Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA | AZA MAMOY FO!

Satria Mbola Miova ny Fiainana

Satria Mbola Miova ny Fiainana

“Voageja amin’ny lafiny rehetra izahay, nefa tsy hoe tery loatra ka tsy afa-mihetsika. Very hevitra izahay, nefa tsy hoe tsy misy lalan-kivoahana mihitsy.”—2 KORINTIANINA 4:8.

Na tena hoe lehibe aza ny olana mahazo anao, dia tafahoatra loatra ny mamono tena. Azo oharina amin’ny olona marary andoha izany, ka ny tendany mihitsy no tapahiny mba tsy hiverina intsony ilay aretina. Tadidio fa na ny olana heverinao fa tsy ho voavaha mihitsy aza, tsy voatery hitohy foana. Mety hiova tsy araka ny nieritreretanao azy ilay izy.—Jereo ilay efajoro hoe  “Niova ny Fiainan’izy Ireo.”

Ahoana anefa raha mbola tsy miova ny fiainana? Ny androany aloha eritreretina. Hoy i Jesosy: “Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.”—Matio 6:34.

Ary ahoana raha tsy azo ovana mihitsy ny zavatra iainanao, ohatra hoe manana aretina mitaiza ianao, na nisara-bady, na maty ny olona tena tianao?

Na izany aza, dia ny toe-tsainao mbola azonao ovana. Miezaha aloha hanaiky hoe efa izay ny zava-misy, ary amboary ny sainao mba hifantoka amin’ny zavatra tsara. (Ohabolana 15:15) Raha manao an’izay ianao dia ho vonona hitady fomba hiatrehana an’ilay izy, fa tsy tonga dia hieritreritra hoe ny fahafatesana no vahaolana. Tsy hahatsiaro loatra ianao amin’izay hoe tsy afa-manoatra.—Joba 2:10.

TADIDIO IZAO: Iakarana tsikelikely ny tendrombohitra fa tsy vita indray mandingana. Azonao vahana tsikelikely koa ny olana mahazo anao, na dia toa ngezabe hoatran’ny tendrombohitra aza.

IZAO ATAO ANDROANY: Miresaha amin’ny namanao akaiky na ny mpianakavinao, ka lazao izay manjo anao. Mety ho afaka hanampy anao mantsy izy mba hahita fa mbola misy azo atao.—Ohabolana 11:14.