Fanamboarana ny mpamaky efijery

Search

Hifidy fiteny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hijery ny anatiny

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

MIFOHAZA! APRILY 2014

 FANADINADINANA | FRÉDÉRIC DUMOULIN

“Resy Lahatra Aho hoe Misy ny Mpamorona”

“Resy Lahatra Aho hoe Misy ny Mpamorona”

Efa folo taona mahery i Frédéric Dumoulin no niasa tamin’ny fikarohana fanafody, tao amin’ny Oniversiten’i Ghent, any Belzika. Nisy fotoana izy tsy nino an’Andriamanitra. Resy lahatra anefa izy tatỳ aoriana fa misy ny Mpamorona, ary Vavolombelon’i Jehovah izy izao. Nanontany azy momba ny asany sy ny finoany ny Mifohaza!

Ianao ve notezaina tamin’ny fivavahana?

Ie. Katolika ry mamanay. Tofoka tamin’ny fivavahana anefa aho rehefa nahalala an’ireo ady sy famonoan’olona nahatsiravina nataon’ny Eglizy. Namaky ny bokin’ny fivavahana tsy kristianina koa aho, nefa toa nitovy ihany. Vao 14 taona aho dia nieritreritra hoe tsy misy Andriamanitra, matoa be dia be ny zava-dratsy ataon’ny fivavahana. Rehefa nampianarina momba ny evolisiona na fiovana miandalana àry aho, dia nihevitra fa nisy ho azy izao rehetra izao.

Nahoana ianao no liana tamin’ny siansa?

Nahazo mikraoskaopy aho tamin’izaho fito taona, ary io no lasa kilalao tiako indrindra. Variana erỳ aho nandinika bibikely tamin’ilay izy, ohatra hoe lolo.

Nahoana ianao no nieritreritra ny famoronana indray?

Tamin’izaho 22 taona, dia nihaona tamin’ny vehivavy iray mpahay siansa. Vavolombelon’i Jehovah izy, ary nino ny Mpamorona. Hafahafa tamiko izany, ka saika handresy lahatra azy aho hoe minomino foana izy. Gaga anefa aho satria nitombina tsara ny fanazavany. Lasa nahaliana ahy ny hevitry ny olona mino an’Andriamanitra.

Nahita Vavolombelona hafa indray aho tatỳ aoriana. Tena nahay momba ny fitsaboana izy. Te hiresaka tamiko momba ny finoany, hono, izy ka nanaiky aho. Tiako ho fantatra mantsy hoe nahoana no misy olona mino an’Andriamanitra. Izaho koa te handresy lahatra azy hoe diso hevitra izy.

Dia resy lahatra ve izy?

An an an. Rehefa nikaroka aho, dia na izaho aza gaga nahita ny  hevitry ny mpahay siansa malaza sasany. Misy, ohatra, niteny hoe tsy avy eto an-tany mihitsy no niandohan’ny fiainana, satria na ny sela tena tsotra aza dia be pitsiny be. Misy mihitsy aza milaza fa avy any amin’ny planeta hafa ireny sela ireny. Tsy hita ihany izay marina satria nifanohitra be ny hevitr’izy ireo.

Tsy mba nisy hevitra nitovizan’izy ireo ve?

Mahagaga fa mpahay siansa maro no mihevitra fa zavatra tsy mananaina no niova ho azy ho mananaina, saingy tsy hainy hoe tamin’ny fomba ahoana. Dia lasa saina aho hoe: ‘Nahoana moa ry zareo no manizingizina hoe tsy misy ny Mpamorona? Izy ireo aza tsy mahay akory hoe ahoana no nampisy ny fiainana raha tsy nisy namorona.’ Nanomboka nandinika ny Baiboly àry aho.

Dia inona ny hevitrao momba ny Baiboly?

Arakaraka ny nandinihako azy io no nahitako fa marina ny zavatra lazainy. Vao haingana, ohatra, ny mpahay siansa no nahafantatra hoe nisy fiandohana izao rehetra izao. Efa 3 500 taona anefa ny Baiboly no nilaza hoe: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” * Hitako koa fa rehefa miresaka zavatra mifandray amin’ny siansa ny Baiboly, dia marina foana ilay izy.

Hitako fa rehefa miresaka zavatra mifandray amin’ny siansa ny Baiboly, dia marina foana ilay izy

Sarotra taminao ve ny nino an’Andriamanitra satria ianao mpahay siansa?

Tsy izany ka. Marina fa efa nianatra siansa nandritra ny telo taona teny amin’ny oniversite aho, vao lasa nino an’Andriamanitra. Arakaraka ny nandinihako ny natiora anefa, dia vao mainka resy lahatra aho hoe misy ny Mpamorona.

Mba milazà hoe ohatra.

Nianarako ny vokatry ny fanafody sy ny poizina, eo amin’ny zavamananaina. Ny tena nahagaga ahy dia hoe maninona ny atidoha no voaro amin’ny bakteria sy ny poizina. Hay na dia misy bakteria tafiditra aza ao amin’ny ra, dia misy zavatra manakana ny ra tsy hiditra ao anatin’ny selan’ny atidoha.

Dia inona no mahagaga amin’izany?

Zato taona mahery izay, dia hitan’ny mpikaroka fa ny zavatra ampidirina amin’ny lalan-dra dia entin’ny ra miely eran’ny vatana, kanefa tsy tonga any amin’ny atidoha sy ny tsokan-damosina. Mahagaga izany satria misy lalan-dra madinika kely maro be, mifandray amin’ny sela tsirairay ao amin’ny atidoha ka tokony hoe ho tafiditra ao ny ra. Ny ra koa no mamelona sy manadio ny selan’ny atidoha, sady mitondra oksizenina mankao. Koa nahoana àry no hoe tsy tafiditry ny ra ny selan’ny atidoha? Ela be tatỳ aoriana vao fantatra izany.

Hazavao tsara hoe ilay izy.

Ny fantsona plastika izao, tsy tafiditra ao anatiny ny zavatra etỳ ivelany. Fa ny lalan-dra kosa tsy hoatr’izany, satria vita amin’ny sela. Afaka miditra na mandalo amin’izy ireny àry ny mikraoba sy ny zavatra hafa. Hafa mihitsy anefa ny selan’ny lalan-dra ao amin’ny atidoha. Mifanakaiky be mantsy izy ireo, sady miavaka ny fomba fiasany. Nahoana? Tsy ny zava-drehetra no afaka miditra na mandalo eo aminy. Avelany hivoaka na hiditra mankany amin’ny atidoha, ohatra, ny oksizenina sy gazy karbonika ary gliokaozy. Sakanany kosa anefa ny zavatra hafa, toy ny proteinina sy ny selan’ny ra. Voasivana hatramin’ny molekiola àry, mba tsy ho tafiditra any amin’ny atidoha mihitsy ny vaingan-javatra, na zavatra simika, na herinaratra. Tsy ho nisy ho azy mihitsy izany amiko.