Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Fahaiza-mankasitraka

Fahaiza-mankasitraka

Mandray soa maro ny olona mahay mankasitraka, na eo amin’ny lafiny ara-batana izany na ara-tsaina na ara-pihetseham-po. Tokony hahay hankasitraka foana àry ny rehetra isan’andro.

Nahoana no mahasoa ny hoe mahay mankasitraka?

INONA NO LAZAIN’NY MPIKAROKA?

Hoy ny Gazetin’i Harvard Momba ny Fahasalaman’ny Saina (anglisy): “Imbetsaka no voaporofo fa sambatra kokoa ny olona mahay mankasitraka. Lasa falifaly sy salama kokoa izy, mahay miatrika olana, mankafy fiainana, ary mifandray tsara amin’ny hafa.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Ampirisihiny isika mba hanana toe-tsaina mahay mankasitraka. Hoy ny apostoly Paoly: “Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.” Izy mihitsy no nampihatra izany. ‘Nisaotra an’Andriamanitra mandrakariva’, ohatra, izy satria nihaino tsara azy ny olona nitoriany. (Kolosianina 3:15; 1 Tesalonianina 2:13) Tsy ampy anefa ny milaza tsindraindray hoe ‘Misaotra!’ Isika mihitsy no mila manana toe-tsaina mahay mankasitraka. Tsy hanambony tena isika amin’izay, na hitsiriritra, na hitana lolompo. Mety hihatakatahan’ny hafa mantsy isika raha manao an’ireo, ary tsy ho falifaly.

Mahay mankasitraka koa ny Mpamorona, ka tena fakan-tahaka. Ankasitrahany, ohatra, izay ataontsika, na dia bitika aza isika! Hoy ny Hebreo 6:10: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonareo, sy ny fitiavana nasehonareo ho an’ny anarany.’ Mihevitra àry ilay Mpamorona fa manao ny tsy marina na ny tsy rariny izy, raha tsy mahay mankasitraka.

“Mifalia mandrakariva. Misaora amin’ny zava-drehetra.”1 Tesalonianina 5:16, 18.

Nahoana no lasa mifandray tsara amin’ny hafa ny olona mahay mankasitraka?

INONA NO ASEHON’NY ZAVA-MISY?

Mahatsiaro ho ilaina sy tiana ny olona iray raha ankasitrahantsika ny nataony. Nanome fanomezana ho antsika angamba izy, na nampahery, na nanampy antsika. Na ny olona tsy fantatsika aza mba faly rehefa isaorantsika noho ny zavatra tsara nataony, ohatra hoe namoha varavarana na nanome toerana ho antsika.

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Hoy i Jesosy Kristy: “Aoka ianareo ho zatra manome dia mba homena koa ianareo. Fatra tsara sy mifatratra sy nahintsana ary mihoatra no hararaka eo am-pofoanareo.” (Lioka 6:38) Diniho izay nitranga tamin’i Rose, ankizivavy marenina any Vanuatu, nosy iray any Pasifika Atsimo.

Nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah i Rose, saingy zara raha nandray soa tamin’ilay izy. Tsy nisy nahay tenin’ny tanana mantsy, na izy na ny olona nivory tao. Sendra nitsidika an’ilay fiangonana ny mpivady iray mahay tenin’ny tanana. Hitany ilay olana, ka nanomboka nampianatra tenin’ny tanana ry zareo. Tena nankasitraka an’izany i Rose. Hoy izy: “Faly aho fa betsaka ny namako sady tia ahy ry zareo.” Izy mivady koa tena afa-po nahita azy velom-pankasitrahana sy mandray anjara amin’ny fivoriana. Tena ankasitrahan’i Rose ny ezaka ataon’ny hafa hianarana tenin’ny tanana, mba hahafahana mifampiresaka aminy.—Asan’ny Apostoly 20:35.

“Izay manolotra fisaorana ho sorona no manome voninahitra [an’Andriamanitra].”—Salamo 50:23.

Ahoana no hananana toe-tsaina mahay mankasitraka?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Mifampiankina ny eritreritra sy ny fihetseham-po. Nivavaka tamin’Andriamanitra i Davida hoe: “Misaintsaina ny zava-drehetra nataonao aho, ary ny asan’ny tananao foana no tiako hoeritreretina.” (Salamo 143:5) Zatra nisaintsaina lalina an’izay nataon’Andriamanitra ho azy i Davida, ka lasa nanana toe-tsaina mahay mankasitraka.—Salamo 71:5, 17.

Manoro hevitra antsika ny Baiboly hoe: ‘Na inona na inona marina, mahatehotia, tsara laza, misy hatsarana, ary mendri-piderana, dia izany foana heverina.’ (Filipianina 4:8) Misaintsaina no dikan’ilay hoe ‘mihevitra’ eo. Mila manao an’izany tsy tapaka isika, raha te hanana toe-tsaina mahay mankasitraka.

“Hevi-dalina no hosaintsainiko ato am-poko.”Salamo 49:3.