Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ho Foana Mandrakizay ny Fahafatesana”

“Ho Foana Mandrakizay ny Fahafatesana”

“Ho Foana Mandrakizay ny Fahafatesana”

ERITRERETO hoe izany no matoam-baovao ao amin’ny gazety vakinao, fa tsy ilay hoe zazavavy namono tena. Marina aloha fa mbola tsy nisy gazety afaka nilaza an’izany. Mirakitra an’ireo teny ireo anefa ny boky iray efa nisy an’arivony taona. Tsy inona izany fa ny Baiboly.

Hazavaina tsara ao amin’ny Soratra Masina ny fahafatesana. Tsy ny antony ahafatesantsika ihany no resahina ao, fa izay mitranga amin’ny maty koa, sy izay azontsika antenaina ho an’ireo havantsika nodimandry. Lazainy koa fa hisy fotoan-dehibe iray azo anambarana hoe: “Ho foana mandrakizay ny fahafatesana.”—1 Korintianina 15:54.

Mora azo ny fomba anazavan’ny Baiboly ny atao hoe fahafatesana. Ampitoviny amin’ny “torimaso”, ohatra, ny fahafatesana, ary toy ny olona “matory” ny maty. (Salamo 13:3; 1 Tesalonianina 4:13; Jaona 11:11-14) Resahiny koa fa “fahavalo” ny fahafatesana. (1 Korintianina 15:26) Hazavainy amintsika hoe nahoana ny fahafatesana no toy ny torimaso, nahoana ny olona no maty, ary ahoana no handresena an’io fahavalo io, amin’ny farany. Tena zava-dehibe ireo fanazavana ireo.

Nahoana isika no maty?

Resahin’ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly ny fomba namoronan’Andriamanitra an’i Adama, ilay olombelona voalohany, sy ny nametrahany azy tao amin’ny paradisa. (Genesisy 2:7, 15) Nomen’Andriamanitra asa izy avy eo, ary zavatra iray no nandrarany azy. Hoy izy momba ny hazo iray tao amin’ny saha Edena: “Aza ihinanana [izy io]; fa amin’ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao.” * (Genesisy 2:17) Takatr’i Adama avy tamin’izany fa azo sorohina ny fahafatesana. Vokatry ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra izy io.

Nampalahelo anefa fa tsy nankatò i Adama sy Eva vadiny. Ninia tsy niraharaha ny sitrapon’ny Mpamorona azy izy ireo, ka nibaby ny vokatry ny fahotany. Hoy Andriamanitra tamin’izy ireo: “Vovoka hianao, ary hiverina ho amin’ny vovoka indray hianao.” (Genesisy 3:19) Nanjary mpanota na tsy lavorary izy mivady. Tsy maintsy ho faty izy ireo noho izany.

Nifindra tamin’ny taranak’i Adama sy Eva ny ota, ka nahatratra ny olona rehetra. Toy ny aretina manaranaka ilay izy. Tsy vitan’ny hoe namoy ilay fiainana tsy nisy fahafatesana i Adama, fa namindra ny tsy fahalavorariana tamin’ny taranany koa. Lasa andevon’ny ota ny olombelona. Hoy ny Baiboly: “Noho izany, dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”—Romanina 5:12.

‘Tafiditra teo amin’izao tontolo izao ny ota’

Ny “ota” dia tsiny eo amin’ny lafiny ara-pitondran-tena sy ara-panahy. Tsy hita maso izy io. Nolovantsika avy tamin’ireo ray aman-drenintsika voalohany izy io, ary misy fiantraikany eo amin’ny vatantsika. Milaza anefa ny Baiboly fa nitady fomba hanavotana antsika Andriamanitra. Hoy ny apostoly Paoly: “Fahafatesana no karama omen’ny ota, ary fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika kosa no fanomezana omen’Andriamanitra.” (Romanina 6:23) Nanome toky ny Korintianina koa i Paoly, tao amin’ny taratasiny voalohany ho azy ireo, ary nihevitra azy io ho zava-dehibe. Hoy izy: “Tahaka ny ahafatesan’ny rehetra ao amin’i Adama, no hamelomana ny rehetra koa ao amin’i Kristy.”—1 Korintianina 15:22.

Mandray anjara lehibe amin’ny fanafoanana ny ota sy ny fahafatesana tokoa i Jesosy Kristy. Nolazainy fa tonga teto an-tany izy, mba “hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Matio 20:28) Toy ny olona natao takalon’aina ny olombelona. Tsy ho afaka ny olona toy izany, raha tsy aloa ny vola takin’ireo mpaka an-keriny. Ny aina lavorarin’i Jesosy kosa no mahafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. *Asan’ny Apostoly 10:39-43.

Nalefan’Andriamanitra tetỳ an-tany i Jesosy, mba hanao sorona ny ainy hanavotana antsika. ‘Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra maneho finoana azy.’ (Jaona 3:16) ‘Nanambara ny marina’ i Kristy, talohan’ny nanaovany sorona ny ainy. (Jaona 18:37) Nohararaotiny nilazana ny marina momba ny fahafatesana ny zava-niseho sasany, nandritra ny fanompoany.

‘Matory razazavavy’

Nidonam-pahoriana koa i Jesosy, fony izy teto an-tany. Tsapany fa mafy ny mamoy havana aman-tsakaiza. Fantany koa fa ho faty tanora izy. (Matio 17:22, 23) Volana vitsivitsy talohan’ny hamonoana azy angamba no nahafatesan’i Lazarosy namany. Manampy antsika hahatakatra ny fiheveran’i Jesosy ny fahafatesana, io fisehoan-javatra io.

Hoy i Jesosy raha vao avy nandre fa maty i Lazarosy: “Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.” Nilaza ny mpianany fa ho sitrana izy raha matory. Nilaza nivantana àry i Jesosy hoe: “Maty i Lazarosy.” (Jaona 11:11-14) Toy ny torimaso àry ny fahafatesana tamin’i Jesosy. Haintsika ny hoe torimaso, fa mety ho sarotra amintsika kosa ny mahatakatra ny atao hoe fahafatesana. Tsy mahatsapa ny fandehan’ny fotoana isika rehefa matory be. Tsy mahalala izay ambonin’ny tany koa isika mandritra an’io fotoana fohy io. Toy izany no anazavan’ny Baiboly izay mitranga amin’ny maty. Hoy ny Mpitoriteny 9:5: ‘Ny maty tsy mba mahalala na inona na inona.’

Nampitovin’i Jesosy tamin’ny torimaso koa ny fahafatesana satria mbola azo fohazina ny maty, noho ny herin’Andriamanitra. Nitsidika mpivady izay vao avy namoy ny zanany vavy i Jesosy, indray mandeha. Hoy izy: “Tsy maty razazavavy fa matory.” Nanatona an’ilay zazavavy izy avy eo ary nandray ny tanany, dia “niarina” izy, izany hoe nitsangana tamin’ny maty.—Matio 9:24, 25.

Nanangana an’i Lazarosy namany tamin’ny maty koa i Jesosy. Nampionona an’i Marta, anabavin’i Lazarosy, anefa izy talohan’io fahagagana io. Hoy izy: “Hitsangana ny anadahinao.” Tsy nisalasala i Marta namaly hoe: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fananganana ny maty amin’ny andro farany.” (Jaona 11:23, 24) Toa nino izy fa hatsangana ny mpanompon’Andriamanitra rehetra, amin’ny hoavy.

Inona marina no tiana holazaina amin’ny hoe fitsanganana amin’ny maty? Ilay teny grika hoe a·naʹsta·sis dia midika ara-bakiteny hoe “mitsangana”, izany hoe mitsangana amin’ny maty. Tsy mino an’izany angamba ny olona sasany. Rehefa avy nilaza anefa i Jesosy fa handre ny feony ny maty, dia hoy izy: “Aza gaga amin’izany.” (Jaona 5:28) Mampanantena ny Baiboly fa hifoha amin’ilay “torimaso” naharitra be, ireo maty ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra. Manampy antsika hatoky an’izany, ny fahalalana fa efa nanangana ny maty i Jesosy fony teto an-tany. Nilaza mialoha ny Apokalypsy 20:13 hoe: “Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy, ary ny fahafatesana sy ny fasana namoaka ny maty tao aminy.”

Hihantitra sy ho faty indray toa an’i Lazarosy anefa ve ireo olona hatsangana amin’ny maty? Tsy izany no fikasan’Andriamanitra. Manome toky antsika ny Baiboly fa ho avy ny fotoana ‘tsy hisian’ny fahafatesana intsony.’ Tsy hihantitra na ho faty intsony ny olona amin’izay.—Apokalypsy 21:4.

Fahavalo ny fahafatesana. Manana fahavalo maro hafa koa ny olombelona, anisan’izany ny aretina sy ny fahanterana. Mampijaly koa izy ireny. Mampanantena Andriamanitra fa hanafoana azy ireny, ary hamongotra an’ilay fahavalon’ny olombelona lehibe indrindra, amin’ny farany. “Hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.”—1 Korintianina 15:26.

Hanana fiainana tonga lafatra tsy hisy ota na fahafatesana intsony ny olombelona, rehefa ho tanteraka io fampanantenana io. Mandra-pahatongan’izany, dia mampionona antsika ny mahafantatra fa toy ny matory ireo havantsika nodimandry. Hatsangan’Andriamanitra amin’ny fotoana voatondrony izy ireny, raha ao amin’ny fitadidiany.

Mampisy heviny ny fiainantsika ny fahafantarana ny atao hoe fahafatesana

Miova ny fomba fijerintsika ny fiainana, rehefa fantatsika tsara izay mitranga amin’ireo olona nodimandry, sy izay azo antenaina momba azy ireny. Nahafantatra izay lazain’ny Baiboly momba ny maty i Ian, ilay voalaza tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, tamin’izy 20 taona mahery. Hoy izy: “Nanantena foana aho hoe mbola velona any ho any ny raiko, fa tsy tena azoko antoka hoe taiza. Nalahelo àry aho tamin’ny voalohany, rehefa nandre hoe matory fotsiny izy.” Faly be anefa izy, rehefa nahafantatra fa mampanantena ny hanangana ny maty Andriamanitra. Mbola ho afaka hahita ny rainy indray mantsy izy. Hoy i Ian: “Izay aho vao mba niadan-tsaina hatramin’izay niainako.” Nanjary nilamin-tsaina izy, rehefa nahafantatra tsara ny atao hoe fahafatesana.

Maty tamin’ilay loza voalaza tao amin’ny lahatsoratra teo aloha i Steven, 21 taona, zanak’i Clive sy Brenda. Efa fantatr’izy mivady izay lazain’ny Baiboly momba ny fahafatesana, nefa mbola vonton’alahelo ihany izy ireo rehefa nandao azy tampoka ny zanany. Fahavalo tokoa Rafahafatesana, ka manaintaina ny fanindronany. Nampitony tsikelikely ny alahelon’izy ireo, ny fahafantarana izay lazain’ny Soratra Masina momba ny maty. Hoy i Brenda: “Fantatray tsara ny atao hoe fahafatesana. Nampionona anay izany, sady nanampy anay hanohy ny fiainanay andavanandro. Mieritreritra ny andro hitsanganan’i Steven amin’ny maty foana izahay, isan’andro.”

“Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?”

Afaka manana fomba fijery voalanjalanja momba ny fiainana tokoa isika, rehefa mahafantatra tsara izay mitranga amin’ny maty. Tsy voatery ho zava-miafina foana ny fahafatesana. Afaka mankafy ny fiainana isika, fa tsy hatahotra loatra an’io fahavalo mandondona antsika io. Rehefa fantatsika koa fa tsy hanafoana ny fiainantsika mandrakizay ny fahafatesana, dia tsy hirona hikatsaka fahafinaretana isika, satria fotsiny hoe “mandalo ny fiainana.” Mampionona antsika ny mahafantatra fa toy ny matory ireo havantsika ao amin’ny fitadidian’Andriamanitra, ary miandry ny fotoana hananganana azy amin’ny maty. Manampy antsika hanohy ny fiainantsika andavanandro izany.

Afaka miandrandra ny hoavy isika, sady matoky fa hanafoana mandrakizay ny fahafatesana i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpanome aina. Ho heniky ny fitahiana tokoa isika, rehefa ho afaka hanontany hoe: “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?”—1 Korintianina 15:55.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Eo ny Baiboly no miresaka voalohany momba ny fahafatesana.

^ feh. 11 Ain’olombelona lavorary no vidim-panavotana, satria izany no nafoin’i Adama. Tsy misy mahavotra ny namany anefa ny olombelona, satria mpanota daholo. Izany no nanirahan’Andriamanitra ny Zanany lahy ho etỳ an-tany. (Salamo 49:7-9) Misy fanazavana bebe kokoa momba izany ao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, toko faha-7, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 5]

Maty ny olona satria tsy nankatò i Adama sy Eva

[Sary, pejy 6]

Noraisin’i Jesosy ny tanan’ilay zazavavy efa maty, dia niarina izy

[Sary, pejy 7]

Nitsangana tamin’ny maty i Lazarosy. Maro koa no miandrandra ny fotoana hitsanganan’ny havany