Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana An’ireo Nidonam-pahoriana

Fanampiana An’ireo Nidonam-pahoriana

Fanampiana An’ireo Nidonam-pahoriana

“Akaikin’izay torotoro fo i Jehovah.”—Salamo 34:18.

MARO ny fihetseham-po mety hifamahofaho ao am-ponao raha namoy havan-tiana ianao. Mety ho taitra be ianao, ho ankona, halahelo, ary angamba hanamelo-tena na ho tezitra mihitsy. Tsy mitovy ny fomba anehoan’ny olona ny alahelony, araka ny hitantsika teo aloha. Mety tsy ho tsapanao avokoa àry ireo fihetseham-po ireo, ary mety tsy hitovy amin’ny an’ny hafa ny fomba anehoanao alahelo. Tsy diso anefa ianao raha mamoaka ny fihetseham-ponao.

“Avoahy daholo ny alahelonao”

Niezaka nitazona ny alahelony i Heloisa, ilay mpitsabo voaresaka teo aloha, rehefa maty ny reniny. Hoy izy: “Nitomany aho tamin’ny voalohany, nefa notazoniko ny alaheloko avy eo, toy ny fanaoko rehefa maty ny olona tsaboiko. Izany angamba no nankarary mafy ahy. Izao no atoroko an’ireo namoy havan-tiana: Avoahy daholo ny alahelonao dia ho maivamaivana ianao!”

Mbola mety halahelo be ihany anefa ianao, rehefa afaka andro na herinandro maro atỳ aoriana. Izany no tsapan’i Cecília rehefa matin’ny kansera ny vadiny. Hoy izy: “Kivy aho indraindray satria mbola malahelo ihany. Tokony ho efa tafarina amin’izay aho, hoy ny olona sasany.”

Raha izany no tsapanao, dia tadidio fa tsy misy fomba “tena mety” anehoana alahelo. Mahavita manohy ny fiainany ihany ny olona sasany. Raha tsy mahavita izany kosa ianao, dia aza mieritreritra hoe misy “fotoana tsy maintsy enjehina” ka tsy maintsy tafarina tsara ianao mandra-pahatongan’izay. *

Ahoana anefa raha tsy mety afaka ny alahelonao, ary mitady hamoy fo ianao? Mety hitovy amin’i Jakoba ianao. “Tsy nety nampiononina” io lehilahy marina io rehefa nilazana fa maty i Josefa zanany lahy. (Genesisy 37:35) Inona àry no azonao atao mba tsy hahatonga anao halahelo be loatra?

Karakarao ny tenanao. Hoy i Cecília: “Lanaka aho indraindray ka toy ny mizaka ny tsy eran’ny aiko.” Misy vokany ratsy eo amin’ny vatana sy ny toe-po tokoa ny alahelo. Karakarao tsara àry ny fahasalamanao. Mialà sasatra tsara ary mihinàna sakafo mahasalama.

Marina fa mety halain-komana ianao, ary ho kamo hiantsena na hahandro. Ho mora marary anefa ianao raha tsy misakafo firy ka vao mainka halahelo. Mihinàna kely, fara faharatsiny, mba ho salama tsara foana. *

Manaova fanatanjahan-tena raha mety, na dia hoe mandeha an-tongotra fotsiny aza. Amin’izay ianao mba mivoaka ny trano. Hamokatra andôrfinina koa ny atidohanao raha manao fanatanjahan-tena voalanjalanja ianao. Zavatra simika mahatonga anao hahazo aina tsara kokoa izy io.

Ekeo ny fanampian’ny hafa. Tena ilaina izany, indrindra ho an’ny maty vady. Mety ho nisy zavatra maro nosahanin’ilay vadinao, nefa tsy misy manao intsony izany izao. Mety tsy ho vitanao irery, ohatra, amin’ny voalohany, ny hitantana ny vola ao an-trano na ny hanao raharaha, raha ny vadinao foana no nanao izany taloha. Tena hanampy anao ny torohevitra voalanjalanja omen’ny namanao, amin’izay.—Ohabolana 25:11.

Milaza ny Baiboly fa “natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana” ny tena namana. (Ohabolana 17:17) Aza mieritreritra àry hoe hanahirana olona ianao ka mila mitokantokana. Tena hanampy anao kosa ny fiarahana amin’ny hafa. Izany no nanampy an’i Sally, tamin’izy namoy ny reniny. Hoy izy: “Maro ny namako niantso ahy hiara-manao zavatra aminy. Nanirery be aho ka tena nanampy ahy izany. Tiako rehefa mba nisy nametraka fanontaniana tsotra toy ny hoe: ‘Manao ahoana izao ianao hatramin’ny nahafatesan’ny mamanareo?’ Nihanisinda ny alaheloko rehefa niresaka momba an’i Neny aho.”

Avelao hitamberina ny lasa. Miezaha hitadidy an’ireo fotoana mamy niarahanareo, angamba amin’ny fijerena sary. Mety hampalahelo be anao izany amin’ny voalohany. Tsy hampalahelo intsony anefa izany fa mety hampisinda ny alahelonao kosa, rehefa mandeha ny fotoana.

Azonao atao koa ny manao diary. Soraty ao ny fotoana mamy niarahanareo, ary na dia ny zavatra tianao ho nolazaina taminy tamin’izy mbola velona aza. Mety ho takatrao kokoa ny fihetseham-ponao rehefa vakinao amin’ny taratasy. Ho afaka hamoaka tsara ny ao am-ponao koa ianao raha manoratra.

Ary ahoana ny amin’ireo zavatra tehirizina ho fahatsiarovana? Tsy mahagaga raha tsy mitovy hevitra momba izany ny olona, satria samy manana ny fomba anehoany ny alahelony. Misy mihevitra fa tsy manampy azy hiarina izany. Tena manampy ny hafa kosa izany. Hoy ihany i Sally: “Maro ny zavatr’i Neny notehiriziko. Manampy ahy hizaka ny alaheloko izany.” *

Miantehera amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” Hoy ny Baiboly: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.” (Salamo 55:22) Tsy hoe fomba ampitonena fotsiny ny vavaka, fa tena ilaina. Miresaka amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra” mantsy isika rehefa mivavaka ary “mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy.”—2 Korintianina 1:3, 4.

Ny Tenin’Andriamanitra no manome ny fampiononana tsara indrindra. Hoy ny apostoly Paoly: “Manantena amin’Andriamanitra aho ... fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Ny misaintsaina an’ilay fampanantenan’ny Baiboly momba ny fitsanganana amin’ny maty no mampionona indrindra rehefa misy havana maty. * Hitan’i Lauren hoe marina izany. Maty tampoka noho ny loza ny zandriny lahy mbola tanora. Hoy izy: “Na malahelo toy inona aza aho, dia raisiko ny Baiboly ary vakiko, na dia andininy iray monja aza. Mamaky andininy mampahery aho, ary averimberiko izany. Nampahery ahy, ohatra, ilay tenin’i Jesosy tamin’i Marta taorian’ny nahafatesan’i Lazarosy. Hoy izy: ‘Hitsangana ny anadahinao.’ ”—Jaona 11:23.

‘Tsy voatery halahelo be loatra ianao’

Ho afaka hiatrika ny fiainana ianao raha miezaka mizaka ny alahelonao, na dia mety ho mafy be aza izany. Aza manamelo-tena raha mandeha tsara ihany ny fiainanao. Aza mieritreritra hoe mamadika na manadino an’ilay havanao ianao, raha manao izany. Tsy hohadinoinao mihitsy izy, raha ny marina. Mety hisy fahatsiarovana hitamberina tampoka, kanefa hisinda tsikelikely ny alahelonao.

Mety ho tianao be koa izay fahatsiarovana sendra mitamberina ao an-tsainao, na tsara izany na ratsy. Hoy ihany, ohatra, i Ashley: “Tadidiko ilay andro talohan’ny nahafatesan’i Neny. Hoatran’ny nihasalama izy ary tamin’izay vao nitsangana teo am-pandriana. Nibango ny volony ny zokiko vavy, ary nisy zavatra nampihomehy anay telo mianaka. Efa ela aho no tsy nahita an’i Neny nihomehy be toy izany. Faly erỳ izy niaraka tamin’ny zanany vavy.”

Mety ho tsaroanao koa ny torohevitra mahasoa nomen’ilay havanao maty. Hoy, ohatra, i Sally: “Tena nahay nampianatra i Neny. Nanome torohevitra tsara izy nefa tsy nibedibedy be. Nampianariny handray fanapahan-kevitra tsara avy amin’ny nahim-poko aho, fa tsy hoe hanao izay tian’izy sy Dada fotsiny.”

Raha mahatsiaro an’ilay havanao maty ianao, dia izay mihitsy angamba no hanampy anao hanohy ny fiainanao. Izany no tsapan’ny tovolahy atao hoe Alex. Hoy izy: “Rehefa maty i Dada, dia tapa-kevitra aho hoe hanaraka an’izay nampianariny, izany hoe hankafy fiainana foana. Izao no lazaiko amin’ny kamboty rehetra: Halahelo ny rainao sy ny reninao foana ianao, nefa tsy voatery halahelo be loatra. Afaka mitomany sy malahelo ianao, nefa aza hadinoina fa tokony hankafy ny fiainanao koa ianao.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Tsy tsara ny manapa-kevitra maimaika, ohatra hoe hifindra trano na hanambady indray. Tokony ho efa nisy fotoana ampy nahafahanao nizatra an’ilay fiovana lehibe, vao mandray fanapahan-kevitra toy izany ianao.

^ feh. 10 Mety hanamaivana ny alahelonao ny toaka, nefa vetivety ihany izany. Tsy hanampy anao intsony ny toaka rehefa ela ny ela, ary mety ho lasa mpisotro toaka ianao.

^ feh. 16 Tsy tokony hoteren’ny havana aman-tsakaiza hanaraka ny heviny momba izany ny olona nidonam-pahoriana, satria tsy mitovy ny fomba anehoan’ny olona ny alahelony.—Galatianina 6:2, 5.

^ feh. 18 Misy fanazavana bebe kokoa momba ny maty sy ny fampanantenan’Andriamanitra fitsanganana amin’ny maty, ao amin’ny toko 6 sy 7 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 8]

“Na malahelo toy inona aza aho, dia raisiko ny Baiboly ary vakiko, na dia andininy iray monja aza”—Lauren

[Efajoro/Sary, pejy 7]

FIATREHANA NY FAHATSAPANA HO MELOKA

Heverinao angamba fa nisy tsirambina nataonao, ka nahatonga ilay havanao ho faty. Mety hahasoa ny mahatakatra fa ara-dalàna amin’ny olona malahelo ny mahatsapa ho meloka, na tena meloka izy na tsia. Eto indray dia aza mihevitra fa tokony hokoboninao izany. Hahazo ilay fanamaivanana tena ilainao ianao, raha resahinao amin’olon-kafa io fahatsapanao ho meloka io.

Aoka ho fantatrao anefa, fa na tianao toy inona aza ny olona iray, dia tsy afaka mitantana ny fiainany ianao, na hisakana azy tsy “ho azon-tsampona ... amin’ny fotoana tsy ampoizina.” (Mpitoriteny 9:11) Tsy nieritreritra hanao ratsy mihitsy ianao. Ohatra, rehefa tsy nanatona dokotera taloha kokoa ianao, ny hahatonga ilay havanao harary sy ho faty ve no zava-kendrenao tamin’izany? Mazava ho azy fa tsia! Tena ianao ve izany no nahatonga an’io olona io ho faty? Tsia.

Niezaka niatrika ny fahatsapana ho meloka ny reny iray, rehefa maty tamin’ny lozam-piarakodia ny zanany vavy. Hoy izy: ‘Nahatsapa ho meloka aho satria izaho no naniraka azy. Takatro anefa fa hadalana ny fiheverana toy izany. Tsy diso mihitsy aho raha naniraka azy sy ny dadany. Loza nahatsiravina fotsiny ilay izy.’

‘Misy zavatra betsaka tiako ho nolazaina na natao anefa ange e!’, hoy angamba ianao. Marina izany, nefa iza amintsika moa no afaka milaza fa ray na reny na zanaka lavorary izy? Hoy ny Baiboly: “Manao fahadisoana imbetsaka ... isika rehetra. Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary.” (Jakoba 3:2; Romanina 5:12) Ekeo àry fa tsy lavorary ianao, ary marina izany. Tsy hampiova na inona na inona ny mieritreritra foana hoe “tahaka izay...” Mety hampiadana ny fahasitrananao fotsiny izany. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 36 Avy ao amin’ilay bokikely hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 6]

Tsy maintsy mampahery ny zanany nidonam-pahoriana ny ray na reny malahelo, indraindray

[Sary, pejy 9]

Mety ho mora kokoa aminao ny hizaka ny alahelonao raha manao diary ianao, mijery sary, ary manaiky hampiana