Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no Hahitana ny Valiny?

Aiza no Hahitana ny Valiny?

Aiza no Hahitana ny Valiny?

ANISAN’NY asan’ny fivavahana ny mampianatra hoe inona no antony namoronana ny olona. Maro anefa no mahita fa tsy voavalin’ny fivavahany izany. Katolika, ohatra, i Denise taloha. Hoy izy: “Misy an’ity fanontaniana ity ao amin’ny Katesizin’i Baltimore: ‘Nahoana Andriamanitra no namorona antsika?’ Izao no valiny ao: ‘Namorona antsika izy satria tsara fanahy, ary te haka antsika ho any an-danitra mba ho sambatra mandrakizay.’ ”

Hoy ihany i Denise: “Nahoana àry aho no natao teto an-tany? Inona no tokony hataoko mandra-piakatro any an-danitra?” Tsy i Denise irery no mieritreritra toy izany. Ny androatokon’ny olona nadinadinina no nilaza fa tsy hain’ny ankamaroan’ny fivavahana ny mamaly an’ilay hoe: ‘Inona no antony namoronana antsika?’

Maro àry no mitady valiny any an-kafa. Misy mikaroka any amin’ny boky siansa na filozofia. Tsy mino an’Andriamanitra anefa ny ankamaroan’ny filozofa, sady tsy manaiky hoe misy antony namoronana ny olombelona. Vitsy ihany àry ny olona toa afa-po, fa ny ankamaroany mbola mikaroka foana. Nahoana?

Efa faniriana ao anatintsika

Hoy ilay manam-pahaizana atao hoe Kevin Seybold: “Toa manana faniriana voajanahary hitady zavatra hivavahana ny ankamaroan’ny olona.” Misy mpahay siansa milaza zavatra mitovitovy amin’izany koa. Miteny mihitsy aza ny sasany fa natao hifandray amin’ny hery ambony noho ny zavaboary ny olona, rehefa jerena ny fomba namoronana azy.

Mbola miady hevitra foana ny manam-pahaizana, raha efa faniriana ao anatintsika tokoa ny hivavaka na tsia. Tsy voatery miandry ny valin’izany anefa ny ankamaroan’ny olona, satria tsapany hoe efa faniriana ao anatiny ilay izy. Io faniriana io no mahatonga antsika hanontany hoe: ‘Inona no antony ahavelomantsika? Ahoana no tokony hitondrantsika ny fiainantsika? Tena misy Mpamorona faran’izay mahery ve nanao antsika, ary mbola hitsara antsika izy?’ Misy mihevitra fa fanontaniana tena lehibe ireo.

Hahita ny valin’ny sasany amin’ireo ianao, raha misaintsaina momba ny zavaboary. Tena mahavariana izy ireny, manomboka amin’ny zavamananaina bitika indrindra, ka hatramin’ny vondron-kintana goavana indrindra any ambony tsy taka-maso any. Tsy porofo ve izany fa nisy namorona ny zava-drehetra, ary tena mahay izy? Hoy ny Baiboly: “Fa ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.”—Romanina 1:20.

Mitadiava valiny mahafa-po

Hoy ny Baiboly momba ny olombelona: ‘Nataon’Andriamanitra tao am-pon’ny olona ny mandrakizay.’ (Mpitoriteny 3:11, Fandikan-teny Protestanta) Te ho velona foana isika, fa tsy te ho faty. Efa faniriana nataon’Andriamanitra ao anatintsika izany. Te hahalala koa isika hoe inona no antony namoronana antsika. Ary mbola misy fanontaniana maro manitikitika ny saintsika.

Efa fomban’ny olombelona mihitsy ny manontany. Hoy ny mpanao gazety iray tao amin’ny Gazetin’i Wall Street (anglisy), rehefa avy nitanisa ny zava-bitan’ny olombelona teo amin’ny siansa sy ny teknolojia izy: “Mbola manana fanontaniana maro isika, toy ny hoe iza marina isika, inona no antony namoronana antsika, ary inona no hiafarantsika.” Tsara raha izay manana ny valiny marina no anontaniantsika. Milaza ny Baiboly fa “Andriamanitra” izany, satria izy no “nanao antsika, fa tsy ny tenantsika.”—Salamo 100:3.

Tsy tokony ho any aminy tokoa ve isika no hitady valim-panontaniana? Izy mantsy no namorona ny zava-drehetra, ary tena mahavariana izy ireny. I Jesosy Kristy mihitsy no mampirisika antsika hanao izany. Nilaza izy fa ny Mpamorona ihany no afaka mamaly ny fanontaniantsika, satria avy aminy ny fiainana.—Salamo 36:5, 9; Matio 5:3, 6.

Tena ilaina àry ny mahazo valiny marina amin’ilay fanontaniana hoe: ‘Inona no antony namoronana antsika?’ Ho afa-po isika amin’izay. Diniho izao ny valiny omen’ny Mpamorona.