Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mampidi-doza ve ny Mitady Vady ao Amin’ny Internet?

Tena Mampidi-doza ve ny Mitady Vady ao Amin’ny Internet?

Manontany ny Tanora Hoe...

Tena Mampidi-doza ve ny Mitady Vady ao Amin’ny Internet?

“Mety tsy ho fantatrao tsara ilay olona anoratanao ao amin’ny Internet.”—Dan, 17 taona. *

“Mety handainga ny olona, ao amin’ny Internet. Tsy sarotra ny misandoka.”—George, 26 taona.

MIHABETSAKA eran-tany ny olona tia mitady vady ao amin’ny Internet. Hitantsika tamin’ny lahatsoratra tao amin’ilay gazety talohan’ity, fa vetivety dia mety hifankatia be ny olon-droa mifandray amin’ny alalan’ny Internet, nefa matetika no lefy izany fitiavana izany rehefa miseho ny marina. * Tsy fahadisoam-panantenana fotsiny anefa no vokany. Mety hanimba ny tenanao mihitsy ilay izy, na hiteraka ratram-po, ary hanimba ny fifandraisanao amin’Andriamanitra.

Fa ahoana moa no hoe mety hampidi-doza ny ordinatera, nefa toa tsy misy atahorana ny fijery azy? Misy ifandraisany amin’ity toro lalana lehibe ao amin’ny Baiboly ity ny loza sasany. Hoy ny apostoly Paoly: “Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra [izahay].” (Hebreo 13:18) Tsy te hilaza akory izany hoe tsy manao ny marina ny olona mampiasa Internet, na hanjary tsy hanao ny marina ianao rehefa mampiasa azy io. Tsy maintsy miaiky kosa anefa isika fa tsy manao ny marina ny olona sasany matetika. Mora kokoa ny manao karazana fitaka sasany ao amin’ny Internet, ary sarotra kokoa ny mamantatra azy ireny, araka ny nolazain’ireo olona terỳ am-piandohan’ity lahatsoratra ity. Tena mampidi-doza ny fitaka, indrindra fa eo amin’ny resaka fitiavana.

Mariho, ohatra, ilay karazana fitaka resahin’ity andinin-teny ara-baiboly ity: “Tsy mba miara-mipetraka amin’ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin’ny olom-petsy.” (Salamo 26:4) Inona no tiana holazaina amin’ny hoe “olom-petsy” eto? Mandika azy io hoe “mpihatsaravelatsihy” na “olona manafina ny maha izy azy”, ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany. Milaza ny boky iray fa azo ilazana ny “olona manafina ny fikasany na ny tetiny” io teny io, na “olona manafina ny tena toetrany sy ny tanjony.” Ahoana no isehoan’izany fitaka izany ao amin’ny Internet? Ary inona no loza mety haterak’izany ho an’ireo mitady vady?

Amboadia manao fitafian’ny ondry

Natahotra ny raim-pianakaviana iray atao hoe Michael rehefa nandre tamin’ny seminera iray, fa ankizy maro no mijery toerana mampidi-doza ao amin’ny Internet, na dia efa raran’ny ray aman-dreniny aza. Hoy izy: “Tena gaga aho ary vao mainka nitebiteby, rehefa nahafantatra fa mampiasa Internet ireo mpanao firaisana amin’ankizy, mba hanambatambazana ireo zaza tsy ampy taona hanao firaisana maloto.” Te hifandray amin’olon-kafa angamba ny tanora matoa mampiasa Internet, nefa mety tena hampidi-doza tsy araka izay eritreretiny izany.

Nisy loharanom-baovao nilaza, ohatra, fa nisandoka ho ankizy ny olon-dehibe sasany mpametaveta, rehefa nitady ankizy hofitahina tao amin’ny Internet. Rehefa nadinadinina ireo ankizy mampiasa Internet, dia hita fa “ny ampahadimin’izy ireo no efa nisy nanasa hanao firaisana.” Nilaza koa ny gazety iray fa ankizy 1 tao anatin’ny 33, eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 17 taona, no nadalain’ireny olona ireny imbetsaka, rehefa nandray anjara tamin’ny fifampiresahana tao amin’ny Internet.

Gaga ny tanora sasany rehefa nahafantatra, fa hay olon-dehibe voafonja, ilay hoe “tanora” naharaiki-pitia azy tao amin’ny Internet. Nisy tanora koa lasa nifankatia tamin’ny mpametaveta nefa tsy fantany akory. Ataon’ireny olon-dratsy ireny aloha izay hahatsara resaka azy amin’ilay olona tiany hovetavetaina, mba hahatonga azy io hatoky azy. Manao izay hihaonana amin’ilay olona mihitsy izy rehefa mandeha ny fotoana, mba hanatanterahany ny fanirian-dratsiny. Tena mampalahelo fa nisy tanora voadaroka, voavetaveta, ary maty mihitsy aza, vokatr’izany.

Tena “manafina ny maha izy azy” tokoa ny ratsy fanahy, mba hamitahana olona ao amin’ny Internet. Mampahatsiahy anao ny fanoharan’i Jesosy momba ny mpaminany sandoka angamba izany. ‘Tonga nanao fitafian’ny ondry izy ireo, nefa amboadia mpiremby’ raha ny marina. (Matio 7:15) Mety tsy ho fantatrao mihitsy ny olona iresahanao ao amin’ny Internet, ka tena sarotra ny mamantatra ny fitaka toy ireny. Hoy i George: “Mety hahafantaranao zavatra ny endrika sy ny feon’ny olona iresahanao rehefa mifanatrika aminao izy. Tsy hahita izany mihitsy anefa ianao ao amin’ny Internet, ka ho mora fitahina.”

Feno fahendrena tokoa ity torohevitry ny Baiboly ity: “Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.” (Ohabolana 22:3) Marina fa tsy olon-dratsy mampidi-doza daholo no hitanao ao amin’ny Internet. Misy zavatra hafa koa anefa ataon’ny olona mampiasa Internet, mba ‘hanafenana ny maha izy azy.’

Mitera-doza ny famitahana sy ny fanafenana ny zavatra atao

Matetika no mandoka tena ny olona mitady vady ao amin’ny Internet, na miseho ho manana toetra tsara tsy ananany akory. Hamaivaniny na afeniny ny toetra ratsiny. Nilaza ny mpanoratra iray tao amin’ny Gazetin’i Washington (anglisy) hoe: “Mety hisy vokany ratsy ny fitadiavam-bady ao amin’ny Internet satria mamitaka.” Hoy ihany izy: “Matetika no misandoka ho lehilahy ny vehivavy, ary toy izany koa ny lehilahy. ... Na efa ela aza izy ireo no nifandray, dia matetika tsy lazainy mihitsy ny momba ny karamany, ... ny firazanany, ny heloka vitany, ny fahasalaman’ny sainy ary ny hoe manambady izy sa tsia.” Maro no te hampitandrina ny hafa, ka mitantara ny ratram-pony noho ny famitahan’ilay olona niarahany tao amin’ny Internet.

Misy olona mandainga momba ny raharaha lehibe toy ny fivavahana arahiny koa ve? Mampalahelo fa mitranga izany. Milaza ho tena Kristianina ny olona sasany, nefa tsy izany akory. Nahoana izy no mamitaka toy izany? Satria tsy sarotra ny manao izany ao amin’ny Internet. Niaiky i Sean, tovolahy avy any Irlandy, hoe: “Tena mora ny misandoka, rehefa manoratra eo amin’ny ordinatera ianao.”

Heverin’ny olona maro ho tsy mampaninona loatra izany fitaka izany, ary lazainy fa ara-dalàna raha mifandainga kely ny olona vao manomboka mifankatia. Tadidio anefa fa mankahala ny lainga Andriamanitra. (Ohabolana 6:16-19) Ary misy antony izany. Ny lainga mantsy no fototry ny ankabeazan’ny fijaliana sy ny fahoriana eto an-tany. (Jaona 8:44) Faran’izay ratsy ny fifandraisana miorina amin’ny lainga, indrindra fa raha kasaina haharitra mandritra ny androm-piainana ilay fiarahana. Mbola ratsy kokoa noho izany aza fa manimba ny fihavanany amin’i Jehovah Andriamanitra ny mpandainga.

Mampalahelo fa tsy manao ny marina koa ny tanora sasany, saingy amin’ny fomba hafa. Nifankatia tamin’olona tao amin’ny Internet izy ireo, nefa nafeniny tamin’ny ray aman-dreniny izany. Gaga be, ohatra, ny ray aman-drenin’ny ankizilahy iray, indray andro, rehefa nahita tovovavy iray avy any amin’ny 1 500 kilaometatra, tonga tsy nampoizina tao an-tranony. Tsy nitovy finoana tamin’ilay fianakaviana izy io. Hay efa ho enim-bolana ilay zanany lahy no niaraka tamin’io ankizivavy io tao amin’ny Internet, nefa tsy fantatr’izy ireo izany raha tsy tamin’io fotoana io!

“Fa ahoana koa àry izany?”, hoy ireo ray aman-dreny. Nieritreritra izy ireo fa tsy ny zanany lahy mihitsy no ho tia olona mbola tsy nifankahita taminy. Namitaka azy ireo ny zanany, satria azo lazaina hoe nanafina ny maha izy azy. Tena tsy tsara fototra tokoa ny fiarahana, raha fitaka toy izany no anorenana azy. Sa ahoana hoy ianao?

Aleo mihaona mivantana

Misy loza hafa koa mety hateraky ny fitadiavana vady ao amin’ny Internet. Mety hanjary ho zava-dehibe kokoa aminao indraindray ny namana mifanoratra aminao ao amin’ny Internet, noho ny olona mifankahita aminao isan’andro. Lasa ambanin-javatra ny fianakaviana sy ny namana ary ny andraikitra. Hoy i Monika, tovovavy avy any Aotrisy: “Lasa nataoko an-tsirambina ireo olona tena akaiky ahy, satria nandany fotoana be teo amin’ny ordinatera aho, mba hifandraisana amin’olona tao amin’ny Internet.” Tonga saina izy tamin’izay, ka tapa-kevitra fa tsy hampiasa Internet amin’izany fomba izany intsony.

Mazava ho azy fa maro no mampiasa Internet amin’ny fomba tsara. Ahafahana mifandray tsy tapaka amin’ny namana sy ny havana koa ny fandefasana e-mail. Azo antoka anefa fa ekenao hoe tsy misy tsara hoatran’ny mifanatri-tava. Angamba ianao “efa dila ny fotoana fivelaran’ny fahatanorana”, izany hoe ny fotoana mahamafy indrindra ny faniriana hanao firaisana, ary te hanambady. Anisan’ny safidy lehibe indrindra hataonao eo amin’ny fiainana izy io. (1 Korintianina 7:36) Koa mieritrereta tsara àry rehefa manapa-kevitra.

Hoy ny Baiboly: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” (Ohabolana 14:15) Aza minomino foana ny teny rehetra soratan’ny olona mbola tsy nihaona taminao àry, fa diniho tsara izay lalan-kizoranao. Tsara lavitra ny mifanao fotoana sy mifandray mivantana amin’ilay olona tianao ho vadinao. Jereo tsara raha mifanentana ianareo, indrindra fa ny tanjonareo eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy izay zava-dehibe aminareo. Mety hiafara amin’ny fanambadiana tena sambatra ny fiarahana toy izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 5 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... ‘Tokony Hitady Vady ao Amin’ny Internet ve Aho?’ ” ao amin’ny Mifohaza! 8 Mey 2005.

[Sary, pejy 12]

Fantatrao marina ve hoe iza no manoratra aminao ao amin’ny Internet?

[Sary, pejy 14]

Tsy misy tsara noho ny mihaona mivantana amin’ilay olona tianao ho vadinao