38:21-23.

3. HANAO AHOANA NY TANY SY NY OLOMBELONA?

Olona be dia be no ho voavonjy amin’ny ady Hara-magedona. Raha ny tena marina aza, dia hisy fiadanana eto an-tany raha vao vita io.—Apokalypsy 21:3, 4.

Milaza ny Apokalypsy 7:9, 14 fa hisy “vahoaka be tsy tambo isaina” ho tafavoaka velona amin’io ady io. Hanome toromarika azy ireo Andriamanitra, ka izy ireo no hanova ny tany ho Paradisa toy ny nikasany azy tany am-boalohany.

Rahoviana anefa no hitranga izany fanafihana ny vahoakan’Andriamanitra izany?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Efa fanao ny mampifandray anaran-toerana amin’ny ady. Rehefa ravan’ny baomba ataomika, ohatra, i Hiroshima, any Japon, dia io anarana hoe Hiroshima io no lasa fampiasa rehefa misy resaka ady niokleary.

^ feh. 13 Ny Famonoana Tambabe no anisan’ny zavatra nataon’ny fitondrana mba hamongorana ny fivavahana sy ny foko sasany. Nampijalina be koa ny mpivavaka sasany tany amin’ny Firaisana Sovietika, teo anelanelan’ny 1917 sy 1991. Jereo ilay lahatsoratra hoe “Miaro ny Lazany Ilay Vahoaka Tia Fihavanana” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2011, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 6]

Narovan’i Jehovah ny vahoakany fahiny, ka nataony resy ny fahavalony

[Sary, pejy 7]

Harovan’i Jehovah ny vahoakany amin’ny ady Hara-magedona