Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana Izany hoe Mahantra Faraidiny?

Ahoana Izany hoe Mahantra Faraidiny?

Ahoana Izany hoe Mahantra Faraidiny?

MAHAFATY ny fahantrana faraidiny. Mahantra faraidiny ny olona tsy ampy sakafo, tsy manana trano ara-dalàna, rano, saribao na kitay, ary tsy mahazo fitsaboana sy fampianarana araka ny tokony ho izy. Arivo tapitrisa, izany hoe mitovitovy amin’ny isan’ny mponina any amin’ireo tanin’i Amerika, no mahantra faraidiny. Mbola tsy nahita olona toy izany mihitsy anefa ny olona maro any amin’ny tany sasany, toy ny any amin’ny faritra andrefan’i Eoropa sy any Amerika Avaratra. Ireto àry misy ohatra:

Mbarushimana: Any Rwanda, atsy Afrika, no misy azy mivady sy ny zanany dimy. Matin’ny tazomoka ny zanany fahenina. Hoy izy: “Nizara ny taniny taminay enina mianadahy ny raiko. Kely loatra ny anjarako, ka tsy maintsy nifindra tany an-tanàn-dehibe izahay. Mitaona vato sy fasika amin’ny gony no asanay mivady. Tsisy varavarankely ny tranonay. Any amin’ny lavadrano any amin’ny paositry ny polisy izahay no mantsaka. Indray mandeha isan’andro izahay matetika no misakafo. Rehefa tsisy asa anefa, dia tsy mihinana mihitsy. Tsy mahajanona ao an-trano aho rehefa mitranga izany, satria tsy zakako ny maheno ny zanako mitomany sakafo.”

Victor sy Carmen: Mpanao kiraro izy ireo. Tanàna mitokana any Bolivia no misy azy mivady sy ny zanany dimy. Manofa efitra iray ao amin’ny trano biriky efa ratsy be izy ireo. Mitafo fanitso efa mitete ilay izy ary tsy misy jiro. Tsy tafiditra tao an-dakilasy koa ny zanany vavy, satria feno hipoka tao. Tsy maintsy nanamboatra latabatra ho azy àry i Victor. Tsy maintsy mandeha an-tongotra folo kilaometatra izy mivady, rehefa haka kitay handrahoan-tsakafo sy hampangotrahana rano hosotroina. Hoy i Carmen: “Tsy manana kabine izahay, ka mankeny amoron’ny renirano rehefa hivoaka. Eny koa anefa no fandroana sy fanariana fako. Marary matetika àry ny zanakay.”

Francisco sy Ilídia: Any ambanivohitr’i Mozambika no misy azy ireo. Matin’ny tazomoka ny iray tamin’ireo zanany dimy, rehefa tsy nety nitsabo azy ny hopitaly. Manana tany kely izy ireo ka mamboly vary sy vomanga ampy azy ireo telo volana. Hoy i Francisco: “Tsy ampy anay ny zavatra ambolenay satria misy mangalatra na tsisy orana indraindray. Mandeha maka volotsangana fanaovana trano àry aho mba hamidy hahazoako vola kely. Mandeha an-tongotra adiny roa mankany an’ala koa izahay rehefa maka kitay. Samy mitondra fehezany iray avy izahay mivady, ka ny iray andrahoanay sakafo mandritra ny herinandro ary ny iray amidy.”

Olona 1 ao anatin’ny 7 no toa an’i Mbarushimana sy Victor ary Francisco, nefa olon-kafa an’arivony tapitrisa no mpanefohefo. Maro àry no mahatsapa fa misy zavatra tsy mety sy tsy ara-drariny mihitsy eto amin’ity tontolo ity. Nisy niezaka nitady vahaolana. Hiresaka momba izany sy ny fanirian’izy ireo ny lahatsoratra manaraka.

[Sary, pejy 2, 3]

Carmen sy ny zanany roa, mantsaka eo amin’ny renirano