Salamo 71:1-24
71 Ianao no ialofako, Jehovah ô!
Enga anie aho tsy ho menatra mihitsy!+
2 Manao ny marina ianao, ka vonjeo aho ary afaho.
Aoka ianao hanongilan-tsofina hihaino* ahy, ka hamonjy ahy.+
3 Aoka ianao ho vatolampy fialofako,Ka ho azoko isitrihana foana.
Manomeza baiko hamonjena ahy,Fa ianao no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy.+
4 Andriamanitro ô, vonjeo eo an-tanan’ny ratsy fanahy aho,+Dia eo am-pelatanan’ny mpampijaly manao ny tsy rariny.
5 Fa ianao no antenaiko, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô;Natoky anao aho* hatramin’izaho mbola tanora.+
6 Niantehitra taminao aho hatramin’ny nahaterahako;Ianao no namoaka ahy avy tao an-kibon’i Neny.+
Midera anao foana aho.
7 Lasa toy ny zava-mahagaga ho an’ny olona maro aho,Nefa ianao no fialofana mafy ho ahy.
8 Ny fiderana anao no mameno ny vavako;+Manambara ny voninahitrao aho tontolo andro.
9 Aza ariana aho rehefa antitra;+Aza afoy aho rehefa mihena ny heriko.+
10 Miresaka zava-dratsy momba ahy ny fahavaloko,Ary miara-mikaon-doha ireo mifofo ny aiko,+
11 Ka miteny hoe: “Efa nafoin’Andriamanitra izy.
Enjeho izy dia sambory, fa tsy misy mpamonjy.”+
12 Aza mijanona lavitra ahy, Andriamanitra ô!
Mba ampio haingana aho, ry Andriamanitro ô!+
13 Enga anie ireo manohitra ahyHo menatra sy ho faty!+
Enga anie ireo mitady hanisy ratsy ahyHo tototry ny latsa sy ny fahafaham-baraka!+
14 Fa izaho kosa mbola hiandry anao;Vao mainka aho hidera anao.
15 Ny vavako hitantara ny fahamarinanao,+Sy hilaza isan’andro ny asa famonjenao,Na dia maro loatra aza izy ireny ka tsy takatry ny saiko.*+
16 Ho avy hilaza ny asa nataonao tamin’ny herinao aho,Ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô!Hiresaka momba ny fahamarinanao aho, dia ny anao irery ihany.
17 Nampianatra ahy hatramin’izaho mbola tanora+ ianao, Andriamanitra ô,Ary hatramin’izao aho dia mbola manambara ny zavatra mahatalanjona ataonao.+
18 Aza afoy aho, Andriamanitra ô, na dia efa antitra sy fotsy volo aza!+
Avelao aho hilaza momba ny herinao* amin’ny taranaka any aoriana,Ary hilaza momba ny tanjakao amin’izay rehetra mbola ho avy.+
19 Avo dia avo ny fahamarinanao, Andriamanitra ô!+Miavaka ny zava-bitanao;Iza no hoatr’anao, Andriamanitra ô?+
20 Na dia nataonao nahita fahoriana sy loza maro aza aho,+Dia mba ataovy velombelona indray;Ampiakaro avy any amin’ny faritra* lalina amin’ny tany aho.+
21 Enga anie ianao hampitombo ny voninahitro,Ary hanodidina ahy sy hampionona ahy!
22 Dia hidera anao amin’ny zavamaneno fitendry aho,Satria tsy mivadika ianao, Andriamanitro ô!+
Hihira fiderana* ho anao amin’ny harpa aho,Ry Ilay Masin’ny Israely ô!
23 Hihoby ny molotro rehefa mihira fiderana ho anao aho,+Fa novonjenao* ny aiko.+
24 Hilaza* momba ny fahamarinanao ny lelako, tontolo andro,+Fa ho menatra sy ho afa-baraka izay mitady hamotika ahy.+
Fanamarihana
^ Na: “hiondrika sy hihaino.”
^ Na: “Ianao no natokisako.”
^ Na: “tsy voaisako.”
^ Abt: “sandrinao.”
^ Na: “rano.”
^ Na: “Hitendry mozika.”
^ Na: “navotanao.”
^ Na: “Hisaintsaina.”