Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho any An-danitra Tokoa ve Isika?

Ho any An-danitra Tokoa ve Isika?

Ho any An-danitra Tokoa ve Isika?

TE HO any an-danitra ny ankamaroan’ny olona! Betsaka rahateo ny manantena fa mbola hiaina any ho any rehefa maty. Mino izany na Miozolimanina, na Hindoa, na Bodista, na ireo milaza azy ho Kristianina, ary na ny tsy mpivavaka aza. Mazàna ny olona no mihevitra fa toerana kanto sy mahafinaritra ny lanitra, ka tsy hijaly intsony izay tonga any, ary hahita indray ny havany efa maty. Mahagaga anefa fa tsy misy te ho faty ny olona, na dia te ho any an-danitra aza.

Raha natao ho faty isika ary ho any an-danitra avy eo, nahoana no tsy maika ny ho any, tsy misy hafa amin’ny ankizy maika ny ho lehibe, na ny tanora maika hanambady?

Milaza anefa ny mpitondra fivavahana hoe any an-danitra no fonenantsika, fa fandalovana ny tany. Izao, ohatra, no tenin’i Theodore McCarrick, arseveka taloha tany Etazonia: “Tsy izao no tena fiainana. Natao ho any an-danitra isika.” Hoy koa ny filoha taloha tao amin’ny fikambanana ara-pilazantsara amerikanina: ‘Natao hidera an’Andriamanitra isika ary avy eo ho any an-danitra, satria any no fonenantsika.’

Mazàna ny olona no mino fahatany hoe ho any an-danitra, fa tsy manana porofo ampy akory. Nilaza, ohatra, i George Barna, filohan’ny fikambanana iray mikaroka momba ny fivavahana, fa maro no mino “izay lazain’ny filma na hira na tantara noforonina, mahakasika ny fiainana sy ny any ankoatra.” Hoy koa ny pasitera iray any Floride: “Ny hany fantatsika momba ny lanitra dia hoe any no misy an’Andriamanitra.”

Voaresaka imbetsaka ao amin’ny Baiboly anefa ny lanitra. Inona no voalaza ao momba azy io? Natao hiaina any ve ny olona? Raha eny, inona no hataony any?

[Teny notsongaina, pejy 3]

Nahoana no tsy misy te ho faty ny olona, nefa te ho any an-danitra?