Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manatòna An’Andriamanitra

‘Tsy mba Hanadino Anao Aho’

‘Tsy mba Hanadino Anao Aho’

EFA mba nieritreritra ve ianao raha tena tia sy mikarakara antsika vahoakany tokoa i Jehovah? Raha eny, hoatran’ny ahoana ny halalin’ny fitiavany antsika? Ao amin’ny Baiboly ihany no misy ny valin’izany, satria lazain’i Jehovah ao ny tena ao am-pony. Jereo fotsiny, ohatra, ny Isaia 49:15.

Nohazavain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia fa tena tia ny vahoakany izy, ary nampiasa ohatra tena mampihetsi-po izy tamin’izany. Nampisaintsaina aloha izy hoe: “Mety hanadino ny zanany mbola minono ve ny vehivavy, ka tsy hangoraka an’izay naloaky ny kibony?” Toa mazava be ny valin’izany, satria aiza no hisy reny hanadino ny zanany mbola minono? Miankina aminy tanteraka mantsy ny fiainan’ilay zanany, ary matetika aza ilay zaza mihitsy no mampahafantatra an’ilay reniny hoe mila azy izy. Tsy izany fotsiny anefa no tian’i Jehovah holazaina amin’io fanontaniany io.

Fa nahoana tokoa moa ny reny no mampinono ny zanany sy mikarakara izay rehetra ilainy? Mba hampangina azy fotsiny ve? ‘Mangoraka an’izay naloaky ny kibony’ ny reny matoa manao an’izany, satria efa voajanahary aminy izany. Mety hidika hoe miantra an’ireo tsy manam-piarovana ilay teny hebreo nadika hoe ‘mangoraka.’ Ny fangorahan’ny reny ny zanany mbola minono no anisan’ny fanehoam-pitiavana lehibe indrindra.

Mampalahelo anefa fa misy reny tsy mangoraka ny zanany kely. “Mety hanadino” ny zanany “ireny vehivavy ireny”, hoy i Jehovah. ‘Tsy mena-mivadika sy tsy tia ny mpianakaviny’ mantsy ny ankamaroan’ny olona ankehitriny. (2 Timoty 3:1-5) Matetika isika no mandre hoe nisy zaza vao teraka tsy noraharahain-dreniny na nampijaliny na nariany. Hoy ny boky iray, momba ny Isaia 49:15: “Mpanota daholo ny reny ka ny haratsian-toetrany indraindray no mahery kokoa noho ny fitiavany. Na tena be fitiavana be aza ny olona iray, dia mety tsy ho hoatr’izany foana izy.”

Mampanantena antsika anefa i Jehovah fa “tsy mba hanadino” antsika mihitsy izy. Azontsika amin’izay àry ny tiany holazaina amin’ilay fanontaniana ao amin’ny Isaia 49:15. Tena mangoraka ny mpanompony izy, rehefa mila fanampiana izy ireo. Tsy mba mitovy amin’ny reny mpanota izy. Ny reny mantsy mety hanadino na tsy hangoraka ny zanany kely. I Jehovah kosa tsy mba hanadino ny mpanompony velively. Mety mihitsy àry raha nilaza ilay boky voaresaka terỳ aloha hoe: ‘Io teny ao amin’ny Isaia 49:15 io no anisan’ny teny mafonja indrindra ilazana ny fitiavan’Andriamanitra, ao amin’ny Testamenta Taloha.’

Tsy mampahery anao ve ny mahafantatra fa tena ‘be fangoraham-po Andriamanitra’? (Lioka 1:78) Nahoana àry raha miezaka mamantatra hoe ahoana no ahafahana mifandray aminy kokoa? Mampanantena mantsy i Jehovah, ilay Andriamanitra be fitiavana, hoe: “Tsy handao anao mihitsy aho, ary tsy hahafoy anao velively.”—Hebreo 13:5.

Famakiana Baiboly Amin’ny Febroary:

Isaia 43-62