Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Nanao Karate Intsony Izy

Tsy Nanao Karate Intsony Izy

Taratasy avy any Ghana

Tsy Nanao Karate Intsony Izy

TSY araka ny noeritreretiko mihitsy ny olona hitako. Nanao fanamian’ny mpanao karate izy, ary nisy fehikibo tepana mainty teo amin’ny andilany. Vonona hiady izy. Nohenjaniny ny tanany, nijoro mahitsy izy, ary nasabakany ny tongony. Nasiaka koa ny endriny ary nifantoka be izy. Somary nikimpy ny masony, ary nampahatahotra ny fijeriny. Tsy nahitana soritra hatsaram-panahy mihitsy teny amin’ny masony. Noheverina ho hakanosana mantsy izany.

Nihiaka mafy tampoka izy, sady nikapa hazo fisaka iray tamin’ny tanany. Tapaka tanteraka ilay hazo, ary nianjera tamin’ny tany. Haingana aoka izany ny fihetsiny. Tena voafehiny tsara koa ny fanaovana daka mihodina, ka voany tamin’ny tsy nampoizina ilay nifanandrina taminy. Nanontany tena aho hoe: ‘Ity ve ilay lehilahy nangataka ny hampianarina Baiboly?’

Nanatona azy aho sady nanolotra ny tanako, ary nanontany hoe: “Ianao ve no Kojo, ilay maniry hianatra Baiboly?” Noraisiny ny tanako, ary nitsikitsiky izy sady namaly hoe: “Ie. Izaho no izy, ary tena te hianatra Baiboly aho. Rahoviana isika no hanomboka?” Tsy nasiaka na nampahatahotra intsony ny fijeriny.

Nampiasa Baiboly sy boky fianarana Baiboly izahay, rehefa nianatra teo an-davarangany. Nangatsiatsiaka sy nangingina kokoa teo. Telo izahay no teo, dia izaho sy Kojo ary ny gidro keliny. Mena ny tampon-dohan’ilay gidro, fotsy ny saokany, ary 35 santimetatra monja ny halavany. Mahatsikaiky ny fijery azy. Mahafatifaty sy tia sangy ilay izy, ary tia mamantapanta-javatra. Nivezivezy tetsy sy teroa izy, nandehandeha teny ambonin’ny bokinay, naka ny stylo-nay, ary nisavasava ny paosin’ny lobakay. Toy ny ray efa zatra amin’ny kotaba sy fipelipelehan’ny ankizy anefa i Kojo, ka tsy taitra tamin’izany fa nifantoka tamin’ny lesona. Hita tamin’ireo fanontaniana maro napetrany fa nandinika tsara izy, ary tena vonon-kianatra. Tsy nekeny koa hoe marina ny zavatra iray, raha tsy nisy porofo mampiaiky avy ao amin’ny Soratra Masina. Noho izy nanao karate angamba no nahatonga azy ho toy izany.

Nandroso tsara ny fianarany. Hitako anefa, rehefa nandeha ny fotoana, fa nila nandray fanapahan-kevitra tena sarotra taminy izy. Hoy izy tamiko: “Ny haiady no zavatra tiako indrindra eto an-tany.” Hitako fa latsa-paka tao am-pony izany. Nahafoy tena mihitsy izy mba hanatsarany ny fahaizany. Tsy vitan’ny hoe tiany be ilay izy fa tena hainy koa. Efa tepana mainty izy, teo amin’ny faha-26 taonany. Vitsy ihany no tonga amin’izany dingana izany.

Tsy tena azoko antoka raha hijanona amin’ny karate i Kojo. Hitako anefa fa azony tsara hoe tsy mifanaraka amin’ny toetra kristianina ny karate. Manisy ratsy ny hafa amin’ny tanany sy ny tongony mantsy ny mpanao karate. Ny Kristianina anefa ampirisihina haneho fitiavana ka hangoraka sy halemy fanahy ary hiahy ny hafa. Fantatro koa anefa fa efa nanova olona sarotra noresen-dahatra noho i Kojo ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Raha tsara ny toe-pony, dia hiova tsikelikely izy noho ny fanampian’Andriamanitra ka hanjary halemy fanahy. Mila manam-paharetana aho.

Toy ny hoe voadaka teo ambavafony i Kojo, indray tolakandro, teo am-pifaranan’ny fianaranay. Namaky an’ity andinin-teny avy ao amin’ny Baiboly ity mantsy izy: “Samy dinihin’i Jehovah na ny olo-marina na ny ratsy fanahy, ary tena halany ny olona tia herisetra.” (Salamo 11:5) Naveriny moramora ilay teny hoe “ny olona tia herisetra.” Hitako teo amin’ny masony fa lasa nihanalefaka izy. Nibanjina ahy izy sady nitsiky, ary niteny hoe: ‘Tapa-kevitra aho fa tsy hanao karate intsony.’

Mitovy izao ny zavatra tianay sy Kojo indrindra, dia ny mampianatra Baiboly ny olona liana. Nandeha nitsidika tovolahy iray atao hoe Luke izahay, indray maraina.

Nandeha tamin’ny lalana namakivaky ny tsena izahay rehefa nankany. Sady tery ilay izy no be olona. Feno mpivarotra ny sisin-dalana. Hitanao eny ambony latabatra eny ny sakay sy ny legioma. Hita eny koa ny radio, elo, savony, solovolo, kojakoja fampiasa ao an-dakozia, ary akanjo sy kiraro efa niasa. Mahita ankizivavy miloloha vilany be koa ianao. Mivarotra sakafo mafana miharo zavatra masiatsiaka izy ireo. Manavatsava any anaty olona izy ireo, sady miantso an’izay maniry hihinana lasopy matsiro, na koa legioma mifangaro amin’ny trondro maina sy drakaka ary sifotra. Mikarenjy eny koa ny alika sy ny osy ary ny akoho. Mitabataba daholo na ny olona na ny radio na ny klakisaonina.

Nanaraka lalan-tany iray miala ny tanàna izahay, ary tonga teo amin’ny trano iray efa simbasimba. Hitanay nijoro teo am-baravarana i Luke, tovolahy iray manifinify 20 taona mahery kely. Nampandrosoiny izahay. Feno gony sy baoritra tao an-tranony. Zavamaniry maina sy fakan-kazo maina no tao anatin’izy ireny. Nisy fehezan-dravinkazo sy hodi-kazo matevina koa teo. An’ny nenitoan’i Luke ireo. Mpitsabo amin’ny raokandro mantsy izy, ary nolovainy tamin’ny razambeny izany. Anamboarany tambavy isan-karazany ireo zavamaniry maina ireo, ary voalaza fa mahasitrana ny aretina rehetra. Efa niandry anay i Luke. Efa voafafany ny trano ary nametraka sezakely telo izy hipetrahanay. Nipetraka nifanakaiky kely izahay ary natomboka ny fianarana Baiboly.

I Kojo no nampianatra an’i Luke. Niresaka ny antony maha betsaka ny fahoriana eto an-tany izy ireo. Nanampy an’i Luke hahita andinin-teny tao amin’ny Baiboly i Kojo. Variana erỳ aho nahita ny tanany matanjaka be, namadika moramora an’ireo pejy. Tsaroako tamin’izay, fa nampiasainy hiadiana ireo tanany ireo, vao tsy ela izay. Mahery tokoa ny Tenin’Andriamanitra ka mahavita manaisotra an’ireo toetra ratsy lalim-paka, ary manova olona ho lasa tia mangoraka sy be fitiavana. Tena fandresena lehibe izany!

Nanatona lehilahy iray nipetraka teo am-body manga izahay, teny an-dalana hody. Nihaino tsara izy rehefa namaky andinin-teny taminy i Kojo. Raha vao fantany anefa hoe Vavolombelon’i Jehovah izahay, dia nitsangana izy sady nivazavaza hoe: “Tsy mila anareo aho!” Saika nitroatra i Kojo tamin’ny voalohany, fa nitony ihany ary nangata-dalana. Lasa izahay.

Nibitsibitsika tamiko izy teny an-dalana hoe: “Nidobodoboka be mihitsy ny foko ilay teo iny! Fantatrao ve hoe inona no mety ho nataoko an’iny rangahy iny?” Sady nitsiky aho no namaly hoe: “Fantatro tsara ka.” Nitsiky koa izy, ary nanohy ny dianay izahay.