Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza re no Namana Mety Amiko E?

Iza re no Namana Mety Amiko E?

Manontany ny Tanora Hoe...

Iza re no Namana Mety Amiko E?

“Iraika amby roapolo taona aho ary vitsy no mitovy taona amiko. Voatery minamana amin’ny ankizy mbola eny amin’ny lise àry aho, na minamana amin’ny olona efa manambady. Ireo ankizy ireo anefa miasa saina be amin’ny fanadinana. Ny mpivady kosa manahy momba ny trano ipetrahany. Samy tsy mahaliana ahy izany. Tiako raha mba mahita namana mety amiko aho.”—Sariaka. *

SAMY te hana-namana ny ankamaroantsika, na firy taona na firy taona. Azo antoka fa izany koa no tsapanao. Malahelo mafy àry ianao rehefa voailikilika sy tsy misy miraharaha, toy izay nahazo an’i Zoly, 15 taona. Nilaza izy fa “tsy mba misy mahamarika.”

Mazava ho azy fa azonao atao namana ireo “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana”, raha Kristianina ianao. (1 Petera 2:17) Mbola mety hahatsapa ho tsy mahita namana ihany anefa ianao indraindray. Hoy i Holy, 20 taona: “Nipetraka tany aoriana amin’ny fiara aho ary nitomany, isaky ny avy namonjy fivoriana kristianina. Miezaka ny hahazo namana aho nefa vao mainka diso fanantenana.”

Ahoana raha tsy mety mahita namana ianao? Mba hamaliana izany, dia jereo aloha hoe 1) ny miaraka amin’olona hoatran’ny ahoana no tena tsy ahazoanao aina, ary 2) ahoana no ataonao rehefa tafaraka aminy.

Asio ✔ eo akaikin’izay sokajin’olona hitanao hoe sarotra hatao namana.

1. Taonany

□ zandrinao □ mitovy aminao □ zokinao

2. Fahaizany

□ tia spaoro □ manan-talenta □ kinga saina

3. Toetrany

□ matoky tena □ malaza □ tia mitsitokotoko

Asio ✔ indray izay hitanao hoe mahalaza tsara an’izay ataonao rehefa tafaraka amin’ilay sokajin’olona nomarihinao ianao.

□ Miseho ho toa azy ireo koa aho.

□ Tsy raharahaiko izay mahaliana azy fa ny ahy ihany no resahiko.

□ Mangina aho ary mitady hirika hialana.

Fantatrao izao ny sokajin’olona hitanao hoe sarotra hiarahana sy ny fihetsikao rehefa tafaraka aminy. Afaka mandinika ny fomba mety hahazoanao namana isika izao. Tokony ho fantatrao anefa aloha ireo sakana mety tsy hahazoanao namana ka tokony hohalavirinao.

SAKANA 1: Tia mitokantokana

Olana. Rehefa ianao irery no tsy mahay na tsy liana amin’ny zavatra tian’ny olona tafaraka aminao, dia mora aminao ny mieritreritra hoe hafahafa ianao, indrindra moa raha saro-kenatra ianao. Hoy i Anja, 18 taona: “Matahotra aho sao hiteniteny foana rehefa mba miditra amin’ny resaka iray. Tsy tiako mihitsy rehefa tratran’izany aho.”

Izay lazain’ny Baiboly. “Izay mitokantokana dia tsy mitady afa-tsy izay mahafinaritra ny tenany, ka toheriny daholo rehefa mety ho hevitra feno fahendrena.” (Ohabolana 18:1) Vao mainka ho ratsy ny vokany raha mitokantokana ianao. Hahita olana tsy misy farany ianao raha manao izany. Raha manirery mantsy ianao, dia hieritreritra fa tsy mety aminao ny miaraka amin’ny hafa, ary lasa mihatakataka amin’izy ireo ianao, ka lasa manirery indray. Dia ny eo ihany no ho eo raha tsy manao zavatra ianao!

“Tsy mpaminany ny olona. Tsy ho azonao izay ilainao raha tsy miteny ianao. Tsy hahita namana ianao raha tsy miresaka. Mila miezaka ianao, fa tsy rariny raha ny hafa no andrasanao hanao izany. Samy mila miezaka ny mpinamana.”—Melinda, 19 taona.

SAKANA 2: Very hevitra

Olana. Efa te hana-namana loatra ny sasany ka any amin’ny naman-dratsy no mifatratra. Aleo, hono, mana-namana toy izay tsy manana mihitsy. Hoy i Riana, 15 taona: “Nalahelo be aho satria tsy anisan’ilay andian’ankizy nalaza tao am-pianarana. Nitady hanaonao foana mihitsy aho mba ho tian-dry zareo.”

Izay lazain’ny Baiboly. Hoy ny Ohabolana 13:20: ‘Hahita loza izay minamana amin’ny tsisy saina’, na “amin’ny adala”, araka ny Fandikan-teny Protestanta. Tsy voatery ho olona tsy mahay na inona na inona no tiana horesahina amin’ny hoe “tsisy saina” sy “adala” eto. Mety ho mpianatra mahay be izy ireo. Toy ny adala anefa izy ireo amin’Andriamanitra, raha tsy miraharaha ny fitsipiky ny Baiboly. Hijaly ianao raha miezaka ny hitovy amin’izy ireo, toy ny tanalahy miovaova loko.—1 Korintianina 15:33.

“Tsy ny rehetra no namana tsara. Tsy tianao ny namana mahatonga anao hahatsapa hoe mila manafin-toetra ianao rehefa miaraka aminy. Mahafinaritra kosa ny namana tena tia sy vonon-kanampy foana.”—Paula, 21 taona.

Manaova zavatra voalohany

Aza miandry ny olona hanatona anao sy hampiditra anao ho anisan’ny namany. Hoy i Hoby, 21 taona: “Tsy tokony hanantena isika hoe ny olona foana no hanatona antsika. Isika no tokony hanatona ny hafa.” Ireto misy soso-kevitra roa hanampy anao amin’izany:

Mitadiava namana tsy mitovy taona aminao. Mpinamana be i Davida sy Jonatana, voaresaka ao amin’ny Baiboly, nefa 30 taona teo ho eo no elanelan’izy roa lahy. * (1 Samoela 18:1) Midika izany fa azo atao ny minamana amin’ny olon-dehibe. Nahoana tokoa moa ianao no mimenomenona hoe tsy mahita namana, nefa izay mitovy taona aminao ihany no tadiavinao? Toy ny hoe maty noana eo amin’ny nosy iray tsy misy na inona na inona ianao, nefa feno trondro manodidina anao. Tena misy olona tsara azonao atao namana koa manodidina anao. Ho hitanao izy ireny raha tsy ireo mitovy taona aminao ihany no tianao hatao namana.

“Nampirisihan’i Neny hiresaka tamin’ireo zokinjokiny teo anivon’ny fiangonana aho. Ho gaga, hono, aho hahita fa betsaka ny zavatra itovizanay. Marina ny azy ary lasa be namana tokoa aho izao!”—Helena, 20 taona.

Mianara miresaka. Mila miezaka ianao rehefa miresaka, indrindra raha saro-kenatra. Ho vitanao anefa izany raha 1) mihaino ianao, 2) mametraka fanontaniana, ary 3) tena liana amin’ilay resaka.

“Miezaka mihaino aho fa tsy be resaka. Miezaka ny tsy hanaratsiratsy olona aho rehefa miresaka, ary tsy ny momba ahy foana no resahiko.”—Serena, 18 taona.

“Rehefa misy olona te hiresaka momba ny zavatra tsy haiko tsara, dia asaiko manazava izy. Lasa miresaka kokoa amiko izy amin’izay.”—Jared, 21 taona.

Efa tsy be teny mihitsy angamba ianao, ary tsy misy maharatsy an’izany. Tsy voatery hiova anefa ianao ka hiresaka be tampoka. Ampiharo ireo soso-kevitra voalaza tato, raha hitanao hoe sarotra aminao ny mahita namana. Mety hitovy amin’i Léa ianao. Hoy izy: “Saro-kenatra aho ka tsy maintsy miezaka miresaka. Tokony ho sariaka anefa ianao mba hahazoana namana. Nanomboka niresaka àry aho.”

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

^ feh. 29 Toa mbola tsy ampy 20 taona i Davida tamin’izy sy Jonatana lasa mpinamana.

[Efajoro/Sary, pejy 19]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

“Miezaka miresaka amin’ny olona aho any amin’ny fivoriana kristianina, fara faharatsiny, amin’ny olona iray tsy noeritreretiko hiresahana. Hitako hoe raha arahabaiko ilay olona, dia efa mety ho lasa namako.”

“Nitokantokana aho taloha ary nieritreritra hoe tsy tian’ny olona sady tsy hana-namana mihitsy. Tena sarotra ny niala tamin’izany. Nisy vokany ihany anefa ny ezaka nataoko sady nanampy ahy hanana toetra tsara.”

“Niditra tsimoramora tamin’ny resaky ny olon-dehibe aho. Hafahafa be izany tamin’ny voalohany! Nahasoa ahy anefa izany satria mbola kely aho dia efa nanana namana azo itokisana.”

[Sary]

Lauren

Reyon

Carissa

[Efajoro, pejy 20]

ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO

Mora nahita namana ve ianareo tamin’ianareo hoatr’ahy? Ny ninamana tamin’ny olona hoatran’ny ahoana no tena sarotra taminareo? Ahoana no nataonareo?

․․․․․

[Kisary, pejy 20]

(Jereo ny gazety)

OLANA MIFAMPIDIPIDITRA REHEFA MANIRERY

MANIRERY

aho ka lasa

mahatsiaro ho... ↓

... AILIKILIKA

↑ ary lasa...

... MIHATAKATAKA amin’ny ←

olona, ka lasa

mahatsiaro ho...