Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! NO. 5 2016

 FIANARANA AVY TAMIN’NY LASA

Aristote

Aristote

TENA nampandroso ny siansa sy ny filozofia i Aristote, efa 2300 taona mahery izay. Nahaliana ny olona nandritra ny taona maro ny asa sorany, ary nofakafakaina sady nadika tamin’ny fiteny maro. Hoy i James MacLachlan, mpampianatra tantara: “Nahazo vahana tany Eoropa, nandritra ny 2000 taona latsaka kely, ny fomba fihevitr’i Aristote momba ny zavaboary.” Nisy vokany teo amin’ny fampianaran’ny fivavahana katolika, protestanta, ary silamo mihitsy aza ny zavatra sasany nampianariny.

Maro ny zavatra nahaliana azy

Nanoratra momba ny zavakanto i Aristote, ary koa momba ny kintana sy planeta, zavamananaina, fiteny, fitsipi-pitondran-tena, lalàna, lojika, herin’ny andriamby, filozofia, fihetsehana, fahafinaretana, tononkalo, politika, psikolojia, fahaiza-mandaha-teny, ary ny fanahy, izay nolazainy fa mety maty. Ny asa sorany momba ny zavamananaina sy ny lojika anefa no tena mampahalaza azy.

Niantehitra tamin’ny zavatra hitany sy ny fanatsoahan-keviny ary ny lojika ny manam-pahaizana grika fahiny, mba hanazavana momba an’izao rehetra izao. Nino izy ireo fa raha nofakafakainy tsara izay zavatra noheveriny fa marina, dia ho marina koa ny fanatsoahan-keviny.

Maro tamin’ny fanatsoahan-kevitr’izy ireo tokoa no nitombina, anisan’izany ny hoe milamina tsara izao rehetra izao. Nisy olana lehibe anefa. Voafetra ihany ny zavatra hitan’ny maso, ka nanjary diso hevitra izy ireo sy ny manam-pahaizana maro, anisan’izany i Aristote. Nihevitra, ohatra, izy ireo fa mihodidina ny tany ny planeta sy ny kintana. Noheverina ho fahamarinana tsy azo iadian-kevitra izany. Hoy ilay boky hoe Tsy Nety Nivoatra ny Tandrefana (anglisy): “Ny fahalalan’ny olona tamin’izany sy  ny fandinihana an’ireo zavatra hita maso, dia toa nanamarina ny hevitry ny Grika hoe ny tany no ivon’izao rehetra izao.”

Tsy ho nisy vokany firy teo amin’ny tantara io hevi-diso io, raha ny mpahay siansa ihany no nino azy io. Tsy izay anefa no zava-nisy.

Neken’ny Fivavahana Katolika ny hevitr’i Aristote

Niaiky ireo tany eoropeanina milaza azy ho Kristianina, teo anelanelan’ny taona 500 ka hatramin’ny 1500 tany ho any, fa marina ny sasany tamin’ny fampianaran’i Aristote. Nampidirin’ny teolojianina katolika, indrindra fa i Thomas d’Aquin (1224-1274 tany ho any), ho anisan’ny fampianaran’ny fivavahana ny asa soratr’i Aristote. Lasa anisan’ny foto-pinoana katolika àry ilay hoe ny Tany no ivon’izao rehetra izao ary tsy mihetsika izy io. Nanaiky an’ilay fampianarana koa ny mpitondra fivavahana protestanta, toa an’i Calvin sy Luther, izay nilaza fa mifanaraka amin’ny Baiboly izy io.—Jereo ilay efajoro hoe “ Nadikany Vilana ny Baiboly.”

Nekena ho marina ny sasany tamin’ny fampianaran’i Aristote

Hoy ilay mpanoratra atao hoe Charles Freeman: “Nifangaro ny [fampianaran’i Aristote] sy ny fampianarana katolika indraindray.” Nisy àry nilaza fa notaomin’i d’Aquin hanaraka ny Fivavahana Katolika i Aristote. “I d’Aquin anefa no lasa mpanara-dia an’i Aristote” raha ny marina, hoy i Freeman. Tsy izy ihany fa ny eglizy koa. Nolazaina fa nivadi-pinoana àry izay sahy nilaza fa mihodidina amin’ny masoandro ny Tany. Nanao an’izany i Galilée, Italianina mpahay matematika sady manam-pahaizana momba ny kintana sy planeta. Nentina teo anatrehan’ny Fitsarana Katolika izy, ka noterena hiaiky hoe diso ny heviny. * Efa nilaza anefa i Aristote fa mihamandroso ny siansa, ka mety hisy fanazavana mila ahitsy. Raha mba nitovy hevitra taminy mantsy ny eglizy!

^ feh. 11 Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny lahatsoratra hoe “Galilée” ao amin’ny Mifohaza! Jona 2015.