Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Tena Nisy ve i Jesosy?

Tena Nisy ve i Jesosy?

TSY nanan-karena izy na nanana toerana ambony. Na trano aza tsy nananany. Nanova olona an-tapitrisany anefa ny fampianarany. Tena nisy ve i Jesosy Kristy? Inona no tenin’ny manam-pahaizana fahiny sy ankehitriny?

  • Hoy i Michael Grant, mpahay tantara sady manam-pahaizana momba ny kolontsaina fahiny: “Tokony hitovy ihany ny fomba iheverantsika ny Testamenta Vaovao sy ny asa soratra fahiny. Raha izay no ataontsika, dia tsy hisy antony tokony handavantsika hoe tena nisy i Jesosy, satria isika aza tsy mandà hoe tena nisy ireo mpanompo sampy resahin’ireny asa soratra fahiny ireny.”

  • Hoy i Rudolf Bultmann, mpandalina ny Testamenta Vaovao: “Tsy misy antony tokony hampisalasala ny olona raha tena nisy i Jesosy na tsia. Tsy mila iadian-kevitra izany. Raha olona salama saina tsy hisalasala mihitsy hoe i Jesosy no namorona ny [Fivavahana Kristianina], izay fikambanana manan-tantara niforona tany Palestina fahiny.”

  • Hoy i Will Durant, mpahay tantara sy mpanoratra ary filozofa: ‘Sarotra inoana ireo fahagagana resahin’ny Filazantsara. Vao mainka tsy mampino anefa hoe nisy olon-tsotra vitsivitsy [mpanoratra ny Filazantsara] nahavita namorona olona nanana hery sy toetra ary fitondran-tena miavaka, izay nampianatra ny olombelona hifankatia toy ny mpianakavy.’

  • Hoy i Albert Einstein, mpahay fizika teraka tany Alemaina: “Jiosy aho, nefa tena nahavariana ahy ny tantaran’ilay Nazareanina.” Rehefa nanontaniana izy raha olona tena nisy i Jesosy, dia namaly izy hoe: “Mazava ho azy! Tonga dia tsapanao hoe tena nisy i Jesosy rehefa mamaky ny Filazantsara ianao. Manasongadina ny toetrany ny teny rehetra ao. Tsy velombelona hoatr’izany ny angano.”

    “Tonga dia tsapanao hoe tena nisy i Jesosy rehefa mamaky ny Filazantsara ianao.”—Albert Einstein

INONA NO ASEHON’NY TANTARA?

Voaresaka amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny Filazantsaran’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany. Betsaka koa ny boky tsy kristianina miresaka momba azy.

  • TACITE

    (Taona 56-120 tany ho any) Romanina izy ary anisan’ny mpahay tantara nahay indrindra fahiny. Miresaka momba ny Fanjakana Romanina nanomboka tamin’ny taona 14 ka hatramin’ny 68 ilay bokiny hoe Tantara (latinina). (Tamin’ny taona 33 i Jesosy no maty.) Nilaza i Tacite hoe i Néron Mpanjaka no noheverina fa nahatonga an’i Roma ho may tamin’ny taona 64. Ny Kristianina indray anefa no nampangain’i Néron, mba “tsy hiely ilay resaka.” Hoy i Tacite avy eo: “Nomelohin’i Pontio Pilato governora ho faty i Kristy, ilay niavian’ny anarana [hoe Kristianina], nandritra ny fitondran’i Tiberio.”—Tantara, XV, 44.

  • SUÉTONE

    (Taona 69 tany ho any–taorian’ny taona 122) Tantarain’io Romanina mpahay tantara io ny zava-nitranga nandritra ny fitondran’ny mpanjaka 11 voalohany tany Roma, ao amin’ilay bokiny hoe Ny Fiainan’ireo Kaisara (latinina). Resahin’ilay fizarana momba an’i Klaodio fa nikorontana ny Jiosy tany Roma. Azo inoana fa adihevitra momba an’i Jesosy no nahatonga an’ilay izy. (Asan’ny Apostoly 18:2) Hoy i Suétone : “Nampirisihin’i Krestosy [Kristy] hikorontana foana ny Jiosy, ka nandroaka azy ireo hiala tao Roma” i Klaodio. (Klaodio: Ilay Natao Andriamanitra, XXV, 4, latinina) Tsy nisalasala i Suétone hoe tena nisy i Jesosy, na dia nendrikendrehiny ho mpanakorontana aza izy.

  • PLINE ZANDRINY

    (Taona 61 tany ho any-taona 113) Romanina izy ary mpanoratra sady governoran’i Bitynia (Torkia ankehitriny). Nanoratra tany amin’i Trajan, mpanjaka romanina, izy mba hahalalany hoe ahoana no hatao amin’ireo Kristianina tao amin’io faritra io. Nilaza i Pline fa notereny hiala tamin’ny finoany izy ireo, ary novonoiny izay tsy nanaiky. Hoy izy: ‘Hitako hoe mendrika ny hafahana izay namerina ny vavaka nataoko tamin’ireo Andriamanitra [sampy], sady nanolotra divay sy emboka manitra ho an’ny sarinao, ary nanozona an’i Kristy.’—Pline: Taratasy, Boky X, XCVI, latinina.

  • FLAVIUS JOSÈPHE

    (Taona 37 tany ho any-taona 100) Mpisorona jiosy izy sady mpahay tantara. Nilaza izy fa “namory ny mpitsara tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy” i Anasy mpisoronabe, izay nanana fahefana be tamin’izany. “Nampanantsoina teo anatrehan’izy ireo ny lehilahy iray atao hoe Jakoba. Rahalahin’i Jesosy, ilay atao hoe Kristy, izy io.”—Rakitry ny Ela Jiosy, XX, 200, grika.

  • TALMODA

    Fitambaran’ny asa soratr’ireo raby jiosy, tamin’ny taonjato fahatelo ka hatramin’ny fahenina, izy io. Hita ao fa na ny fahavalon’i Jesosy aza tsy nanda hoe nisy izy. Milaza ny andininy iray fa tamin’ny “Paska i Yesho [Jesosy] ilay Nazareanina no nahantona.” Marina izany raha jerena ny tantara. (Talmoda babylonianina, Synedriona 43a, Kôdeksa Munich, hebreo; jereo ny Jaona 19:14-16.) Hoy koa ny andininy iray hafa: “Enga anie isika tsy hanana zanakalahy na mpianatra hanala baraka tena imasom-bahoaka toa an’ilay Nazareanina.” Iantsoana an’i Jesosy io anarana io matetika.—Talmoda babylonianina, Berakôt 17b, fanamarihana ambany pejy, Kôdeksa Munich; jereo ny Lioka 18:37.

POROFO AVY AO AMIN’NY BAIBOLY

Resahin’ny Filazantsara amin’ny an-tsipiriany ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany. Miresaka olona sy toerana ary fotoana voafaritra tsara koa izy io. Ireo no ahalalana fa tena marina ny tantara iray. Andao, ohatra, isika hijery ny Lioka 3:1, 2, mba hahitana hoe oviana marina no nanomboka ny asany i Jaona Mpanao Batisa, ilay mpialoha lalana an’i Jesosy.

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.”—2 Timoty 3:16

Hoy i Lioka: “Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara, fony i Pontio Pilato no governoran’i Jodia, ary i Heroda no lehibem-paritr’i Galilia, fa i Filipo rahalahiny kosa no lehibem-paritra tany Itoria sy Trakonitisy, ary i Lysania no lehibem-paritr’i Abilena, tamin’ny andron’i Anasy lehiben’ny mpisorona sy Kaiafa, dia tonga tamin’i Jaona zanak’i Zakaria ny fanambaran’Andriamanitra, tany an-tany efitra.” Manampy antsika hahita ireo tsipiriany ireo hoe tamin’ny taona 29 no ‘tonga tamin’i Jaona ny fanambaran’Andriamanitra.’

Miresaka anarana manam-pahefana fito i Lioka eo. Fantatry ny mpahay tantara tsara ireo. Nisy fotoana anefa ny mpanao tsikera sasany nilaza hoe tsy tena nisy i Pontio Pilato sy Lysania. Nahita soratra misy ny anaran’izy ireo ny mpikaroka taorian’izay, ka niharihary hoe marina ny zavatra nosoratan’i Lioka. *

NAHOANA IZANY NO ILAINA FANTARINA?

Nampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra na ilay fanjakana hitondra ny tany i Jesosy

Ilaintsika fantarina raha tena nisy i Jesosy na tsia, satria mahasoa ny fampianarany. Nampianariny, ohatra, hoe ahoana no hananana fiainana sambatra sy mahafa-po. * Nilaza koa izy fa hiadana sy hilamina ny olona amin’ny hoavy, ary fanjakana iray ihany no hitondra eran-tany dia ny “fanjakan’Andriamanitra.”—Lioka 4:43.

Mety tsara ilay anarana hoe “fanjakan’Andriamanitra” satria io fitondram-panjakana io no hampiasain’Andriamanitra hanatanterahana ny sitrapony etỳ an-tany. (Apokalypsy 11:15) Nasongadin’i Jesosy izany ao amin’ilay vavaka modely hoe: “Rainay izay any an-danitra, ... ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao.” (Matio 6:9, 10) Inona ny soa ho azon’ny olombelona rehefa hitondra io Fanjakana io? Diniho ireto:

  • Tsy hisy intsony ny ady. Salamo 46:8-11.

  • Tsy hisy intsony mandrakizay ny olona tsy tia an’Andriamanitra sy ny zava-dratsy, toy ny kolikoly sy ny fitiavam-bola.Salamo 37:10, 11.

  • Hanana asa tsara sy mahafa-po ny vahoakan’ilay Fanjakana.Isaia 65:21, 22.

  • Tsy ho potika hoatran’ny amin’izao intsony ny tany ary hamokatra be. Salamo 72:16; Isaia 11:9.

Mety hisy hieritreritra hoe nofinofy fotsiny ireo. Izay mitoky amin’ny ezaka ataon’ny olombelona anefa no manonofy. Mandroso be mantsy izao ny fampianarana sy ny siansa ary ny teknolojia, nefa olona an-tapitrisany no manahy momba ny hoavy sady mitebiteby satria tsy misy ny filaminana. Hitantsika isan’andro koa fa mampijaly olona maro ny olana ara-toe-karena, politika, fivavahana, fitiavam-bola, ary ny kolikoly. Tena tsy mahavita azy ny fitondran’olombelona!—Mpitoriteny 8:9.

Na inona na inona eritreritry ny olona, dia ilaina ny mandinika raha tena nisy i Jesosy na tsia. * Izao mantsy no resahin’ny 2 Korintianina 1:19, 20: “Na firy na firy ny fampanantenan’Andriamanitra, dia tonga Eny ireny amin’ny [alalan’i Kristy].”

^ feh. 23 Nahita soratra nisy anarana ‘lehibem-paritra’ antsoina hoe Lysania ny mpikaroka. (Lioka 3:1) Tamin’ilay fotoana nolazain’i Lioka mihitsy izy no nitondra tany Abilena.

^ feh. 25 Ahitana ny fampianaran’i Jesosy ao amin’ny Matio toko 5 ka hatramin’ny 7, izay antsoina matetika hoe Toriteny teo An-tendrombohitra.

^ feh. 32 Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jesosy sy ny fampianarany ianao, dia jereo ny www.jw.org/mg, ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY.