Mahaiza Mankasitraka
Haka:
Dada a, Neny a!
Mba nanoratra aho androany.
Faly aho fa manana anareo,
Tiako ho fantatrareo ’zany.
’Nareo mifoha maraina foana,
Mikarakara vao mandeha.
Tsy ho voatanisako avokoa
Fa misaotra be dia be.
’Nareo mampianatra ahy
Momba an’i Jehovah.
Ny modely omenareo
Hitanay koa.
Ô ry Dada
Sy Neny tiako,
Tena Jehovah tokoa
No nanome anareo roa.

