Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Raran’ny Baiboly ve ny Filokana?

Raran’ny Baiboly ve ny Filokana?

Raran’ny Baiboly ve ny Filokana?

MATETIKA no hita amin’ny filma sy ny tele fa fanarian-dian’ny olona ambony sy manankarena ny miloka, indrindra any amin’ny trano filokana. Azo antoka anefa fa fantatry ny mpijery hoe tsy tena marina ireny, fa foromporonin’ny saina fotsiny.

Raha ny marina anefa, dia mahasarika ny mpiloka koa ny loteria sy ny fanaovana fanamby amin’ny fanatanjahan-tena ary ny filokana amin’ny Internet. Milaza ny boky Filokana Amin’ny Internet (anglisy) fa “saiky ny olon-drehetra no zatra” miloka, “ary mahasarika olona maro be izy io, toy ny doro tanety mitatra haingana be.” Hita amin’ny tele sy Internet, ohatra, fa kilalao mahazatra ny olona ny lalao karatra (poker). Milaza ny gazety iray fa araka ny tombantomban’ny manam-pahaizana, dia nitombo avo roa heny ny isan’ny mpilalao poker any Etazonia, tato anatin’ny herintaona sy tapany.

Miloka ny olona rehefa mampiasa vola mba hanaovana fanamby amin’ny zavatra mbola tsy fantatra. Maro no mihevitra fa tsy misy maharatsy ny miloka raha ny volan’ilay olona ihany no ampiasainy ary tsy andevozin’ny filokana izy. Milaza koa ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy) fa “tsy fahotana ny miloka raha mbola tsy mahatonga ny olona iray handositra adidy.” Tsy manamarina an’izany anefa ny Soratra Masina. Ahoana àry no tokony hiheveran’ny Kristianina ny filokana? Mandrara izany ve ny Baiboly sa tsia?

Marina fa tsy miresaka mivantana momba ny filokana ny Soratra Masina. Tsy midika anefa izany hoe tsy misy tari-dalana afaka manampy antsika. Tsy manome fitsipika momba ny zava-drehetra ny Baiboly, fa mampirisika kosa hoe: “Fantaro hatrany izay sitrapon’i Jehovah.” (Efesianina 5:17) Milaza i E. Bullinger, manam-pahaizana momba ny Baiboly fa ilay teny grika nadika hoe ‘mamantatra’, dia midika hoe “mampiasa saina, misaintsaina sy mandinika mba hamantarana” ny lafiny rehetra tafiditra amin’ny foto-kevitra iray. Afaka mamantatra ny sitrapon’Andriamanitra momba ny filokana àry ny Kristianina rehefa mandinika ny lafiny rehetra tafiditra amin’izany, ary misaintsaina ny toro lalan’ny Baiboly momba izany. Rehefa mamaky an’ireo andinin-teny voalaza ato ianao, dia afaka mieritreritra hoe: ‘Mety ve ny miloka araka ity andininy ity? Inona no sitrapon’Andriamanitra momba izany, araka ny Teniny?’

Fandrika ny finoana ny vintana

Anisan’ny filokana ny manao fanamby amin’ny zavatra mbola tsy fantatra. Tafiditra amin’izy io àry ny finoana ny vintana, hery hafahafa lazaina fa mifehy ny kisendrasendra, indrindra raha misy vola tafiditra amin’ilay izy. Tarehimarika manambina, ohatra, no fidina amin’ny loteria. Tsofina kely koa ny kodiakely alohan’ny anipazana azy. Nahoana? Matetika mantsy ny mpiloka no mino fa mety hanan-kery amin’ilay lalao ny vintana.

Tsy mampaninona ve ny miantehitra amin’ny vintana? Izany no noheverin’ny Israelita sasany fahiny. Nino izy ireo fa afaka mampanan-karena ny vintana. Inona no hevitr’i Jehovah Andriamanitra momba izany? Hoy izy tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Ianareo no mahafoy an’i Jehovah, sy manadino ny tendrombohitro masina, sy manomana latabatra ho an’ny andriamanitry ny Vintana, ary mameno ny kaopy amin’ny divay misy fangarony ho an’ny andriamanitry ny Lahatra.” (Isaia 65:11) Heverin’Andriamanitra ho anisan’ny fanompoan-tsampy àry ny finoana ny vintana, ary tsy mifanaraka amin’ny fivavahana marina. Hery eritreretin’ny saina fotsiny no ianteheran’ny olona mino ny vintana, fa tsy ilay tena Andriamanitra. Tsy misy antony tokony hieritreretana àry fa niova hevitra Andriamanitra.

Avy aiza ny vola azon’ireo mpandresy?

Matetika no tsy raharahain’ireo mpiloka hoe avy aiza ilay loka tiany ho azo, na amin’ny Internet izy no milalao, na amin’ny loteria, na manao fanamby amin’ny fanatanjahan-tena, na any amin’ny trano filokana. Te hahazo ny vola afoin’ny hafa ny olona rehefa miloka, fa tsy mitovy amin’ny ataon’ny mpivarotra sy ny mpividy. Milaza ny Foibe any Kanada Misahana ny Fahasalaman’ny Saina sy Ireo Andevozin’ny Zava-Mahadomelina, fa “isaky ny misy olona iray lasa mpanapitrisa amin’ny loteria, dia olona an-tapitrisany no very vola.” Inona ny toro lalan’ny Baiboly manampy ny Kristianina hahatakatra ny hevitr’Andriamanitra momba izany?

Izao no farany amin’ny Didy Folo nomena ny Israely: “Aza mitsiriritra tranon’olona. Aza mitsiriritra vadin’olona, na mpanompolahin’olona, na mpanompovaviny, na ombiny, na ampondrany, na inona na inona fananany.” (Eksodosy 20:17) Fahotana lehibe mitovy amin’ny mitsiriritra vadin’olona ny mitsiriritra ny fananany sy ny harenany ary ny volany. Namerina an’io didy io tamin’ny Kristianina ny apostoly Paoly, taonjato maro tatỳ aoriana, hoe: “Aza mitsiriritra.” (Romanina 7:7) Azo lazaina hoe mitsiriritra ve ny Kristianina iray raha te hahazo ny zavatra afoin’ny hafa?

Izao no nosoratan’i J. Vogel, mpanao gazety: “Efa manonofinofy ny hahazo vola be tampoka [ny ankamaroan’ny mpiloka], na eken’izy ireo izany na tsia, na dia vola kely aza no entiny miloka.” Ny hanan-karena tampoka no nofinofin’ireo mpiloka. Tena mifanohitra amin’ny lazain’ny Baiboly anefa izany. Voalaza ao mantsy fa tokony “hiasa mafy” ny Kristianina, “ka hampiasa ny tanany hanaovana asa tsara, mba hanan-javatra hozaraina amin’izay sahirana.” (Efesianina 4:28) Hoy koa i Paoly: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.” Nilaza koa izy fa tokony “hihinana izay nisasarany” ny olona. (2 Tesalonianina 3:10, 12) Azo raisina ho asa fivelomana ara-dalàna ve anefa ny filokana?

Tsy vokatry ny asa nisasarana ny vola azo amin’ny filokana, na dia ilana ezaka aza izy io. Tsy ampoizina na kisendrasendra no ahazoana vola amin’izy io. Manantena koa ny mpiloka hoe tsy maintsy hahazo izy na ho ela na ho haingana. Ny hahazo vola nefa tsy misasatra àry no tadiavin’ny mpiloka. Asaina manao ny marina sy miasa kosa ny tena Kristianina mba hahazoana vola. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana, sy misotro, ary mifaly noho ny asa mafy ataony.” Hoy koa izy: “Avy amin’Andriamanitra izany.” (Mpitoriteny 2:24) Tsy manonofinofy na mitady fomba tsotra sy haingana hahazoana vola be àry ny Kristianina, fa miantehitra amin’Andriamanitra kosa mba ho sambatra sy hahazo fitahiana.

“Fandrika” tokony hohalavirina

Marina fa faly vetivety ny olona mandresy amin’ny filokana, nefa tokony hodinihiny koa fa misy voka-dratsiny maharitra izy io. Hoy ny Ohabolana 20:21: “Raha fitiavan-karena no nahazoana lova tany am-piandohana, dia tsy hitondra fitahiana izany any am-parany.” Maro tamin’ireo nandresy tamin’ny loteria sy ireo mpiloka hafa no nanenina na nalahelo. Hitany fa tsy nahasambatra azy akory ny harena azony. Tena mahasoa àry ny manaraka ny torohevitry ny Baiboly mba tsy hametraka ny fanantenantsika amin’ny “harena tsy azo antoka, fa amin’Andriamanitra izay manome antsika be dia be ny zava-drehetra mba hifaliantsika.”—1 Timoty 6:17.

Mbola misy antony hafa maharatsy ny filokana koa anefa. Hoy ny Tenin’Andriamanitra: “Izay tapa-kevitra ny ho tonga mpanankarena dia latsaka ao amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny faniriana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fanimban-tena.” (1 Timoty 6:9) Natao hahazoana haza ny fandrika. Lasa voafandrika sady nandevozin’ny filokana ny olona maro tsy hita isa, izay nieritreritra ny hiloka amin’ny vola kely na nanandrana niloka tsindraindray fotsiny. Lasa very asa izy ireo, nampalahelo an’ireo havany ary nandrava ny fianakaviany.

Fantatrao amin’izay àry ve ny sitrapon’Andriamanitra momba ny filokana rehefa nandinika an’ireo andinin-teny ireo ianao? Hoy i Paoly tamin’ireo Kristianina namany: “Aza manaiky intsony hovolavolain’ity tontolo ity, fa miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” (Romanina 12:2) Ny sitrapon’Andriamanitra no tokony hitari-dalana ny Kristianina, fa tsy ny hevitry ny besinimaro. “Andriamanitra falifaly” i Jehovah, ka tiany hankafy fiainana isika, fa tsy hizaka ny voka-dratsin’ny filokana.—1 Timoty 1:11.

[Teny notsongaina, pejy 14]

Manao ny marina sy miasa ny mpanompon’Andriamanitra mba hahazoana vola

[Efajoro, pejy 13]

Ny Vokany Rehefa Mandresy

Mety ho lasa andevozin’ny filokana ve ny olona iray raha zatra miloka? Nandinika izay mitranga eo amin’ny mpiloka mandresy sy resy ny Dr. Hans Breiter, ka nilaza fa “tena mitovy amin’ny fiasan’ny atidohan’ny olona iray mampiasa zava-mahadomelina ny fiasan’ny atidohan’ny mpiloka iray rehefa mahazo vola izy.”

[Sary, pejy 13]

Volan’iza no tian’ireo mpiloka ho azo?