Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Handaza ny Namako ve Aho?

Tokony Handaza ny Namako ve Aho?

Manontany ny Tanora Hoe...

Tokony Handaza ny Namako ve Aho?

“Sarotra be ilay izy. Namako mantsy ilay ankizy.”—Jery. *

“Mafy be ilay izy tamin’ny voalohany. Niavonavonan’ny namako aho, satria nandaza azy.”—Hanta.

‘MISY namana mifikitra noho ny rahalahy’, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 18:24) Mana-namana toy izany ve ianao? Nahazo zava-tsarobidy ianao, raha izany.

Ahoana anefa raha misy namanao kristianina nanao zavatra tsy nety? Ahoana, ohatra, raha lasa naloto fitondran-tena izy, na nifoka sigara, nisotro toaka nefa mbola tsy ampy taona, nidoroka zava-mahadomelina, na nanao fahotana lehibe hafa? (1 Korintianina 6:9, 10; 1 Timoty 1:9, 10) Inona no tokony hataonao? Hiteny an’ilay namanao ve ianao? Hiresaka amin’ny ray aman-dreninao ve, sa hiresaka amin’ny ray aman-dreniny? Sa hitantara izany amin’ny anti-panahy? * Mety hiady ve ianareo raha miteny azy ianao na mandaza azy? Sa aleo mangina fotsiny?

Hiteny sa tsy hiteny?

Manao fahadisoana daholo ny rehetra. Hoy tokoa ny Baiboly: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.” (Romanina 3:23) Misy anefa manao fahotana lehibe. Ny hafa indray “manao fahadisoana” mety hiteraka olana hafa, rehefa tsy hahitsy. (Galatianina 6:1) Ity misy ohatra tena nisy.

Fantatr’i Susan fa manana toerana manokana ao amin’ny Internet ny ankizivavy iray namany, izay Kristianina toa azy. Misy sary manaitra ny faniriana hanao firaisana sy mozika misy tonony mamoafady anefa ao amin’ilay izy.

Diniho izao: Inona no ho nataonao, raha ianao no Susan? Hangina fotsiny ve ianao? Sa hilaza ianao fa anjaran’ilay namanao ny manapa-kevitra ny amin’izay tiany hapetraka ao amin’ny Internet? Inona no holazainao an’i Susan raha maka hevitra aminao izy?

․․․․․

Izao no nataon’i Susan: Nanapa-kevitra ny hiresaka tamin’ny ray aman-drenin’ilay namany izy, rehefa avy nieritreritra tsara. Hoy izy: “Natahotra aho, satria namako be koa ry zareo. Nitomany mihitsy aho, satria mafy tamiko ny niresaka izany tamin-dry zareo.”

Ahoana no hevitrao? Nety ve ny nataony, sa tsara kokoa raha nangina fotsiny izy?

Ireto misy hevitra hanampy anao handinika tsara:

Inona no hataon’ny tena namana? Hoy ny Ohabolana 17:17: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” Rehefa mandika ny toro lalan’ny Baiboly ny olona iray, dia efa ao anatin’ny ‘fahoriana’ izy, na fantany izany na tsia. Marina fa tsy tsara ny hoe “marina loatra”, ka mitsingoloka fahadisoana madinika. Tsy tena namana anefa izay mody tsy mahita ny fitondran-tena ratsy. (Mpitoriteny 7:16) Tsy mety àry ny mangina fotsiny.—Levitikosy 5:1.

Ahoana raha ianao no ray aman-drenin’ilay ankizy? Manontania tena hoe: ‘Raha ny zanako no manana toerana manokana misy sary manaitra ny faniriana hanao firaisana, ao amin’ny Internet, ho tiako ve ny hahafantatra izany? Ahoana raha misy naman’ny zanako nahalala izay nitranga, nefa tsy niteny?’

Tsy tokony hodinihina ve ny fitsipik’Andriamanitra? Tsy fotoana anginana amin’izay. Tokony harahina kosa ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly. Mampifaly ny fon’ny Mpamorona ianao, rehefa miaro foana ny fahamarinana. (Ohabolana 27:11) Ho maivamaivana koa ianao, satria fantatrao fa izay tena hahasoa an’ilay namanao no nataonao.—Ezekiela 33:8.

“Misy fotoana itenenana”

Milaza ny Baiboly fa “misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.” (Mpitoriteny 3:7) Tsy mahalala izay tokony hatao mazàna ny ankizy kely. Rehefa manao ratsy ny namany, dia mieritreritra izy hoe: ‘Tsy tiako hahita olana ny namako’ na ‘tsy te hiady amin’ny namako aho.’ Raha ireo fotsiny no dinihina, dia mora ny mahita hoe ‘fotoana [tokony] hanginana’ amin’izay.

Efa mihalehibe anefa ianao, ka matotra kokoa rehefa mandini-javatra. Takatrao fa efa mahita olana ilay namanao ka mila ampiana, ary afaka manampy azy ianao. Inona, ohatra, no azonao atao, raha fantatrao fa misy namanao nanao zavatra mifanohitra amin’ny lalàna na toro lalan’ny Baiboly?

Hamarino aloha raha marina ny zavatra renao. Mety ho tsaho fotsiny mantsy ilay izy. (Ohabolana 14:15) Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Katie: “Nisy namako nanendrikendrika ahy, ka nino azy ny olona akaiky ahy. Natahotra aho hoe tsy hisy olona hino ahy intsony!” Efa nilaza mialoha ny Baiboly fa tsy “hananatra araka izay ren’ny sofiny” i Jesosy, izany hoe tsy hihaino tsaho izy. (Isaia 11:3) Inona no lesona ianarana avy amin’izany? Aza maika hino hoe marina daholo izay renao. Fantaro kosa ny tena zava-misy. Diniho ity zava-nitranga tena nisy ity.

Ren’i Jery, voalaza tetsy aloha, fa nampiasa zava-mahadomelina tamin’ny fety iray ny namany.

Diniho izao: Inona no ho nataonao, raha ianao no Jery? Ahoana no ahafantaranao raha marina ilay zavatra renao?

․․․․․

Izao no nataon’i Jery: Mody tsy nandre na nahalala na inona na inona izy, tamin’ny voalohany. “Nanomboka nanenjika ahy anefa ny eritreritro”, hoy izy. “Fantatro fa tokony hiteny an’ilay namako aho.”

Ahoana no hevitrao? Inona no mahatsara ny hoe ilay olona voalaza ho nanao ratsy aloha no iresahana?

․․․․․

Inona koa no azonao atao, raha sarotra aminao ny miresaka izany amin’ilay olona?

․․․․․

Niaiky ilay naman’i Jery fa tena nampiasa zava-mahadomelina izy tamin’ilay fety. Niangavy an’i Jery anefa izy mba tsy hiteniteny amin’iza na iza. Te hanao ny tsara anefa i Jery, ary tiany hanao toy izany koa ilay namany. Nomeny herinandro àry izy mba hiresahana izany amin’ny anti-panahin’ny fiangonany. Raha tsy manao izy, dia i Jery mihitsy no hiresaka an’ilay izy.

Araka ny hevitrao, mety sa tsia, ny nataon’i Jery? Nahoana?

․․․․․

Tsy nankany amin’ny anti-panahy ilay naman’i Jery, ka izy mihitsy no niresaka tamin’izy ireo. Tonga saina ihany anefa ilay namany tatỳ aoriana. Nampian’ny anti-panahy izy hahita fa mila mibebaka sy mifandray tsara amin’i Jehovah indray.

Be tati-bolana ve ianao?

Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Tsy be tati-bolana ve aho raha mandaza an’ilay namako? Tsy mora kokoa ve ny mody tsy mahalala na inona na inona?’ Inona no azonao atao raha ianao no sendra an’izany?

Mety ho mora ny mangina fotsiny, nefa tsy maneho fitiavana an’ilay olona izany. Tsy mora foana koa anefa ny maneho fitiavana, ka manao ny tsara. Mila herim-po àry ianao mba hilazana ny fahotan’ny namanao. Maninona raha resahina amin’Andriamanitra ao amin’ny vavaka ilay raharaha? Mangataha fahendrena sy herim-po, fa hanampy anao izy.—Filipianina 4:6.

Diniho koa hoe inona no soa horaisin’ilay namanao, raha milaza ny ratsy nataony ianao. Aoka hatao hoe nandeha teny amoron-tevana ianao sy ilay namanao. Nibolisatra izy ka latsaka, ary zavatra kely fotsiny sisa no nitazona azy tsy hianjera any ambany any. Tena mila ampiana àry izy. Ahoana anefa raha menatra izy, ka milaza aminao fa aleony miakatra samirery avy ao amin’ilay tevana? Avelanao hanao izany ve izy, nefa mety hahafaty azy izany?

Toy izany koa rehefa misy namana mandika ny toro lalan’ny Baiboly. Mety hihevitra izy fa afaka mamerina amin’ny laoniny ny fifandraisany amin’i Jehovah, fa tsy mila ampiana. Diso hevitra anefa izy. Marina fa mety ho menatra izy noho ilay zava-nitranga. Mety hamonjy ny ainy anefa ianao, raha miantso olona hanampy azy.—Jakoba 5:15.

Aza matahotra ny hiteny àry raha nanao ratsy ny namanao! Porofoinao fa tsy mivadika amin’i Jehovah sy amin’ilay namanao ianao, rehefa miantso olona hanampy azy. Mety hisaotra anao aza izy any aoriana.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ireo anarana.

^ feh. 6 Eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia ny anti-panahy no manome fanampiana ara-baiboly an’ireo nanao fahotana lehibe.—Jakoba 5:14-16.

ERITRERETO IZAO:

▪ Nahoana no lazaina fa tsy mivadika amin’ny namanao ianao raha mandaza ny ratsy nataony?

▪ Iza avy no olona ao amin’ny Baiboly fantatrao hoe tsy te hivadika amin’i Jehovah sady tsy te hampalahelo ny namany? Inona no azonao ianarana avy amin’izy ireny?

[Sary, pejy 20]

Rehefa misy namanao mandika ny toro lalan’ny Baiboly, dia mitadiava olona hanampy azy