Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Trano Madio—Andraikitsika Rehetra

Trano Madio—Andraikitsika Rehetra

Trano Madio—Andraikitsika Rehetra

Avy amin’ny mpanoratra ny Mifohaza! any Meksika

TENA mahafinaritra ny mipetraka amin’ny toerana madio! Mihabetsaka anefa izao ny fako any amin’ny tanàna sasany, ka sarotra kokoa noho ny taloha ny manao izay hampahadio sy hampilamina foana ny eo amin’ny manodidina antsika.

Manao izay hampahadio hatrany ny arabe ny fitondram-panjakana, ka manakarama mpaka fako. Mbola misy fako misavovona ihany anefa eny amin’ny toerana sasany. Mankarary izy ireny, sady mahasosotra ny mijery azy. Mahabe voalavo sy kadradraka ary biby hafa mpitondra aretina koa izy ireny. Misy zavatra azonao atao ve manoloana izany? Eny! Ataovy madio sy milamina foana ny tranonao sy ny manodidina azy.

Ny toe-tsaina mety

Misy mieritreritra fa rehefa mahantra ny olona, dia tsy maintsy maloto ny tranony sy ny manodidina azy. Tsy voatery ho marina anefa izany. Ekena aloha, fa mety ho sarotra kokoa amintsika ny hanao izay hampahadio foana ny toerana manodidina antsika, raha tsy manam-bola firy isika. Hoy anefa ny ohabolana espaniola iray: “Afaka miara-dalana ny fahantrana sy ny fahadiovana.” Etsy an-danin’izany, dia misy olona manankarena, nefa maloto be ny tranony sy ny manodidina azy.

Ny toe-tsaintsika àry no manosika antsika hanao izay hampahadio hatrany ny tranontsika sy ny manodidina azy. Miankina be dia be amin’ny toe-tsain’ny fianakaviana manontolo mihitsy izany. Tsara àry ny mandinika hoe inona no azontsika rehetra atao, mba hampahadio foana ny tranontsika sy ny manodidina azy.

Fandaharam-panadiovana

Toa tsy mety tapitra mihitsy ny raharahan’ny renim-pianakaviana. Sady mikarakara sakafo sy mampiakanjo ny ankizy handeha hianatra izy, no manao izay hampahadio foana ny trano sy ny manodidina azy. Asa raha mba efa voamarikao fa ny reny foana matetika no mampirina ny akanjo maloto, sy ny zavatra hafa avelan’ny zanany ao amin’ny efitranony. Ho kely kokoa àry ny raharahany, raha manana fandaharam-potoana mazava tsara ho an’ny fanadiovana izy, ary manao izay hahamaivana izany ny mpianakavy tsirairay.

Misy reny mifidy hoe inona avy no hodiovina isan’andro, na isan-kerinandro, na isam-bolana. Azo diovina indray mandeha isan-taona kosa ny zavatra sasany. Isan-taona, ohatra, no diovina tanteraka ny arimoara, any amin’ny Betela rehetra, na ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Esorina daholo, amin’io fotoana io, izay zavatra tsy ilaina, ary alamina ny arimoara. Efa misy fotoana fanadiovana azy koa ny rindrina.

Misy toerana tokony hodiovina foana koa ao an-trano, mba hitandremana ny fahasalamana. Anisan’izany ny efitra fandroana sy ny kabine. Ilana fanadiovana tsotsotra ireo isan’andro. Mila diovina bebe kokoa anefa ireo, angamba indray mandeha isan-kerinandro, mba tsy ho feno mikraoba. Misy mieritreritra fa tsy maintsy maloto foana ny kabine, na inona na inona atao. Misy kabine tena madio be anefa. Ilaina fotsiny ny manadio azy io tsy tapaka sy mampiasa savony na zavatra fanadiovana hafa mety aminy.

Mila diovina tsara koa ny lakozia. Marina fa efa manasa vilia isan’andro ianao, sady efa manadio ny fatana sy ny latabatra. Ilaina anefa indraindray ny manao fanadiovana lehibe kokoa, angamba indray mandeha isam-bolana. Azo diovina, ohatra, amin’izay, ny talantalana sy ny fitoeram-bilia, ary ny any ambadiky ny fanaka lehibe hafa. Tsy hisy kadradraka sy bibikely hafa mpitondra aretina any, raha voadio matetika.

Mila miara-miasa ny mpianakavy

Misy ray aman-dreny mametraka fitsipika ho an-janany. Zariny mampirina ny fandrianany sy mandamina ny entany ary mametraka ny akanjony maloto ao amin’ny fitoerany, ohatra, izy ireo, alohan’ny handehanany hianatra. Misy fitsipika mahasoa ny rehetra ity: “Avereno amin’ny toerany ny zava-drehetra.”

Azo omena anjara raharaha na toerana hodiovina koa ny mpianakavy sasany. Afaka mandamina sy manadio tanteraka ny garazy ve, ohatra, i Dada, indray mandeha isan-taona, fara faharatsiny? Sao dia misy ankizy iray afaka manampy azy? Iza no hanala ny ahitra eo an-tokotany na hanapaka ny bozaka? Isaky ny inona izany no tokony hatao, mba hahafinaritra foana ny mijery ny tokotany? Misy toerana fitahirizan’entana ve ao an-trano? Sao dia misy zavatra tsy ilaina intsony ao, ka azo esorina? Sao dia mila diovina sy alamina indray ilay izy? Iza no hanao izany? Misy ray aman-dreny manendry ny zanany hanao ireo zavatra ireo, ary asainy mifandimby izy rehetra amin’izany.

Manaova fandaharam-potoana mazava tsara àry ho fikojakojana ny tranonao. Ilaina foana izany, na ianao irery no manadio azy, na ianareo mianakavy, na manakarama olona ianao. Madio sy milamina tsara foana ny tranon’ny renim-pianakaviana iray. Tantarainy amintsika izay ataon’izy mianakavy, mba hahavitana izany. Hoy izy: “Ifampizaranay sy ny zanako telo vavy ny raharaha ato an-trano. I Norma Adriana no manadio ny efitra fandraisam-bahiny, sy ny efitra fandriana roa, ny tokotany, ary ny lalana eo anoloan’ny trano. I Ana Joaquina no mikarakara ny ao an-dakozia. I María del Carmen no manasa vilia, ary izaho no manasa lamba sy manao ny zavatra hafa.”

Manodidina mahafinaritra

Ary ahoana ny manodidina ny trano? Na lehibe ny tranonao na tena kely, dia ilaina hodiovina sy hokarakaraina foana ny manodidina azy. Niala ve, ohatra, ny savily iray tamin’ny vavahady? Fantatrao fa tsy hahafinaritra ny hijery ilay vavahady, raha tsy amboarina. Hianjera mihitsy aza ilay izy amin’ny farany. Mahasosotra koa ny mijery ny fako avela hiangona eo ivelan’ny varavarana na eo am-bavahady, na eo amin’ny sisin-dalana eo akaiky eo. Avela hivangongo eo an-tokotany koa, indraindray, ny kapoaka sy ny fitaovana hafa. Mety hisy bibikely mpitondra aretina hiafina anefa ao.

Misy koa fianakaviana manadio ny any ivelan’ny tokotaniny, toy ny sisin-dalana na ny lalana eo anoloan’ny tranony mihitsy aza. Isan’andro na isan-kerinandro izy ireo no manao izany, rehefa ilaina. Marina fa manao fandaharana tena tsara mba hampahadio foana ny tanàna, ny fitondram-panjakana any amin’ny toerana sasany. Tsy misy an’izany anefa any an-toeran-kafa. Tena hahafinaritra sy hahasalama kokoa àry ny manodidina antsika, raha samy manao ny andraikiny ny rehetra, mba hampahadio azy io foana.

Misy fianakaviana manao fandaharam-panadiovana mitovitovy amin’ireo eo ambony ireo. Soratany amin’ny taratasy mihitsy aza izany, ary apetany eo amin’ny toerana talaky maso, mba ho mora amin’ny rehetra ny manaraka azy. Mety hisy vokany tena tsara izany. Tsy ny zava-drehetra tokony ho fantatra momba ny fanadiovana anefa ireo voalaza ireo. Anjaranao, ohatra, no mijery hoe inona no savony na zavatra fanadiovana hafa tena mety eo amin’ny faritra misy anao, ary inona avy no fitaovana takatry ny volanao.

Azo inoana fa hanampy anareo mianakavy kely ireo soso-kevitra vitsivitsy ireo, mba hahatsapanareo fa ilaina ny manadio ny trano sy ny manodidina azy. Tadidio fa tsy miankina amin’ny vola anananao ny fahadiovan’ny tranonao sy ny manodidina azy, fa miankina amin’ny toe-tsainao.

[Efajoro, pejy 20, 21]

Fandaharam-panadiovana Azo Ampiharina

Soraty eo amin’ilay faritra malalaka izay zavatra hafa mbola tianao hatao

Tandremo! Tena mampidi-doza ny mampifangaro ranon-javatra fanadiovana, indrindra fa ny eau de Javel sy ny amoniaka

Isan’andro

Efitra fandriana: Ampirimo ny fandriana, fafao ny gorodona, ary alamino ny zava-drehetra

Lakozia: Sasao ny vilia sy ny koveta fanasana azy. Diovy sy alamino ny latabatra sy ny talantalana. Fafao ny trano, ary sasao, raha ilaina

Efitra fandroana sy kabine: Diovy ny toerana fisasana na ny koveta. Diovy ny kabine. Alamino ny fitaovana rehetra ao

Efitra fandraisam-bahiny sy efitra hafa: Alamino ny zava-drehetra. Fafao ny fanaka. Fafao sy borosio ny gorodona na sasao, raha ilaina

Trano manontolo: Ario daholo ny fako

Isan-kerinandro

Efitra fandriana: Sasao ny lambam-pandriana sy ny fonon’ondana. Fafao sy borosio na sasao ny gorodona. Fafao ny fanaka

Lakozia: Diovy ny fatana, raha ilaina. Diovy koa ny fitoeram-bilia sy ny siô, ary ny fitaovana eo ambonin’ny latabatra sy talantalana. Sasao ny trano

Efitra fandroana sy kabine: Sasao ny rindrin’ny efitra fandroana sy ny fitaovana rehetra ao. Sasao ny servieta. Diovy ny kabine. Mampiasà rano mafana sy savony na zavatra hafa mamono mikraoba, toy ny eau de Javel. Fafao sy sasao ny ambany

Isam-bolana

Efitra fandroana sy kabine: Sasao tanteraka ny rindrina rehetra

Trano manontolo: Diovy ny tolàm-baravarana rehetra. Diovy tanteraka ny fonon-tseza

Zaridaina sy tokotany ary toerana fitahirizan’entana: Fafao sy diovy, raha ilaina. Aza mitahiry fako na zavatra tsy ilaina

Isaky ny Enim-bolana

Efitra fandriana: Sasao ny rako-pandriana sy ny bodofotsy

Lakozia: Esory daholo ny entana eo ambony talantalana, ary diovy tanteraka ilay izy. Ataovy toy izany koa ny vata fampangatsiahana, raha manana ianao

Efitra fandroana sy kabine: Esory daholo ny entana eo amin’ny talantalana na ao amin’ny vatasarihana, ary diovy izy ireo. Omeo olona izay zavatra tsy ilaina. Ario izay zavatra lany daty

Trano manontolo: Diovy ny jiro sy ny fanapihana azy ary ny vantilatera. Diovy ny varavarana. Sasao ny varavarankely sy ny tolàna

Isan-taona

Efitra fandriana: Avoahy ny entana rehetra ao anaty arimoara, ary diovy tanteraka ilay izy. Omeo olona izay zavatra tsy ilaina. Ahintsano ny vovoka amin’ny kidoro sy ny atin’ny ondana

Lakozia: Esory ny entana rehetra eo amin’ny talantalana, ao amin’ny arimoara sy vatasarihana, ary diovy tanteraka izy ireo. Omeo olona izay zavatra tsy ilaina. Akisaho ny fanaka lehibe rehetra, ary diovy ny tao ambaniny

Trano manontolo: Sasao ny rindrina rehetra. Diovy ny fonon-tseza, ary sasao ny ridao

Toerana fitahirizan’entana: Fafao tanteraka. Alamino na omeo olona ny entana tsy ilaina

[Sary, pejy 22]

“Avereno amin’ny toerany ny zava-drehetra”

[Sary, pejy 22]

Omeo olona izay zavatra tsy ilainao intsony