Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hahaizana Mianina Amin’izay Ananana?

Ahoana no Hahaizana Mianina Amin’izay Ananana?

Ahoana no Hahaizana Mianina Amin’izay Ananana?

AOKA hatao hoe manana balaonina ianao, ary misy goaka kely ilay izy. Tsy maintsy ataonao anefa izay hampibontsina foana azy io. Ahoana àry no hataonao? Hibontsina foana ilay izy raha betsaka noho ny rivotra mivoaka ny rivotra tsofinao ao anatiny.

Azo oharina amin’izany ny hoe mianina amin’izay ananana. Toy ilay rivotra tsofinao ao anatin’ilay balaonina ny volanao, ary toy ilay rivotra mivoaka eo amin’ilay goaka ny vola laninao. Tsy ataonao mihoatra an’izay vola anananao ny vola holaninao.

Toa mora tenenina izany saingy sarotra tanterahina. Tsy hanana olana ara-bola anefa izay miezaka mampihatra an’izany. Ahoana àry no hahaizana mianina amin’izay ananana? Aiza no ahitantsika toro lalana mandaitra? Misy torohevitra mahasoa be dia be momba izany ao amin’ny Baiboly. Andeha isika handinika an’izany.

Toro lalana mahasoa ao amin’ny Baiboly

Misy toro lalana maro azo ampiharina hanampy anao hahay hitantam-bola, ao amin’ny Baiboly. Ny sasany amin’izany ihany no hodinihintsika. Ho hitanao fa tena hanampy anao hianina amin’izay anananao izy ireo.

Manaova teti-bola. Tokony ho fantatrao izay vola miditra sy tsy maintsy mivoaka aminao, mba hahaizanao mitantam-bola. Hoy ny Baiboly: “Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto, fa hahantra kosa izay rehetra maimaika.” (Ohabolana 21:5) Misy mampiasa valopy maromaro mba hitsinjarana ny volany. Atokany ao anaty valopy iray, ohatra, ny vola ho an’ny sakafo, ary ao anaty valopy iray hafa ny vola ho an’ny hofan-trano. Afaka manao toy izany koa ianao na mampiasa fomba hafa. Ny zava-dehibe dia ny hoe fantatrao izay hampiasanao ny volanao, ary holaninao amin’izay tena ilainao foana aloha ilay izy fa tsy amin’ny haitraitra.

Aza mitsiriritra. Te hahazo ny zavatra ananan’ny olona any amin’ny tany mandroso ny olona maro any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana. Maro koa no mitsiriritra ny zavatra haderaderan’ny mpifanila trano aminy. Mety hamandrika anefa izany. Na izy aza mantsy mety ho tsy nanam-bola hividianana an’ilay izy akory, fa mety ho nitrosa. Isika ve dia hanaraka an’izany hadalana izany, ka hanjary hanana olana ara-bola? Hoy ny Baiboly: “Miezaka mafy mba hanan-karena ny olona manana maso feno fitsiriritana, nefa tsy fantany fa hahantra izy.”—Ohabolana 28:22.

Tsory ny fiainanao. Nanoro hevitra ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hanana maso “tsotra” foana. (Matio 6:22) Ho sahirana ara-bola ianao raha henan-kisoa sy ranom-boankazo no fidinao, nefa trondro maina sy ranon’ampango no takatry ny volanao. Nanao tatitra, ohatra, ny Banky Momba ny Fivoarana any Azia fa 2 500 ariary eo ho eo, fara fahakeliny, ny vola ampy hividianana izay ilaina isan’andro any. Efa ho ny ampahatelon’ny mponina any Philippines sy ny antsasany mahery amin’ny mponina any Inde anefa no tsy manana an’izany. Raha kely dia kely toy izany àry ny vola miditra amin’ny olona iray, dia izay tena ilainy ihany no tokony hifantohany. Tsy dia hanana olana ara-bola koa, na dia ny any amin’ny tany manankarena aza, raha manao toy izany.

Mahaiza mianina amin’izay tena ilaina. Zava-dehibe izany raha te hanana fiainana tsotra ianao. Hoy ny 1 Timoty 6:8: “Raha manan-kanina sy fitafiana ary fialofana isika, dia aoka hianina amin’izany.” Tsy dia manam-bola ny sasany amin’ireo olona sambatra indrindra eto an-tany. Afa-po amin’izay ananany anefa izy ireo, tsy amin’ny fananany ara-nofo ihany fa amin’ny fitiavan’ny fianakaviany sy ny namany koa.—Ohabolana 15:17.

Aza mitrosa tsy amin’antony. Marina tokoa ny voalazan’ny Baiboly hoe: “Ny mpanankarena no mifehy ny mahantra, ary izay misambo-bola dia mpanompon’ilay mampisambotra.” (Ohabolana 22:7) Marina fa mety tsy maintsy hitrosa isika indraindray. Matetika anefa no hovesaran’ny trosa ireo mindram-bola mba hividianana ny zavatra tiany fotsiny. Tena mila mitandrina àry isika mba tsy hitrosa tsy amin’antony.—2 Mpanjaka 4:1; Matio 18:25.

Manangòna vola vao mividy. Marina fa mety ho efa nilaozan’ny toetrandro izany, kanefa anisan’ny fomba tsara indrindra hisorohana olana ara-bola. Manampy olona maro io toro lalana io mba tsy hidi-trosa sy tsy hizaka ny voka-dratsin’izany. Ambony be mantsy, ohatra, ny zanabola alain’ny mpivarotra raha mitrosa ianao, ka hidangana be noho ny tena izy amin’ny farany ny vidin’ny entana novidinao. Milaza ny Baiboly fa ‘hendry’ ny vitsika, satria “manangona ny haniny mandritra ny fijinjana” mba hitsinjovana vody andro ho merika.—Ohabolana 6:6-8; 30:24, 25.

Soa fianatra

Toa tsara erỳ ireo toro lalan’ny Baiboly ireo, kanefa tena manampy ny olona hianina amin’izay ananany tokoa ve izy ireo? Andeha isika hijery olona vitsivitsy nampihatra an’ireo, ka nahavita nandamina olana ara-bola.

Nilaza i Diosdado, ray manan-janaka efatra, fa mihasarotra aminy ny mamelona fianakaviana, noho ny olana ara-toe-karena ankehitriny. Miaiky anefa izy fa tena manampy ny fanaovana teti-bola. Hoy izy: “Tsinjaraiko tsara ny karamako. Manana lisitry ny zavatra andaniako vola aho.” Manao toy izany koa i Danilo. Tsy nandeha intsony ny orinasa kelin’izy mivady. Afaka mividy izay ilainy anefa izy ireo, satria manao teti-bola tsara. Hoy izy: “Fantatray hoe ohatrinona ny vola miditra aminay isam-bolana sy izay vola tsy maintsy mivoaka. Miainga amin’izay àry no handinihanay amin’ny an-tsipiriany izay hampiasanay ny ambim-bolanay.”

Hitan’ny olona sasany anefa fa ilaina ny mitsitsy mba hanarahana tsara an’ilay teti-bola. Hoy i Myrna, vehivavy maty vady, manan-janaka telo: “Mandeha an-tongotra izaho sy ny zanako rehefa handeha hivory, fa tsy mandeha bisy intsony.” Miezaka izy mba hampianatra ny zanany hoe tena ilaina ny manatsotra fiainana. Hoy izy: “Miezaka ny ho modely aho ka mampihatra ny 1 Timoty 6:8-10, izay milaza fa ilaina ny mianina amin’izay ananana.”

Toy izany koa i Gerald, ray manan-janaka roa. Hoy izy: “Dinihinay amin’ny fianaram-pianakaviana ny nataon’ireo Kristianina izay nifantoka foana tamin’izay tena zava-dehibe, dia ny fifandraisana amin’i Jehovah. Nisy vokany tsara izany, satria tsy mangataka zavatra tsy tena ilaina ny zanakay.”

Mpitovo i Janet, ary mpitory manontolo andro any Philippines. Na dia tsy nanana asa fivelomana intsony aza izy vao haingana, dia mianina amin’izay ananany foana. Hoy izy: “Miezaka mifehy tena sy mampiasa tsara ny volako aho mba hahavitana an’izany. Tsy any amin’ny fivarotana lehibe aho no mividy zavatra, fa any amin’izay misy entana mora kokoa. Zavatra azoko vidina mora any an-toeran-kafa ve dia hovidiko lafo be? Tsy tonga dia maimay hividy zavatra koa aho.” Hitan’i Janet koa fa tsara ny manangom-bola vao mividy zavatra. Hoy izy: “Rehefa misy ambiny ny volako, dia angoniko, na kely aza. Amin’izay aho misy hosarangotina rehefa misy zavatra tsy ampoizina.”

Ho vitanao ny hianina amin’izay anananao

Marina fa toro lalana manampy antsika hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah no tena resahin’ny Baiboly. Maro anefa no mahita fa misy toro lalana mahasoa antsika eo amin’ny fiainana andavanandro koa ao. (Ohabolana 2:6; Matio 6:25-34) Ho vitanao àry ny hianina amin’izay anananao raha mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly nodinihina tato ianao, ary manahaka an’ireo olona nandray soa tamin’izany. Tsy hijaly toy ireo olona an-tapitrisany ankehitriny, izay manana olana sy fanahiana maro, ianao raha manao izany.

[Teny notsongaina, pejy 10]

‘Dinihinay amin’ny an-tsipiriany izay hampiasanay ny ambim-bolanay’

[Teny notsongaina, pejy 11]

“Mandeha an-tongotra izaho sy ny zanako rehefa handeha hivory, fa tsy mandeha bisy intsony”

[Teny notsongaina, pejy 11]

‘Tsy tonga dia maimay hividy zavatra aho’