Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona avy no nataon’i Jesosy tamin’izy nandrafitra?

Mpandrafitra i Josefa, rain’i Jesosy nitaiza azy, ka nianatra nandrafitra koa i Jesosy. Nanomboka ny fanompoany i Jesosy, tamin’izy “telopolo taona teo ho eo.” Tsy “zanaky ny mpandrafitra” fotsiny no nahafantarana azy tamin’izay, fa mpandrafitra koa.—Lioka 3:23; Matio 13:55; Marka 6:3.

Nilain’ny olona tao an-tanànan’i Jesosy ny fitaovam-pambolena, toy ny angadinomby sy zioga, izay vita tamin’ny hazo. Fanaon’ny mpandrafitra koa ny nanamboatra fanaka, toy ny latabatra, seza, akalana, ary vata. Nanamboatra fitaovana ilaina amin’ny fanorenan-trano koa anefa izy ireo. Anisan’izany ny varavarana, varavarankely, hidin-trano, ary rairaindrihana.

Niresaka momba ny famaky i Jaona Mpanao Batisa tao amin’ny fanoharana iray. Azo inoana fa nampiasa azy io mba hikapana hazo i Jesosy sy ny mpandrafitra hafa. Nokarakarain’izy ireo teo an-toerana ihany ilay hazo, na nentiny tany amin’ny toeram-piasany. Nilana herim-batana be izany. (Matio 3:10) Nitanisa fitaovana hafa fampiasan’ny mpandrafitra tamin’ny androny koa i Isaia. Hoy izy: “Ny mpanao sokitra hazo kosa manenjana ny tady fandrefesana. Manao soritra amin’ny tsaoka mena izy, dia mampiasa fandraka, ary mampiasa kômpà mba hanaovana soritra eo amin’ilay hazo.” (Isaia 44:13) Hita tamin’ny fikarohana ambanin’ny tany, fa efa nampiasaina fahiny ny tsofa vy sy marotoa vato ary fantsika halimo. (Eksodosy 21:6; Isaia 10:15; Jeremia 10:4) Nety ho nampiasa an’ireny fitaovana ireny àry i Jesosy.

Inona ilay “banky” tao amin’ny fanoharan’i Jesosy, ary ahoana no fomba fiasany?

Hoy i Jesosy momba ny tompo iray nibedy ny mpanompony kamo: “Nahoana raha napetrakao tany amin’ny banky ny farantsa volafotsiko, dia ho noraisiko niaraka tamin’ny zanabola rehefa tonga aho?”—Matio 25:27.

Mbola tsy nisy ireny banky lehibe ankehitriny ireny, tamin’ny andron’i Jesosy. Efa hatry ny ela anefa ny mpampindram-bola no nandoa zanabola tamin’ny olona nametra-bola tao aminy. Naka zanabola be dia be tamin’izay nindrana taminy kosa izy ireo. Milaza Ny Diksionera Vatofantsika Momba ny Baiboly (anglisy), fa efa fanao tany Gresy ny nampindram-bola nisy zanany, tamin’ny taonjato fahefatra Talohan’i Kristy (T.K.) Naka zanabola 4 ka hatramin’ny 6 isan-jato isan-taona koa ny mpampindram-bola nanerana ny Fanjakana Romanina, tamin’ny fotoana tsy nisian’ny ady.

Araka ny Lalàn’i Mosesy, dia tsy azo nakana zanabola ny Israelita sahirana, rehefa nindram-bola. (Eksodosy 22:25) Toa tamin’ny mahantra no tena nampiharana an’izany lalàna izany. Afaka naka zanabola anefa ny olona iray, rehefa nametra-bola tany amin’ny mpampindram-bola, na “banky” araka ny fanoharan’i Jesosy. Nampiasa fanoharana fantatry ny mpihaino tsara àry i Jesosy, toy ny fanaony.