Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana

Ahoana no Hifandraisako Amin’ny Rafozako?

Ahoana no Hifandraisako Amin’ny Rafozako?

Hoy i Jenny: * Tsy menatra mihitsy ny maman’i Ryan mampiseho hoe tsy tiany aho. Manao toy izany amin’i Ryan koa ny ray aman-dreniko, nefa tsy hitako manao toy izany amin’olon-kafa. Lasa nampiferinaina anay roa àry ny mitsidika ray aman-dreny.

Hoy i Ryan: Mihevitra ny reniko fa tsy misy olona tena mety ho an-janany mihitsy. Efa hatramin’ny voalohany àry izy no nahita hokianina tamin’i Jenny. Toy izany koa ny ray aman-drenin’i Jenny. Manakiana ahy foana ry zareo. Lasa samy miaro ny ray aman-dreninay izahay mivady, ka mifanome tsiny.

NY ADIN’NY vinanto sy rafozana matetika no ataon’ny mpanao hatsikana fampihomehezana. Tsy mampihomehy anefa ny tena zava-misy. Hoy ny vehivavy iray atao hoe Reena, any Inde: “Nidikiditra tamin’ny fiainanay mivady ny rafozambaviko, nandritra ny taona maro. Ny vadiko matetika no analako vonkina satria tsy azoko atao na inona na inona ny reniny. Hoatran’ny tsy maintsy mifidy foana ny vadiko hoe izaho sa ny reniny no tiany.”

Nahoana no misy ray aman-dreny midikiditra amin’ny fiainan-janany efa manambady? Hoy ihany i Jenny: “Sarotra amin-dry zareo angamba ny mahita hoe olona tanora sy mbola tsy nahita fiainana no lasa mikarakara an-janany.” Hoy koa i Dilip, vadin’i Reena: “Mety hahatsapa ireo ray aman-dreny nanolokolo sy nahafoy tena ho an-janany hoe atao an-kilabao. Ara-dalàna koa raha manahy izy ireo sao tsy ho ampy fahendrena mba hahasambatra ny tokantranony ny zanany.”

Ny zanaka mihitsy koa indraindray no mahatonga ny ray aman-dreny hidikiditra amin’ny tokantranony. Diniho, ohatra, i Michael sy Jeanne, mpivady any Aostralia. Hoy i Michael: “Mifandray am-po be ry Jeanne, ary mifampiresaka ny zava-drehetra izy mianakavy. Any amin-drainy àry izy no mila hevitra, rehefa misy fanapahan-kevitra tokony horaisinay mivady. Nampalahelo ahy izany, na dia hendry kokoa aza ny rainy.” 

Mety hampisy olana ao an-tokantrano àry ny fifandraisana amin’ny rafozana. Izany ve no mitranga aminao? Ahoana no ahafahanareo mivady mifandray tsara amin’ny rafozanareo avy? Diniho ireto olana roa mety hitranga ireto, ary jereo hoe ahoana no azo amahana azy.

OLANA 1:

Toa miraiki-po be loatra amin’ny ray aman-dreniny ny vadinao. Hoy ny lehilahy iray atao hoe Luis, any Espaina: “Mihevitra ny vadiko fa tsy manaja ray aman-dreny izy raha tsy mipetraka any akaikin’izy ireo izahay. Tonga nitsidika anay efa ho isan’andro anefa ny ray aman-dreniko, rehefa teraka ny zanakay lahy, ka sorena ny vadiko. Nampisy olana teo aminay izany matetika.”

Ny tena zava-misy:

Milaza ny Baiboly fa rehefa manambady ny olona iray dia “handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo.” (Genesisy 2:24) Tsy hoe miray trano fotsiny no dikan’ny hoe “nofo iray.” Midika kosa io teny io fa lasa fianakaviana vaovao ny mpivady, ary izy io no tokony ho zava-dehibe kokoa amin’izy roa noho ny fianakaviana nipoirany. (1 Korintianina 11:3) Marina fa samy mbola mila manaja ny ray aman-dreniny ny mpivady. Midika izany fa ilain’izy roa ny maneho fiheverana azy ireo, indraindray. (Efesianina 6:2) Ahoana anefa raha mahatonga anao hahatsapa izany hoe tsy raharahaina ianao?

Inona no azonao atao?

Jereo ny tena zava-misy. Miraiki-po be amin’ny ray aman-dreniny tokoa ve ny vadinao, sa ianao fotsiny no tsy tena miraiki-po amin’ny ray aman-dreninao? Raha izany no izy, sao dia ny fomba nitaizana anao no mahatonga anao hanana an’izany fomba fijery izany? Sa ianao somary mialona?—Ohabolana 14:30; 1 Korintianina 13:4; Galatianina 5:26.

Mila mandini-tena amim-pahatsorana ianao, mba hamaliana an’ireo fanontaniana ireo. Tena ilaina anefa izany. Raha resaka rafozana no mampiady lava anareo mivady, dia ianareo roa mihitsy no manana olana.

Maro ny olana mety hipoitra, satria tsy misy mpivady tena mitovy hevitra. Afaka miezaka ny hitovy hevitra amin’ny vadinao ve anefa ianao? (Filipianina 2:4; 4:5) Izany no nataon’i Adrián, lehilahy any Meksika. Hoy izy: “Tia manakiana ny fianakavian’ny vadiko, ka tsy dia nifandray be tamin’ny rafozako aho. Tsy nifandray tamin’izy ireo intsony mihitsy aho, nandritra ny taona maro. Nampisy olana teo aminay mivady izany, satria ny vadiko mbola te hifandray be amin’ny fianakaviany, indrindra fa ny reniny.”

Niezaka nandanjalanja i Adrián rehefa nandeha ny fotoana. Hoy izy: “Fantatro fa hisy vokany ratsy eo amin’ny vadiko ny fifandraisany be loatra amin’ny ray aman-dreniny, nefa hisy olana koa raha tsy mifandray amin’izy ireo mihitsy izy. Nataoko àry izay azo atao mba hamitranam-pihavanana amin’ny rafozako sy hitandroana an’izany.” *

ANDRAMO IZAO: Soraty izay heverinao hoe tena olana, eo amin’ny resaka rafozana, ary asaivo manoratra koa ny vadinao. Raha mety dia atombohy amin’ny hoe “Hitako fa...” ny zavatra soratanao. Ampifamadiho avy eo ny taratasy nosoratanareo, ary miaraha mitady vahaolana.

OLANA 2:

Midikiditra amin’ny tokantranonareo foana ny rafozanao, ka manome torohevitra nefa tsy anontaniana. Hoy i Nelya, vehivavy any Kazakhstan: “Niara-nipetraka tamin’ny fianakaviam-badiko izahay ny fito taona voalohany nivadianay. Nahatonga fifamaliana foana ny fomba nitaizanay ny zanakay sy ny lafin-javatra hafa, toy ny fomba fandrahoan-tsakafo sy fanadiovana. Niresaka tamin’ny vadiko sy ny rafozambaviko aho, nefa vao mainka loza!”

Ny tena zava-misy:

Tsy eo ambany fifehezan’ny ray aman-dreninao intsony ianao, rehefa manambady. Milaza kosa ny Baiboly fa “i Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra [ary] ny lehilahy no lohan’ny vehivavy.” (1 Korintianina 11:3) Samy tokony hanaja ray aman-dreny anefa ny mpivady, araka ny voalaza terỳ aloha. Hoy ny Ohabolana 23:22: “Henoy ny rainao niteraka anao, ary aza atao tsinontsinona ny reninao efa antitra.” Ahoana anefa raha mihoa-pefy ny ray aman-dreninao, na ny rafozanao, ka mitady hampanjaka ny heviny?

Inona no azonao atao?

Raha mihevitra ianao fa midikiditra amin’ny fiainanareo ny rafozanao, dia fantaro ny antony, ka mahaiza mipetraka eo amin’ny toerany. Hoy i Ryan, ilay voalaza terỳ aloha: “Tian’ny ray aman-dreny ho fantatra indraindray raha mbola misy vidiny amin-janany izy ireo.” Mety tsy ho fanahy iniany ny hidikiditra amin’ny fiainanareo ary mety ho azo alamina ilay olana, raha arahinareo ilay fampirisihan’ny Baiboly hoe: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.” (Kolosianina 3:13) Ahoana anefa raha lasa olana lehibe ny ataon’ny rafozanao, ka mampiady anareo mivady?

Hain’ny mpivady sasany ny nametraka fetra voalanjalanja tsara mba tsy hidikidiran’ny ray aman-dreniny amin’ny tokantranony. Tsy midika izany hoe mila lazainao amin’ny ray aman-dreninao izay tokony hataony. * Mety ho azonao aseho amin’ny ataonao fotsiny fa ny vadinao no tena manan-danja aminao. Hoy, ohatra, i Masayuki, lehilahy any Japon: “Aza tonga dia manaiky rehefa milaza ny heviny ny ray aman-dreninao. Tadidio fa efa manana ny tokantranonao ianao. Anontanio àry aloha ny hevitry ny vadinao.”

ANDRAMO IZAO: Resaho amin’ny vadinao hoe inona avy no ataon’ny ray aman-dreninareo ka mampiady anareo mivady. Soraty ny fepetra horaisinareo sy izay hataonareo mba hanarahana an’izany, nefa koa hajao foana ny ray aman-dreninareo.

Ho maivana kokoa ny olana eo aminao sy ny rafozanao, raha takatrao ny antony manosika azy hanao zavatra ary tsy avelanao hampiady anareo mivady izany olana izany. Hoy i Jenny momba izany: “Matetika no somary mankarary fo ny resaka momba ny ray aman-dreny. Tonga dia hita hoe malahelo be ny andaniny raha vao miresaka momba ny fahadisoan’ny ray aman-dreniny ny ankilany. Nataonay hifamelezana ny fahadisoan’ny ray aman-dreninay. Nianatra ny tsy hanao an’izany intsony izahay, tatỳ aoriana, fa niezaka nandamina an’ilay olana, ka lasa nihanifankatia kokoa.”

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

^ feh. 14 Ara-dalàna raha tsy mifandray tsara ny mpianakavy raha manao zavatra tena ratsy ny ray aman-dreny ary tsy mety mibebaka. Tsy diso koa ny zanany raha mametra ny fifandraisany aminy, amin’izay.—1 Korintianina 5:11.

^ feh. 19 Mety hilainao ny miresaka tsy an-kifonofono amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny rafozanao. Miezaha anefa hanaja sy halemy fanahy rehefa manao izany.—Ohabolana 15:1; Efesianina 4:2; Kolosianina 3:12.

ERITRERETO IZAO:

  • Inona no toetra tsara ananan’ny rafozako?

  • Ahoana no hanajako ny ray aman-dreniko sady tsy hanaovako an-kilabao ny vadiko?