Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny fizarana anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vavolombelon’i Jehovah

Malagasy

Mifohaza!  |  Aprily 2014

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Etazonia

Natao nifanaraka tsara daholo ireo jiro 4 500, izay mandrindra ny fifamoivoizana manerana an’i Los Angeles, Kalifornia. Mahavariana izany satria faritra 1 215 kilaometatra toradroa ilay izy. Voalazan’ny gazety The New York Times fa i Los Angeles no “tanàn-dehibe voalohany eran-tany nanao an’izany.”

Zava-misy Eran-tany

Araka ny tatitra vao haingana dia nitombo 82 isan-jato ny olona matavy loatra, teo anelanelan’ny 1990 sy 2010. Marina fa firenena maro no mbola tsy ampy sakafo. Avo telo heny mahery noho ny matin’ny hanoanana anefa no matin’ny hatavezana be loatra. Hoy i Majid Ezzati, mpikaroka: “Roapolo taona lasa izay, dia tsy ampy sakafo ny olona. Ankehitriny kosa be loatra ny sakafo, sady sakafo tsy mahasalama, na dia any amin’ny tany mahantra aza, ka lasa marary ny olona.”

Nosy Midway

Misy karazana lohovava iray any Laysan, Hawaii, ary vao foy indray ny atodiny iray. Voalaza fa io no “voron-dia antitra indrindra.” Firy taona izy io? Efa 60 mahery, satria tamin’ny 1956 no nasiana fehy famantarana ny tongony, tamin’izy 5 taona tany ho any. Efa nanidina telo na efatra tapitrisa kilaometatra izy raha atambatra. Mitovitovy amin’ny hoe inenina mandroso sy miverina miainga eto an-tany mankeny amin’ny volana izany.

Afrika Atsimo

Hita tamin’ny fanadihadiana fa vehivavy 1 ao anatin’ny 3 no mampiasa savony na menaka tarehy mampahazava hoditra. Mankarary anefa izy ireny, ka firenena maro no nandrara azy. Anisan’ny voka-dratsin’izy ireny ny aretina toy ny kansera, aretin’ny voa, tandimerina, olatra, ary adin-tsaina na hakiviana.